|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  asombola
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 anaran' ny volana fahenina (Arabo Es-soumboul (salohim-barin ny Virginy)).
4 Lazain' ny mpanandro fa ny Asombola dia vorombe-tsi-tana. Tsy fantatra mazava izay tena hevitr' izany; nefa izao no fanaon' ny ntaolo: raha handranto izy, na hikarama lavidavitra, dia tsy nivoaka raha tsy Asombola toy izany koa raha hampiditra na hamoaka omby mifahy. [1.10]
5  [3.1]
66 Anaran' ny volana fahenina amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alahasaty ary alohan' ny Adimizana, ka ny toerana nomena azy fahiny ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo ilany andrefana
67 Fanandroana: Vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mahazo vola; raha vehivavy, mpanao taozavatra, mpila harena; vodiny: tsara, hanan-karena, mpila vola [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  68 the name of the sixth month of the Malagasy year. [Ar. As-sumbulu - Spica Virginis, or in Virgo.] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  69 nom du sixième mois de l'année malgache
70 nom d'un destin [1.3]
Ohatra  71  ary nony ampitso Alahady 14 Septembra 26 asombola dia niangona tao. [2.59#271]
Voambolana  72  Fotoana 73  Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Fikambanana  150  Fitenena, anaran-tany, sns miisa 2 misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  151  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2) 152  asombola
Sokajin-teny  153  anarana
Fanazavàna teny malagasy  154 ny tera-tsikidy valo amin' ny reniny efatra, ka ny roa dia eo amin' ny tsanganany, ary ny roa ao amin' ny tsivalany; takalo tenany io, ka raha tsy amonoina omby eo atsinanan-trano tsy sitrana ny marary; fa raha vola kosa, tsy azo raha tsy atao ao anaty moara (na mohara) ny Asombola 12, izany hoe asiana taniravo kely avy ny niteorany, dia iny taniravo iny no raofina ka atao ao anaty moara. [1.10]
Mpanahaka  155  sikidy
Lahatsoratra  156 

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/06