Teny iditra | 1 tezitra |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Tsy faly amin' ny olona iray ka hetsehim-po hamely azy: Tezitra taminy ny rainy ka saika voafelaka izy ~ Tezitra noho ny hakamoanao ny mpampianatra |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] angry |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] fâché, en colère |
Ohatra |
6 Samy tezitra izy roa lahy. [2.472] 7 tezitra ny anadahin-drenin' ireo zaza. [2.606] |
Voambolana |
8 Ontam-po |
Sampanteny |
|
Mpanahaka | 14 sosotra, madiky, monjotra, mimonjotra, mandongilongy, montotra, malonilony, mimonjomonjo, mionjononjona, manao farateny, mihifika, tohina, sendaotra, entim-po, tafintohina, milondolondo, somalondo, lotika, letra, misamontotra, mifongofongo, mikitoka, mikintona, manangam-bovona, mirintona, miotinotina, mandrivana, lomodomotra, vinitra, miviniviny, mivindina, mivindavinda, mikitakita, mena, tera-mena, mivoaramena, hendratra, hendratra dia hendratra, miala vonkina, mivandravandra, tonga fofona ohatra ny ronono mandroatra, mihidy vazana, miempo fo, misarongatra, mandroatra, mitroatra, mitrifana, misafoaka, mitafoaka, miafokafoka, mifotroaka, mitrafana, mikafara, mikafankafana, miafonafona, miefonefona, misondro-dra, henjan-kozatra, romotra, gaigy, misamboaravoara, misafotofoto vorim-bava, maimbo ra, liandra |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 16 Ohabolana misy io teny tezitra io |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |