|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : misavily

Ohabolana 1Manao azy ho akan' ny alina ka mitsipy sandry maizim-bolana. [2.558 #1986]
Manao azy ho akan’ ny dia, ka mitsipy sandry maizim-bolana. [2.653 #1529]
Manao ho akan' ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana. [2.165 #50]
Dikanteny frantsayPrétendre y avoir la nuit, puis aller danser dans les ténèbres (.... et se blesser). [2.165]

Ohabolana 2Ny hofak' ondry no soa misavily, fa ny teny tsy mba soa misavily. [2.165]
Dikanteny frantsayLa queue des moutons est bonne à être balancée, mais non les paroles (disputes). [2.165]
Fanazavana frantsayIl vaudrait mieux quelles soient en repos;. [2.165]

Ohabolana 3Varidimiventy namidy trafonkena. [1.1]
Varidimiventy namidy vozon-kena. [1.1]
Varidimiventy namidy vozon-kena : kely ihany fa misavily any am-bozony. [2.558 #4861]
Varidimiventy namidy vozon-kena: kely ihany fa misavily any an-katony. [2.165 #1365, 2.653]
Fanazavana malagasyKely ihany fa misavily any an-katony; kely ihany fa lasana ambony: ilazana zavatra kely jerena toa tsy inona, nefa nahazoana na nahavitana zava-dehibe. [1.1]
Dikanteny frantsayPour un sou de viande du cou: ce n' est qu' un petit morceau, mais il se balance sur la nuque (du bœuf, quand il est vivant). [2.165]
Fanazavana frantsayCe morceau occupe une position proéminente. [2.165]

Fizahan-teny