|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : tohy loha

Ohabolana 1Gora no hozongozonina nefa lamba tohiloha no hovidiana. [2.558 #1230]

Ohabolana 2Koranely mitafy tohiloha : lehibe ihany fa eny an-tsisiny. [2.415 #2505, 2.558 #1662, 2.653]
Dikanteny frantsayColonel mal vêtu : c' est un grand, mais à l' écart. [2.415 #2505]
Fanazavana frantsayUn grand qui est pauvre n'est pas honoré. [2.415 #2505]

Ohabolana 3Na midarona aza ny sandry, na manao laniala aza ny nify, ny tohiloha tsy azo enti-mitsinjaka. [2.415 #2448, 2.653 #2011]
Dikanteny frantsayLes bras ont beau s'agiter avec grâce et ampleur, les dents ont beau être nettoyées, on ne peut pas danser avec un lamba dont les bords extérieurs ont été cousus ensemble parce que le milieu était usé. [2.415]

Ohabolana 4Tohiloha landy : sady tsy takatry ny malahelo no tsy tian' ny mpanana. [2.558 #4149]

Ohabolana 5Tohiloha natao takalo mindrana, ka ny manan-dratsy indray no manafatrafatra. [2.558 #4150]
Voro-damba atakalo mindrana, ka ny manana ny ratsy indray no manafatra. [2.165 #1309]
Voro-damba atakalo mindrana : ny manan-dratsy indray no manafatra. [2.653 #3740]
Voro-damba natakalo mindrana, ka ny manan-dratsy indray no manafatra. [2.415 #2575]
Dikanteny frantsayC' est celui qui passe des guenilles à quelqu' un (en lui empruntant un meilleur vêtement), qui recommande à l' autre de prendre soin de ces guenilles. [2.165]
Échange de mauvais vêtements, et c' est celui qui a le plus mauvais qui recommande le plus expressément le sien. [2.415 #2575]
Fanazavana frantsayPlus on est pauvre, et plus on tient au peu qu'on a. [2.415 #2575]

Fizahan-teny