Teny iditra (1/3) | 1 tanana |
Sokajin-teny | 2 matoanteny mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Gejaina amin' ny tanana, tazonina, fihinina: Tano tsara ny tady sao mianjera ianao Hazonina, tsy avala ho very, ho lasa: Tano ny azo fa sarotra ny mita Hazonina, tsy avala hivoaka: Notanany tao aminy ny zanany roa Tehirizina; tsaroana: Notanany tao am-pony ireo teny ireo |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.2] to be seized, to be held, to be grappled; to be charged |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3#664] qu'on tient, qu'on retient, qu'on arrête, qu'on saisit, qu'on garde |
Fototeny | 6 tana |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 15 Ohabolana misy io teny tanana io |
Teny iditra (2/3) | 16 tanana |
Sokajin-teny | 17 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
18 [1.1] Rantsam-batana hatreo amin' ny hatotanana ka hatramin' ny rantsantanana, ary ampiasaina handray sy hikasika ary hitana zavatra: Manasà tanana alohan' ny hisakafo. 19 [1.1] les pattes de devant chez les animaux (les mains chez l'Homme et les Lémuriens) Pour les plantes, désigne la base des pétioles des frondes de Fougères ; la base des tiges d'ignames, etc. |
Fanazavàna teny anglisy |
20 [1.7] the hand the forelegs of quadrupeds |
Fanazavàna teny frantsay |
21 [1.3, 1.8] la main, les mains 22 [1.3, 1.8] les pattes de devant chez les quadrupèdes 23 [1.3] les manches des habits, etc. 24 [1.5] main, manche, rayon 25 [1.405] [Sakalava-Mayotte] [tañana] main |
Ohatra |
26 [2.472] Raha sahy ialahy, tehafo ny tanako 27 [2.471] Noraisiko ilay bodofotsy tsara tarehy teo akaikiko, dia nanaraka ny tanako ny sombiny voaraiko 28 [2.470] Any ampaosinao ny tanany vatany vao variana kely foana ianao |
Voambolana |
29 Haiaina 30 Haibiby: (amin' ny ankapobeny) |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaran-toerana |
|
Manontolo |
|
Ampahany |
|
Anaran' akora mamorom-batana |
|
Ohabolana | 63 Ohabolana misy io teny tanana io |
Lahatsoratra |
64 Randzavola: tanana ao amin' ny Baiboly |
Sary |
|
Teny iditra (3/3) | 67 tanàna |
Sokajin-teny | 68 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
69 [1.1] Vohitra lehibe misy arabe migodana sy trano lehibe voalahadahatra ara-pomba mahafinaritra ny maso ary kianja malalaka isan-karazany: Mipetraka any antanàna izy fa tsy etý ambanivohitra. |
Fanazavàna teny anglisy |
70 [1.7] a town, a city (written with the accent) |
Fanazavàna teny frantsay |
71 [1.8] ville, village (s'écrit toujours avec l'accent) 72 [1.405] [Sakalava-Mayotte] ville, village |
Ohatra |
73 [2.131] eny fa mahalala rariny tokoa izato hianao / ry Ifiadanana / ka sanatria tokoa raha hafoiko ny tanànanay. 74 [2.324] nefa ny firefodrefotry ny basy ao an-tanànan' Antsirabe mbola tsy mijanona. |
Voambolana |
75 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny) |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaran-toerana |
|
Lohateny |
Ohabolana | 88 Ohabolana misy io teny tanàna io |
Lahatsoratra |
89 Randzavola: tanàna sy vohitra ao amin' ny Baiboly |
Sary |
|
Fivaditsoratra | 92 atanan, natana, tanana, tanàna |
Nohavaozina tamin' ny 2025/05/13 |
![]() |