|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  alahasaty
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.10] laharana fahadimy amin' ny volana malagasy izany. Zana-bintana trotroin' ny Asorotany izy; ary eo am-pitotoam-bary (atsinananan' ny andry atsimo) no anjara toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon' ny kintana ataon' ny Arabo hoe El-asad (Lion, Liona).
Andro mainty ny Alahasaty, ary vinta-mpamosavy sy andron' ody; ka ny zaza teraka vava-Alahasaty, indrindra fa raha amin' ny misasakalina, dia atahorana ho tonga mpamosavy mpivoaka alina, na ho mpitana ody mahery. Koa dia tsy maintsy nalàm-bintana ny zaza toy izany. Ny odifoana (karazan' ahitra) no fanalam-paditra ny vintana Alahasaty, mba hahafoana izay ratsy, hahafoana izay tsy soa! Ny mosavinkena koa no faditra Alahasaty, mba ho lasan' iny ny mosavy rehetra! Ary rehefa afa-paditra ny zaza dia ampiambozonina volakizo (masombola tsy tapaka) sy vakamainty, atao hoe tsiambohitrinimanana sy maizinkitro, ary dia asaina miompy akoho mainty.
Tsy mba fanaovan-javatra ny vava-Alahasaty, afa-tsy ny fanandratana ody ihany; koanefa ny vodi-Alahasaty dia tsara ho fanantaran-javatra sy fampakarambady, fa vintan' ny maintimolaly io.
Ny vintana Alahasaty dia mifandratra amin' ny Adalo, fa miarina kosa eo amin' ny Adijady.
4  [3.1]
5  [1.78] [Taimoro] volana aogositra (volana faha-5)
6  [1.1] Anaran' ny volana fahadimy amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asorotany ary alohan' ny Asombola, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo, ilany atsinanana
Fanandroana: Vinta-mpamosavy ny Alahasaty; vavany: raha tsy mpamosavy ny teraka misasakalina dia mpitana ody mahery; vodiny: tsara kosa, tratra antitra, ho maintimolaly
Fanazavàna teny anglisy  7  [1.2] the name of the fifth month of the Malagasy year. [Al. Al-asadu - Leo major.]
Fanazavàna teny frantsay  8  [1.3#20] nom d'un destin
Ohatra  9  [2.857] Ny Adalo, ny alahasaty no mifandratra aminy.
10  [2.59#89] Tamy ny andro Alarobia 16 alahasaty 4 Janoary 1882.
Voambolana  11  Fotoana
12  Fivavahana, finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Ohabolana  89  Ohabolana misy io teny alahasaty io
Tsanganana sy sary iray takila  90  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)91  alahasaty
Sokajin-teny  92  anarana
Mpanahaka  93  sikidy
Lahatsoratra  94 

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/12