|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  fosa
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Filazana kileman' olona tsy eo imasony, fanambarana ny toetran' ny hafa mba hanaratsiana azy
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] backbiting, calumniating, scandalizing. Comp. endrikendrika, manaratsy
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3#188] diffamation, dénigrement, rapports faits en cachette et souvent exagérés, médisance
Sampanteny 
6  Matoantenin' ny mpanao :
7  Matoantenin' ny iharana :
8  Matoantenin' ny fameno :
9  Anarana :
Kamban-teny 
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny fosa io

Teny iditra (2/3)14  fôsa
Sokajin-teny  15  anarana
Fanazavàna teny malagasy  16  [1.78] [Taisaka, Tanosy] volana fahadimy amin'ny taona
Fanazavàna teny frantsay  17  [1.82] [Taisaka] [fosa] mois de mai
Ohatra  18  ny fosa dia ho Adaoro ny Maka dia ho Adizaoza [2.113#]
Voambolana  19  Fotoana
Renianarana 
Anarana iray reny 

Teny iditra (3/3)96  fosa
Sokajin-teny  97  anarana
Fanazavàna teny malagasy  98  [1.1] Biby mpihina-nofombiby hafa, mitovy habe amin' ny alika ary mitovy endrika amin' ny saka; manja mena ny volony ary mena ny masony; loza raha hiani-kazo; tsy mivoaka raha tsy amin' ny alina andripahany ny akoho amam-borona
Fanazavàna teny anglisy  99  [1.2] "A small and graceful cat-like animal peculiar to Madagascar (both the genus and the family of which it is the sole member are confined to the island), formerly classed among the Viverridae, but now considered to form a distinct family between the cats and civets." It is a plantigrade animal and extremely ferocious. Cryptoprocta ferox , Benn. Probably the same as pintsala. Also the name of a species of civet, of a peculiar genus, D'Aubenton's fossane. Fossa d'Aubentonii, Gray.
100  [1.7] a Malagasy carnivore something like a large mink
Fanazavàna teny frantsay  101  [1.82] [Taisaka] Cryptoprocta ferox, petit carnassier
102  [1.54] genette fossane
103  [1.8] carnivore malagasy, espèce de genette
104  [4.22] fosa (Cryptoprocta ferox)
Ohatra  105  Vory teo daholo hono ireo biby rehetra ireo tamin' io : ny fosa, ny akanga, ny papango. [1.508#]
106  nefa ny vorona sy ny araboa-dia, ny fosa, ny kary, nikarenjy tamin' ireny boalaboala ireny. [1.437#]
107  Fony izy mbola teto, saiky lany tamingana ny lambo sy ny fosa fa ny tsy matin' ny bala, voan' ny fandrika. [2.529#]
Voambolana  108  Haibiby: mampinono
Anarana ara-tsiansa 
Ohabolana  110  Ohabolana misy io teny fosa io
Sary 
111  112 

Fivaditsoratra  113  fosa, fôsa, safo

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/05