Teny iditra korintsana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Feon' ny voanjavatra maina ao anaty akorany izay mamoaka feo mikitrana rehefa voatohina
Feo manenon' ny vilia na vera na vola madinika mifandona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Tinkling ornaments [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Retentissement d'un grelot, de petits ornements [1.8]
Voambolana 
Sampanteny 

Teny iditra korintsana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavamaneno mikorintsana manaraka ngodon-kira; samy manana ny anarany avy izy ireo arakaraka ny bikany sy ny zavatra nanaovana azy: ao ny kapoaka (misy na tsy misy tahony hihazonana azy), ao ireo afehy amin' ny hatotanana na ny tongotra ka entina mandihy; ny tsotra indrindra dia voatavo arivolahy efa maina, nesorina ny tao anatiny ary nasiana voa madinika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A child's rattle [1.7]
Ohatra Tamin' izany no nahazon' I Terezy kely korintsana (kilalao vita gasy) sy kavina an-koso-bolamena; [2.470]
Voambolana 
Renianarana zavamaneno
Anarana iray reny adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, doka, dombolo, doribe, dory, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kahiamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kipantsona, kitrivo, kotra, kovabe, lakolosy, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, tary, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19