Teny iditra -doka
Sokajin-teny endritenin' ny hoe loka

Teny iditra doka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanindrahindrana olona amin' ny fiderana azy; robo, fiderana olona, izay kendrena hamalifaliana azy, indraindray omban' ny fanantenana hahazo soa avy aminy: Tia doka loatra io mpitondra io ka manjary fatra-pisolelaka ny olona entiny. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Praise, flattery [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Flatterie [1.8, 1.5]
 Adulation [1.8]
 Vanterie [1.5]
Ohatra 
1Tanantanam-bazaha feno doka, Nodokain' ilay mpanambaka. [2.69]
2Nisy marina koa mantsy ny tenin' izy ireo fa tsy doka fotsiny akory. [2.643]
Haiendriteny 
Tsotra : doka, dokan', dokan-, dokam-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Mpanahaka  dokam-barotra ~ mitady doka ~ tia doka
Ohabolana 

Teny iditra doka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazan-javamaneno miendrika tehina vita amin' ny volotsangana, saingy olona iray ihany no mitondra azy, dia ny lehilahy mpitarika ny dihy amin' ny lanonan-dehibe toy ny famadihana; atontona anin' ny tany izy mba hidoboka ary asiana korintsana eo an-tendrony [1.1]
Voambolana 
Renianarana zavamaneno
Anarana iray reny adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, dombolo, doribe, dory, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kahiamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kipantsona, kitrivo, korintsana, kotra, kovabe, lakolosy, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, tary, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo

Teny iditra doka
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Taimoro] Irery, tsy manao inona [1.78]
Tsipelina hafa 

Teny iditra doka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fandoahana na fandavahana vato iray mba hahazoana manapoaka azy. [1.1]
Sampanteny 
 

Teny iditra doka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Sorte de bambou. [1.19]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19