Teny iditra (1/2) | 1 tarỳ |
Sokajin-teny | 2 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "arỳ" raha enti-milaza ny lasa: Tarỳ Ankadindambo izahay afakomaly Avy arỳ: Efa tarỳ ve ianao? |
Ohatra |
4 [2.4#] tary ambany tary, nisy vehivavy lehibe iray avy niakatra. 5 [2.117#] Dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary. 6 [2.472#] Ny miaramila an-tongotra kosa dia tary Analatelo no niandry. |
Singan-teny | 7 t~, arỳ |
Teny iditra (2/2) | 8 tary |
Sokajin-teny | 9 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
10 [1.1] Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin' ny n' lapa izy (hoditra tokana eo amin' ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary 11 [1.1] [Merina] Ny kely indrindra amin' ireo amponga efatra nampiasaina tamin' ny famorana ka natao hipetrahan' ny zaza hodidiana |
Fanazavàna teny anglisy |
12 [1.2] a second drum |
Fanazavàna teny frantsay |
13 [1.3] le plus petit des quatre tambours usités à la circoncision, dont le son était rauque et sur lequel on plaçait l'enfant pour le circoncire |
Ohatra |
14 [2.436#] Ampongalahy iray atao hoe "tary" no ipetrahan' izay hitazona ny zaza. |
Voambolana |
15 Feon-kira: zavamaneno |
Sampanteny |
|
Renianarana |
|
Anarana iray reny |
|
Fivaditsoratra | 140 itra, raty, tari, tari-, tary, tarỳ, tria |
Nohavaozina tamin' ny 2025/04/30 |
![]() |