|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : arahina

Ohabolana 1Aleo anana ampian-tsetsetra, toy izay matavy arahin-dromoromo. [2.558 #108]
Aleo sosoa ampian-tsetsetra, toy izay hena matavy ampian-dromoromo. [2.653 #110, 2.974 #65]
Aleo sosoa ampian-tsetsetra, toy izay matsiro arahin-datsa. [2.558 #20]
Dikanteny frantsayMieux vaut le sosoa accompagné de soupirs compatissants que la viande grasse donnée avec mauvaise humeur. [2.974 #65]

Ohabolana 2Anakandiam-bery hetona : ny mazava arahina. [1.147 #A61]

Ohabolana 3Antemorona very : telegrafy arahiny. [1.147 #A78]

Ohabolana 4Aza manao amboan-dRainingodona ka izay mitondra kitapo arahina daholo. [2.558 #487]
Aza manao amboan-dReningodona, ka izay mitondra kitapo arahina avokoa. [2.165]
Aza manao toy ny amboan-dReningadona: izay mitondra kitapo arahina daholo. [2.415 #4467, 2.653 #522]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le chien de Reningadona qui suit tous ceux qui portent un sac. [2.415]
Ne faites pas comme le chien de Reningodona qui court après tous ceux qui portent un panier (litt. besace ou sac). [2.165]
Fanazavana frantsayIl espère attraper quelque chose. [2.165]
Se disait des gens simples qu' on gagne facilement par un peu de nourriture. [2.415]

Ohabolana 5Hazo tetezim-barika ka tsy azo arahin' avelo. [2.558 #1303]

Ohabolana 6Izaho mahita izay mamahoaka, fa izay mitondra sotro arahiko. [2.653 #1159]

Ohabolana 7Kakazo nanihim posa : ny dian-tanany arahin’ ny tongony. [1.147]

Ohabolana 8Mahay arahina ralehilahy, mahay manaraka ravehivavy. [2.415 #1288]
Dikanteny frantsayQuand le mari sait se faire suivre, la femme sait emboîter le pas. [2.415 #1288]
Fanazavana frantsayDans les ménages où règne l' entente, l' homme montre de la déférence pour la femme et la femme est soumise au mari. [2.415 #1288]

Ohabolana 9Malahelo tsy arahin' olon-trosa, ka miantsena miadana ihany. [2.558 #1923]

Ohabolana 10Matory tsy arahi-nofy ka mifoha tsy arahin' eritreritra. [2.558 #2197]

Ohabolana 11Miolakolaka ny mpiventy hira, ka sarotra arahina. [2.165 #1325, 2.415 #5560]
Miolakolaka ny mpiventy ka sarotra arahina. [2.558 #2355]
Dikanteny frantsayCelui qui conduit le chant fait beaucoup de fioritures (litt. de détours) et alors on le suit difficilement. [2.165]
Le chef du chant fait beaucoup de fioritures, et il est difficile de le suivre. [2.415 #5560]

Ohabolana 12Misarimorimo hoatry ny valala : raha nanatody, nokotrehin' ny tany ; nony foy, tsy nanan-dreny harahina. [2.415 #1034]
Misarimorimo ohatra ny valala, nanatody nokotrehin' ny tany, nony foy tsy nanan-dreny harahina. [2.558]
Misarimorimo, ohatra ny valala : raha nanatody, nokotrehin’ ny tany; nony foy, tsy nanan-dreny harahina. [2.653]
Dikanteny frantsayTournoyer en bourdonnant comme les sauterelles : après la ponte, c' est la terre qui les a couvées ; une fois écloses, elles n' ont pas eu de mère pour les conduire. [2.415 #1034]
Fanazavana frantsaySe disait des orphelins et des malheureux qui n'ont personne à qui recourir ; ou bien de ceux qui veulent se mettre à 'écart de leurs parents. [2.415 #1034]

Ohabolana 13Resy andriana narahina. [2.415 #822]
Resy andriana ombana. [2.415 #822]
Dikanteny frantsayCelui qui a perdu son soutien est comme l' homme dont le souverain est vaincu. [2.415 #822]

Ohabolana 14Tanin' andriana tian-konenana, ary satan' andriana tsy harahina. [2.415 #258]
Tanin' andriana tian-konenana, ary satan' andriana tsy tiankarahina. [2.415 #258]
Tanin' andriana tian-konenana, ka satan' andriana tsy harahina. [2.165 #1411]
Tanin' Andriana tian-konenana, ka satan' Andriana tsy tian-ko arahina. [2.558 #4047]
Tanin’ Andriana tian konenana; satan’ Andriana tsy harahina. [2.653]
Dikanteny frantsayOn aime la terre d' un souverain pour y résider, mais on n' aime pas à se soumettre à ses lois. [2.415 #258]
Vouloir demeurer sur les terres du souverain, mais ne pas vouloir suivre ses lois. [2.165 #1411]
Fanazavana frantsayIl en coûte de se soumettre à toutes les volontés du souverain ; on voudrait avoir les avantages sans les inconvénients. [2.415]

Ohabolana 15Toy ny dian' omby, ka ny alehan' ny tanany ihany no arahin' ny tongony. [2.165 #916, 2.415]
Dikanteny frantsayC' est comme la marche du boeuf : là où passent les pieds de devant, les pieds de derrière passent aussi. [2.415]
Pareil à la marche du bœuf: où les pieds de devant passent, les pieds de derrière passent aussi. [2.165]

Ohabolana 16Trandraka mileviña an-tany mena: izay volon-tany ka arahina. [2.165]
Trandraka milevina an-tany mena: izay volon-tany no arahina. [2.165]
Trandra-milevina an-tanimena : volon-tany arahina. [1.147 #T122]

Ohabolana 17Volon-tany arahin' ovy, tanety ambo javona. [1.147 #V85]

Fizahan-teny