|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : trafo

Ohabolana 1Ataovy mitombo hoatry ny tohatr' omby fahavaratra, fa aza atao mihena hoatry ny trafon' omby ririnina. [2.415 #2171]
Ataovy mitombo ohatra ny tohatr’ omby fahavaratra, fa aza atao mihena ohatra ny trafon’ omby ririnina. [2.653]
Dikanteny frantsayFaites prospérer vos biens comme les mamelles des vaches qui se gonflent en été ; ne les laissez pas décroître comme la bosse du boeuf qui se ratatine en hiver. [2.415]

Ohabolana 2Aza manao hoe: irý trafo ampitso; tsy alaiko noho ny vahin-drorohany anio. [2.653 #464]
Aza manao hoe : irý trafo rahampitso tsy alaiko noho ny vahin-drorohany anio. [2.558]

Ohabolana 3Fahy ombin' Imboarina ka ny trafony ihany no miedinedina. [2.558 #1057]
Fahy ombin’ Imboarina: ny trafony ihany no miedinedina. [2.653]

Ohabolana 4Fananga-mitohy ny trafony ka mibaby ny soa ho an' ny tenany. [2.558 #1086]
Fananga-mitohy ny trafony, ka mibaby soa ho any ny tenany. [2.653]

Ohabolana 5Fanangan-kena : midina mahazo ny tratrany, miakatra mahazo ny trafony. [2.558 #1087, 2.653 #913]
Fanangan-kena: midina, mahazo ny tratrany; mitraka, mahazo ny trafony. [2.165 #2209]
Dikanteny frantsayLa chair qui entoure l' omoplate (d' un bœuf): si on coupe au-dessous, on touche au poitrail; et si on coupe au-dessus, on touche à sa bosse. [2.165]
Fanazavana frantsayCette chair se trouve entre deux parties de bonne qualité et ainsi elle est aussi de bonne qualité. [2.165]

Ohabolana 6Hianareo no trafo nasondrotry ny nofo sy vato nasondrotry ny tany. [2.558 #1337]

Ohabolana 7Lelan’ omby, ka miraoka ahitra ho any ny trafony. [2.653 #1364]
Lelan' omby : miraoka ahitra ho an' ny trafony. [2.558 #1785]
Lel' omby, ka miraoka ahitra ho an' ny trafony. [2.165]
Dikanteny frantsayLa langue du bœuf (zébu): c' est pour la bosse quelle broute l' herbe. [2.165]

Ohabolana 8Lelan' omby : milelaka ny trafo, mahay; milelaka ny tongotra, mahay ihany koa. [2.558 #1784]

Ohabolana 9Mamahy omby hova, ka ny trafony ambiny ihany. [2.558 #1939]
Mamahy ombihova : ny trafony ambiny ihany. [2.415 #2200, 2.653]
Dikanteny frantsayQuand on engraisse un boeuf de l'Imerina, la bosse est en surplus. [2.415 #2200]
Fanazavana frantsayLes boeufs de l'Imerina s'engraissaient très facilement, aussi la bosse pouvait-elle être considérée comme un excédent sur le gain total ; ce proverbe se disait d' une bonne affaire. [2.415]

Ohabolana 10Maniry trafon' ombalahy. [2.415 #5453]
Dikanteny frantsayDésirer la bosse du boeuf. [2.415]
Fanazavana frantsayChercher à supplanter ceux à qui on doit respect et obéissance. Autrefois la bosse du boeuf était réservée au souverain ou au seigneur, c'était le symbole du pouvoir; les souverains dans leurs discours employaient souvent cette expression pour désigner ceux qui cherchaient à les supplanter. [2.415]

Ohabolana 11Mpanarivo roa ray : mitraka mahazo ny trafony, miondrika mahazo ny tratrany. [2.558 #2583]

Ohabolana 12Ny mpanjatobe roa ray : anatiny mahazo ny trafony, ivelany milanja ny tratrany. [2.558 #3158]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo ny trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.653 #2354]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.415 #2228]
Dikanteny frantsayLes richards ont deux prérogatives : chez eux ils ont la bosse du boeuf, dehors ils emportent la poitrine. [2.415]

Ohabolana 13Sola homan-trafon-kena, ka any an-kibo no manao fito an-kila. [2.165 #2040, 2.415 #2136]
Sola mihina-menaka, ka tsy mihevitra izay hirandranana fa any an-kibo no manao fito an' ila. [2.558 #3937]
Sola misotro menaka: ao an-kibo ny ahy no mirandrana. [2.415 #2141, 2.653]
Sola misotro menaka: ao an-kibo no manao fito an-ila. [2.415 #2140, 2.653]
Dikanteny frantsayChauve qui mange de la bosse de boeuf : c' est dans son ventre qu' il croit avoir sept tresses de cheveux. [2.415]
Personne chauve qui boit de la graisse : c' est dans le ventre, dit-elle, que mes cheveux sont tressés. [2.415 #2141]
Personne chauve qui boit de la graisse : c' est dans le ventre qu' elle porte sept tresses de chaque côté de la tête. [2.415 #2140]
Un chauve qui mange de la bosse de bœuf: c' est en son fort intérieur qu' il se figure avoir sept tresses (d' un côté de la tête). [2.165]
Fanazavana frantsayAllusion à la graisse qui sert pour les cheveux et à une certaine manière de se coiffer. [2.415 #2140]
Allusion à la graisse qu'on employait pour faire les tresses. [2.415 #2136]
Les Malgaches emploient de la graisse pour se faire les cheveux: un chauve qui mange de la bosse de bœuf, qui est graisseuse, n' a pas besoin d' en réserver une partie pour se faire des tresses, puisqu' il n' a pas de cheveux; alors c' est en imagination qu' il se fait des tresses, sept de chaque côte de la tête, un des genres de coiffure préférés autrefois. [2.165]

Ohabolana 14Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana: ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendra ny lohaliny. [2.165 #1740]
Tahaky ny tokon-kena ny fanambadiana : ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendra ny lohaliny. [2.415 #1236]
Tokon-kena ty fanambalia ka ao ty toje tsafoñe voho ao koa ty toje ty pokopokoñe. [1.68]
Tokon-kena ty valia : ao ty toje ty tsafoñe voho ao koa ty toje ty pokopokoñe. [1.68]
Dikanteny frantsayLe mariage est comme un partage de viande : l' un attrape un morceau de la bosse, et l' autre un morceau du genou. [2.415 #1236]
Le mariage est comme un partage de viande: l' un attrape un morceau de la bosse, un autre attrape un morceau du genou. [2.165]
Le mariage est comme un partage de viande, l'un attrape un morceau de la bosse, un autre un morceau du genou. [1.68]
Fanazavana frantsayLe premier morceau est bon, l' autre ne vaut rien. Ainsi en est-il de l'époux ou de l' épouse que l'on prend. On peut bien tomber, on peut mal tomber. [2.165]

Ohabolana 15Trafon' omby ririnina, ka lasan' Andriamanitra nanao azy. [2.415 #58, 2.653 #3264]
Dikanteny frantsayLa bosse du boeuf pendant l' hiver : elle est retournée à Dieu qui l' a faite. [2.415]
Fanazavana frantsayLa bosse du boeuf, devenue plus maigre et plus légère en hiver, se redresse vers le ciel. On disait ce proverbe aux personnes qui maigrissaient. [2.415]

Ohabolana 16Trafon' omby ririnina : miara-ringitra tamin' ny ahitra. [2.558 #284]

Ohabolana 17Tsy mba ny rambony hanamavo aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony. [2.558 #4559]
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony. [2.165]
Dikanteny frantsayJe ne suis pas la queue qui salit le postérieur (du bœuf), mais la langue qui lisse la bosse. [2.165]
Fanazavana frantsayEt une belle bosse fait connaître un bon bœuf. [2.165]

Ohabolana 18Tsy ny rambo izay mikapoka hanavazina ny tena, fa ny lela izay milelaka hanamandina ny trafo. [2.653 #3568]
Tsy ny rambo mikapoka hanavazina ny tena, fa ny lela izay milelaka ny trafo. [2.558 #308]

Fizahan-teny