Teny iditra kahiamba
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anaran-javamaneno hafa kely fa harefo iray fihina no afatotra goragora ary kapokapohin' ny felatanana roa; izany no atao hoe Kahiamba; malefadefaka ny ngadona azo avy aminy, nefa manana anjara lehibe eo amin' ny fiarahan-javamaneno izy noho izy manano toamikorintsana [1.1]
Ohatra Mandritra ny fotoana rehetra anaovana ny lanonana dia tsy mitsahatra ny hira masina, ny fandoroana emboka ny feon' amponga sy kahiamba ary ny vavaka. [2.508]
Voambolana 
Renianarana zavamaneno
Anarana iray reny adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, doka, dombolo, doribe, dory, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kipantsona, kitrivo, korintsana, kotra, kovabe, lakolosy, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, tary, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19