Teny iditra kipantsona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Takela-barahina mitapelaka roa izay ampiadina ka mamoaka feo mikarantsana.
Fonjam-by ahantona ary velezina amin' ny tapa-by ihany; maro karazana izy io rehefa ampiasaina amin' ny fiarahan-javamaneno araka izay feo ilaina: misy toy ny takotra manify, misy tariby vaventy afolaka indroa, ary misy karazana lakolosy kely atambatra vitsivitsy. (Taloha nampiasaina ho toy ny lakolosy fiantsoana ny kipantsona, ary ankehitriny ampiasaina amin' ny Fanabeazana fototra araka ny fomba fampianarana vaovao eo amin' ny mozika aman-kira) [1.1]
 Karazan-javamaneno mikarantsana rehefa velezina [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Cymbales [1.3, 1.13]
Ohatra Ary ny fitondran'ny zanadRalambo tamin'izany kosa, dia mively amponga sy kipantsona. [2.59]
Voambolana 
Renianarana zavamaneno
Anarana iray reny adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, doka, dombolo, doribe, dory, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kahiamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kitrivo, korintsana, kotra, kovabe, lakolosy, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, tary, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo

Teny iditra kipantsona
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Entina milaza ny olona vavèna [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Bavard, loquace, hâbleur [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19