Teny iditra |
tsaro > sarotra
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | [Bezanozano]
Lafo, sarobidy [1.78]
|
| Tsy mora ny fanaovana azy, manahirana: Asa sarotra ~ Sarotra ny mampiditra io farafara lehibe io amin' ity varavarankely ity Sarotiny, mahihitra, tia tena: Sarotra izy raha hanome Ilazana olona tia hanina loatra, ka tsy mizara na ahazoana potiny kely akory: Nafenin' ity Rangahy sarotra tao anaty satrony, hono, ny voanjo mahamay mba tsy ho hitan-janany Mampidi-doza: Sarotra ny maniny ny mpitondra Lafo vidy: Sarotra ny vary izao
[1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Difficult; selfish, hard to get along with; costly [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Difficile [1.3, 1.8]
|
| Ardu, périlleux, pénible, dangereux Cher, coûteux, ruineux Avare, ladre, intéressé, égoïste, sévère, exigeant [1.3]
|
| égoïste, difficile à vivre; qui coûte cher [1.8]
|
Ohatra |
1 | Sarotra ny mampiditra resaka, hoy Ilaimanga fa hoatry ny haninona ihany.
[2.324]
|
2 | Mbola tsy nahita aho aloha fa sarotra ny mandainga, hoy ny rainy.
[2.470]
|
3 | Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao
[2.996]
|
|
Haiendriteny |
Tsotra : |
sarotra,
saro- |
Tovonana : |
-tsarotra,
-tsaro- |
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
tsaro > sarona
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Zavatra atao eo ambony zavatra iray hafa mba hanakonana tsy ho hita an' izay ao anatiny: Aiza ny saron' ity tavy ity? Zavatra toy ny lamba atao handrakofana ny loba, ny tava: Saron-doha ~ Nanao saron-tava ilay mpangalatra ka tsy aisy nahafontatra azy [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | A cover, a lid [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Couvercle, couverture [1.8]
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
tsaro > sarona
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny frantsay | (toute l'île ; mais prononcé saro dans l'Ouest et le Sud). Sens général : enveloppe, voile, etc. En ce qui concerne les plantes : ce qui enveloppe un fruit ; involucre ou calice accrescent. En thérapeutique : grands enveloppements ; emplâtres souvent à base de plantes fraîches écrasées (Voir aussi
saro).
[1.196]
|
Voambolana |
|
Teny iditra |
tsaro > sarona
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Tra-tehaka na voahodidina tsy afa-mikofoka handositra: Sarona tao anaty lohasaha ny fahavalo [1.1]
|
|
Teny iditra |
tsaro > Sarôna
|
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (ara-baiboly)
|
Fanazavàna teny anglisy | Saron [2.996]
|
Fanazavàna teny frantsay | Saron [2.996]
|
Voambolana |
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly |
|
Teny iditra |
tsaro > Sarona
|
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (ara-baiboly)
|
Fanazavàna teny anglisy | Sharonite [2.996]
|
Fanazavàna teny frantsay | Sarôn [2.996]
|
Voambolana |
Tovy hevitra | |
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly |
|