|
|
|
|

Teny iditra1  zavamaneno
Singan-teny  2  zavatra, maneno
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  anarana ilazana ireo zavatra rehetra namboarina hanao feon-kira, na tendrena izany na tsofina, na velezina. Anarana itambaram-be ilazana zavatra amboarin' olombelona mba hamoaka feo mahafinaritra azo anaovana feon-kira na anarahana hira: Ny sodina, ny valiha ary ny gitara dia samy zavamaneno [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5  a musical instrument. [1.2]
6  any musical instrument [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  instrument de musique [1.8]
Ohatra  8  mitoreoreo sy mampihetsi-po hafahafa ny feo avoaky ny zavamaneno; [2.470#]
9  Tia mozika izy ary kinga raha nitendry zavamaneno toy ny harmonia, ny valiha, mba nandalo teo am-pelatanany. [2.356#]
10  Isan-kariva, nataon' izy telo mirahalahy sy ireo mpiara-misakafo aminy mpanala sorisory azy amin' ny mozikany ilay mpitendry zavamaneno. [2.472#]
Voambolana  11  Feon-kira: zavamaneno
Kamban-teny 
Zanakanarana 
Lahatsoratra  45  Randzavola: zava-maneno ao amin' ny Baiboly
Sary 
46 

Nohavaozina tamin' ny 2024/08/13