|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  tanana (tana)
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  Gejaina amin' ny tanana, tazonina, fihinina: Tano tsara ny tady sao mianjera ianao [1.1]
4  Hazonina, tsy avala ho very, ho lasa: Tano ny azo fa sarotra ny mita [1.1]
5  Hazonina, tsy avala hivoaka: Notanany tao aminy ny zanany roa [1.1]
6  Tehirizina; tsaroana: Notanany tao am-pony ireo teny ireo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7  To be seized, to be held, to be grappled; to be charged [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  8  Qu'on tient, qu'on retient, qu'on arrête, qu'on saisit, qu'on garde [1.3#664]
Haiendriteny 
9  Ny ankehitriny :
10  Ny lasa :
11  Ny hoavy :
12  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny tanana io

Teny iditra (2/3)16  tanana
Sokajin-teny  17  anarana
Voambolana  18  Haiaina
19  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)
Fanazavàna teny malagasy  20  Rantsam-batana hatreo amin' ny hatotanana ka hatramin' ny rantsantanana, ary ampiasaina handray sy hikasika ary hitana zavatra: Manasà tanana alohan' ny hisakafo. [1.1]
21  Les pattes de devant chez les animaux (les mains chez l'Homme et les Lémuriens) [1.1]
22  Pour les plantes, désigne la base des pétioles des frondes de Fougères ; la base des tiges d'ignames, etc. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  23  The hand [1.7]
24  The forelegs of quadrupeds [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  25  La main, les mains [1.3, 1.8]
26  Les pattes de devant chez les quadrupèdes [1.3, 1.8]
27  Les manches des habits, etc. [1.3]
28  Main, manche, rayon [1.5]
29  Main [1.405]
Ohatra  30  Raha sahy ialahy, tehafo ny tanako [2.472]
31  Noraisiko ilay bodofotsy tsara tarehy teo akaikiko, dia nanaraka ny tanako ny sombiny voaraiko [2.471]
32  Any ampaosinao ny tanany vatany vao variana kely foana ianao [2.470]
Haiendriteny 
33  Tsotra :
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Manontolo 
Ampahany 
Anaran' akora mamorom-batana 
Ohabolana  78  Ohabolana misy io teny tanana io
Lahatsoratra  79  Randzavola: tanana ao amin' ny Baiboly
Sary 
80 

Teny iditra (3/3)81  tana
Sokajin-teny  82  anarana
Voambolana  83  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Fanazavàna teny malagasy  84  Vohitra lehibe misy arabe migodana sy trano lehibe voalahadahatra ara-pomba mahafinaritra ny maso ary kianja malalaka isan-karazany: Mipetraka any antanàna izy fa tsy etý ambanivohitra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  85  A town, a city (written with the accent) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  86  Ville, village (s'écrit toujours avec l'accent) [1.8]
87  Ville, village [1.405]
Ohatra  88  eny fa mahalala rariny tokoa izato hianao / ry Ifiadanana / ka sanatria tokoa raha hafoiko ny tanànanay. [2.131]
89  nefa ny firefodrefotry ny basy ao an-tanànan' Antsirabe mbola tsy mijanona. [2.324]
Haiendriteny 
90  Tsotra :
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana  100  Ohabolana misy io teny tanàna io
Lahatsoratra  101  Randzavola: tanàna sy vohitra ao amin' ny Baiboly
Sary 
102 

Nohavaozina tamin' ny 2024/06/18