|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : akanga

Ohabolana 1Akanga Ankova maneno lohataona; ka ny tenako be no atý, fa ny saiko any Ankaratra ihany. [2.165]
Akanga Ankova maneno lohataona : ny tenako be no aty, fa ny saiko any Ankaratra ihany. [2.558]
Akangalahy Ankaratra : ny tenako be no any, fa ny saiko aty aminao ihany. [2.415 #1048]
Akangalahy Ankova : ny tenabe no any, fa ny saina aty ihany. [2.415 #1048, 2.653]
Dikanteny frantsayPintade dans le pays des Hova ou dans l'Ankaratra : ma personne est au loin, mais mon esprit et mon coeur sont présents avec vous. [2.415]
Une pintade élevée chez les Hovas et gloussant au printemps, dit: "Mon corps est ici, mais mon esprit est dans l' Ankaratra" (d' où elle vient). [2.165]
Fanazavana frantsayOn appelle Ankaratra le pays occupé par la grande chaîne de montagnes qui se trouve au centre de Madagascar. [2.165]
Paroles dites aux parents par ceux qui étaient contraints de s' éloigner : absent de corps mais présent d' esprit et de coeur. [2.415]

Ohabolana 2Akanga be tany, tsy manam-paria. [1.147 #A14]

Ohabolana 3Akanga be tsy vakin' amboa. [2.415]
Akanga irai-dia tsy vakin’ amboa. [2.974 #411]
Akanga maro tsy vakin' amboa. [1.1 #41, 1.5, 1.3, 2.415, 2.558]
Ny akanga irai-dia tsy vakin’ alika. [2.653 #2133]
Ny akanga maro tsy vakin' amboa. [2.558 #2839]
Fanazavana malagasyNy firaisana no hery. [1.1 #41]
Dikanteny frantsayLorsque les pintades sont nombreuses, le chien n'en saisit aucune. [1.3]
Lorsque les pintades vont en troupe, le chien n' en saisit aucune. [2.415 #5160]
Pintades en troupe, un chien ne les disperse point. [1.5]
Une troupe de pintades est impénétrable au chien. [2.974 #411]
Fanazavana frantsayL'union fait la force. [1.5, 2.415 #5205, 1.3]

Ohabolana 4Akanga diso ala ka mahatsiahy ny tany nahazatra. [2.558]

Ohabolana 5Akanga diso an’ Andringitra : ny tenabe no aty, fa ny fo mametsovetso any ihany. [2.974 #46, 2.653]
Dikanteny frantsayPintade qui a franchi l' Andringitra : son corps est ici, mais son cœur ne parle que du pays lointain. [2.974]

Ohabolana 6Akangalahy mandry andro: tsy nahiny ny voin-ko avy. [2.415 #6198]
Akanga mandry andro, ka tsy mahalala voin-ko avy. [2.165 #879, 2.415 #6198]
Dikanteny frantsayPintade mâle qui dort le jour : elle n' a pas prévu le malheur qui approche. [2.415 #6198]
Pintade qui dort le jour: elle n'a pas prévu le malheur qui approche. [2.415]
Une pintade qui dort pendant le jour ne voit pas venir le danger. [2.165 #879]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui ne font pas attention et se trouvent étonnés d'être tombés dans un piège. [2.415 #6198]

Ohabolana 7Akanga lahy miady tsatsangotra: sola loha foaña. [2.165]
Fanazavana malagasyAkanga lahy miady tsatsangotra, sola loha fotsiny. [2.165]

Ohabolana 8Akangalahy miditra ala : miandry ny oran-kisava, vao tratry ny ora-mikija. [2.558]
Akangalahy miditra ny ala : miandry ny oran-kisava, ka tratry ny ora-mikija. [2.415 #4263, 2.653 #34]
Dikanteny frantsayPintade qui entre sous bois : elle veut attendre que l' orage passe, et elle est surprise par une pluie qui tombe sans discontinuer. [2.415 #4263]
Fanazavana frantsaySe disait d' un filou ou autre personne se croyant en sûreté. [2.415 #4263]

Ohabolana 9Akanga lahy tsy manohon’ anaka. [1.147 #A15]

Ohabolana 10Akanga mahalala "tsaratsarao", mainka ny olona samy olona. [2.415 #3429]
Ny akanga aza mahalala ny tsaratsarao, ka mainka fa izaho olombelona. [2.165 #1591]
Ny akanga aza mahalala ny tsaratsarao, ka mainka fa olombelona. [2.558 #2838]
Ny akanga aza mahalala "Tsaratsarao," ka mainka ny olombelona. [2.415 #3429, 2.653 #2132]
Dikanteny frantsayLes pintades même savent dire "jugez"; à plus forte raison les hommes doivent savoir dire la chose et la faire. [2.415 #3429]
Même les pintades disent "examinez, examinez" , et à plus forte raison le dis-je, moi, un homme. [2.165]
Fanazavana frantsayLe mot "tsaratsarao" est une onomatopée imitant le cri des pintades tel que l'oreille malgache le perçoit. [2.165]
Se disait des différends finissant par un arbitrage; l'arbitra prononçait les paroles du proverbe qui fait allusion au cri de la pintade: le mot "tsaratsarao" qui signifie jugez, imite le cri de la pintade. [2.415]
Se disait des différends finissant par un arbitrage ; l' arbitre prononçait les paroles du proverbe qui fait allusion au cri de la pintade : le mot tsaratsarao qui signifie jugez, imite le cri de la pintade. [2.415 #3429]

Ohabolana 11Akanga makangoa : ho hanina mahafaty ray, tsy ho hanina mahafaty reny. [1.147 #A16]

Ohabolana 12Akanga mandry anambo : ny vatam-be anambo fa ny menimeny ambony tany. [1.147 #A17]

Ohabolana 13Akanga nanamborana, ka mivadi-po mandrakariva. [2.653 #32, 2.974 #355]
Dikanteny frantsayLa pintade échappée à un carnage est sujette à des frayeurs continuelles. [2.974 #355]

Ohabolana 14Akanga tsara soratra takalozana akoho taman-trano. [1.1 #41, 1.3]
Aza atakalo akanga tsara soratra ny akoho taman-trano. [1.5]
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano. [2.165 #1667, 2.415 #1377, 2.558 #1887, 2.653 #1427]
Ny akoho taman-trano atakalo akanga mandositra. [2.415 #1388]
Tsy mety raha ny akanga tsara soratra, no andaozana ny akoho taman-trano. [2.415 #1412]
Fanazavana malagasyZavatra marevaka ivelany anariana zava-tsoa maharitra. [1.1 #41]
Dikanteny frantsayCe n' est pas bien d' abandonner pour une pintade au beau plumage, la poule domestique habituée à la maison. [2.415 #1412]
Changer une poule domestique habituée à la maison, pour prendre une pintade coureuse. [2.415 #1388]
Échanger un bien solide contre un bien fallacieux de brillante apparence. [1.3]
N'échangez point un bien solide contre un bien fallacieux. [1.5]
Voir une pintade au beau plumage et abandonner pour elle la poule domestique habituée à la maison. [2.415 #1377]
Voir une pintade de belle couleur et se défaire de la poule qu' on avait depuis longtemps. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait du mari abandonnant la mère de ses enfants pour prendre une coureuse de belle apparence ; il se disait aussi des gens qui laissaient un bien sûr, pour un autre moins sûr. [2.415 #1412]
Se disait des maris qui laissaient leur femme pour prendre une coureuse de belle apparence. [2.415 #1377]
Se disait du mari se laissant séduire par une femme de belle apparence et quittant pour elle la mère de ses enfants. [2.415 #1388]

Ohabolana 15Aza mitsararaka ho akanga hianao, fa manana amboa mahay ala aho. [2.653 #674]

Ohabolana 16Fandrik' akanga mahavoa manditra, ka ny vandana tsy izy no aseho. [2.415]
Fandrik' akanga mahavoa manditra, ka ny vandana tsy izy no voa. [2.415]
Fandrik' akanga nahavoa manditra: ny vandan-tsy izy no voa. [2.165 #957, 2.653 #920]
Fandrik’ akanga nahavoa mandotra, vandan-tsy izy. [1.147 #F10, 2.165]
Fanazavana malagasyFandrik' akanga nahavoa mandotra: samy vandana ihany fa tsy izy. [2.165]
Dikanteny frantsayLe piège à pintades qui attrapa un serpent: c' est l' animal tacheté qui n' était pas le bon qui a été pris. [2.165]
Piège à pintade qui prend un gros serpent, et on montre la fausse couleur. [2.415 #4918]
Fanazavana frantsayDire que l' on a pris un serpent et le montrer, et garder pour soi la pintade. Se disait des trompeurs qui montre le faux et cache le vrai. [2.415 #4918]

Ohabolana 17Imerina akanga tsy roa volo, fa iray ihany. [2.415 #287, 2.653, 2.165]
Imerina tsy mba akanga roa volo fa iray ihany. [2.558 #1423]
Dikanteny frantsayL' Imerina (c.à.d. les gens de l' Imerina) n' est pas une pintade à deux couleurs, elle n' en a qu' une. [2.165]
L'Imerina est une pintade qui n'a pas deux plumages, mais un seul. [2.415 #287]
Paroles du roi Andrianampoinimerina pour dire qu' il n' y avait qu' un souverain et une loi. [2.415 #287]
Fanazavana frantsayL' union y règne. [2.165]

Ohabolana 18Na dia eo aza ny akanga tsara soratra, ny afindrafindrao tsy azo avela. [1.62]
Fanazavana malagasyTsy ny fomba aman-panao entin' ny vahiny avy any ivelany mihitsy no hanariana an'izay mahazatra sy maha izy ny tena, na dia atao aza hoe misy mitondra soa ihany amin'ireny fanao vahiny ireny. [1.62]

Ohabolana 19Ny atodiakanga, ny taola-mizana, tsy azo vakiany. [2.558 #2908]
Ny atody akanga , ny taola-mizana tsy azo vakiny. [2.653 #2184]

Ohabolana 20Ty mahalava moko ty akanga io ty fitaoñe. [1.68]
Dikanteny frantsayL'occiput de la pintade est long car elle se méfie. [1.68]

Ohabolana 21Tsararaka manenon' ny akanga eny ambonin' ny ala miandrandra; tsiatsiaka manenon' ny vorona eny anatin' ny ala maizina. [2.415 #5148]
Dikanteny frantsayTsararaka, chant des pintades au-dessus de la forêt aux arbres droits ; tsiatsiaka, chant des oiseaux dans la forêt sombre. [2.415 #5148]
Fanazavana frantsayLe chant des pintades symbolise les regrets, celui des oiseaux symbolise les désirs. [2.415 #5148]

Ohabolana 22Tsy mba akanga hanidina aho, fa ny ganagana raisina amin' ny tendany. [2.558 #4546]
Tsy mba ny akanga hanidina aho, fa ny vorombazaha entina amin' ny tendany. [2.165 #376]
Dikanteny frantsayJe ne suis pas une pintade pour m' envoler, mais un canard que l' on porte par le cou. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. vous pouvez faire de moi tout ce que vous voudrez. [2.165]

Ohabolana 23Za-dratsin’ ny mitovo : mandany vatan’ akanga raika. [1.147 #Z1]

Fizahan-teny