|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : haingo

Ohabolana 1Aza manao haingo diso an' Iarivo. [2.558 #507]
Haingo diso an' Iarivo. [2.415 #2428]
Haingo diso an' Iarivo : avalony hateza. [2.558]
Dikanteny frantsayC' est comme la parure qui n' est pas arrivée à temps à Tananarive pour la fête. [2.415 #2428]
Fanazavana frantsaySe disait des choses qui arrivent après coup, trop tard. [2.415 #2428]

Ohabolana 2Azo amin' ny haingony, hoy ny kary tamin' ny akoholahy. [2.558]

Ohabolana 3Boka mikavina : tsy haingo fa fitahirizam-pananana. [2.415]
Boka mikavina : tsy haingo fa fitahirizan-karena. [2.558 #920, 2.415]
Boka mikavina : tsy haingo, fa fitehirizan-karena. [2.165 #2022, 2.653 #793]
Dikanteny frantsayFemme atteinte de la lèpre et qui porte des boucles d' oreille : ce n' est pas pour se parer, c' est pour conserver ce qu' elle a. [2.415 #1968]
Un lépreux portant des boucles d' oreilles: (pour lui) ce ne sont pas des ornements, mais une manière de conserver ses richesses. [2.165]
Fanazavana frantsayIl a peut-être hérité ces boucles, et si de les porter ne change rien à sa laideur, du moins elles ne seront pas perdues. [2.165]
Se disait des gens riches mais laids, qui ne trouvaient pas à se marier. [2.415 #1968]

Ohabolana 4Fara haingo. [2.415 #2424]
Dikanteny frantsayC est le dernier mot de la parure. [2.415 #2424]
Fanazavana frantsayCette expression se disait d' une parure extraordinaire. [2.415 #2424]

Ohabolana 5Haingon' i Mandiavato : ka ny jabo ivelany fa ny somizy anatiny. [2.415 #2429, 2.165]
Haingon' Imandiavato: ny jabo anatiny fa ny somizo ivelany. [2.558 #83]
Dikanteny frantsayLa manière de se parer des gens de Mandiavato: ils mettent le tissu grossier en dehors (ou dessus) et la toile fine en dedans (ou dessous). [2.165]
Parure des gens de Mandiavato : ils mettent la toile grossière dessus et la toile fine dessous. [2.415 #2429]

Ohabolana 6Hoatry ny tehina an-tanan' ny mpihaingo, ka sady haingo no tohan' aina. [2.415 #2430]
Ohatra ny tehina an-tanan' ny mpihaingo, ka sady haingo no tohan' aina. [2.653, 2.974, 2.558]
Dikanteny frantsayC' est comme une canne dans la main de celui qui aime à se parer : elle est à la fois une parure et un soutien. [2.415 #2430]
(Les enjants) sont comme une canne aux mains d’un élégant : c’est à la fois une parure et un soutien. [2.974 #174]
Fanazavana frantsaySe disait des choses à plusieurs usages. [2.415 #2430]

Ohabolana 7Izay lany haren-dany haingo. [2.415]
Raha lany harena, lany haingo. [2.165 #783]
Raha lany haren-dany haingo. [2.558 #3593, 2.653 #2667]
Dikanteny frantsayQuand la fortune est perdue, la parure l' est aussi. [2.415]
Fanazavana frantsayQuand il n' y a plus d' argent, il n' y a plus d' ornements. [2.165 #783]
Se disait des gens ruinés qui ont perdu toute influence. [2.415 #2434]

Ohabolana 8Lahiantitra mitehin-kiho : tsy haingo fa tohan' aina. [2.558 #1676, 2.653, 2.415]
Dikanteny frantsayVieillard qui met la main sur les hanches : ce n' est pas par fierté, c' est pour se soutenir. [2.415 #1825]

Ohabolana 9Mitehin-kiho am-piakarana, ka sady haingo no tohan' aina. [2.558 #2448]
Tehin-kiho am-piakarana; tsy haingo fa tohan' aina. [2.165 #1304, 2.653 #3057, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa misy fisehoan-javatra ivelany izay toa haitraitra fotsiny, nefa hay tena zavatra ilaina mihitsy. [1.1]
Enti-milaza ny olona toa mampidera bika amin' ny fihetsiny, nefa hakingana no anaovany an' io fa mba tsy hisehoany hoe sasatra. [1.1]
Dikanteny frantsayQuand on met les mains sur les hanches en montant, ce n' est pas pour être plus beau, c' est pour s' aider à marcher. [2.165]

Ohabolana 10Mitentina ody tsy hanitra, mifehy an-doha tsy haingo, fa matoa mitentina ody : marary. [2.558 #2450, 2.653 #1864]
Mitentina ody tsy hanitra, mihefy an-doha tsy haingo : fa matoa mitentina ody, marary. [2.415 #2814]
Dikanteny frantsaySi on se couvre de remèdes ce n' est pas pour se parfumer ; si on met un bandeau à la tête ce n' est pas pour se parer ; mais si on se couvre de remèdes c' est qu' on est malade. [2.415 #2814]

Ohabolana 11Ny haingo natao ho zavatra, verin' ny vary masaka an-tava indray andro. [2.558 #3021]
Ny haingo natao lavananandro verin’ ny vary masaka an-tava indray andro. [2.653 #2245]
Ny haingo natao lavanandro verin' ny vary masaka an-tava indray andro. [2.415 #2450]
Dikanteny frantsayLes parures qu' on porte tous les jours sont dépréciées par un grain de riz cuit resté sur le visage une seule fois. [2.415 #2450]
Fanazavana frantsayLes plus belles choses sont dépréciées par un seul défaut. [2.415 #2450]

Ohabolana 12Toka-maso manao solomaso : sady haingo no takon-kilema. [2.558 #267]

Ohabolana 13Traky nify manao laniala : tsy haingo fa fanaon' ny olona ka dia manao koa. [2.558 #285]

Ohabolana 14Tsitsio ny harena, fa raha lany haren-dany haingo. [2.415 #2411]
Dikanteny frantsayÉconomisez votre argent, car une fois la fortune perdue le luxe et la parure sont finis. [2.415 #2411]

Fizahan-teny