Fizahan-teny

Ohabolana : Antananarivo

Ohabolana 1Akoholahy kelin' Antananarivo : mivoaka maraina, fa tsy mitsindroka. [2.415 #2989, 2.653 #61]
Dikanteny frantsayPetit coq de Tananarive : il sort de bonne heure mais ce n' est pas pour becqueter. [2.415 #2989]
Fanazavana frantsaySe disait des jeunes débauchés de la ville qui sortaient de bonne heure, mais ce n' était pas pour travailler. [2.415 #2989]

Ohabolana 2Ambohimanambola no matavy omby, ka Ambohimalaza no lafo kitay. [2.415 #2168]
Ambohimanambola no matavy omby, ka Antanamalaza no lafo kitay. [2.165 #1496, 2.653 #142]
Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay. [2.558, 1.1]
Fanazavana malagasyMisy ifandraisany ny fiainan' ny tanàna na tany samihafa fa ny mitranga amin' ny anankiray misy akony amin' ny anankiray hafa, na koa hoe ny fahombiazan' ny sasany, fahasahiranana ho an' ny hafa. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est au village à' Ambohimanambola que les boeufs sont gras et c' est à Ambohimalaza que le combustible est cher. [2.415]
Comme il y a des bœufs gras à Ambohimanambola, les marchands de bois d' Antanamalaza feront de bonnes affaires. [2.165]
Fanazavana frantsayAllusion à ce que les gens d' Ambohimanambola achetaient le combustible à Ambohimalaza pour faire cuire leur viande de boeuf et faire bonne chère. [2.415]
Car il faudra du bois pour cuire la viande de ces bœufs. [2.165]

Ohabolana 3Ambohimanga sy Antananarivo : somotra tsy an-jaza, fa ahy. [2.415 #185]
Dikanteny frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina disant en quelle estime il tenait les deux villes ; il se les réservait et ne les donnait pas à titre de menakely ou seigneuries. [2.415 #185]
Fanazavana frantsayAmbohimanga et Tananarive : c' est de la barbe qui n' est pas pour les enfants, mais pour moi. [2.415 #185]

Ohabolana 4Any Betsileo no voky tsaramaso, ka atý Antananarivo no mivozihi-kibo. [2.653 #265]

Ohabolana 5Antananarivo havana ivatsiana. [2.415 #1051]
Dikanteny frantsayQuand on va visiter ses parents à Tananarive, il faut porter des provisions de voyage. [2.415 #1051]
Fanazavana frantsayContrairement à l' usage de large hospitalité chez les Malgaches, les gens de Tananarive avaient la réputation de ne pas être fort hospitaliers ; se disait des gens qui se montraient d'un accueil peu empressé. [2.415 #1051]

Ohabolana 6Antananarivo no tsara trano ka Ivakiniadiana no sola vantony. [2.558 #326, 2.653 #245, 1.1]
Fanazavana malagasyNy soa ho an' ny sasany indraindray mitarika fahavoazana ho an' ny hafa. [1.1]

Ohabolana 7Fantsakan' Antananarivo, ka ny aloha ihany no aloha. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza toe-javatra izay tokony hanarahana filaharana araka ny fahatongavana aloha, fa tsy hisy hifanongontsongona. [1.1]

Ohabolana 8Kasy mivoaka tahaka ny mpanasa lamban' Antananarivo. [2.558 #1603]

Ohabolana 9Madio midina, toy ny andevo manasa lamban' Antananarivo. [2.165 #1551]
Madio midina, toy ny andevon’ Antananarivo manasa lamba. [2.653 #1391]
Madio midina toy ny tsongavavin' Antananarivo handeha hanasa lamba. [2.558 #1826]
Dikanteny frantsayÊtre propre en descendant, comme les esclaves s' en allant laver les vêtements (de leurs maîtres) de Tananarive. [2.165]
Fanazavana frantsayEn descendant de la ville vers la rivière, les esclaves se paraient des vêtements de leurs maîtres, et c' est pour cela qu' ils étaient propres. [2.165]

Ohabolana 10Manan-jara samy monina ny zanak’ Antananarivo, fa lakolosy no mamoha, tafondro no mampandry. [2.653 #1511]

Ohabolana 11Manisa ny be tsy ho an' ny tena ohatran' ny vadi-kelin' Antananarivo. [2.558]

Ohabolana 12Mirehaka amy ny be tsy ananana, toy ny vadi-kelin’ Antananarivo. [2.653 #1812]
Mirehaka amin' ny be tsy ananana toy ny vadikelin' Antananarivo. [2.165 #1810, 2.415 #1427]
Dikanteny frantsayCeux qui se vantent de beaucoup de choses qu' ils n' ont pas, sont comme les femmes des polygames de Tananarive. [2.415 #1427]
Se vanter des richesses qu' on n' a pas, comme la seconde (litt. petite) femme (d' un polygame) de Tananarive. [2.165]
Fanazavana frantsayCes concubines s'imaginaient à tort que ce qui était à leur mari était à elles ; ce proverbe se disait des gens fiers et vantards. [2.415 #1427]
Cette femme s' imagine que tout ce qui est à son mari et quelle voit dans sa maison à Tananarive lui appartient aussi, ce qui est une grosse erreur. [2.165]

Ohabolana 13Ny mpiady tsy misy mpampionina dia ho tonga any Antananarivo. [2.415 #3361]
Ny mpiady tsy misy mpampionona dia ho tonga any Antananarivo. [2.165 #337]
Dikanteny frantsaySi ceux qui se querellent n' ont personne pour les remettre d' accord, ils finiront par aller à Tananarive. [2.165]
S' il n' y a personne pour mettre d' accord ceux qui se battent, ils finiront par monter à Tananarive. [2.415 #3361]
Fanazavana frantsayC. à. d. que leur dispute prendra de telles propositions quelle ne finira qu' en tribunal. [2.165]
Il y aura procès. [2.415 #3361]

Ohabolana 14Ny olona mbola tsy teto Antananarivo, raha vao miakatra voalohany eto, dia mikandrakandra be ihany [1.10 #K.65]

Ohabolana 15Sasa-lamban' Antananarivo: aleo ho rovitra toy izay tsy madio. [2.165]
Sasa lamban’ Antananarivo: aleo rovitra toy izay tsy hadio. [2.558 #250, 2.653 #2879, 2.415]
Sasa lamban' Antananarivo : aleo rovitra toy izay tsy madio. [2.415]
Dikanteny frantsayLavage de linge à Tananarive : on aime mieux le déchirer à force de le laver que d' y laisser une tache. [2.415 #2459]
Le lavage des lamba à Tananarive: on préfère les user plutôt que de ne pas les rendre propres. [2.165]
Fanazavana frantsayA Tananarive on est fier et coquet. [2.415 #2459]

Ohabolana 16Sisi-hazon' Antanamalaza: mahitsy ihany fa tonontononana; sisi-hazon' Antananarivo, sady soa no arahim-bankona. [2.653, 2.165]
Sisin-kazon' Antanamalaza : mahitsy ihany fa tonontononina; sisin-kazon' Antananarivo, sady soa no arahim-bankona. [2.558 #3899]
Dikanteny frantsayLes bois (poutres) faits à la hache par les gens d' Antanamalaza sont droits à la vérité, mais pleins de nœuds; ceux faits par les habitants de Tananarive, par contre, sont beaux et faciles à raboter. [2.165]

Ohabolana 17Taon-tranon' Antananarivo, ka ny mahavita aloha no manenina. [2.558 #4113]
Trano ben' Antananarivo ka izay mahavita aloha manenina. [1.1]
Tranoben' Antananarivo, ka izay mahavita aloha no manenina. [2.165 #1515]
Tranon’ Antananarivo: izay mahavita aloha manenina. [2.653 #3270]
Tranon' Antananarivo : ka izay mahavita aloha no manenina. [2.558 #4385]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fifaninanana antoky ny fandrosoana. [1.1]
Dikanteny frantsayLes grandes maisons bâties à Tananarive, ce sont ceux qui en ont construit les premiers qui ont des regrets. [2.165]
Fanazavana frantsayComme Tananarive est une ville très progressive, à cause des Européens qui s' y trouvent, ceux qui se sont mis les premiers à construire regrettent de ne pas avoir attendu car alors, ayant vu les améliorations réalisées par d' autres, ils auraient aussi pu faire quelque chose de mieux. [2.165]

Ohabolana 18Tovolahin' Antananarivo : miasa tsy mahavadi-bainga, nony mihinana atosika ihany. [2.558 #4230]

Ohabolana 19Tovolahin' Antananarivo : raha miasa mitsingina, fa raha milalao maka toerana. [2.558 #274]

Ohabolana 20Tranon' Antananarivo : malaza am-pahavitany, fa mbola hihoaran' ny hafa. [2.558 #4386]

Ohabolana 21Tsy hanondro basy an' Ambohimanga sy Antananarivo. [2.415 #463]
Dikanteny frantsayJe ne dirigerai pas mon fusil contre Ambohimanga et Tananarive. [2.415 #463]
Fanazavana frantsayParoles dites par le roi de l' Imamo à Andrianampoinimerina pour l' assurer de ses intentions pacifiques. [2.415]

Fizahan-teny