|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : saka

Ohabolana 1Sakan' akoho lasan-tsintsina, ka sady taitra no talanjona. [2.165 #2212, 2.415 #5778]
Dikanteny frantsayPoulet emporté par un petit oiseau tsintsina : il est effrayé et étonné. [2.415 #5778]
Un poulet emporté par un passereau: il a été effrayé et étonné. [2.165]
Fanazavana frantsayC' est un fort qui s' est laissé surprendre par un faible. [2.415 #5778]

Ohabolana : saka

Ohabolana 1Amboa ngerom-bava, ka raha mandalo toa hitondra sokina ihany. [2.415 #4269]
Amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony akaiky vavany ihany. [2.558]
Toy ny amboa mainty vava, ka ataony ho nangala-pihinana ihany. [2.165 #1071, 2.653]
Toy ny amboa ngerom-bava, ka ataony ho nangala-pihinana ihany. [2.653]
Toy ny amboa ngerom-bava, ka ohatra ny avy nangala-pihinana ihany. [2.558]
Toy ny amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony hatonina vavany ihany. [2.558 #4258]
Toy ny saka ngerom-bava, ka ohatra ny avy nangala-pihinana ihany. [2.558]
Dikanteny frantsayChien qui a la gueule noire : quand il passe, on croit qu' il porte un hérisson. [2.415 #4269]
Semblable à un chien à la gueule sale, qui est soupçonné d' avoir volé de la nourriture. [2.165]
Fanazavana frantsayParce que les apparences sont contre lui. [2.165]
Se disait des voleurs de profession : on les accuse toujours. [2.415 #4269]

Ohabolana 2Aza manao hata-dava ohatra ny saka. [2.165]
Dikanteny frantsayNe faites pas des demandes importunes et continuelles, comme un chat. [2.165 #653]

Ohabolana 3Hianao angaha tsy matahotra ny ho voarangotra, no saka matory ka alam-bolombava. [2.415 #6281, 2.558 #1318, 2.653 #1057]
Saka matory ka alam-bolombava. [2.974 #262]
Dikanteny frantsayNe tirez pas la moustache au chat qui dort. [2.974 #262]
Vous ne craignez donc pas d'être égratigné que vous tirez la moustache à un chat qui dort. [2.415 #6281]
Fanazavana frantsayNe réveillez pas le chat qui dort. [2.415 #6281]

Ohabolana 4Kabarin-tsaka : vao miteny dia omeo. [2.558 #1588, 2.653 #1220]

Ohabolana 5Manjary saka dia. [2.415 #3033]
Dikanteny frantsayLe vagabond est comme un chat sauvage. [2.415 #3033]

Ohabolana 6Nahoana no dia ratsy vintana ohatra ny saka : bevohoka vao atao mamosavy ? [2.558]
Nahoana no dia ratsy vintana tahaka ny saka: berohoka vao atao mamosavy ? [2.653 #2037]
Nahoana no dia ratsy vintana takaky ny saka ? bevohoka vao atao mamosavy. [2.415 #90]
Ratsy vintana hoatry ny saka, be vohoka vao mamosavy. [2.415 #108]
Dikanteny frantsayAvoir une mauvaise destinée comme la chatte : c' est quand elle est pleine qu' on l' appelle sorcière. [2.415 #108]
Pourquoi avoir un mauvais destin comme la chatte ? c' est quand elle est pleine qu' on la dit adonnée à la sorcellerie. [2.415 #90]
Fanazavana frantsayC'était l'expression consacrée pour dire d'une chatte quelle était pleine ; on appliquait ce proverbe aux braves gens qui, devenus riches, se faisaient méchants. [2.415 #108]
C' était une croyance populaire que la chatte avortait lorsqu' on disait : elle est pleine ; aussi pour désigner une chatte pleine, on employait le mot mamosavy : faire de la sorcellerie. [2.415 #90]

Ohabolana 7Ny kary no manao izay ataony, ka ny saka no tapa-drambo. [2.653 #2277, 2.974 #117]
Ny kary no manao izay ataony, ka ny saka no voatapa-drambo. [2.165 #1100]
Dikanteny frantsayC’est le kary qui fait des siennes, et c’est le chat qui se voit couper la queue. [2.974 #117]
Le chat sauvage fait ce qui lui plaît (c. à. d. du mal), et c' est alors au chat domestique qu' on coupe la queue, parce qu' on ne peut attraper l'autre ou qu' on ne sait pas. [2.165]
Le chat sauvage fait ce qu' il veut, mais c' est au chat domestique qu' on coupe la queue. [2.165 #1100]
Fanazavana frantsayPunir un innoncent à la place d' un coupable. [2.165]

Ohabolana 8Ny voalavo no tsy mihetsika, ny saka no mbola mihiratra. [2.974 #276]
Ny voalavo no tsy nihetsika, ny saka no mbola mihiratra. [2.653 #2484]
Dikanteny frantsaySi le rat est immobile, c’est que le chat a encore l’œil ouvert. [2.974 #276]

Ohabolana 9Ondry : manao katro-doha, amboa : mifanaikitra, saka : mifandrangotra, samy ady fa tsy mitovy. [2.558]

Ohabolana 10Saka lava tanana. [2.415 #4319]
Dikanteny frantsayLe voleur est un chat à longues griffes. [2.415 #4319]

Ohabolana 11Saka manana ny hohony, amboa manana ny vanginy. [2.558 #3812]

Ohabolana 12Saka manatin-koho. [2.558]

Ohabolana 13Sikidin-tsaka : ny loha samy hafa, fa ny fo iray ihany. [2.558 #3883, 2.415]
Sikidin-tsaka : samy manana ny lohany, fa ny fo iray. [2.415 #138]
Sikidi-saka: ny loha samihafa; fa ny fo iray ihany. [2.653]
Toy ny sikidin-tsaka : ny fo iray ihany, fa ny loha samy manana ny azy. [2.558 #4323]
Toy ny sikidy saka: ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hafa. [2.165 #37]
Dikanteny frantsayL' oracle au moyen d' un chat: il n' y a qu' un cœur, mais il y a plusieurs têtes. [2.165 #37]
Sikidy des chats : la tête est différente, mais le coeur est le même. [2.415]
Fanazavana frantsayLe sens est qu' ils sont tous les mêmes. [2.415 #138]

Ohabolana 14Totozy mandalo ny saka ; sasatry ny miaina. [2.415 #6326]
Dikanteny frantsaySouris qui passe devant le chat ; elle est fatiguée de vivre. [2.415 #6326]

Ohabolana 15Tsy misy mateza milevina hoatry ny voalavo ; fa raha mitranga izy, dia hanin' ny saka. [2.415 #6258]
Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo; fa raha mitranga izy, dia hanin' ny saka. [2.165]
Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo, fa raha mitranga lanin' ny saka. [2.558]
Dikanteny frantsayAucun animal ne reste aussi longtemps enterré qu' un rat, mais quand il sort de son trou, il est pourtant mangé par le chat. [2.165]
Il n' y a pas d' animal qui reste enterré comme un rat, mais lorsqu' il sort de son trou, il est mangé par le chat. [2.415 #6258]

Ohabolana 16Voalavolahy mila loza, ka miditra an-trano misy saka. [2.558 #4968]
Voalavolahy mila loza : miditra an-trano misy saka. [2.415 #6331, 2.653 #3700]
Voalavolahy mila loza; saka matory ka alam-bolombava. [2.415 #6332, 1.1]
Voalavolahy sasatry ny miaina: saka matory ka alam-bolombava. [1.1]
Voalavo sasatra ny miaina, ka mandalo ambany ny saoky ny saka. [2.653 #3696]
Voalavo sasatra ny miaina: saka matory ka alam-bolombava. [2.653 #3697]
Voalavo sasatry ny miaina, ka mandalo ambanin' ny saokan' ny saka. [2.165 #874]
Voalavo sasatry ny miaina, ka mandalo ambanin' ny saoky ny saka. [2.415 #6335, 2.974 #292]
Voalavo sasatry ny miaina, ka mandalo saokan-tsaka. [2.558 #320]
Voalavo sasatry ny miaina raha saka matory ka alam-bolombava. [2.558 #321]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa tsy tokony ho sahisahy foana ka manakaiky ny loza mahafaty. [1.1]
Enti-milaza ireo olona sahisahy loatra ka tsy mitsapa izay mety hahafaty azy akory. [1.1]
Dikanteny frantsayCourir à sa perte comme un rat qui irait tirer la moustache d' un chat qui dort. [2.415 #6332]
Rat fatigué de vivre, et qui passe sous le menton du chat. [2.974 #292]
Rat fatigué de vivre : il passe sous le menton du chat. [2.415 #6335]
Un rat qui en a assez de la vie et il passe sous le menton du chat. [2.165 #874]
Un rat qui entre dans une maison où il y a un chat, est un rat qui cherche malheur. [2.415 #6331]
Fanazavana frantsayQui s' expose au danger y périra. [2.415 #6335]
Se disait des gens qui s'exposent au danger. [2.415 #6331]

Ohabolana 17Voalavo mitety vazan-trano misy saka, ka fohy andro andehanana. [2.165 #873, 2.415 #6334, 2.558 #4975]
Dikanteny frantsayRat qui court dans une maison où il y a un chat : il n' a pas longtemps à courir. [2.415 #6334]
Un rat qui court dans une maison où il y a un chat, ce ne sera pas pour longtemps. [2.165 #873]

Ohabolana : saka

Ohabolana 1Valavo nirangotim-piso : tsy maty fa fohafoha volo. [1.147 #V64]
Valavo nirangotim-piso: tsy maty fa lava volo. [2.165]
Voalavo norangotin-tsaka: tsy maty fa lava volo (mahia koa). [2.165]

Fizahan-teny