|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : zoky

Ohabolana 1Adala toa zokim-bomanga : ny lehibe indray no hosenan-davenona. [2.415 #2055, 2.653 #1]
Adala toa zokim-bomanga : ny lehibe indray no milatsaka ao am-patana. [2.415 #2055]
Adala toy ny zokim-bomanga, ka ny lehibe indray no hosenan-davenona. [2.165 #1629]
Zokim-bomanga: ny lehibe indray no milatsaka am-patana. [2.653 #3787]
Dikanteny frantsayBête comme les grosses patates : les plus grosses seront mises sous la cendre pour être cuites et mangées. [2.415 #2055]
Bêtes comme les grosses patates, car ce sont elles qu' on recouvre de cendres. [2.165]
Fanazavana frantsayOn cuit les petites patates dans la marmite, mais les grandes dans les braises, où elles se couvrent de cendres. [2.165]
Se disait des personnes qui ne savaient pas se respecter. [2.415 #2055]

Ohabolana 2Akory no ny zokiny eroa am-bavahady, fa ny zandriny eroa an-kianja. [2.558 #95]
Akory no zokiny eroa am-bavahady, ka zandriny eroa an-kianja ? [2.415 #3539, 2.653 #79]
Dikanteny frantsayPourquoi être l' aîné à la porte du village et le cadet sur la place publique ? [2.415 #3539]
Fanazavana frantsaySe disait des hommes qui avaient un certain rang mais ne savaient pas porter la parole. [2.415 #3539]

Ohabolana 3Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara-dia. [2.165]
Dikanteny frantsayNe permettez pas que des vieillards se traînent tout seuls, ni que des aînés marchent derrière vous. [2.165]
Fanazavana frantsayAidez les premiers et faites aller les seconds devant vous. [2.165 #1944]

Ohabolana 4Aza manao papango be saron-doha, ka manao hoe tsy misy zokiny afa-tsy izaho. [2.558 #555, 2.653 #488]

Ohabolana 5Aza mitady ho zokiny, toa vorompotsy. [2.558 #785, 2.653 #646]

Ohabolana 6Donga zoky fa botry zandry. [2.165 #1900, 2.415 #967, 2.558 #1010]
Dikanteny frantsayL' aîné est gras et le cadet chétif. [2.415 #967]
L' aîné est gros et gras, mais le cadet est chétif. Parce que le premier est mieux nourri ou mieux traité que le second, ce qui ne devrait pas être. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des enfants inégalement traités et choyés. [2.415 #967]

Ohabolana 7Horirika am-body fotaka : ny vony no mitsangan-ko zokiny. [2.415 #4495, 2.558 #92, 2.653 #1101]
Dikanteny frantsayArum comestible qui est à l' endroit où se déverse le purin du parc à boeufs : ce sont les feuilles jaunes qui ont l' air d' être les meilleures. [2.415]

Ohabolana 8Izay mahia zokin' antitra. [2.415 #1818, 2.558 #1498]
Ny mahia zokin' antitra. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ratsy noho ny fahanterana ny fahiazana satria heverin' ny olona ho be taona ny mahia mitrakitraky taolana, na dia zandrin' ny matavy mandimandina aza. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui est maigre paraît plus âgé qu' un vieux. [2.415 #1818]

Ohabolana 9Ny mahia zokin' antitra, ary ny tsy manam-bato hatoraka zandrin-jaza! [2.558 #3093]
Ny mahia, zokin’ antitra ; ny tsy manam-bato batoraka, zandrin’ olona. [2.653 #2309]

Ohabolana 10Ny olombelona voatr' ampangoro ka mifamadibadika ambony sy ambany. [2.558 #3185]
Ny olombelona voatr' ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany. [2.165 #5]
Ny olombelona voatr’ ampangoro: mifandimby ambony sy ambany. [2.653 #2372, 2.974 #472]
Voatr' ampangoro ny olombelona, ka mifandimby ambony sy ambany : zokiny anio, zandriny rahampitso, fa Andriamanitra no misahala. [2.415 #2758]
Voatr' ampangoro ny olona, ka mifandimby ambany sy ambony : zokiny anio, zandriny rahampitso, fa Andriamanitra no misahala. [2.415 #2758]
Dikanteny frantsayIl en est des hommes comme du riz cuit qu'on retire de la marmite : ce qui était dessus passe dessous, et ce qui était dessous passe dessus ; tel est grand aujourd'hui qui sera petit demain : Dieu égalise et donne à chacun ce qui lui revient. [2.415 #2758]
Les hommes ressemblent au riz cuit qu’on tire de la marmite : ce qui était dessus passe dessous, et inversement. [2.974 #472]
Les hommes sont comme le riz qui bout dans la marmite, ils sont tantôt en haut, tantôt en bas. [2.165 #5]

Ohabolana 11Ny tsy manam-bato hatoraka sy ny ory lava volombava, dia samy zandrin' olona sarotra itodihana sy zoky manjary faralahy. [2.558 #3342]

Ohabolana 12Ny zoky be hoatry ny ray ihany. [2.165 #1902]
Ny zoky be tahaky ny ray, ary ny ray dia ray rahateo. [2.415 #1159]
Dikanteny frantsayUn bon aîné remplace le père, le père est déjà père. [2.415 #1159]
Un grand aîné est comme un père. [2.165]

Ohabolana 13Sola malahelo, ka tsy mba isain' ny olona ho rangahy. [2.415 #2559]
Sola malahelo, ka tsy mba isain' ny olona ho zokiny. [2.558 #3931]
Sola malahelo: tsy mba isain’ ny olon-ko zokiny. [2.653 #2922]
Dikanteny frantsayVieillard chauve et pauvre : on ne le considère pas comme un vieillard respectable. [2.415 #2559]

Ohabolana 14Totozy sy voalavo, ka tsy izay lehibe no zokiny, fa samy manana ny taonany ihany. [2.558 #273]
Voalavo sy totozy : tsy ny lehibe no zokiny ary tsy ny kely no zandriny, fa samy manana ny vahany. [2.558]

Ohabolana 15Tsaka rano : ka ny aloha ihany no aloha na zokiny aza. [2.558 #4395]

Ohabolana 16Zoky toavina tsy andriana, zandry manoa tsy andevo ; fa ifanoavana no mahamasina ny manjaka. [2.415 #1170]
Dikanteny frantsayL' aîné qu'on honore n' est pas un seigneur, le cadet qui l' honore n' est pas un esclave ; mais cet honneur réciproque des frères rejaillit sur le souverain et l' honore. [2.415 #1170]
Fanazavana frantsaySens général : il faut se respecter mutuellement. [2.415 #1170]

Fizahan-teny