|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : maizina

Ohabolana 1Aza homa-maizina raha misy fanilo. [2.165 #785]
Dikanteny frantsayNe mangez pas dans l' obscurité quand vous pouvez avoir une lumière. [2.165]

Ohabolana 2Hanina voaray maty afo ka ny vava tsy mba maizina. [2.558]
Hanina voaray maty afo : ny vava tsy mba maizina. [2.415 #4489, 2.653 #1027]
Hanina voaray maty jiro ka ny vava tsy mba maizina. [2.558]
Dikanteny frantsayNourriture prise au moment où le feu s' éteint : la bouche n' est jamais dans l' obscurité. [2.415 #4489]
Fanazavana frantsayLes Malgaches prenaient leur repas autour du feu et restaient ensuite à causer ; le feu s' éteignait peu à peu. Le sens est qu' il n'y a pas besoin d'y voir pour manger. [2.415 #4489]

Ohabolana 3Harika maty jiro (maizina) ka aretim-ponao no vokany. [2.558 #1282]

Ohabolana 4Indroa mahita ny maizina ohatra ny tain' omby napeta-davabary. [2.165]
Indroa tratry ny maizina, ohatra ny tain-omby natam-pin-davabary. [2.653]
Dikanteny frantsayÊtre deux fois dans l' obscurité, comme de la bouse de vache dont on enduit la fosse à riz. [2.165]
Fanazavana frantsayLa première fois, c' était dans le corps de l'animal, et la seconde fois c' est dans la terre, au fond de la fosse à riz servant de grenier. [2.165]

Ohabolana 5Indroa tratry ny aizina toy ny tain' omby natampin-dava-bary. [2.415 #2600]
Indroa tratry ny aizina toy ny tain' omby natsentsin' davaka. [2.415 #2600]
Indroa tratry ny maizina ohatra ny tain' omby natsentsin-dava-bary. [2.558]
Dikanteny frantsayDeux fois atteint par l' obscurité, comme la bouse de vache qui sert à boucher le trou à riz : d' abord dans l' estomac et puis dans le trou. [2.415 #2600]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui subissent deux malheurs de suite. [2.415 #2600]

Ohabolana 6Jamba am-pototry ny jiro ary maizina anilan' ny mazava ve? [2.558 #1536]
Jamba am-pototry ny jiro, ka maizina anilan' ny mazava. [2.165]
Jamba am-pototry ny jiro : maizina anilan' ny mazava. [2.415 #2150, 2.653 #1207, 2.974 #441]
Jamba mitanina andro : maizina am-pototry ny mazava. [2.415 #2153, 2.558 #1542]
Jamba mitanin’ andro : maizina am-pototry ny mazava. [2.653 #1208, 2.974]
Maizina am-pototry ny mazava. [2.415 #6361, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona tsy manam-pahalalanana tsy mahalala fomba eo afovoan' ny olona mahay sy mahalala fomba. [1.1]
Dikanteny frantsayAveugle au pied d'une torche : dans les ténèbres malgré la lumière qui l'entoure. [2.974 #441]
Aveugle qui se chauffe an soleil : dans les ténèbres au sein de la clarté. [2.974 #442]
Aveugle qui se chauffe au soleil : il est dans les ténèbres au pied de la lumière. [2.415 #2153]
Aveugle, tout près de la chandelle : il est dans les ténèbres à côté de la lumière. [2.415 #2150]
Qui est dans les ténèbres, à la source de la lumière. [2.415 #6361]
Un aveugle tout près d' une lampe: il est dans les ténèbres tout près de la lumière. [2.165]
Fanazavana frantsayQui ferme les yeux volontairement à l' évidence. [2.415 #6361]
Se disait de ceux qui ferment les yeux à une chose évidente. [2.415 #2150]

Ohabolana 7Jamba manao hatsarana : manoro ny mazava ho an' olona, fa ny maizina mihatra amin' ny tena tsy miova. [2.558 #1553]

Ohabolana 8Mahandro vary tsaitsainy : ao am-bava mifantina akotry. [2.558 #1853]
Mahandro vary tsaitsainy : ao am-bava vao mifantina akotry. [2.415 #4514, 2.653 #1406]
Toto vary maizina, ka ao am-bava no mifantina akotry. [2.558 #287]
Dikanteny frantsayFaire cuire du riz à demi-décortiqué : c' est dans la bouche qu' on est obligé de séparer les grains en cosse, des autres. [2.415 #4514]
Fanazavana frantsaySe disait d' un travail fait vite et mal. [2.415 #4514]

Ohabolana 9Maizina ny andro azo tsilovina, lalina ny hady, azo toharina, rangavina ny rano, azo lakanina. [2.558]
Maizina ny andro azo tsilovina, lalina ny rano azo lakanina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra. [1.1]
Maizina ny andro, azo tsilovina ; lalina ny rano, azo lakanina ; lalina ny hady, azo toharana ; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra. [2.415 #3021, 2.974 #446]
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano, azo lakanina; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra. [2.165 #135]
Dikanteny frantsayQuand le jour est obscur on peut éclairer avec des torches ; quand l' eau est profonde on peut la passer en pirogue ; quand les fossés sont profonds on peut se servir d' échelles ; mais le mal qu' on fait, on ne peut pas le réparer avec des expédients. [2.415 #3021]
S’il fait nuit, on prend un flambeau; si l’eau est profonde, on prend une pirogue ; si le fossé est profond, on prend une échelle ; mais si le mal est commis, il est irréparable. [2.974 #446]
S' il tait sombre, on peut éclairer; si l' eau est profonde, on peut la traverser en canot; si le fossé est profond, on peut y descendre par une échelle; mais une mauvaise action est sans remède. [2.165]

Ohabolana 10Maka kitay manana ankizy ; misorona afo manan-jiro ; homa-maizina ao am-pototry ny mazava. [2.415 #2296, 2.165]
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo am-pototry ny mazava. [1.1]
Maka kitay manana ankizy, misoron' afo manan-jiro, ka mihina-maizina am-pototry ny mazava. [2.558]
Fanazavana malagasyMampijaly tena noho ny fahihirana. [1.1]
Dikanteny frantsayAller chercher (soi-même) son bois quand on a un esclave; attiser le feu (pour s' éclairer) quand on a une lampe, et manger dans l' obscurité quand on pourrait avoir de la lumière. [2.165]
L' avare a un esclave et il va chercher son bois ; il a une lampe et il attise son feu pour lui servir de lumière ; il peut avoir de la lumière et il mange dans l' obscurité. [2.415 #2296]
Fanazavana frantsayC' est souffrir par avarice. [2.165]

Ohabolana 11Manaram-po ohatra ny banga mihomehy alina. [2.558]
Manaram-po ohatra ny banga mihomehy maizina. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona ratsy toetra ka manararaotra izaitsizy ny toe-javatra sendra. [1.1]

Ohabolana 12Ny fanompoana tahaka ny zavona : raha halavirina maizina, fa raha akekena mazava. [2.653 #2221, 2.974 #96]
Ny fanompoana tahaky ny zavona : raha halavirina maizina, fa raha akekena mazava. [2.415 #387]
Ny fanompoana toy ny zavona : raha alavirina maizina, fa raha akaikezina mazava. [2.558 #2970]
Dikanteny frantsayI.e travail ressemble au brouillard : de loin, c'est sombre ; de prés, c’est lumineux. [2.974 #96]
La corvée c' est comme le brouillard : de loin c' est trouble et nuageux ; mais quand on s' approche, cela se clarifie. [2.415 #387]
Fanazavana frantsayLe travail devient facile quand on s' y applique. [2.415 #387]

Ohabolana 13Ny manam-pitia tsy mba hariva na maizina aza ny andro. [2.558 #3102]

Ohabolana 14Ny mpanota maniry ny andro ho maizina, kanefa ny jamba tsy azo ahoana. [2.165 #2072, 2.415 #2160, 2.653 #2357, 2.974]
Dikanteny frantsayLe méchant désire les ténèbres, mais les ténèbres font de lui un aveugle. [2.974 #453]
Le pécheur désire que les ténèbres arrivent, alors que les aveugles, on ne peut malheureusement rien contre leur cécité. [2.415 #2160]
Les malfaiteurs recherchent l' obscurité; mais les aveugles l' ont (ou: y sont) sans le vouloir. [2.165]

Ohabolana 15Sakaiza tiana namadi-belirano ; vady renianaka niholy ho an’ olona ; reniomby nompiana nandaka; nampaka-drano tsy nahatafakatra; nahandro vary namolavola sosoa : koa izany no kanto maizina indrindra. [2.653]
Sakaiza tiana namadi-belirano, vady renianaka niholy ho an' olona, reniomby nompiana nandaka, nampaka-drano tsy nahatafakatra, nahandro vary namolavola sosoa : koa izany no maizina indrindra. [2.558]

Ohabolana 16Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana. [1.1]
Toho latsaka am-bovo : mazava andro idirana, fa maizina andro ivoahana. [2.415 #3307]
Toho niditra am-bovo : mazava nidirana, fa maizina hivoahana. [2.415 #3307]
Toy ny toho miditra am-bovo, ka mazava idirana fa maizin-kivoahana. [2.558 #4339]
Toy ny toho miditra am-bovo: mazava andro idirana, fa maizina andro ivoahana. [2.653 #3239, 2.974 #234]
Toy ny toho miditra am-bovo: mazava idirana, fa maizina ivoahana. [2.165 #1142]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona mora sodokan-drendrarendra ka loza no miandry azy vokatr' izan. [1.1]
Dikanteny frantsayComme le toho entré dans la nasse : route claire pour entrer, moins claire quand il s’agit de sortir. [2.974 #234]
Pareil au poisson qui entre dans la nasse: c' est facile (litt. clair) d' y entrer, mais difficile (litt. sombre) d' en sortir. [2.165 #1142]
Poisson toho dans la nasse : le chemin pour entrer est facile à trouver mais la sortie est difficile. [2.415 #3307]
Fanazavana frantsayLes commencements sont faciles, mais plus difficile la fin. [2.415 #3307]

Ohabolana 17Toto vary maizina : ao am-bava vao mifantina akatatra. [2.415 #3760, 2.653 #3154]
Dikanteny frantsayQuand on pile le riz dans l' obscurité, c' est dans la bouche que se fera le triage des grains non décortiqués. [2.415 #3760]
Fanazavana frantsaySe disait des travaux ébauchés, mal faits. [2.415 #3760]

Ohabolana 18Tsararaka manenon' ny akanga eny ambonin' ny ala miandrandra; tsiatsiaka manenon' ny vorona eny anatin' ny ala maizina. [2.415 #5148]
Dikanteny frantsayTsararaka, chant des pintades au-dessus de la forêt aux arbres droits ; tsiatsiaka, chant des oiseaux dans la forêt sombre. [2.415 #5148]
Fanazavana frantsayLe chant des pintades symbolise les regrets, celui des oiseaux symbolise les désirs. [2.415 #5148]

Ohabolana 19Tsy mety raha manan-jiro homa-maizina, na manan-kitay maina, mitaina ny lena. [2.558 #4607]
Tsy mety raha manan-jiro, ka homa-maizina. [2.415 #4630, 2.653 #3431]
Dikanteny frantsayPourquoi posséder une bougie, et manger dans l’obscurité. [2.974 #4]
Quand on a des chandelles il ne faut pas manger dans l' obscurité. [2.415 #4630]
Fanazavana frantsayC'est de l'avarice. Au figuré le proverbe signifie qu' il ne faut pas agir à l' aveuglette quand on peut consulter de bons conseillers. [2.415 #4630]

Ohabolana 20Vary maniry an-davabary, ka mitaroka anatin' ny maizina. [2.165 #2196, 2.558 #314]
Vary maniry an-dava-bary : mitaroka anatin’ ny maizina. [2.653 #3620]
Dikanteny frantsayQuand le riz germe dans la fosse, il pousse dans les ténèbres. [2.165]

Fizahan-teny