|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : taitra

Ohabolana 1Akohokely notsipazam-potsimbary : sady taitra no faly. [2.653 #55, 2.974 #123]
Dikanteny frantsayPoussins à qui on jette du riz blanc : surprise et bonheur à la fois. [2.974 #123]

Ohabolana 2Amboa nivalavalan-taolana : sady taitra ravo. [1.147 #A52]

Ohabolana 3Aza manao fisoro-baton' ilay jamba : voa vao mihilana. [2.415 #6213]
Aza manao fisoro-baton' ilay jamba : voa vao taitra. [2.415 #6213]
Manao fisoro-baton' ilay jamba : voa vao mihilana. [2.558 #1993]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme l' aveugle qui veut esquiver une pierre : il est atteint avant de se baisser. [2.415 #6213]
Fanazavana frantsaySe disait du manque de prévoyance. [2.415 #6214]

Ohabolana 4Mitroatra tahaka ny ronono taitran' afo! [2.558 #2393]

Ohabolana 5Mody tsy taitra nefa ny mason' ny mpilefa mba fantatra ihany. [2.558 #2553]

Ohabolana 6Na miara-mitoetra aza ny vantony sy ny reniny, dia ny vantony ihany no mitsatsaingoka raha taitra. [2.558]
Raha miara-mitoetra aza ny reniny sy ny vantony, raha taitra dia ny vantony ihany no mitsambikina. [2.165 #2180, 2.415 #937]
Dikanteny frantsayMère et fille qui sont ensemble ; en cas d' alarme, c' est la fille qui sursaute. [2.415 #937]
Quand même la mère et la fille seraient ensemble, s' il se produit quelque alarme, c'est la fille seule qui sursaute. [2.165 #2180]

Ohabolana 7Ny anatra tsy inoana no anaovana izany, voan' ny ratsy natao vao taitra ; andratra ! ka tsy ny soa no taloha ! [2.415 #6520]
Dikanteny frantsayC'est parce qu' il n' a pas ajouté foi aux avertissements qu' il a agit ainsi, saisi par le mal avant de s' en effrayer : hélas ! c' est fait, que n' a-t-il fait le bien avant ! [2.415 #6520]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina refusant de faire grâce à son fils rebelle. Passées en proverbe, elles se disaient des gens qui méprisent les avertissements et donnent tête baissée dans le crime, ne s' effrayant que lorsqu' il faut en porter la peine. [2.415 #6520]

Ohabolana 8Ny vorombazaha no mitabataba, ka taitra ny sahona. [2.415 #5772, 2.653 #2528]
Dikanteny frantsayLes canards en barbotant font du tapage, et les grenouilles sont en émoi. [2.415 #5772]
Fanazavana frantsaySe disait des petits gens en émoi à cause des grands. [2.415 #5772]

Ohabolana 9Raha rano no taitra dia hamaky ny fefiloha ; fa raha fo no taitra maharava fihavanana. [2.653 #2708, 2.415, 2.974]
Raha rano no taitra, mamaky fefiloha, fa raha fo no taitra, maharava fihavanana. [2.558 #3647]
Dikanteny frantsayQuand c' est une rivière qui s' irrite, les digues sont rompues ; mais quand c' est un coeur qui s' irrite, ce sont les relations d' amitié qui sont rompues. [2.415]
Quand l'eau déborde, les digues sont rompues; quand le cœur déborde, l’entente est rompue. [2.974]

Ohabolana 10Sakan' akoho lasan-tsintsina, ka sady taitra no talanjona. [2.165 #2212, 2.415 #5778]
Dikanteny frantsayPoulet emporté par un petit oiseau tsintsina : il est effrayé et étonné. [2.415 #5778]
Un poulet emporté par un passereau: il a été effrayé et étonné. [2.165]
Fanazavana frantsayC' est un fort qui s' est laissé surprendre par un faible. [2.415 #5778]

Ohabolana 11Taitra irery ka mamaky takotra. [2.415 #5731]
Dikanteny frantsaySurpris mangeant seul la viande qu' il a volée dans la marmite : il est effrayé et casse le couvercle de la marmite en voulant la recouvrir. [2.415 #5731]
Fanazavana frantsaySe trahir soi-même. [2.415 #5731]

Ohabolana 12Taitra ny olona tsy mba taitra, ka taitra irery vao mamaky takotra. [2.558 #3998, 1.1]
Fanazavana malagasyTsy miraika miaraka amin' ny olona rehetra, ka nony dodona avy eo manimba zavatra. [1.1]

Ohabolana 13Toy ny akotralahy : mibaby ny omby nohaniny, ka taitry ny ondry nandrasany, miloloha ny akoho nompiany. [2.558]
Toy ny ankotralahy : mibaby ny omby nohaniny, ka taitra ny ondry nandrasany, ary miloloha ny akoho nompiany. [2.653 #3183]
Toy ny ankotralahy : mibaby ny omby nohaniny, ka taitry ny ondry nandrasany, ary miloloha ny akoho nompiany. [2.415 #460]
Dikanteny frantsayC' est comme les soldats portant giberne : ils portent sur le dos le boeuf qu' ils ont mangé, le mouton qu' ils ont gardé leur donne l' alarme, et ils portent sur la tête les poules qu' ils ont élevées. [2.415]
Fanazavana frantsayPlaisanteries sur ces soldats et leur uniforme ; allusion à la giberne, au tambour, etc. [2.415 #460]

Ohabolana 14Voantsira taitra, lambo rava : aza fanarakaraka fa samy ratsy. [1.147 #V78]

Ohabolana 15Vovo : ka mba mitsivalana, sinibe ka mba mantsaka: lehibe ka aza mba taitra. [2.415 #6057, 2.558 #5054, 2.653 #3754]
Dikanteny frantsayVous êtes une nasse, et vous vous mettez en travers, vous êtes une grande cruche et vous allez puiser de l' eau : vous avez une grande taille, aussi ne vous troublez pas. [2.415 #6057]

Fizahan-teny