Teny iditra (1/2) | 1 alahasaty |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.10] laharana fahadimy amin' ny volana malagasy izany. Zana-bintana trotroin' ny Asorotany izy; ary eo am-pitotoam-bary (atsinananan' ny andry atsimo) no anjara toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon' ny kintana ataon' ny Arabo hoe El-asad (Lion, Liona). Andro mainty ny Alahasaty, ary vinta-mpamosavy sy andron' ody; ka ny zaza teraka vava-Alahasaty, indrindra fa raha amin' ny misasakalina, dia atahorana ho tonga mpamosavy mpivoaka alina, na ho mpitana ody mahery. Koa dia tsy maintsy nalàm-bintana ny zaza toy izany. Ny odifoana (karazan' ahitra) no fanalam-paditra ny vintana Alahasaty, mba hahafoana izay ratsy, hahafoana izay tsy soa! Ny mosavinkena koa no faditra Alahasaty, mba ho lasan' iny ny mosavy rehetra! Ary rehefa afa-paditra ny zaza dia ampiambozonina volakizo (masombola tsy tapaka) sy vakamainty, atao hoe tsiambohitrinimanana sy maizinkitro, ary dia asaina miompy akoho mainty. Tsy mba fanaovan-javatra ny vava-Alahasaty, afa-tsy ny fanandratana ody ihany; koanefa ny vodi-Alahasaty dia tsara ho fanantaran-javatra sy fampakarambady, fa vintan' ny maintimolaly io. Ny vintana Alahasaty dia mifandratra amin' ny Adalo, fa miarina kosa eo amin' ny Adijady. 4 [3.1]
5 [1.78] [Taimoro] volana aogositra (volana faha-5) 6 [1.1] Anaran' ny volana fahadimy amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asorotany ary alohan' ny Asombola, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo, ilany atsinanana Fanandroana: Vinta-mpamosavy ny Alahasaty; vavany: raha tsy mpamosavy ny teraka misasakalina dia mpitana ody mahery; vodiny: tsara kosa, tratra antitra, ho maintimolaly |
Fanazavàna teny anglisy |
7 [1.2] the name of the fifth month of the Malagasy year. [Al. Al-asadu - Leo major.] |
Fanazavàna teny frantsay |
8 [1.3#20] nom d'un destin |
Ohatra |
9 Ny Adalo, ny alahasaty no mifandratra aminy. [2.857] 10 Tamy ny andro Alarobia 16 alahasaty 4 Janoary 1882. [2.59#89] |
Voambolana |
11 Fotoana 12 Fivavahana, finoana |
Renianarana |
|
Anarana iray reny |
|
Ohabolana | 89 Ohabolana misy io teny alahasaty io |
Tsanganana sy sary iray takila |
90 Fizaran' andro |
Teny iditra (2/2) | 91 alahasaty |
Sokajin-teny | 92 anarana |
Mpanahaka | 93 sikidy |
Lahatsoratra |
94
|
Nohavaozina tamin' ny 2024/10/30 |