Fizahan-teny

Ohabolana : zavona

Ohabolana 1Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona. [2.165 #844, 2.558 #725]
Dikanteny frantsayNe montez pas comme un nuage pour vous dissiper en brouillard. [2.165 #844]

Ohabolana 2Lohasaha fandrian’ ny zavona; helo-drano fandrian’ ny mamba. [2.558 #127, 2.653 #1375]
Lohasaha fandrian' ny zavona; helo-drano fandrian' ny mamba; ny avo halan' ny iva. [2.165 #1428]
Dikanteny frantsayDe même que c' est dans les vallées que se tient le brouillard et dans les sinuosités des rivières que se tiennent les caïmans, de même ceux qui sont en bas n' aiment pas ceux qui sont en haut. [2.165]

Ohabolana 3Manao izay tsy hahitana ka manofa lamba anatin' ny zavona. [2.558 #1997]
Manao izay tsy hahitana, ka manofa lamba anaty zavona. [2.415 #3266, 2.653]
Dikanteny frantsayC' est vouloir qu' on n' y voie rien que de faire des signaux en agitant le lamba au milieu du brouillard. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui font semblant d' éclaircir une affaire et ne l'éclaircissent pas. [2.415]

Ohabolana 4Misava ny zavona. [2.415 #2883]
Dikanteny frantsayLes brouillards se dissipent. [2.415 #2883]
Fanazavana frantsayExpression consacrée pour dire : quitter le deuil. [2.415 #2883]

Ohabolana 5Natao ho zavona hahamasaka ny vary, kanjo nanjary fanala hamono ny mangahazo. [2.558 #2761]
Natao ho zavona hahamasaka ny vary, kanjo tonga fanala hamono ny mangahazo. [2.653 #2092]

Ohabolana 6Ny aina aloka aman-javona: mihelina dia lasa. [2.165 #2093]
Ny ain' ny olombelona aloka aman-javona: mihelina dia lasa. [2.415 #2772, 2.653 #2130, 2.974 #471]
Ny ain' olombelona toy ny fofo-nahandro, ka mihelina dia lasa. [2.558 #2836]
Dikanteny frantsayLa vie de l’homme est une ombre et un brouillard : elle passe et n’est plus. [2.974 #471]
La vie est une ombre et une fumée: elle passe et n' est plus. [2.165]
La vie humaine est de l' ombre et du brouillard : elle apparaît rapidement et s' en va. [2.415 #2772]

Ohabolana 7Niakatra ho rahona, ka vao hidin-ko zavona. [2.974 #106]
Dikanteny frantsayNuage haut placé, il est descendu au rang des brouillards. [2.974 #106]

Ohabolana 8Ny fanompoana tahaka ny zavona : raha halavirina maizina, fa raha akekena mazava. [2.653 #2221, 2.974 #96]
Ny fanompoana tahaky ny zavona : raha halavirina maizina, fa raha akekena mazava. [2.415 #387]
Ny fanompoana toy ny zavona : raha alavirina maizina, fa raha akaikezina mazava. [2.558 #2970]
Dikanteny frantsayI.e travail ressemble au brouillard : de loin, c'est sombre ; de prés, c’est lumineux. [2.974 #96]
La corvée c' est comme le brouillard : de loin c' est trouble et nuageux ; mais quand on s' approche, cela se clarifie. [2.415 #387]
Fanazavana frantsayLe travail devient facile quand on s' y applique. [2.415 #387]

Ohabolana 9Ny valala mameno tanety, ny zavona mameno lohasaha, fa ny mpilaza mahay rahateo. [2.558 #3351]

Ohabolana 10Ny zavona no manamaizina ny mazava. [2.165 #112, 2.415 #3136]
Dikanteny frantsayC' est le brouillard qui obscurcit la lumière. [2.165 #112, 2.415 #3136]

Ohabolana 11Tendrombohitra, fandrian’ ny zavona ; lohasaha, fandrian’ ny moka; sakeli-drano, fandrian’ ny mamba; izaho kely, fandrian’ ny saina. [2.653 #3069, 2.974 #331]
Dikanteny frantsayLa montagne est le lit des brouillards ; la vallée est le lit des moustiques ; le repli du fleuve est le lit des caïmans; et mon humble apparence est le lit de l’intelligence. [2.974 #331]

Ohabolana 12Tendrombohitra sy zavona : mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona. [2.653 #3071, 2.974 #426]
Dikanteny frantsayMontagne et brouillard : la rencontre semble définitive, la séparation paraît éternelle. [2.974 #426]

Ohabolana 13Tsy mba nampoizina ho fanala hamono ny mangahazo, fa natao ho zavona hahamasaka ny vary. [2.415 #5940]
Dikanteny frantsayOn ne croyait pas que ce fût de la gelée blanche à faire mourir le manioc, mais on pensait que c' était un brouillard à faire mûrir le riz. [2.415 #5940]
Fanazavana frantsaySe disait des gens trompés dans leurs prévisions. [2.415 #5940]

Ohabolana 14Tsy mety rehefa niakatra ho rahona, ka vao hidin-ko zavona. [2.653 #3500]
Tsy mety rehefa niakatra ho rahona, ka vao hiverin-ko zavona. [2.415 #3081]
Dikanteny frantsayLorsqu' on s' est élevé pour être un nuage, il ne convient pas de revenir pour être brouillard. [2.415 #3081]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas s' abaisser, s'avilir. [2.415 #3081]

Ohabolana 15Volon-tany arahin' ovy, tanety ambo javona. [1.147 #V85]

Fizahan-teny