|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mitafy

Ohabolana 1Ambanivohitra mitafy zandiana, ka jenitra alohan' ny lakaolina. [2.558]
Ambanivohitra mitafy zandiana, ka jenitra alohan' ny lakoly. [2.415 #2418]
Ambanivohitra mitafy zandiana, ka jenitra alohan' ny lakolina. [2.165 #1301]
Dikanteny frantsayCampagnarde vêtue d' indienne : elle a plus de prétentions que les suivantes de la reine. [2.415 #2418]
Une campagnarde revêtue d' indienne: elle est plus prétentieuse que les suivantes de la reine. [2.165]

Ohabolana 2Amboadia mitafy hodi-janak' ondry : ny tenany no takona, fa ny toetrany tsy miova. [2.558 #160]

Ohabolana 3Amboninjato mitafy tohy loha : milaza, tsy mba inoana ; manontany, tsy mba valiana. [2.415 #612]
Dikanteny frantsayC' est un centenier vêtu d' un lamba rapiécé : s' il parle on ne le croit pas ; s' il interroge on ne lui répond pas. [2.415 #612]
Fanazavana frantsaySe disait des chefs qui à cause de leur avarice n'avaient pas d' autorité, et de ceux qui devenus pauvres, perdaient leur autorité. [2.415 #612]

Ohabolana 4Andriambaviny Vonizongo: mitafy jabo, ka manao fehin-tongotra. [2.653 #210]
Andriambavin' Ivonizongo, mitafy jabo manao fehin-tongotra. [2.558 #234]
Andriambavy Vonizongo: mitafy jabo ka manao fehin-tongotra. [2.165 #1510]
Aza manao andriambavin' ny Vonizongo : mitafy jabo, ka manao fehin-tongotra. [2.415 #2278]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme les dames nobles des Vonizongo : mal habillées, elles portent des anneaux d' argent aux bras et aux pieds. [2.415 #2278]
Une princesse du Vonizongo: elle porte un pauvre vêtement, et pourtant se met des bracelets (d' argent) aux pieds. [2.165 #1510]
Fanazavana frantsaySe disait des riches avares qui vont mal vêtus. [2.415 #2278]

Ohabolana 5Aza manao ny Betsileo ho mpanan-karena, raha mitafy arindrano fa manao kitamby harefo. [2.415 #5891, 2.653 #485]
Aza manao ny Betsileo tsy ho manankarena, raha mitafy arindrano mikitamby harefo. [2.558 #548]
Dikanteny frantsayEn voyant les Betsileo porter le lamba en tissu arin-drano, ne croyez pas qu' ils soient riches, car leur pagne est en jonc. [2.415 #5891]
Fanazavana frantsayNe jugez pas sur les apparences. [2.415 #5891]

Ohabolana 6Azon' ny haren-tsy manarana, ka mitafy lamba endrikendrika. [2.165 #1437, 2.415 #2422]
Azon' ny haren-tsy nanasatra ka mitafy lamba endrikendrika. [2.558 #832]
Hanao ahoana hianao : azon' ny haren-tsy manarana ka mitafy lamba endrikendrika. [2.558 #1265]
Dikanteny frantsayIl n' est pas aussi riche qu' il le voulait et il s' habille de manière à ce qu' on le croie riche. [2.415]
Ne possédant pas autant qu' il voudrait, il s' habille de façon à ce qu' on le croie riche. [2.165]

Ohabolana 7Hanao ahoana hianao ? azon’ ny haren-tsy manarana, ka mitafy lamba endrikendrehina. [2.653 #1019]

Ohabolana 8Izy no mitafy lamba saro-bazana, ao salaka mahatoky azy. [2.415 #1635, 2.165]
Izy no mitafy lamba saro-bazana, dia ao ny salaka matoky azy. [2.558]
Dikanteny frantsayS' il a un lamba trop court, c' est qu' il a confiance dans le salaka qui lui serre les reins. [2.415]
S' il porte un lamba trop court (laissant voir le haut des jambes) c' est qu' il a confiance dans la toile qui lui couvre les reins. [2.165 #1308]

Ohabolana 9Keliray mitafy jiafotsy : tafahaon-tsamy maivana. [2.415 #2501, 2.653 #1253]
Keliray mitafy jiafotsy : tafahoan-tsamy maivana. [2.558 #1609]
Dikanteny frantsayHomme chétif qui est vêtu de rabane en tissu de raphia : ce sont deux légers qui se rencontrent. [2.415 #2501]
Fanazavana frantsaySe disait de deux malheureux unissant leur sort. [2.415 #2501]

Ohabolana 10Koranely mitafy tohiloha : lehibe ihany fa eny an-tsisiny. [2.415 #2505, 2.558 #1662, 2.653]
Dikanteny frantsayColonel mal vêtu : c' est un grand, mais à l' écart. [2.415 #2505]
Fanazavana frantsayUn grand qui est pauvre n'est pas honoré. [2.415 #2505]

Ohabolana 11Mahay lamba mitafy rafia. [1.147 #M4]

Ohabolana 12Malaina hatry ny fahazaza, ka ory mandraka antitra. [2.558 #1926]
Manaram-po fahazaza, ka maka kitay fotsy volo. [2.653 #1566, 2.974 #189]
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza, ka mitafy voro-damba efa antitra. [2.415 #1576]
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy voro-damba rehefa antitra. [2.165 #1914]
Dikanteny frantsayUn enfant trop dorloté finit par ramasser des fagots quand il a des cheveux blancs. [2.974 #189]
Vivre dans (litt. avec) la paresse quand on est jeune, et être couvert de haillons une fois vieux. [2.165 #1914]
Vivre en paresseux quand on est jeune, et être couvert de guenilles dans la vieillesse. [2.415 #1576]

Ohabolana 13Marary be tsy mitafy : raha tsy matin’ ny aretina, matin’ ny hatsiaka. [2.415 #2805, 2.558 #2130, 2.653 #1629]
Dikanteny frantsayPersonne très malade et qui n'est pas vêtue : si la maladie ne la fait pas mourir, ce sera le froid. [2.415 #2805]
Fanazavana frantsaySe disait des gens destinés à succomber soit à un malheur, soit à un autre. [2.415 #2805]

Ohabolana 14Maty aho maso mambako, fa lehibe vao tsy mitafy. [2.558 #2198]

Ohabolana 15Misarom-bava tsy mitafy hoatry ny sinibe. [2.415 #6456]
Misarom-bava tsy mitafy, ohatra ny sinibe. [2.653, 2.558]
Dikanteny frantsaySe couvrir la bouche de confusion, tout en laissant le corps nu, comme la grande cruche. [2.415 #6456]
Fanazavana frantsayAllusion à l' ouverture de la cruche, qu'on ferme pour empêcher les mouches et la poussière d' entrer. [2.415 #6456]

Ohabolana 16Mitafy lamba amin' ny andro ririnina, ka ny an' ny tena ihany no sambotsamborina vao azo. [2.558 #2432]
Mitafy lamba jiafotsy ririnina: ny any ny tena ihany, ka sambotsamborina vao azo. [2.653]
Mitafy lamba jiafotsy ririnina : ny an' ny tena ihany, ka sambotsamborina vao azo. [2.415 #3126]
Dikanteny frantsaySe couvrir d' un tissu de raphia en hiver : c' est votre propriété, mais pour le garder, il faut le saisir à plusieurs reprises. [2.415 #3126]

Ohabolana 17Mitafy lamba eo imason' ny tompony. [2.558 #2431, 1.1]
Mitafy lamba eo imason-tompony. [2.653 #1850, 2.974 #61]
Mitafy lamba imason-tompony. [2.165 #3311]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo tsy tahotra tsy henatra ka mampidera ny zava-nindramina amin' izay nampindrana azy. [1.1]
Ny lamba nindramina tamin' izy tompony no entina mirehareha eo anoloany – anambarana hakevohana mihoapampana ka ny hevitr' olona fa tsy ny an' ny tena no ideraderana. [1.1]
Fanazavana anglisyTo do something before those who are more clever than one's self. [1.2]
Dikanteny frantsaySe parer d’un habit en présence de son propriétaire. [2.974 #61]
Se revêtir d' un lamba emprunté sous les yeux de son propriétaire. [2.165]

Ohabolana 18Mitafy lamba fe manara. [2.415 #3040, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa noho ny hatsiaka no itafiana lamba, fa tsy ny henatra intsony. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui est sans honte se revêt de son lamba quand il fait froid, mais il ne rougit pas de rester nu quand il ne fait pas froid. [2.415 #3040]

Ohabolana 19Mitafy lamba manify, ka hita mbamy ny vatana. [2.653 #1852]
Mitafy lamba manify, ka hita mbamin' ny vatana. [2.558 #2433]

Ohabolana 20Moa raha fisa-doha, dia ho mpikarama ; raha fisa-molotra, dia ho mpikabary ; raha mitafy soa, dia mpiharaka? [2.415 #1668, 2.653 #1932]
Moa raha fisa-doha dia mpikarama ary raha fisa-molotra dia mpikabary? [2.558]
Dikanteny frantsayEst-on ouvrier à gages, parce qu' on a la tête plate ; orateur, parce qu' on a les lèvres minces ; escroc ou exacteur, parce qu' on est vêtu délicatement? [2.415 #1668]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas se fier aux apparences. [2.415 #1668]

Ohabolana 21Mpanan-karena mitafy jiafotsy ka tototry ny lazany ihany. [2.558 #2575]
Mpanan-karena mitafy jiafotsy : tototry ny lazany. [2.415 #2218]
Mpanan-karena mitafy jiafotsy : tototry ny lazany ihany. [2.653]
Dikanteny frantsayRichard qui porte des vêtements faits avec des fibres de raphia : il est vêtu de sa renommée et cela lui suffit. [2.415 #2218]
Fanazavana frantsaySe disait des riches mal vêtus. [2.415 #2218]

Ohabolana 22Ny rafy tsy lavitra, fa ny vadin-drahalahy mitafy lambamena. [2.415 #1313, 1.1]
Rafy tsy aiza fa vadin-drahalahy mitafy lambamena. [2.558 #3542]
Rafy tsy lavitra, fa ny vadin-drahalahy mitafy lambamena. [2.165 #1801, 2.653 #2632]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fampitandremana mba hahay mihetsika, hahay mitondra tena, fa ny mpifaninana amin' ny tena tsy lavitra. [1.1]
Dikanteny frantsayLa rivale n' est pas loin, car la femme de mon frère est habillée de rouge. [2.165]
La rivale n'est pas loin, la belle soeur est là habillée d'un lamba rouge en soie. [1.3, 2.415]
Fanazavana frantsaySe disait pour exciter à bien faire, par crainte d'être supplantée. [2.415 #1313]
Soyez sages, agissez bien, pour n'être pas inférieurs. [1.3]

Ohabolana 23Tafamandry maraim-boaratsy, mitafy voro-damba ka finaritra. [2.415 #3067]
Tafandry maraim-boafady, toy ny mitafy voro-damba. [2.165 #707, 2.558 #3962, 2.653 #2948]
Tafandry maraim-boaratsy, toy ny mitafy voro-damba. [2.415 #3068]
Dikanteny frantsayDormir tranquillement alors qu' on est déshonoré, c'est faire comme celui qui est vêtu de haillons et qui s' en montre content. [2.415 #3068]
Il est couché tranquillement alors qu' on le calomnie ; il est content alors qu' il est vêtu de haillons. [2.415 #3067]
Rester coucher le matin, mais en avoir honte comme un homme en guenilles. [2.165]
Fanazavana frantsayIl fait la grasse matinée, non pas parce qu' il est riche et peut se passer ça, mais parce qu' il n' a rien à se mettre! [2.165]
Se disait des gens habitués au déshonneur. [2.415 #3068]
Se disait des gens sans caractère et acceptant tout. [2.415 #3067]

Ohabolana 24Totozy latsaka amy ny hero-dronono: maty, tsara fonosana; velona, fotsy volom-bava sady tsara lamba hitafy. [2.653 #3162]
Totozy latsaka amin' ny hero-dronono : maty tsara fonosana, velona fotsy volombava, sady tsara lamba fitafy. [2.558]
Totozy latsaka amin' ny hero-dronono : maty, tsara fonosana ; velona, fotsy volombava sady tsara lamba hitafy. [2.415 #1588]
Dikanteny frantsaySouris qui tombe dans la crème du lait : morte elle est bien enveloppée ; vivante elle a la moustache blanche et le lamba qui la couvre est bien beau. [2.415 #1588]
Fanazavana frantsaySe disait des parures des jeunes filles courtisées. [2.415 #1588]

Ohabolana 25Tsy satry ny mitafy lambamena miantsena fa tiana mba ho hitan' ny mana-marary. [2.558 #310]
Tsy satry no mitafy lambamena miantsena, fa tiana mba ho hitan' ny mana-marary. [2.415 #4411, 2.653 #3576]
Dikanteny frantsayCe n' est pas de gaîté de coeur qu' on va au marché drapé dans un lamba de soie rouge, mais c' est pour être vu de ceux qui ont des malades. [2.415]
Fanazavana frantsayLe lamba de soie rouge est le linceul malgache ; le sens est qu'il faut montrer ce qui est mis en vente. [2.415 #4411]

Ohabolana 26Zanaky ny mpanan-karena tsy mitafy : ny anaran-drainy sisa tafiny. [2.415 #1014, 2.653 #3762, 2.558]
Dikanteny frantsayEnfants de riches, qui ne sont pas vêtus : il leur reste le nom de leur père pour se vêtir. [2.415 #1014]
Fanazavana frantsaySe disait des parents avares qui ne donnaient pas le convenable à leurs enfants, et surtout des enfants qui avaient dissipé l' héritage de leurs parents. [2.415 #1014]

Fizahan-teny