|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : voro-damba

Ohabolana 1Aza ny voro-damba latsaka no antenain-ko harena. [2.165 #744]
Tsy mety raha voro-damba latsaka no antenain-ko harena. [2.415 #2569, 2.558 #303, 2.653 #3499]
Dikanteny frantsayN' attendez pas la fortune d' un haillon tombé. [2.415 #2569]
N' espérez pas voir des chiffons tombés se transformer en richesse. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait de ceux qui se servaient de tout pour disputer et faire des procès ; il se disait aussi de ceux qui gardaient les objets trouvés et ne les rendaient pas aux propriétaires. [2.415 #2569]

Ohabolana 2Malaina hatry ny fahazaza, ka ory mandraka antitra. [2.558 #1926]
Manaram-po fahazaza, ka maka kitay fotsy volo. [2.653 #1566, 2.974 #189]
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza, ka mitafy voro-damba efa antitra. [2.415 #1576]
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy voro-damba rehefa antitra. [2.165 #1914]
Dikanteny frantsayUn enfant trop dorloté finit par ramasser des fagots quand il a des cheveux blancs. [2.974 #189]
Vivre dans (litt. avec) la paresse quand on est jeune, et être couvert de haillons une fois vieux. [2.165 #1914]
Vivre en paresseux quand on est jeune, et être couvert de guenilles dans la vieillesse. [2.415 #1576]

Ohabolana 3Misingotra ny voro-damba. [2.415 #2536]
Dikanteny frantsayLe pauvre n' a que des haillons pour habit. [2.415 #2536]

Ohabolana 4Mody an-trano ohatra ny voro-damba nenti-nisodika. [2.558]
Mody an-trano, toy ny voro-damba nenti-nisodika. [2.653 #1937]

Ohabolana 5Mpantsaka vaky siny: ny siny vaky leoko ihany, fa ity hitondra voro-damba lena mody no tsy toha. [2.653]
Mpantsaka vaky siny : ny siny vaky leoko ihany, fa ny mitondra voro-damba lena no tsy tanty. [2.558]

Ohabolana 6Ny alahelo no itafiam-boro-damba. [2.415 #2542]
Ny fahoriana no itafiam-boro-damba. [2.165 #1460]
Ny fahoriana no itafiam-boro-damba ary isentoana anivon' ny maro. [2.558 #2947]
Dikanteny frantsayC' est la misère qui fait porter des guenilles. [2.165 #1460]
C' est par misère qu' on va déguenillé. [2.415 #2542]

Ohabolana 7Ny vava toy ny voro-damba, ka mitsiaka etsy, mitsiaka eroa. [2.165]
Ny vava toy ny voro-damba: mitsiaka etsy, mitsiaka eroa. [2.653 #2471]
Dikanteny frantsayLa bouche est pareille à un chiffon, elle se déchire de ci et se déchire de là. [2.165]
Fanazavana frantsayElle se trompe toujours. [2.165]

Ohabolana 8Tafamandry maraim-boaratsy, mitafy voro-damba ka finaritra. [2.415 #3067]
Tafandry maraim-boafady, toy ny mitafy voro-damba. [2.165 #707, 2.558 #3962, 2.653 #2948]
Tafandry maraim-boaratsy, toy ny mitafy voro-damba. [2.415 #3068]
Dikanteny frantsayDormir tranquillement alors qu' on est déshonoré, c'est faire comme celui qui est vêtu de haillons et qui s' en montre content. [2.415 #3068]
Il est couché tranquillement alors qu' on le calomnie ; il est content alors qu' il est vêtu de haillons. [2.415 #3067]
Rester coucher le matin, mais en avoir honte comme un homme en guenilles. [2.165]
Fanazavana frantsayIl fait la grasse matinée, non pas parce qu' il est riche et peut se passer ça, mais parce qu' il n' a rien à se mettre! [2.165]
Se disait des gens habitués au déshonneur. [2.415 #3068]
Se disait des gens sans caractère et acceptant tout. [2.415 #3067]

Ohabolana 9Tohiloha natao takalo mindrana, ka ny manan-dratsy indray no manafatrafatra. [2.558 #4150]
Voro-damba atakalo mindrana, ka ny manana ny ratsy indray no manafatra. [2.165 #1309]
Voro-damba atakalo mindrana : ny manan-dratsy indray no manafatra. [2.653 #3740]
Voro-damba natakalo mindrana, ka ny manan-dratsy indray no manafatra. [2.415 #2575]
Dikanteny frantsayC' est celui qui passe des guenilles à quelqu' un (en lui empruntant un meilleur vêtement), qui recommande à l' autre de prendre soin de ces guenilles. [2.165]
Échange de mauvais vêtements, et c' est celui qui a le plus mauvais qui recommande le plus expressément le sien. [2.415 #2575]
Fanazavana frantsayPlus on est pauvre, et plus on tient au peu qu'on a. [2.415 #2575]

Ohabolana 10Vely amponga no tsy ory sahala, voro-dambamena no samy manana. [2.558 #4925, 2.653 #3660]

Ohabolana 11Voro-damba atakalo patsa : ny iray tafiana anio, dia rovitra ; ny iray hanina anio, dia lany. [2.653 #3741]
Voro-damba atakalo patsa: ny iray tafina anio dia rovitra, ary ny iray hanina anio ka lany. [2.165]
Dikanteny frantsayDes haillons échangés contre des chevrettes: les uns seront portés et usés en un jour et les autres seront mangées et consommées en un jour aussi. [2.165]
Fanazavana frantsayDonc, il n' y a pas là de quoi se disputer. [2.165]

Ohabolana 12Voro-damba nifehezan-drantsan-kitay : ny iray rovitra nampisento fa ny iray nampilatsa-dranomaso fa lena. [2.558 #5033]

Ohabolana 13Voro-damba tsy mahafa-dririnina ka enti-mitsinjaka. [2.558 #5034]

Fizahan-teny