|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : toetra

Ohabolana 1Amboadia mitafy hodi-janak' ondry : ny tenany no takona, fa ny toetrany tsy miova. [2.558 #160]

Ohabolana 2Endrika itoviana fa toetra samy hafa. [2.558 #1034]

Ohabolana 3Jiri-dahy av=mahazo>nahazo fanganga ka toetra itoviana no azo. [2.558 #1568]

Ohabolana 4Mandoka ny ratsy, manao toetr’ eso ; manaratsy ny tsara, manao volohala. [2.653 #1591]

Ohabolana 5Mandrebireby ny taona hoatry ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.415 #3127]
Mizaha mandrebireby ny taona, ohatra ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.653]
Mizaha toetra (mandrebireby) ny taona tahaka ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.558 #3]
Mizaha toetra ny taona hoatry ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.415 #3127]
Mizaha toetra ny taona, ohatra ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.653]
Dikanteny frantsayTenter ou troubler la saison comme les haricots qui donnent des fruits en hiver. [2.415 #3127]
Fanazavana frantsaySe disait des choses arrivant hors de saison. [2.415 #3127]

Ohabolana 6Ny anarana no itoviana, fa ny toetra no tsy sahala. [2.558 #2872]

Ohabolana 7Ny tarehy no tsy azo ovana, fa ny toetra mora ovana. [2.558 #3269]
Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ovana. [2.415 #3053, 1.1]
Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa raha ny fanahy mora foana. [2.415 #3053]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny bika aman' endrika dia sarotra ovana satria efa izao no nanaovan' ny Nahary azy, fa ny toetra amam-panahy kosa dia miankina amin' ny sitrapon' ny tena ny mahatsara na maharatsy azy. [1.1]
Dikanteny frantsayUne vilaine figure ne peut pas être changée mais une mauvaise conduite peut facilement être changée. [2.415 #3053]
Fanazavana frantsayOn peut corriger sa conduite. [2.415 #3053]

Ohabolana 8Ny toetra masonkarena, ny fahazarana sari-monina. [2.558 #3301]

Ohabolana 9Ny zaza fito tsy mahafehy trano: fa ny fanahy fito no mahafehy trano. [2.415 #1397, 2.653]
Ny zaza fito tsy mahafehy trano, fa ny fanahy soa no mahafehy trano. [2.558 #3378]
Zaza fito tsy mahafehy trano, fanahy fito no mahafehy trano. [1.1]
Zaza fito tsy mahafehy trano, ny toetra soa mahari-monina. [2.558]
Fanazavana malagasyTsy ny hamaroan' ny zanaka akory no mety hahasakana ny mpivady tsy hisaraka fa ny toetra soa maro sy ny hatsarampanahy ananany. [1.1]
Dikanteny frantsaySept enfants ne suffisent pas à fermer la porte de la maison et à rendre stable le foyer des époux ; il faut encore sept qualités d' esprit et de caractère. [2.415 #1397]
Fanazavana frantsayLes enfants eux-mêmes ne suffisent pas à empêcher le divorce. [2.415 #1397]

Ohabolana 10Ondrilahy tsara toetra : sady be mangy no lava hofaka; ka manatrika, matin’ ny manginy; miamboho, matin’ ny hofany. [2.415 #2234, 2.558 #3455, 2.653 #2581]
Dikanteny frantsayBélier de belle apparence : il a la nuque charnue et la queue longue et grosse ; s' il regarde en face on le tue à cause de la grosseur de sa nuque ; et s' il se retourne on le tue à cause de sa queue. [2.415 #2234]
Fanazavana frantsaySe disait des gens victimes de leur prospérité et de leurs biens. [2.415 #2234]

Ohabolana 11Sompitra tsy misy vary, ka sady manety trano no mampihambo toetra ny tompony. [2.558 #3943]
Sompitra tsy misy vary : sady manety trano no mampihambo toetra ny tompony. [2.415 #6039, 2.653 #2933]
Dikanteny frantsayImmense corbeille à riz, vide : non seulement elle encombre la case, mais elle laisse supposer que son maître veut paraître ce qu' il n' est pas. [2.415 #6039]
Fanazavana frantsayDouble embarras. [2.415 #6039]

Ohabolana 12Vady ka mifankahita tenda (toetra). [2.558 #312]
Vady mifankahita tenda. [2.165 #1787, 2.415 #1352, 2.653 #3591]
Dikanteny frantsayDes époux n' ont pas de secrets l' un pour l' autre. Litt. se voient la gorge l' un à l' autre. [2.165]
Les époux se laissent voir l' un à l' autre le fond de la gorge et n' ont pas de secrets l' un pour l' autre. [2.415 #1352]
Les époux se voient jusqu’au fond de la gorge. [2.974 #134]
Fanazavana frantsaySe disait des personnes s' entendant bien, se disant tout et se comprenant à demi-mot parce quelles se connaissent à fond. [2.415 #1352]

Ohabolana 13Vady nahita tenda (toetra) ka sarotra hanasana vava. [2.558 #315]

Ohabolana 14Vorondolo toetra ny reniny, ka kary fiaina ny zanany. [2.558 #5046]

Fizahan-teny