Teny iditra (1/2) | 1 tarỳ |
Singan-teny | 2 t~, arỳ |
Sokajin-teny | 3 ny lasan' ny tambinteny |
Fanazavàna teny malagasy |
4 Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "arỳ" raha enti-milaza ny lasa: Tarỳ Ankadindambo izahay afakomaly 5 Avy arỳ: Efa tarỳ ve ianao? [1.1] |
Ohatra |
6 tary ambany tary, nisy vehivavy lehibe iray avy niakatra. [2.4#] 7 Dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary. [2.117#] 8 Ny miaramila an-tongotra kosa dia tary Analatelo no niandry. [2.472#] |
Tsanganana sy sary iray takila |
9 Ny tambinteny rehetra |
Teny iditra (2/2) | 10 tary |
Sokajin-teny | 11 anarana |
Sampanteny |
|
Voambolana |
14 Feon-kira: zavamaneno |
Fanazavàna teny malagasy |
15 Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin' ny n' lapa izy (hoditra tokana eo amin' ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary [1.1] 16 Ny kely indrindra amin' ireo amponga efatra nampiasaina tamin' ny famorana ka natao hipetrahan' ny zaza hodidiana [Merina] [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
17 a second drum [1.2] |
Fanazavàna teny frantsay |
18 le plus petit des quatre tambours usités à la circoncision, dont le son était rauque et sur lequel on plaçait l'enfant pour le circoncire [1.3] |
Ohatra |
19 Ampongalahy iray atao hoe "tary" no ipetrahan' izay hitazona ny zaza. [2.436#] |
Renianarana |
|
Fivaditsoratra | 20 raty, tary, tarỳ, raty, tary, tarỳ |
Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19 |