Teny iditra zavamaneno
Singan-teny zava- (zavatra) ; maneno
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anarana ilazana ireo zavatra rehetra namboarina hanao feon-kira, na tendrena izany na tsofina, na velezina. Anarana itambaram-be ilazana zavatra amboarin' olombelona mba hamoaka feo mahafinaritra azo anaovana feon-kira na anarahana hira: Ny sodina, ny valiha ary ny gitara dia samy zavamaneno [1.1]
Fanazavàna teny anglisy [ zava-maneno ] A musical instrument. [1.2]
 [ zava-maneno ] Any musical instrument [1.7]
Fanazavàna teny frantsay [ zava-maneno ] Instrument de musique [1.8]
Ohatra 
1mitoreoreo sy mampihetsi-po hafahafa ny feo avoaky ny zavamaneno; [2.470]
2Tia mozika izy ary kinga raha nitendry zavamaneno toy ny harmonia, ny valiha, mba nandalo teo am-pelatanany. [2.356]
3Isan-kariva, nataon' izy telo mirahalahy sy ireo mpiara-misakafo aminy mpanala sorisory azy amin' ny mozikany ilay mpitendry zavamaneno. [2.472]
Voambolana 
Kamban-teny 
Zanakanarana adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, doka, dombolo, doribe, dory, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kahiamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kipantsona, kitrivo, korintsana, kotra, kovabe, lakolosy, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, tary, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo
Lahatsoratra 
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/24