Fizahan-teny

Ohabolana : nify

Ohabolana 1Amboalahy mikiky taolana : tsy hery, fa hihitra. [2.653 #136]
Amboalahy mikiky taolana : tsy herin' ny nify fa hihitra no sisa. [2.558 #166]
Toy ny amboalahy mikiky taolana : tsy hery fa hihitra. [2.415 #2331]
Dikanteny frantsayChien qui ronge un os : ce n' est pas un indice de sa force, mais la preuve de son avarice. [2.415 #2331]

Ohabolana 2Aza manao miaramila be nify ka tsy mandalo katsa-maina. [2.558 #547]
Aza manao miaramila be nify, ka tsy mataho-katsa-maina. [2.165 #932]
Miaramila be nify, ka tsy mandalo katsa-maina. [2.415 #439, 2.653 #1729]
Miaramila be nify tsy mandalo katsa-maina. [2.558 #148, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa tsy tokony hiaingitraingitra amin' ny sakafo rehefa eo am-panaovana ny fanompoana. [1.1]
Olona tsy mba sarotsarotiny fa vonona ny hanao na hihinana izay azo atao na hanina. [1.1]
Dikanteny frantsayNe vous dites pas un soldat pourvu de fortes dents et qui ne craint pas de manger du maïs sec et dur, car on pourrait vous demander de le prouver! [2.165 #932]
Soldats qui ont de grosses dents : ce n' est pas en vain qu' ils passent à côté d' un champ de maïs. [2.415 #439]
Fanazavana frantsayOn profite d' une bonne aubaine ; ou bien, on se nourrit de tout et sans choix. [2.415 #439]

Ohabolana 3Aza manao ombilahin' Ibosy : ampiadiana, tsy miady, ampihosena tsy mihosy, hanin-kena manala nify. [2.558 #550]
Aza manao ombilahin' Ibosy: ampiadin-tsy miady; ampihosen-tsy mihosy; hanin-kena, mafy hena; avela ihany, manoto ny madinika. [2.165]
Dikanteny frantsayNe soyez pas comme le taureau d' Ibosy: on voudrait qu' il se batte, il refuse; on voudrait le faire piétiner les rizières, il refuse; on voudrait le manger, sa chair est trop dure; et si on ne s' en occupe pas, il donne des coups de corne aux petits. [2.165]
Fanazavana frantsayIl n' est bon à rien. [2.165]

Ohabolana 4Aza mihambom-po banga nify, ka tsy mitondra miso mandeha. [2.165 #2057, 2.415 #6220, 2.653 #613]
Aza mihambom-po toa banga ka tsy mitondra miso (antsy) mandeha. [2.558 #745]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme l' édenté plein de suffisance, et qui n' emporte pas de couteau en voyage. [2.415 #6220]
S' il vous manque des dents, que l' amour-propre ne vous empêche pas d' emporter un couteau en voyage. [2.165 #2057]
Fanazavana frantsayIl espérait trouver un couteau ; or il n' en trouve pas et il se repent, car il a faim et n' a pas de dents. Ce proverbe se disait des imprévoyants. [2.415 #6220]

Ohabolana 5Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no mandre aloha. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza izay rehetra toa bitsibitsihina, nefa henon' ny olona lavidavitra ny tena ihany. [1.1]

Ohabolana 6Diamangan' Ikalavola : tokana ihany fa manala nify. [2.558 #978]

Ohabolana 7Dia saotra no atao anareo, mba tsy ho vaky lovia fararano, tsy ho banga nify voka-katsaka, tsy ho tapa-tsalaka vory vahoaka. [2.415 #4124, 2.653 #833]
Dia saotra no atao anareo mba tsy ho vaky vilia fararano, tsy ho banga nify voka-katsaka, tsy ho tapa-tsalaka vory vahoaka. [2.558]
Dikanteny frantsayTous nos souhaits : que vos assiettes ne se brisent pas en automne, que vos dents ne tombent pas à l' époque de la récolte du maïs, que le salaka dont vous ceignez vos reins ne se rompe pas au milieu de la foule. [2.415 #4124]
Fanazavana frantsaySouhaits de prospérité. [2.415 #4124]

Ohabolana 8Fotsy ny volo, adidin' ny loha. [2.415 #1812, 2.558 #1207, 2.653 #985]
Potsitra ny maso adidin' ny loha. [2.415 #6246, 2.558 #3495, 2.653 #2600, 2.974]
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha. [1.1 #22]
Fanazavana malagasyNy loham-pianakaviana, ny mpitondra no manana ny tsiny amin' ny fahavoazan' ny olona entiny avy. [1.1 #22]
Dikanteny frantsayLes cheveux blanchissent : c' est la faute de la tête. [2.415 #1812]
Si l’oeil est crevé, à la tête d’y pourvoir. [2.974 #18]
Si l' oeil est crevé, c' est la faute de la tête, qui aurait dû faire attention. [2.415]

Ohabolana 9Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana. [1.1]
Lany hena alohan' olona. [2.415]
Lany hena alohan' olona, ka ny nify no aolanolana. [2.165 #779, 2.415 #2376, 2.558 #1736, 2.653 #1326]
Raha lany hena alohan' olona dia ny nify no aolanolana. [2.558 #3594]
Raha lany hena alohan’ olona, ny nify no aolanolana. [2.653]
Fanazavana malagasyEntina mandatsa ireo mpirobaroba tsy mahay mitsitsy ka mipitrapitra nony farany. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui a mangé sa viande avant les autres, a honte et fait semblant de se curer les dents. [2.415 #2376]
Il a fini sa viande avant les autres, et il continue à faire mouvoir (litt. tordre) ses dents. [2.165]
Qui a mangé sa part de viande avant les autres. [2.415]
Fanazavana frantsayAyant honte d' avoir fini avant les autres, il fait semblant de manger encore. [2.165]
Se disait des gens ruinés et tout honteux. [2.415 #2376]
Se disait des jeunes prodigues. [2.415 #2375]

Ohabolana 10Lava nify mitsako taolana : mifandramatra samy mafy. [2.415 #3473, 2.558 #1763, 2.653 #1347]
Dikanteny frantsayHomme à grandes dents qui mort dans un os : ce sont deux solides qui se disputent. [2.415 #3473]
Fanazavana frantsaySe disait des querelles entre personnes capables de se mesurer. [2.415 #3473]

Ohabolana 11Madiodio foana toa nifin' akobo. [2.415 #2509]
Madiodio foana toa nifin' akoho. [2.165 #1471, 2.558 #1823]
Dikanteny frantsayAussi net que les dents de la poule. [2.415 #2509]
Propre sans qu' on y fasse attention, comme le bec du poulet. [2.165]
Fanazavana frantsayCelui-ci n' en ira pas moins picoter partout. [2.165]
Se disait des pauvres gens qui n' avaient plus rien dans leur maison ; se disait aussi d'un endroit bien balayé et nettoyé. [2.415 #2509]

Ohabolana 12Mananatra ny zaza ary nify, ka ny lambany no ariany. [2.415 #778]
Mananatra ny zaza ary nify, ka ny lambany no ariany, na ny fo zaka no enti-mananatra. [2.165 #422]
Mananatra ny zaza ary nify: ny lambany no ariany. [2.653 #1506]
Dikanteny frantsayAdmonestez un enfant qui pousse ses dents : de dépit il jette son lamba. [2.415 #778]
Quand vous réprimandez un enfant qui a toutes ses dents, il jette son lamba (c. à. d. il se fâche), à moins que vous n' usiez de beaucoup de douceur. [2.165]
Fanazavana frantsayIl vaut mieux se taire ; ce proverbe se disait des inférieurs qu' on avait charge de réprimander et qu' on reprenait inutilement. [2.415 #778]

Ohabolana 13Maniry nifin' akoho tsy haniry. [1.1]
Mitady nifin' akoho tsy haniry. [1.1]
Fanazavana malagasyManiry zavatra tsy ho tonga na ho azo na oviana na oviana. [1.1]
Mitady zavatra tsy ho tanteraka na oviana na oviana. [1.1]

Ohabolana 14Mariry, toa nifin’ akoho. [2.415 #2525, 2.653 #1634]
Dikanteny frantsayNet comme les dents des poules. [2.415 #2525]
Fanazavana frantsayLà où il ne reste plus rien, par exemple après un vol, une confiscation, une nettoyage. [2.415 #2525]

Ohabolana 15Mariry toa nifin' akoho fa marary fitsaingoka. [2.558 #2137]

Ohabolana 16Mitsiky tsy ampihomehezina, hoatry ny lava nify. [2.415 #1664]
Mitsiky tsy ampihomehezina ohatra ny lava nify. [2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayMontrer les dents sans être excité à rire, comme celui qui a de longues dents. [2.415 #1664]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui avaient toujours l'air de rire à cause de leurs dents longues et apparentes. [2.415 #1664]

Ohabolana 17Na lava nify anoloana aza hianao, tsy mitsako alohan’ ny vazana. [2.653 #2007]
Na lava nify anoloana aza hianao, tsy mitsako alohan' ny vazana tsy akory. [2.415 #783]
Na maranitra nify anoloana aza aho tsy mitsako alohan' ny vazana! [2.558 #2729]
Dikanteny frantsayVous avez beau avoir de longues dents par-devant, elles ne mâcheront pas avant les molaires. [2.415 #783]
Fanazavana frantsayLes petits ne sauraient dépasser les grands, ni les jeunes prendre la parole avant ceux qui sont plus âgés. [2.415 #783]

Ohabolana 18Na midarona aza ny sandry, na manao laniala aza ny nify, ny tohiloha tsy azo enti-mitsinjaka. [2.415 #2448, 2.653 #2011]
Dikanteny frantsayLes bras ont beau s'agiter avec grâce et ampleur, les dents ont beau être nettoyées, on ne peut pas danser avec un lamba dont les bords extérieurs ont été cousus ensemble parce que le milieu était usé. [2.415]

Ohabolana 19Nify hanin' ny olitra ka ny alana ihany no mahatsara azy. [2.558]
Nify hanin' ny olitra : ny afaka ihany no mahasoa azy. [2.415 #2817]
Nify hanin' ny olitra : ny afaka ihany no mahasoa odiny. [2.415 #2817]
Nify hanin' ny olitra: ny afaka ihany no odiny. [1.1]
Nify lanin' ny olitra ka alana no mahatsara azy. [1.1]
Nify lanin’ ny olitra : ny afaka ihany no maha-soa azy. [2.653]
Nify lanin’ ny olitra : ny afaka ihany no odiny. [2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa raha misy zava-manahirana na manorisory, dia ny fakany no tokony hofongorina, fa tsy ho sitrantsitrana amin' ny fanasiam-panafody tsikelikely miverimberina fotsiny. [1.1]
Enti-milaza zava-manahirana izay aleo alana haingana na indray mandeha na taikelikely satria tsy maintsy hoesorina ihany ary mampijaly tsy ankijanona. [1.1]
Dikanteny frantsayDents cariées, mangées par les vers, elles ne sont bonnes qu' à être arrachées, c' est le seul remède. [2.415 #2817]
Fanazavana frantsayLes Malgaches attribuaient la carie des dents à un ver rongeur ; l' expression se disait de ce qui n'était bon qu' à être enlevé. [2.415 #2817]

Ohabolana 20Nifin’ antitra : niainga tsy nitoravana. [1.147 #N3]

Ohabolana 21Nify sy molotra : izay mihenjana ihany no mitsipika aloha. [2.415 #5666, 2.653, 1.1]
Nify sy molotra, ka izay mihenjana no mitsipika mialoha. [2.558 #2786]
Fanazavana malagasyMitovitovy amin' ny hoe: lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vasoka. [1.1]
Dikanteny frantsayLes hommes sont comme les dents et les lèvres : celles qui se tendent le plus sautent les premières. [2.415 #5666]
Fanazavana frantsayIl faut être accommodant. [2.415 #5666]

Ohabolana 22Ny lainga toy ny nify lanin' ny olitra, ka ny esorina no mahasoa ny tena. [2.415 #4944]
Ny lainga toy ny nify lanin' ny olitra, ka ny osorina no mahasoa ny tena. [2.165 #463]
Dikanteny frantsayLe mensonge est comme une dent malade, ce qu' il y a de mieux à faire, c' est de l' arracher. [2.165]
Le mensonge est comme une dent qui fait mal, le mieux c' est de l' arracher. [2.415 #4944]

Ohabolana 23Ny nifin’ ondry no tsara tokana, fa ny mandeha irery tsy valiana. [2.653]
Ny nifin’ ondry no tsara tokana, fa ny teny tsy tsara tokana. [2.653]
Ny nifin' ondry no tsara tokana fa tsy ny teny. [2.558 #3171]

Ohabolana 24Raha manala ny nifin’ ny sasany, tsy maninon-tsy maninona; raha mba halan’ olona nify, hilaza hoe: "Faravazako". [2.653 #2685]
Raha manala ny nifin' olona tsara ihany, ka nony alan' olo-nify, ka hilaza hoe : faravazako io! [2.558 #3614]

Ohabolana 25Taolana ny nify ka mihomehy. [1.1]
Fanazavana malagasyEntina milaza fa mety hisy toe-javatra tsy maintsy itsikiana, na dia amin' ny voina na fahoriana mahazo aza. [1.1]

Ohabolana 26Totozy batry nify sy voalavo tsindohaina, ka tafahoan-tsamy famantsiny. [2.558 #288]
Totozy batry nify sy voalavo tsindohaina : tafa-haon-tsamy gaginy. [2.653 #3161]
Totozy batry nify sy voalavo tsindohaina : tafahaon-tsamy gaiginy. [2.415 #2117]
Dikanteny frantsaySouris qui a de grosses dents et rat teigneux : deux imbéciles se rencontrent. [2.415 #2117]

Ohabolana 27Traky nify latsaka an-kady : tsy heverin-ko torana fa mbola mitsiky. [2.558 #4375]

Ohabolana 28Traky nify manao laniala : tsy haingo fa fanaon' ny olona ka dia manao koa. [2.558 #285]

Ohabolana 29Tsy keliray aho fa iva dia ; tsy banga aho fa makaka nify ; tsy sola aho fa mazava ray. [2.415 #1730, 2.653 #3357]
Tsy keliray aho fa iva dia, tsy banga fa makaka nify, tsy sola fa mazava ray, ka izay niteraka anay nitera-dehilahy. [2.558 #4502]
Dikanteny frantsayJe ne suis pas nain mais court sur pieds ; je ne suis pas édenté mais j' ai les dents espacées ; je ne suis pas chauve mais j' ai le front découvert. [2.415 #1730]
Fanazavana frantsayJe n' ai pas les défauts dont on m'accuse. [2.415 #1730]

Ohabolana 30Tsy mena-milahatra toa nify sosona. [2.558 #4578]
Tsy mety raha tsy mena-milahatra toa nify sosona. [2.165 #1121, 2.653 #3496]
Dikanteny frantsayIl n' est pas convenable de ne pas avoir honte d' occuper son rang comme une dent double. [2.165 #1121]

Ohabolana 31Tsy tsara nify anoloana aho ka hitsako alohan' ny vazana. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny tsy tokony hanaovan-javatra alohan' izay ambony na manam-pahefana noho ny tena. [1.1]

Ohabolana 32Voalavo manaiki-by, ka ny tsy laitra hanina no hanihaniny. [2.415 #2125]
Voalavo manaiki-by ka ny tsy laitran' ny nify no vazivazina. [1.1]
Voalavo manaiki--by ka ny tsy laitry ny nify no hanihanina. [1.3 #843]
Voalavo manaiki--by, ka ny tsy laitry ny nify no vazivazina. [2.415 #6333]
Voalavo nanaiki--by : ny tsy laitry ny nify avy no inanina. [2.558 #4977]
Voalavo nanaiki-by: ny tsy laitry ny nify avy no mba hanihanina. [2.653 #3695, 2.974]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo manandranandram-poana ka ny tsy azo atao no naikanaikana. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui tente l' impossible est comme le rat qui veut ronger le fer et s' attaque à plus fort que lui. [2.415 #6333]
Rat qui ronge du fer : pourquoi s’attaquer à plus fort que ses dents ? [2.974 #291]
Tenter l' impossible, c' est faire comme le rat qui mord du fer : il veut manger ce qui ne peut pas être mangé. [2.415 #2125]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui voulaient l'impossible. [2.415 #2125]

Fizahan-teny