Fizahan-teny

Ohabolana : sendra

Ohabolana 1Aza fatra-pitady ny manganana, fandrao sendra ny mangidy tsy telina. [2.415]
Aza fatra-pitady ny manganana, tohatra ny mangidy tsy ho telina. [2.415]
Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina. [1.1]
Fatra-pitady ny manganana, ka tohatry ny mangidy tsy ho telina. [2.653 #946, 2.974 #242]
Fatra-pitady ny manganana, ka tohatry ny mangidy tsy telina. [2.558 #1151]
Ny fatra-pitady manganana ho sehatry ny mangidy tsy ho telina. [2.558]
Fanazavana malagasyFatra-panihika ka nihatra amin' ny fotaka; nitady tombony ka natombiny; nitady sitrany ka nasitriny. [1.1]
Indraindray ny fikatsahana hahazo baba na tsaratsara kokoa dia vao mainka mety hampahita angano. [1.1]
Loza raha hitady ny mangidingidy ka nahita ny tena mangidy nampivivy, izany hoe loza raha hitady tombony, nefa fahavoazana indray no hita. [1.1]
Dikanteny frantsayNe cherchez pas trop les douceurs de la vie facile de peur de tomber sur une amertume insupportable. [2.415 #3891]
Rechercher avec trop d' avidité ce qui est doux, et trouver ce qui est amer et impossible à avaler.. [2.165]
Trop chercher l'exquis; et rencontrer la dernière amertume. [2.974 #242]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui cherchaient ce qui était le plus facile à la corvée et dans les travaux communs, et qui rencontraient tout le contraire. [2.415 #3891]

Ohabolana 2Aza lalim-panihika fandrao mihatra amin' ny fotaka. [2.558 #460]
Lalim-panihika ka sendra ny fotaka. [1.1 #526]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo ta hahazo trondro diso tafaohatra kanjo fotaka no azo; fananarana mba tsy hikendry fotsiny ny hahazo betsaka fa izay tsara sy mendrika, na kelikely aza. [1.1 #526]

Ohabolana 3Aza mihenahena mila holatra, sao sendra ny hola-baventy. [2.558 #782]
Aza minehaneha mila holatra, fandrao sendra ny hola-mahatsikaiky. [2.653 #629]
Mihenahena mila holatra, ka sendra ny hola-mena. [2.558 #2320]

Ohabolana 4Aza mikafara aman-kena, fandrao mba sendra ny sorok' omby iray ilavoamena. [2.415 #2283, 2.653 #621]
Aza mikafara amin-kena fandrao sendra ny fen' omby eranambatry. [2.558 #752]
Dikanteny frantsayNe murmurez pas contre le prix élevé de la viande, car il vous arrive peut-être bien quelquefois de rencontrer une épaule de boeuf pour deux sous. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui se plaignent toujours que c'est cher. [2.415 #2283]

Ohabolana 5Banga kendam-bomanga : sendra ny ahombiazana vao miolanolana. [2.558 #840]

Ohabolana 6Banga sendra voatavo: sendra ny antonona azy. [1.1]
Fanazavana malagasyFifandrifian-javatra roa araka ny nahariana azy (masa-bary maito kitoza); na olona tsy mahay sendra raharaha mora antonona azy. [1.1]

Ohabolana 7Banga sendra vomanga, ka mifanena amin' ny antonona azy. [2.165 #2059]
Banga sendra vomanga : sendra ny antonona azy. [2.653 #733]
Dikanteny frantsayQuand celui auquel il manque des dents trouve des patates, il trouve justement ce qui lui convient. [2.165]
Fanazavana frantsayParce que les patates sont tendres et faciles à manger. [2.165]

Ohabolana 8Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona. [2.165 #1672]
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay mihinana olona. [2.558 #1152]
Dikanteny frantsayDésirer beaucoup trouver un pays où il n' y ait pas de tombeaux (où l' on ne meure pas), et arriver dans un pays de cannibales. [2.165]

Ohabolana 9Fisa-molotra sendra kabary, ka tojo ny sahaza azy. [2.558 #1169]

Ohabolana 10Izay mandany foana ny volany dia ho sendra ny ora mampanenina. [2.415 #2372]
Dikanteny frantsayGens qui dépensent follement leur argent : un moment vient où ils s' en repentent. [2.415 #2372]

Ohabolana 11Jamba sendra tadio : tsy matahotra izay ho ditsoka. [2.558]

Ohabolana 12Kitoatoa vary amin’ anana: ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay dia mirehoka. [2.415 #2710, 2.653 #1272, 2.165]
Kitoatoa vary amin’ anana: ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay dia misioka. [2.653 #1272]
Kitoatoa vary amin' anana : ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay misiaka. [2.415 #2710]
Kitoatoa vary amin' anana : ao ny sendra hena, fa ny tojo sakay dia mirehoka. [2.558 #1655]
Dikanteny frantsayOn pique dans un plat de riz et de légumes: l' un attrapera peut-être de la viande, mais celui qui tombera sur du piment se mettra à cracher. [2.165]
Quand on mange à la fortune du pot, du riz avec des herbes, il y en a qui trouvent de la viande, mais ceux qui trouvent du piment sifflent de dépit. [2.415 #2710]
Fanazavana frantsayLa fortune ne favorise pas tout le monde. [2.415 #2710]

Ohabolana 13Manakororo-bary ka sendra rivotra. [2.415 #2204]
Dikanteny frantsayBon vent qui survient quand on vanne le riz. [2.415 #2204]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux que la chance favorise. [2.415 #2204]

Ohabolana 14Mandalo Ramaka, may ny tanàna. [2.415]
Nandalo Ramaka ka may ny tanàna! [2.558]
Sendra mandalo Ramaka, ka may ny tanàna. [2.165]
Dikanteny frantsayRamaka passe : le village brûle. [2.415 #4243]
Fanazavana frantsayRamaka, d' après le Père Malzac, était le nom d'un incendiaire fameux. [2.165]
Ramaka était un incendiaire fameux. Ce proverbe se disait des malfaiteurs célèbres, et aussi des gens soupçonnés d' avoir commis un crime, soit à cause de leur mauvaise réputation, soit parce qu' ils se trouvaient près de l' endroit du crime. [2.415 #4243]

Ohabolana 15Mandositra ny anjombona ka sendra ny angaroha. [2.415 #2617]
Dikanteny frantsayFuir la corne des chefs qui appelle à une corvée et tomber sur la trompe du souverain ou d' un autre chef qui appelle à une autre corvée plus pénible. [2.415 #2617]
Fanazavana frantsayCe proverbe qui fait allusion aux deux espèces de conques marines servant de trompe, est analogue au français : tomber de Charybde en Scylla. [2.415 #2617]

Ohabolana 16Mifankatia amin' amalona ka nony sendra tia nabolaliny. [2.558 #2302]
Mifankatia amin' amalona: ka nony sendra tia, nabolilany. [2.165 #193]
Mifankatia amin-amalona: nony sendra tia, nabolilany. [2.415 #5388, 2.653 #1756]
Dikanteny frantsayLier amitié avec une anguille : lorsqu' on s' éprend d' amour pour elle, elle vous glisse entre les doigts. [2.415 #5388]
Rechercher l' amitié d' une anguille: quand par hasard on l' aime, elle s' esquive. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait d' une liaison avec une personne égoïste. [2.415 #5388]

Ohabolana 17Mihazakazaka, ka sendra fiakarana. [2.165 #1248, 2.415 #6173]
Dikanteny frantsayCourir et rencontrer une montée. [2.415 #6173, 2.165]
Fanazavana frantsayOn est obligé de s'arrêter. [2.415 #6173]

Ohabolana 18Milefa voay sendra antsantsa. [1.147 #M129]

Ohabolana 19Mitono vomanga sendra vahiny, ka totofy lavenona tsy ho hitany. [2.558 #2482]
Mitono vomanga sendra vahiny : totofy lavenona tsy ho hitany. [2.415 #4051, 2.653 #1888]
Dikanteny frantsayGriller des patates au moment où les étrangers entrent : il faut les couvrir de cendres afin qu' ils ne les voient pas. [2.415 #4051]
Fanazavana frantsayIl n' y avait que les enfants à faire griller ainsi les patates. [2.415 #4051]

Ohabolana 20Mpijoko voajoko ka sendra ny valiny mifanentana (antonona azy). [2.558 #2617]

Ohabolana 21Nandositrany anjombona, ka sendra ny angaroa. [2.653 #2080, 2.974 #223]
Dikanteny frantsayFuir le bruit et rencontrer le vacarme. [2.974 #223]

Ohabolana 22Nandositra ny horakoraka, ka sendra ny akoralava. [2.415 #2730, 2.653 #2081]
Nandositra ny horakoraka ka tojo ny akoralava. [2.558 #2746]
Dikanteny frantsayOn a fui les clameurs et on en trouve de plus prolongées. [2.415 #2730]
Fanazavana frantsayFuir un malheur et tomber dans un autre plus grand. [2.415 #2730]

Ohabolana 23Nangetaheta aho, ka sendra rano ; nanakororo-bary, ka sendra rivotra ; naniry zaza, ka tera-dahy. [2.415 #931]
Naniry zaza ka tera-dahy. [2.558 #2750]
Dikanteny frantsayJ' avais soif et j' ai trouvé de l' eau ; je vannais le riz et il est survenu un bon vent ; je désirais un enfant et un garçon m' est né. [2.415 #931]
Fanazavana frantsayParoles dites par la reine Ranavalona I à la naissance de son fils Radama II ; ce proverbe se disait de ceux qui réussissaient en tout. [2.415 #931]

Ohabolana 24Nitady ny angano ka sendra ny arira. [2.558 #2790]

Ohabolana 25Nitady toko ka sendra vato, nitady biby ka tojo mamba. [2.558 #2791]

Ohabolana 26Notodian' Imainty namidy hianao, ka sendra an' Imena alain-tsy niteraka. [2.558 #2815]
Notodin’ Imainty namidy hianao, ka sendra any Imena alain-tsy niteraka. [2.653 #2118]
Notodin' Imainty namidy hianao, ka sendra an' Imena alain-tsy niteraka. [2.415 #2733]
Dikanteny frantsayLa vache noire que vous avez vendue se venge, aussi êtes-vous tombé sur une vache rouge qui par une évidente destinée est stérile. [2.415 #2733]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne gagnent pas au change. [2.415 #2733]

Ohabolana 27Omana atodim-borona tsy hita reny : mbola ho sendra raha sandrana. [1.147 #O24]

Ohabolana 28Rafotsibe mangorona tsihy vitrana, ka sendra izay niketronany. [2.558 #3511]
Rafotsibe nangoron-tsihy vitrana, ka sendra izay niketronany. [2.415 #1914, 2.165]
Dikanteny frantsayUne vieille femme enroulant une (grande) natte et tombant sur un pli. [2.165]
Vieille qui enroulait une natte, elle est tombée sous un pli. [2.415 #1914]
Fanazavana frantsayElle aura beaucoup de peine à l' enrouler comme il faut. [2.165]
L' âge la rend maladroite. [2.415 #1914]

Ohabolana 29Raha sendra afak' afo ve dia afolahy, nefa ny rahampitso tsy mbola azo antoka. [2.558 #3654]

Ohabolana 30Raha sendra mahafaty vintsy ialahy, tsy maintsy mamono azy lambamena. [2.415 #1533]
Dikanteny frantsayEnfant, s' il t' arrive d' ôter la vie à un martin-pêcheur, il faut envelopper son corps d' une étoffe de soie rouge, comme on le fait pour l' ensevelissement des hommes. [2.415 #1533]
Fanazavana frantsayLes parents disaient ce proverbe aux enfants, pour les détourner de faire du mal aux martins-pêcheurs. [2.415 #1533]

Ohabolana 31Sendra hianao, sendra ahy; tohatra hianao, tohatra ahy. [2.165 #882]
Dikanteny frantsayVous venez, vous me trouvez; vous arrivez, vous me rencontrez. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. vous avez de la chance de m' avoir. [2.165]

Ohabolana 32Sendra masaka, tokony hihinana; avy tsy asaina, nasesiky ny razana. [2.165 #65]
Dikanteny frantsaySi vous tombez sur un repas tout préparé, mangez; arriver sans être invité, c' est être envoyé par les ancêtres. [2.165]

Ohabolana 33Soa hoatry ny vary fotsy mby am-bilany hianareo, sahala amin' ny hazo be endriky ny saha, ka hoatry ny rakitra saro-bidy, toy ny lamba isampinako raha miramirana, sy isikinako raha sendra tezitra. [2.415 #309]
Dikanteny frantsayVous êtes aussi bons que le riz blanc qui est dans la marmite, vous êtes comme l' arbre majestueux ornement de la vallée, vous êtes aussi précieux qu' un trésor, vous êtes comme le lamba dont je pare mes épaules quand je suis content et dont je me ceins les reins quand je suis en colère. [2.415 #309]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à ses guerriers. [2.415 #309]

Ohabolana 34Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana: ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendra ny lohaliny. [2.165 #1740]
Tahaky ny tokon-kena ny fanambadiana : ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendra ny lohaliny. [2.415 #1236]
Tokon-kena ty fanambalia ka ao ty toje tsafoñe voho ao koa ty toje ty pokopokoñe. [1.68]
Tokon-kena ty valia : ao ty toje ty tsafoñe voho ao koa ty toje ty pokopokoñe. [1.68]
Dikanteny frantsayLe mariage est comme un partage de viande : l' un attrape un morceau de la bosse, et l' autre un morceau du genou. [2.415 #1236]
Le mariage est comme un partage de viande: l' un attrape un morceau de la bosse, un autre attrape un morceau du genou. [2.165]
Le mariage est comme un partage de viande, l'un attrape un morceau de la bosse, un autre un morceau du genou. [1.68]
Fanazavana frantsayLe premier morceau est bon, l' autre ne vaut rien. Ainsi en est-il de l'époux ou de l' épouse que l'on prend. On peut bien tomber, on peut mal tomber. [2.165]

Ohabolana 35Taloha nihinana, afara manontany : sendra vilany misy amako. [1.147 #T20]

Ohabolana 36Tsara raha mangetaheta ka mahita rano. [2.165]
Tsara raha mangetaheta ka sendra rano. [2.415 #5879, 2.558 #4410, 2.653 #3288, 2.974]
Dikanteny frantsayC' est une bonne chose quand on a soif, de rencontrer de l' eau. [2.415 #5879]
Il est agréable de trouver de l' eau quand on a soif. [2.165]
Il est doux, quand on a soif, de rencontrer de l eau. [2.974 #127]
Fanazavana frantsayDésir comblé. [2.415 #5879]

Ohabolana 37Tsy mahafoy lasiray hamidy takotra ka manta vary. [1.1]
Tsy mahafoy ny hamidy takotra, ka sendra ny manta mohaka. [2.558 #4510]
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary. [2.165 #607, 2.415 #2334]
Fanazavana malagasyTsy mahafoy zavatra kely toy inona, ka very soa lehibe nety ho azo tamin' io. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui ne veut pas dépenser de l' argent pour acheter un couvercle de marmite mange du riz mal cuit. [2.415 #2334]
Qui ne veut pas dépenser de l' argent pour acheter un couvercle de marmite, mange du riz mal cuit. [2.165]

Fizahan-teny