|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : namana

Ohabolana 1Akoholahy jamba : ampiadiana tsy miady, avela manaingoka ny namany. [2.558]
Akoholahy jamba : ampiadiana, tsy miady ; tonga ao an-trano, manaingoka ny namany. [2.415 #3448]
Akoholahy jamba : ampiadina, tsy miady ; tonga ao an-trano, manaingoka ny namany. [2.653 #60]
Dikanteny frantsayCoq aveugle : quand on le fait combattre, il ne veut pas et dès qu' on le met au milieu des siens, il les frappe à coups de bec et les maltraite. [2.415 #3448]
Fanazavana frantsaySe disait des gens difficiles. [2.415 #3448]

Ohabolana 2Akoho mikotri-borona : miongo-bolo amin' izay tsy ho namana. [2.558]
Akoho mikotrika atodim-borona : miongo-bolo amy ny tsy ho any ny tena. [2.653 #46]
Akoho mikotrika atodim-borona : miongo-bolo amin’ ny tsy ho an’ ny tena. [2.974 #300]
Akoho nikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin' ny tsy ho an' ny tena. [2.165 #1683]
Dikanteny frantsayPoule qui couve des œufs de cane : elle se déplume pour ce dont elle ne jouira pas. [2.974 #300]
Une poule ayant couvé des œufs de canard: elle s' est arraché les plumes pour ce qui n' est pas à elle. [2.165]

Ohabolana 3Anambadiana ho namana; iterahan-ko dimby. [2.653]
Anambadiana ho namana; iterahan-ko solofo. [2.653]
Anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby. [2.165 #1739, 2.415 #1171]
Anambadian-ko namana, iterahan-ko solofo. [2.415 #1171]
Anambadian-ko namana, ny iterahan-ko dimby. [2.558 #197]
Dikanteny frantsayC' est pour avoir un compagnon, un autre soi-même qu' on se marie ; c' est pour avoir des héritiers qu' on engendre. [2.415 #1171]
On se marie pour avoir une compagne (pu un compagnon), et on a des enfants pour avoir des successeurs. [2.165 #1739]
Fanazavana frantsayCes paroles se disaient à l'occasion d' un mariage; on les répétait toutes les fois qu' il s' agissait de mettre d' accord les époux. [2.415 #1171]

Ohabolana 4Andevo tsy mba namana. [2.415 #541]
Dikanteny frantsayLes esclaves et les hommes libres ne vont pas de pair. [2.415 #541]
Fanazavana frantsayOn ne se confie pas à un esclave. [2.415 #541]

Ohabolana 5Antanjo-meloka : naman’ ny anilany. [1.147 #A77]

Ohabolana 6Aombe mahia tsy lelafiñi ty namañe. [1.68]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany. [2.165 #1481, 1.1]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany, ary ny ory tsy havan' ny manana. [2.558 #3193]
Ny omby mahia tsy lelafin’ ny namany ; ny malahelo tsy mba havan’ ny manana. [2.974 #375, 2.653]
Omby mahia tsy lelafin' ny namany : ny malahelo tsy mba naman' ny manana. [2.415 #2551]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa andosiran' ny namany ny mahia, ny tsy manana, ny oriory, fa ifanotofana kosa ny manana, ny matavy. [1.1]
Ny mahantra, ny madinika tsy mba mana-namana; ny lehibe, ny mpanan-karena ihany no hodidinin-tsakaiza maro. [1.1]
Dikanteny frantsayLa vache maigre n’est pas léchée par ses congénères ; le malheureux n’a pas de parents. [2.974 #375]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres, les pauvres ne sont pas camarades des riches. [2.415]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres. [1.68]
Les bœufs maigres ne sont pas léchés par les autres. [2.165]
Fanazavana frantsayLes pauvres sont sans parents et sans amis. [2.415 #2551]

Ohabolana 7Aomby namany an-drano, ny be indraika nitovonana. [1.147 #A96]

Ohabolana 8Aza manao jonon' Ambohitrilonga, ka ny molotry ny namana no fintanina. [2.558 #529]
Aza manao jonon’ Ambohitrilonga : ny molotry ny namana no fintanina. [2.653 #470]

Ohabolana 9Aza manao rano manindao namana. [2.165 #294]
Nahoana no manao rano manindao namana ? [2.415 #3128, 2.653 #2050]
Nahoana no manindao namana ohatra ny rano ? [2.558]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme l' eau d' une rivière emportant sa pareille. [2.165 #294]
Pourquoi faites-vous comme la pluie qui emporte ses compagnes ? [2.415 #3128]
Fanazavana frantsayOn appelait ainsi la pluie qui arrive vers la fin de la saison sèche, parce quelle provoque une évaporation subite qui dessèche la terre et emporte toute humidité ; ce proverbe se disait des rapports avec les parents et amis. [2.415 #3128]

Ohabolana 10Aza manao toy ny tandindona: miaraka ihany, fa tsy azo ho namana. [2.165 #275]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme l' ombre: elle vous suit toujours, mais ce n' est pas un compagnon. [2.165 #275]

Ohabolana 11Aza manao volombodin' akoholahy, ka ny any aoriana indray no malaza. [2.558 #638]
Aza manao volom-bodin' akoholahy : ny mitoetra any am-bodiny indray no malaza. [2.415 #3241]
Aza manao volom-bodin’ akoholahy : ny mitoetra any am-bodiny indray no rnalaza. [2.653 #551]
Volom-bodin' akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian' ny namany. [2.165 #1475]
Volom-bodin' akoholahy : ny malaza no any aoriana. [2.558 #5022]
Volom-bodin’ akoholahy : ny malaza no aoriana. [2.415 #6055, 2.653 #3730]
Dikanteny frantsayLes plumes de la queue du coq: elles sont assez grandes (litt. fameuses), mais viennent derrière les autres. [2.165 #1475]
Ne faites pas comme les plumes de la queue du coq : c' est sur la partie postérieure que sont les plus belles. [2.415 #3241]
Plumes de la queue d' un coq : ce sont les plus brillantes qui sont derrière. [2.415 #6055]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui réservent tous leurs soins aux choses les moins importantes. [2.415 #3241]

Ohabolana 12Diaso ka diaso reniben’ angoly; diaso koa maloha naman’ ny malaina; alohaloha fandiny naman’ ny fandao. [1.147 #D1]

Ohabolana 13Havana tsy fantatra naman' ny tsy havana. [2.415 #1077]
Dikanteny frantsayDes parents qu' on ne connaît pas, c' est comme s' ils n' étaient pas parents. [2.415 #1077]

Ohabolana 14Izay voky maharaka ny namany. [2.558 #1528]

Ohabolana 15Lahiantitra mangata-bady, mivolambolana fa entanim-pitia, fa tsy azo ho namana nony tonga ny asa zama. [2.558 #1675]

Ohabolana 16Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra. [1.1]
Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra, tonga tsy mifampiarahaba naman' ny sosotra. [1.1]
Fanazavana malagasyAraka ny lalàn' ny fihavanana malagasy, ny fiarahabana sy ny fanaovambeloma dia tsy maintsy atao raha mbola tsy tapaka akory ny fihavanana. [1.1]

Ohabolana 17Mamono biby tsy mahafaty, ka ifoteran' ny namany. [2.165 #893]
Dikanteny frantsaySi vous frappez une bête sans la tuer, les autres se jetteront sur vous. [2.165 #893]

Ohabolana 18Mitaiza boka, ka manabe ny tsy azo ho namana. [2.165 #2024]
Mitaiza zaza boka ka manabe ny tsy azo ho namana. [2.558 #2440]
Dikanteny frantsayNourrir un (enfant) lépreux, c' est élever quelqu' un qui ne pourra pas être votre compagnon. [2.165]

Ohabolana 19Mitsentsitra ny ran' ny namany toy ny dinta manaikitra amalona. [2.415 #5393]
Dikanteny frantsaySucer le sang de ses compagnons, comme la sangsue qui suce une anguille. [2.415 #5393]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui font tort aux autres ou les exploitent. [2.415 #5393]

Ohabolana 20Mpitsitsy vary tsy manam-panoto, mba isan' ny be fahandro ihany. [2.558 #2630]
Mpitsitsy vary tsy manam-panoto mba naman' ny mahandro be ihany. [2.415 #2395, 2.653]
Dikanteny frantsayCelui qui est économe de riz mais n' a pas de pilon, ressemble à ceux qui en font cuire beaucoup. [2.415 #2395]
Fanazavana frantsayLe sens est que c'est une mauvaise économie. [2.415 #2395]

Ohabolana 21Namelona zaza boka : nanalehibe ny tsy azo ho namana. [2.558]
Nitaiza boka : nahalehibe ny tsy azo ho namana. [2.415 #2019, 2.653]
Nitaiza zaza boka : nanalehibe ny tsy azo ho namana. [2.558]
Dikanteny frantsayÉlever un lépreux : on fait grandir quelqu' un qu' on ne peut pas garder comme compagnon. [2.415 #2019]
Fanazavana frantsayTravail vain, dévouement inutile. [2.415 #2019]

Ohabolana 22Ny bibilava moa tsy mba biby mety ho namana. [2.415 #5713]
Dikanteny frantsayLe serpent n'est pas un animal avec lequel on puisse se familiariser. [2.415 #5713]
Fanazavana frantsayLes Malgaches avaient une horreur instinctive des serpents. pas d' une excuse il faut lui donner un enfant. Le songomby était un animal fabuleux qui ressemblait à un cheval ; il était très redouté. Ce proverbe se disait des gens cruels et exigeants. [2.415 #5713]

Ohabolana 23Ny fo rano mafana; ny tendrom-po tsy mba namana. [2.165 #402, 2.653 #2240]
Dikanteny frantsayLe cœur est (pareil à) de l' eau bouillante; nos premiers mouvements, (produits par la colère ou le dépit) ne sont pas les bons (litt. ne sont pas nos amis). [2.165]

Ohabolana 24Ny fo tezitra tsy mba ananan-tsakaiza ary ny tendrom-po tsy mba namana. [2.558 #195]

Ohabolana 25Ny kofehy no naman' ny fanjaitra. [2.415 #786]
Dikanteny frantsayLe fil va avec l' aiguille. [2.415 #786]
Fanazavana frantsayL' inférieur suit son chef ; ce proverbe se disait de tous ceux qui obéissent : femmes, enfants, subordonnés ; il faut que les petits s' entendent avec les grands pour que tout aille bien. [2.415 #786]

Ohabolana 26Ny mangotraka naman’ ny masaka; ny tsara antoka naman’ ny lasa. [2.653 #2327]
Ny mangotraka naman' ny masaka, ny tsara mpiantoka naman' ny vonona. [2.558 #3119]

Ohabolana 27Ny manjaka tsy mba namana ; raha diso aminy, maty ; ny lalana no namany. [2.415 #233]
Dikanteny frantsayLe souverain n' a pas son égal ; quiconque l' offense gravement, meurt ; il ne connaît d' égal que la loi. [2.415 #233]

Ohabolana 28Ny matory naman' ny maty; ny takona naman' ny jamba. [2.165]
Ny matory naman' ny maty, ny takona naman' ny jamba, ary ny jamba moa jamba rahateo. [2.558 #3131]
Ny matory, naman' ny maty ; ny takona, naman' ny jamba ; ny jamba, jamba rahateo. [2.415 #2159, 2.653 #2337]
Dikanteny frantsayCelui qui dort ressemble à un mort, celui qu' on empêche de voir ressemble à un aveugle, l' aveugle est déjà aveugle. [2.415 #2159]
Ceux qui dorment ressemblent aux morts; ceux qui sont cachés (c. à. d. absents) ressemblent aux aveugles. [2.165]
Fanazavana frantsayLes premiers n' entendent et ne voient rien; les seconds, étant absents, ne voient rien non plus de ce qui se passe. [2.165]
Manière de dire que le sommeil est l' image de la mort. [2.415 #2159]

Ohabolana 29Ny olo-malaza manao soa namana. [2.415 #667]
Dikanteny frantsayLes personnages illustres sont utiles à leurs amis. [2.415 #667]
Fanazavana frantsaySe disait de la protection des grands. [2.415 #667]

Ohabolana 30Ny ondry boka manakely vidy ny namany. [2.558 #3200]
Ny ondry boka manaratsy ny namany. [2.165 #2031]
Dikanteny frantsayUn mouton lépreux fait le déshonneur des autres. [2.165]

Ohabolana 31Ny tendrom-po tsy mba namana ary ny hatezerana sakaiza mpamitaka. [2.558 #3275]

Ohabolana 32Ny tsy hita naman' ny very, fa ny very dia very rahateo. [2.558]

Ohabolana 33Ny vava tapaka, fa tsy namana. [2.415 #4556, 2.653 #2470]
Dikanteny frantsayLa bouche est une partie de nous-même, mais ce n'est pas une compagne et amie. [2.415 #4556]
Fanazavana frantsayJeu de mots sur tapaka et namana, deux mots qui se disent des amis. La bouche est inséparable, mais à charge : il faut la nourrir. [2.415 #4556]

Ohabolana 34Ny voky tsy manan-tsisa isan’ ny noana; ny mody tsy manao veloma naman’ ny tezitra. [2.653 #2489]

Ohabolana 35Ombilahin' Imozy : ampiadian-tsy miady, avela manoto ny namany. [2.558 #3406]
Ombilahin’ Imozy: ampiadin-tsy miady; avela, manoto ny namany. [2.653 #2569]

Ohabolana 36Omby mahia very namana, olon' ory vitsy sakaiza. [2.558]

Ohabolana 37Sakalava manaiky tsy mba famono ; amboa mitsilany tsy hanin' ny namany. [2.653 #2831, 2.974 #20]
Dikanteny frantsayOn ne met pas à mort un Sakalava qui s'est soumis ; les chiens épargnent leur congénère renversé à terre. [2.974 #20]

Ohabolana 38Tahaka ny valalanamboa diso ny namany : omaly lasa, anio eto kosa. [2.165 #1024, 2.653 #2967, 2.558]
Dikanteny frantsayPareil à une "sauterelle de chien" séparée de ses compagnes: hier elle était partie, et aujourd' hui elle revient. [2.165]
Fanazavana frantsayLa sauterelle de chien est une grosse sauterelle tachetée. [2.165]

Ohabolana 39Tanana havanana mikapoka ny havia : mahavoa maharary, saingy ny namana ihany. [2.558]
Tanana havanana nikapoka ny havia : nahavoa maharary, fa ny namana ihany. [2.415 #1128, 2.653]
Dikanteny frantsayMain droite qui a frappé la gauche : elle a fait mal, mais c' est sa compagne. [2.415 #1128]
Fanazavana frantsaySe disait des différends entre parents. [2.415 #1128]

Ohabolana 40Tanora barabara saina, ka mandry an-defitry ny namany. [2.558 #4052]

Ohabolana 41Tsy mahasaraka fa tsy azo ho namana, tahaka ny tandindona. [2.558 #4518]
Tsy mahasaraka tsy azo ho namana, hoatry ny tandindona. [2.415 #5346]
Tsy mahasaraka tsy azo ho namana, ohatra ny tandindona. [2.653, 2.974]
Dikanteny frantsayComme l’ombre : elle ne vous quitte pas et cependant ce n’est pas une compagnie. [2.974 #23]
Inséparable, mais sur l' amitié de qui on ne peut pas compter, comme l' ombre. [2.415 #5346]
Fanazavana frantsaySe disait beaucoup des femmes qui ne s' entendaient pas avec leurs maris, et cependant ne voulaient pas les quitter. [2.415 #5346]

Ohabolana 42Tsy mety raha manao fosalahy hitsetsitra ny namany matory aloha. [2.558 #4616]

Ohabolana 43Vazaha diso namana. [2.415 #1747]
Dikanteny frantsayLe Malgache qui a la peau blanche est un Blanc qui se trompe de compagnons. [2.415 #1747]
Fanazavana frantsayOn donnait ce nom aux Malgaches qui avaient la peau blanche. [2.415 #1747]

Fizahan-teny