|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : tantely

Ohabolana 1Anarin-tsy zaka, ka voa vao manao hoe: Nankaiza ny tanteliko teto ? [2.974 #213, 2.653]
Dikanteny frantsayS’entêter malgré les remontrances et se plaindre ensuite : Où donc a disparu le miel que j’avais ici ? [2.974 #213]

Ohabolana 2Aza dia atao fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely : ny tompony indray no milela-tanana. [2.653 #376]
Aza dia fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana. [2.165 #654]
Aza dia fatra-pandefitra, toy ny mpivaro-tantely : ny tompony indray no milela-tanana. [2.558]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas être trop dur à soi-même comme les marchands de miel qui, eux-mêmes, se contentent de se lécher les mains. [2.165]
Fanazavana frantsayAprès avoir servi le client, ils pourraient en manger à la cuiller. [2.165]

Ohabolana 3Aza manao mpivaro-tantely hianao : ny anao ihany no ilelafanao tanana. [2.415 #3835]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le marchand de miel, ne faisant que vous lécher les doigts avec ce qui vous appartient. [2.415 #3835]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne profitent pas de leurs biens. [2.415 #3835]

Ohabolana 4Boka mivaro-tantely : ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenany mivarotra no mahaloiloy. [2.415 #1976, 2.653]
Boka mivaro-tantely: ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenan' ny mpivarotra no mampahaloiloy. [2.165 #2025]
Boka mivaro-tantely : ny zavatra amidy mba soa ihany fa ny tenan' izy mpivarotra no mankaloiloy. [2.558]
Tantely an-tànam-boka, ka na soa aza afa-boninahitra (mankaloiloy). [2.558 #4077]
Dikanteny frantsayLépreux qui vend du miel : ce qu' il vend est doux, mais le marchand donne la nausée. [2.415 #1976]
Un lépreux vendant du miel: ce qu' il vend est bien doux, mais c' est le vendeur qui vous dégoûte. [2.165]
Fanazavana frantsayLe don n' est pas tout, il y a manière de donner. [2.415 #1976]

Ohabolana 5Fanambakana hita maso, ohatra ilay manandrana tantely. [2.653]
Fanambakana hita maso toy ilay nanandrana tantely. [2.558 #1085]

Ohabolana 6Haja omena ny tantely no anaovana azy sorona, fa ny mamy toa azy maro ihany. [2.558 #85]
Haja omena ny tantely no anaovana azy sorona, fa ny mamy toa azy mba misy ihany. [2.165 #851]
Dikanteny frantsayC' est par considération envers le miel qu' on l' emploie dans les sacrifices, mais il y a d' autres choses qui sont tout aussi douces. [2.165]

Ohabolana 7Hiady, ka hifamahan-tantely. [2.165 #347, 2.558 #1317, 2.653 #1056]
Dikanteny frantsayVous allez vous battre, et vous vous donnez du miel à manger l' un à l' autre? Quelle perfidie! [2.165]

Ohabolana 8Hilela-maina aza hataony ka mainka fa molotra misy tantely. [2.558 #1339]
Hilela-maina aza hataony, koa indrindra fa molo-boasira. [2.653]
Hilela-maina aza hataony, koa indrindra fa molotra misy tantely. [2.653]
Hilela-maina aza hataony, koa indrindra fa raha molotra misy tantely. [2.165 #895]
Dikanteny frantsayComme il se lécherait les lèvres toutes sèches, il se les léchera bien plus encore s' il y a du miel. [2.165]

Ohabolana 9Hoatry ny tantely an-tanam-boka. [2.415 #2000]
Dikanteny frantsayComme le miel dans la main d'un lépreux. [2.415 #2000]
Fanazavana frantsaySe disait des choses qui jurent ensemble. [2.415 #2000]

Ohabolana 10Izaho misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entiko mamy avokoa. [2.653 #1160]
Izaho misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entiko tsy misy mangidy. [2.558]
Misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entina mamy avokoa. [2.974 #125]
Dikanteny frantsayPorter sous le bras des tiges de canne à sucre, sur le dos des bananes, sur la tête du miel : douceur sur douceur. [2.974 #125]

Ohabolana 11Kamboty saro-belomina : itondrana tantely, tambaviana, itondran-kena mivozihi-kibo, omen-tsira, bongo maso, ka tsy hita izay hanaovana azy. [2.558]
Kamboty saro-belomina : itondran-tantely, tambaviana ; itondran-kena, mivozihi-kibo ; omen-tsira, mandoandoa ; ka tsy hita izay hanaovana azy. [2.415 #1030, 2.653 #1229]
Kamboty saro-belomina: omen-tsira, bongo maso; omen-tantely, marary kibo. [2.165]
Kamboty saro-belomina : omen-tsira, mandoandoa, omen-tantely marary kibo. [2.558 #109]
Dikanteny frantsayOrphelin difficile pour la nourriture : on lui porte du miel, il est malade ; on lui donne de la viande, son ventre se gonfle ; on lui donne du sel, il vomit : on ne voit pas comment le traiter. [2.415 #1030]
Un orphelin difficile à élever: on lui donne du sel, il a mal aux yeux; on lui donne du miel, il a mal au ventre. [2.165]
Fanazavana frantsayLes orphelins étaient embarrassants, parce qu'il fallait prendre soin d'eux et remplacer les parents ; se disait aussi de ceux qui n' étaient jamais contents ou repoussaient les offres qu' on leur faisait. [2.415 #1030]

Ohabolana 12Mahamaro vitsika tahaka ny tantely mihanaka. [2.558 #1848]

Ohabolana 13Mahamonamonaina, ohatra ny tantely vidin' amboa. [2.653]
Mahamonamonaina ohatra ny tantely vidin' anoka. [2.558]
Mahamonamonaina tahaky ny tantely vidin' amboa. [2.415 #4512]
Dikanteny frantsayQui donne des nausées comme le miel acheté avec le prix d' un chien. [2.415 #4512]
Fanazavana frantsayLes Tanala, habitants des forêts, aimaient les chiens et échangeaient leur miel contre des chiens. Proverbe de mépris pour les chiens ; le sens était que pour le prix d'un chien, on n' avait qu'un mauvais miel donnant des nausées. [2.415 #4512]

Ohabolana 14Maniry mamy an-trano, tahaky ny vady aman-janaky ny mpivaro-tantely. [2.415 #1208]
Dikanteny frantsayDésirer les douceurs et les gâteries dans le ménage, comme la femme et les enfants du marchand de miel qui désirent le miel et ne peuvent pas y toucher. [2.415 #1208]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas trop demander dans le mariage. [2.415 #1208]

Ohabolana 15Mibaby akondro, miloloha tantely, ka mamy roa mifanontona. [2.415 #5961, 2.653 #1738]
Mibaby akondro, miloloha tantely, mitehim-pary : intelo miantoana ny mamy. [2.558 #2273]
Dikanteny frantsayPorter sur le dos un régime de bananes, et sur la tête du miel. Deux choses bien douces se rapprochent. [2.415 #5961]
Fanazavana frantsaySe disait de deux bonheurs, deux amis, deux bons caractères. [2.415 #5961]

Ohabolana 16Mpivaro-tantely mividy sakay : mivarotra ny mamy ho an' ny olona, fa mividy mangidy ho an' ny tena. [2.415 #5999]
Mpivaro-tantely mividy sakay: mivarotra ny mamy ho an’ olona, fa mividy mangidy ho any ny tena. [2.653 #1999]
Mpivaro-tantely mividy sakay, mivarotra ny mamy ho an' olona fa mividy mangidy ho an' ny tena. [2.974, 2.558]
Dikanteny frantsayComme le vendeur de miel qui achète du piment : il vend aux autres le doux, et prend pour lui ce qui pique. [2.974 #270]
Marchand de miel qui achète du piment : il vend aux autres la douceur et prend pour lui l' amertume. [2.415 #5999]
Fanazavana frantsaySe disait des gens se dépensant au service des autres. [2.415 #5999]

Ohabolana 17Mpivaro-tantely : nilela-tanana, mpandrafitra : nindran-tseza, ka voatondro molotra akaiky. [2.558]

Ohabolana 18Natsangako kiady, nazerany, nalahatro vato, nakorontany, koa veloma ry tantely lava, masina ry tantely fohy, fa lany haika izaho havanareo. [2.558 #2771]
Natsangako kiady, nazerany ; nalahatro vato, nakorontany; veloma, ry tantely lava; masina, ry tantely fohy, fa lany haika aho. [2.653 #2097]

Ohabolana 19Omen-tantely, mivozihi-kibo ; omen-tsira, bongo maso. [2.415 #1466, 2.653 #2573]
Omen-tantely, mivozihi-kibo, omen-tsira mandoandoa, toy ny zaza somony. [2.558 #3446]
Dikanteny frantsayDonnez-leur du miel, ils disent que cela gonfle le ventre ; donnez-leur du sel, ils disent que cela gonfle les yeux. [2.415 #1466]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des gens qui ne sont jamais contents, et surtout des beaux-parents qu' on ne parvient pas à satisfaire. [2.415 #1466]

Ohabolana 20Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika. [2.165 #478]
Raha jerena, toa tantely fiandry andriana, fa nony dinihina, dia hay fanambonim-bary fiandry alika. [2.558]
Dikanteny frantsayA le voir, on l' aurait pris pour un sage, pour du miel digne d' un roi; mais, à l' examen, c' était le dessus du riz, bon pour un chien. [2.165]
Fanazavana frantsayLa partie supérieure du riz cuit dans la marmite et souvent couverte de suie et sent la fumée, et on la donne aux chiens. [2.165]

Ohabolana 21Solafaka aman-tsira, lavo amin-tantely : ny mamy roa ho anao daholo ? [2.653 #2928]
Solafaka amin-tsira, lavo amin' ny tantely : ny mamy roa ho anao daholo. [2.558 #3927]
Solafaka amin-tsira, lavo amin-tantely: ka ny mamy roa ho anao daholo. [2.165 #1056]
Dikanteny frantsayGlisser sur du sel, tomber sur du miel: vous attrapez deux choses savoureuses pour vous tout seul. [2.165]
Fanazavana frantsayLe sel, autrefois était un article très apprécié et cher; ce proverbe revient à dire: Vous en avez de la chance! [2.165]

Ohabolana 22Tanala mivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana. [2.415 #3875]
Dikanteny frantsayHabitant de la forêt qui vend son miel : il ne peut que se lécher les doigts de ce qui est son bien. [2.415 #3875]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne veulent pas dépenser, et qui ainsi ne profitent pas de leurs biens. [2.415 #3875]

Ohabolana 23Tantele afa-dimboke ka ilirañi ty adala. [1.68]
Tantele afa-dimboke ka ilirañi ty adala iaby. [1.68]
Dikanteny frantsayUne fois le pot de miel ouvert, tous les fous s'y précipitent. [1.68]

Ohabolana 24Tantele vaky enta : ze tea, mitselake. [1.68]
Tantely vaky, ka soamadodoka hilelaka, na ny tompony na ny tsy tompony. [2.558 #4103]
Tantely vaky : na ny tompony, na ny tsy tompony, samy milelaka ihany. [2.415 #3304, 2.653]
Tantely vaky, na tompony, na tsy tompony, dia samy milelaka ihany. [2.165 #750]
Tantely vaky nianjera : samy milelaka ihany. [2.415 #3304]
Tintely vaky an-kay : samy milelatra. [1.147 #T75]
Dikanteny frantsayMiel renversé : chacun, qu' il en soit le maître ou non, le lèche. [2.415 #3304]
Miel sorti de la calebasse : celui qui aime, lèche. [1.68]
Quand du miel a été répandu, tout le monde le lèche, soit ceux auxquels il appartient, soit d' autres. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des choses qui tombent dans le domaine public. [2.415 #3304]

Ohabolana 25Tantely afa-drakotra, ka anjakan' ny adala. [2.415 #684]
Tantely afa-drakotra ka anjakan' ny adala rehetra. [2.165 #1738, 2.653 #3027]
Tantely afa-drakotra ka anjakan' ny bodo sy adala. [2.558 #4075, 1.1]
Tantely vaky sarona, ka anjakan' ny lalitra. [2.558 #4104]
Fanazavana malagasyIlazana zava-tsoa tsy misy mpiaro ka tonga baranahiny: samy mivantana ao daholo ny olon-drehetra. [1.1]
Dikanteny frantsayMiel sans couvercle : il est la proie de tout le monde, des enfants et des mouches. [2.415 #684]
Une fois qu' un pot de miel est découvert, tous les fous (c.à.d. les mouches) s' y précipitent. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des royaumes, sociétés et familles mal administrées ; se disait aussi des biens abandonnés au gaspillage ; ou encore de ceux qui ne savaient pas remplir leurs charges ou faire leurs affaires. Andriamamilaza dit ce proverbe d' un des fils d' Andriambelomasina pour signifier qu'il était indigne de succéder à son père car sous son gouvernement le pays serait comme du miel dans une boîte ouverte. [2.415]
Se dit en parlant des choses de valeur qui, dès quelles ne sont plus bien gardées, sont exposées à être endommagées on perdues. [2.165]

Ohabolana 26Tantely am-borodamba ka tsy fantatry ny olona ho mamy. [2.558 #4076]
Tantely am-borodamba: tsy fantatr’ olon-ko-mamy. [2.653 #3028]

Ohabolana 27Tantely nololohavim-boka, ka mahatofoka ambony ihany. [2.558 #4100]

Ohabolana 28Tantely notsabahim-boka ka tsy tia mbamin' ny adala. [2.415 #2024]
Dikanteny frantsayMiel dans lequel un lépreux a mis la main : les petits enfants eux-mêmes n' en veulent pas. [2.415 #2024]

Ohabolana 29Tantely sy siramamy : na dia samy mamy aza, misy samihafa anarana ihany. [2.974 #72, 2.653]
Tantely sy siramamy : na dia samy mamy aza, tsy itovizana kosa ny anarana. [2.558 #4101]
Dikanteny frantsayMiel et sucre : même douceur et noms différents. [2.974 #72]

Ohabolana 30Tantely tapa-bata ka ny fo no mameno azy. [1.1]
Tantely tapa-bata, ka ny vava no mameno. [2.415 #4821]
Tantely tapa-bata, ka ny vava no mameno azy. [2.558 #4102, 2.165]
Tantely tapa-bata: ny vava no enti-mameno azy. [2.653 #3034, 2.974 #73]
Tintely tapa-bata : vava mameno. [1.147 #T70]
Fanazavana malagasyEnti-miala tsiny raha kely tsy arakaraka ny fitiavana ny fanomezana atao. [1.1]
Dikanteny frantsayBoîte à moitié remplie de miel : c’est à la bouche à la rendre pleine. [2.974 #73]
Du miel ne remplissant que la moitié d' une boîte, des belles paroles remplissent le reste. [2.165]
Une demi-mesure de miel : la bouche supplée à ce qui manque. [2.415 #4821]
Fanazavana frantsayC. à. d. que quand on n' a pas fait tout ce qu' on aurait dû, on s' en tire par des paroles, des excuses ou des promesses. [2.165]
La manière de donner supplée à ce qui manque au cadeau. [2.415 #4821]

Ohabolana 31Tantely voka-bomanga. [2.415 #2247]
Dikanteny frantsayMiel et patates vont ensemble. [2.415 #2247]
Fanazavana frantsaySe disait de deux choses qui s'accompagnent bien. [2.415 #2247]

Ohabolana 32Tintely ambody mana : mahita olona fa tsy hitan’ olona. [1.147 #T73]

Ohabolana 33Tintely am-borovoka : varangarany aby. [1.147 #T71]

Ohabolana 34Tintely am-pahitr’ akoho : ny tranony ratsy fa ny haminy tsisy hafa. [1.147 #T76]

Ohabolana 35Tintely maro tompo : maro mamiafia. [1.147 #T69]

Ohabolana 36Tintely maty vony, fary maty vololona. [1.147 #T74]

Ohabolana 37Tintely sabadiana : tsy mahazo an’ ala, omana ny an-tanàna. [1.147 #T72]

Ohabolana 38Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra. [2.165 #775]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely : ampoky ny mamy, ampoky ny soa. [2.558 #4872]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely ka tian-ko lalina indrindra. [1.1]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely : tian-ko lalin ko fy indrindra. [2.974 #129, 2.653]
Vary niliña tantele. [1.68]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra tiana ho amin' izay hahatsara azy indrindra. [1.1]
Enti-milaza zava-tsoa mitontohitra ka tiana sy ankasitrahana fatratra. [1.1]
Dikanteny frantsayDu riz au lait qu'on arrose de miel. [1.68]
Pareil à du riz au lait arrosé de miel, on aime qu' il soit aussi profond que possible. [2.165]
Riz au lait aspergé de miel : le summum de l’exquis. [2.974]
Fanazavana frantsaySouligne la perfection. [1.68]

Ohabolana 39Tsy antenaina tsy andraina, toy ny tantely am-body vintanina. [2.165]
Tsy antenain-tsy andraina, ohatra ny tantely am-body vintanina. [2.558]
Tsy antenain-tsy andraina, toy ny tantely am-body vintanina. [2.165 #952, 2.653 #3337]
Dikanteny frantsayNi espéré ni attendu, comme du miel qu' on trouve au pied d' un "vintanina" (arbre). [2.165]
Ni espéré ni attendu, comme d' un miel trouvé au pied d' un arbre. [2.165]
Qui n' est ni espéré ni regardé, comme le miel qui se trouve dans le tronc du gros arbre vintanina. [2.415 #5830]
Fanazavana frantsaySe disait des choses auxquelles il fallait renoncer. On ne peut pas couper le tronc d' arbre pour arriver au trou où le miel se trouve. [2.415 #5830]

Ohabolana 40Tsy ny hosoran-tsakay no ho mangidy ; tsy ny hosoran-tantely no ho mamy ; fa ny atao no mahasoa sy maharatsy. [2.415 #4844]
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy. [2.653 #3565, 2.165]
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy, tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahamamy sy mampangidy hoditra. [2.558 #4771]
Dikanteny frantsayCe n' est pas d' être frotté avec du piment qui vous fait sentir mauvais, et ce n' est pas d' être enduit de miel qui vous fait sentir bon, mais c' est ce qu' on fait qui rend bon ou mauvais. [2.165]
Ce n' est pas un enduit de piment qui rendra amer, ni un enduit de miel qui rendra doux, mais ce sont les actions qui sont une source de bien et de mal. [2.415 #4844]
Fanazavana frantsaySentir mauvais (litt. amer), se dit de ceux qui sont détestés, tandis que sentir bon (litt. doux) se dit de quelqu' un qui est aimé et populaire. [2.165]

Ohabolana 41Voninahitra omena ny akondro, fa ny vomanga mba mamy ihany. [2.653]
Voninahitra omena ny akondro, fa ny vomanga mba mamy ihany koa. [2.558 #326]
Voninahitra omena ny tantely, fa ny vomanga mba mamy ihany. [2.165 #850]
Dikanteny frantsayOn honore le miel, mais la patate est douce aussi. [2.165 #850]

Fizahan-teny