Fizahan-teny

Ohabolana : fantatra

Ohabolana 1Aleo fahavalo fantatra, toy izay sakaiza manody. [2.558 #111]
Aleo ny fahavalo miharihary toy izay ny sakaiza manody. [2.415 #5323]
Dikanteny frantsayMieux vaut un franc ennemi qu' un ami perfide. [2.415 #5323]

Ohabolana 2Arahabao ny mpandalo, fa tsy fantatra izay ho fara rafozana. [2.415 #2687]
Dikanteny frantsaySaluez ceux que vous rencontrez sur votre chemin, car vous ne savez pas en définitive qui sera un jour votre beau-père ou votre belle-mère. [2.415 #2687]
Fanazavana frantsaySe disait des vicissitudes de la vie et de l' inconstance de la fortune. [2.415 #2689]

Ohabolana 3Aza atositosika ny ondry botry, fa tsy fantatra izay hanao kambana. [2.558 #433, 1.1]
Aza atositosika ny ondry botry, fa tsy hita izay ho fara harena. [2.415 #2689]
Fanazavana malagasyAoka tsy hanao tsinontsinona ny kely sy ny madinika fa mety ho izy ireny aza no hahitan-tsoa. [1.1]
Aoka tsy hatao tsinontsinona ny olona na zavatra heverina ho kely na madinika, fa mety ho ireny no hahitan-tsoa. [1.1]
Entimilaza fa tsy tokony hatao tsinontsinona ireo jerena toa kelikely na mavomavo fa mety ho izy ireny no hahavita zavatra. [1.1]
Dikanteny frantsayNe repoussez pas les brebis chétives, car vous ne savez pas en définitive quel sera votre dernier bien et ce que vous aurez pour dernière ressource. [2.415 #2689]
Fanazavana frantsaySe disait des vicissitudes de la vie et de l'inconstance de la fortune. [2.415 #2689]

Ohabolana 4Aza manjehy andro lava, fa ny anio aza tsy fantatra. [2.558 #688]
Aza manjehy ny andro ho lava. [2.653 #577, 2.974 #465]
Dikanteny frantsayNe comptez pas sur la longueur de votre vie. [2.974 #465]

Ohabolana 5Aza mitompo teny fantatra, toa antsy kely be zarana. [2.165 #845]
Mitompo teny fantatra tahaka ny antsikely be zarana. [2.558 #2471]
Mitompo teny fantatra toa antsikely be zarana. [2.415 #6368]
Mitompo-teny fantatra, toy ny antsikely be zarana. [2.653 #1880]
Dikanteny frantsayEntêté comme un petit couteau bien emmanché. [2.415 #6368]
Ne vous obstinez pas dans votre opinion comme un petit couteau à grand manche. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens de peu de portée, mais de beaucoup de paroles et obstinés. [2.415 #6368]

Ohabolana 6Be ny goaika fa tsy fantatra izay lahy sy vavy, fa izay homana ny voanjo no tonafana mafy. [2.558 #879]
Be ny goaika, fa tsy fantatra izay lahy sy vavy, fa samy fotsy tenda avokoa izy rehetra ; nefa izay homana ny voanjo ihany no hotonafako mafy. [2.653]

Ohabolana 7Eson-drafy ka mody tsy lazaiko, nefa fantatro ihany. [2.558 #1044]

Ohabolana 8Fantatro fa tohon-javatra, fa iniako jonoin-kankarary. [2.165 #56, 2.415 #6280]
Dikanteny frantsayJe sais que c' est le poisson toho d' un esprit, mais je le pêcherai au risque de tomber malade. [2.415 #6280]
Je sais que c' est le "toho" (poisson) d' un esprit, et pourtant je le pêcherai, quoique cela puisse me faire mal. [2.165 #56]
Fanazavana frantsayAllusion à une croyance superstitieuse. Sens : s'exposer au danger. [2.415 #6280]

Ohabolana 9Fantatro ihany ny mason' ny mpilefa, fa ny andro handehanany no tsy fantatro. [2.415 #550, 2.653]
Dikanteny frantsayJe reconnais parfaitement les regards de celui qui veut s' enfuir, mais ce que j' ignore, c' est le jour de sa fuite. [2.415 #550]
Fanazavana frantsayParoles du maître. [2.415 #550]

Ohabolana 10Ganagana misasa loha ka samy manao ny saim-pantany. [2.558 #1224]
Vorombazaha misasa, ka samia manao izay saim-pantany. [2.165]
Vorombazaha misasa ka samy manao izay saim-pantany. [2.415 #869]
Dikanteny frantsayCanards dans l' eau : chacun fait comme il lui vient en tête. [2.415 #869]
Des canards qui se lavent: laissez-les faire comme ils veulent. [2.165]
Fanazavana frantsayEt faites de même. [2.165]
Il faut faire ce que l'on sait. [2.415 #869]

Ohabolana 11Gila maso mangarika : vita mialoha fa tsy fantatra. [2.558 #1225]

Ohabolana 12Hajao ny olona rehetra fa tsy fantatra izay horafozanina. [2.415 #1445]
Dikanteny frantsayHonorez tout le monde, car vous ne savez pas qui vous prendrez comme beaux-parents. [2.415 #1445]
Fanazavana frantsayLe sens général est qu'il faut ménager tout le monde, car on ne sait pas de qui on aura besoin. [2.415 #1445]

Ohabolana 13Havana tsy fantatra naman' ny tsy havana. [2.415 #1077]
Dikanteny frantsayDes parents qu' on ne connaît pas, c' est comme s' ils n' étaient pas parents. [2.415 #1077]

Ohabolana 14Inona no mba fantatra, mangina. [2.415 #1281]
Dikanteny frantsayQue sais-tu ? tais-toi. [2.415 #1281]
Fanazavana frantsayParoles du mari qui ne veut pas entendre les conseils de sa femme. [2.415 #1281]

Ohabolana 15Izaho tsy mahalala sorona, fa sorona afo no fantatro. [2.165 #84]
Izaho tsy mahalala sorona fa sorona afo no haiko. [2.558 #103]
Izaho tsy mahalala sorona, fa soron' afo no fantatro. [2.415 #6450, 2.653 #1167]
Dikanteny frantsayJe ne sais pas ce que c' est que la réserve et la discrétion, car je ne sais qu' attiser le feu. [2.415 #6450]
Je ne sais pas ce que c' est qu' un sacrifice, ce que je sais c' est d' attiser le feu. [2.165]
Fanazavana frantsayJeu de mots, le mot pour sacrifice étant le même que celui signifiant action d' attiser. [2.165]
Jeu de mots sur le mot sorona qui signifie à la fois : discrétion et entretien du feu. Le sens est : je suis simple, je n' exagère pas. [2.415 #6450]

Ohabolana 16Kely fantatr' olona toa kary. [2.165 #1346, 2.415 #1636, 2.558 #1612, 2.653 #1239]
Dikanteny frantsayPetit mais bien connu, tel un chat sauvage (ou voleur, au figuré). [2.165]
Petit, mais connu partout comme le chat sauvage. [2.415 #1636]
Fanazavana frantsayC'était le surnom du chat sauvage célèbre et redouté pour ses déprédations ; on l'appliquait aux jeunes gens de mauvaise réputation. [2.415 #1636]

Ohabolana 17Ketsa mitototra ampombo, ka tsy fantatra ho vaky vazana. [2.415 #4919, 2.653 #1258]
Ketsa mitototra ampombo, ka tsy fantatra izay vaky vazana. [2.558 #1631]
Dikanteny frantsaySemence de riz recouverte de son : on ne peut pas reconnaître si l' enveloppe du grain semé éclate. [2.415 #4919]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui cachent leur jeu. [2.415 #4919]

Ohabolana 18Mavo lamba mividy hena: anaovan’ ny olona sarotra, fa ataony ho liana. [2.653 #1693]
Mavo lamba mividy hena : anaovan' ny olona sarotra (lafo) fa ataony ho liana. [2.558 #2216]
Mavo lamba mividy hena, ka tsy fantatry ny olon-ko liana. [2.165 #1480, 2.415 #2528]
Dikanteny frantsayIndividu mal habillé qui veut acheter de la viande : on ne s' aperçoit pas de son désir,. [2.415 #2528]
Un homme misérablement habillé qui cherche acheter de la viande: les gens ne s' aperçoivent pas de son désir. [2.165]
Fanazavana frantsayIl est tellement mal mis qu' on ne pense pas qu' il ait de quoi acheter. [2.165]

Ohabolana 19Mba harabao ihany izay hita, fa tsy fantatra izay fara-rafozana. [2.165 #1850]
Dikanteny frantsayVous ferez bien de saluer (tous) ceux que vous rencontrez, car vous ne savez pas qui seront vos derniers beaux-parents. [2.165 #1850]

Ohabolana 20Mody tsy taitra nefa ny mason' ny mpilefa mba fantatra ihany. [2.558 #2553]

Ohabolana 21Ny aina toy ny tavim-bilany, ka tsy fantatra izay hahavakiany, na ho antoandro na ho alina. [2.165 #2092, 2.415 #2769]
Tavim-bilany ny aina ka tsy fantatra izay hahavakisany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa malia aoka izany ny aina ka tsy hitahita akory ny hahapotehany. [1.1]
Dikanteny frantsayLa vie est comme un têt de marmite : on ignore quand elle se brisera, le jour ou la nuit. [2.415 #2769]
La vie est comme un têt de marmite: on ne sait quand elle se brisera, pendant le jour ou pendant la nuit. [2.165 #2092]

Ohabolana 22Ny antitra hazo amoron-tevana, ny tanora tany mandondona, ka tsy hita izay ho lasa aloha. [2.415 #2892]
Ny antitra hazo amoron-tevana, ny tanora vato mandondona ka tsy fantatra izay ho lasa aloha. [1.1]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana. [2.558 #3262, 2.653 #2428, 2.974 #163, 1.1]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha. [2.165 #1931]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana : tsy fantatra izay hianjera aloha. [2.415 #2910]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa na ny tanora na ny antitra dia samy mety hopaohin-dRafahafatesana daholo. [1.1]
Na ny antitra na ny tanora, dia mety hindaosin' ny fahafatesana daholo, fa tsy misy hoe "Iretsy tsy maintsy lasa aloha na irery lasa aoriana". [1.1]
Dikanteny frantsayLa jeunesse est une pierre qui surplombe, la vieillesse un arbre au bord du précipice : qui s’en ira le premier ? [2.974 #163]
Le jeune homme est comme une pierre qui surplombe, et le vieillard comme un arbre au bord du précipice : on ne sait pas lequel des deux tombera le premier. [2.415 #2910]
Les jeunes sont (comme) un rocher surplombant, et les vieux (comme) un arbre planté au bord d' un précipice: on ne sait lequel des deux tombera le premier. [2.165]
Le vieillard est comme un arbre au bord du précipice et le jeune comme un terrain qui surplombe : on ne sait pas lequel tombera le premier. [2.415 #2892]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait l' incertitude du moment de la mort ; il signifiait aussi que le passé ne revient pas. [2.415 #2892]
Incertitude du moment de la mort. [2.415 #2910]

Ohabolana 23Ny torovok' amboa maro mpahalala, fa ny hisafelehan' ny rambony no tsy misy mahafantatra. [1.1]
Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny tenin' ny olona mahay mandahatra dia mety hazava ho azy fa ny hevitra miafina fonosiny na ny safeli-teny tiany hatao no tsy fantatra. [1.1]
Ilazana fa misy toetran' olona na toe-javatra iaraha-mahalala izao, fa ny ho fihetsiny na ho vokany any aorianano tsy misy mahafantatra. [1.1]

Ohabolana 24Ny vao mihalohalo ao an-tendany aza fantatra, ka indrindra fa ny tenenin' ny vavany. [2.558 #3356]
Ny vao mihalohalo ao an-tratrany aza fantatra, ka indrindra fa ny efa aloaky ny vavany. [2.653 #2467]

Ohabolana 25Notodian' ny ambora tsy nentina ka mivongika hazo tsy fantatra. [2.558]
Todian' ny ambora tsy nentina, ka mivongika hazo tsy fantatra (meloka). [2.558 #4142]
Todin’ ny ambora tsy nentina, ka mitari-kazo tsy fantatra. [2.653]
Todin' ny ambora tsy nentina, ka mivesatry ny hazo tsy fantatra. [2.415 #3419]
Todin' ny ambora tsy nentina ka mivongika ny hazo tsy fantatra. [2.653, 2.165]
Todin' ny ambora tsy nentina ka mivongi-kazo tsy fantatra. [1.1]
Todin' ny ambora tsy nentina, mitari-kazo tsy fantatra. [2.415]
Todin' ny ambora tsy nentina, mivongika hazo tsy fantatra. [2.415]
Fanazavana malagasyAnisan' ny fanompoana fahiny ny maka ambora any an' ala hanaovana vatam-patin' andriana; izay nanao mosalahy tamin' izany dia voasazy ka nampitondraina izay hazo hita teny ho eny: enti-milaza ny famaizana tsy maintsy mihatra amin' izay manao tsirambina ny adidiny. [1.1]
Ara-bakiteny: taloha ny nanao fanompoana dia naka ambora (hazo mafy fanao vatam-patan' andriana) tany an' ala; raha nisy nanao kilavadavaka, dia nosazina hitondra izay hazo sendra teny ho eny. Iharan' ny todin' ny tsy anaovana fanompoana na adidy, ka manjary manao ny tsy fanao. [1.1]
Enti-milaza ny sazy miandry izay manao tsirambina ny adidiny. [1.1]
Dikanteny frantsayPour ne pas avoir voulu porter de l' "ambora" , on est obligé de ployer sous le poids d' un arbre qu' on ne connaît pas. [2.165]
Vengeance du bois ambora qu'on n' a pas porté : on est chargé d' un bois d' une essence inconnue et inutile. [2.415 #3419]
Fanazavana frantsayIl s' agit des gens qui vont à la forêt chercher de l' ambora qui est un bois de construction très solide, et en reviennent avec un autre bois inconnu dont ils se chargent inutilement ; ce proverbe se disait des commissionnaires qui se trompent et font mal les commissions : ils ont à supporter les conséquences de leur erreur. [2.415 #3419]
L' "ambora" , à bois imputrescible, était bien connu et très apprécié autrefois; mais les bûcherons qui, pour une raison ou pour une autre, n' ont pas voulu remporter de la forêt, se chargeront d' un autre arbre inconnu, dont ils ne pourront peut être pas disposer. Au figuré, refuser de faire un certain travail, puis se voir pourtant forcé d' en faire un autre moins agréable ou moins rémunérateur. [2.165]

Ohabolana 26Tahaka an' ilay boka mihaingo : tsy avelan' ny tarehy tsy ho fantatra tsy akory. [2.415 #2023]
Dikanteny frantsayC' est comme une lépreuse qui se pare : elle attire l' attention sur sa figure. [2.415 #2023]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui se trahissaient eux-mêmes. [2.415 #2023]

Ohabolana 27Tantely am-borodamba ka tsy fantatry ny olona ho mamy. [2.558 #4076]
Tantely am-borodamba: tsy fantatr’ olon-ko-mamy. [2.653 #3028]

Ohabolana 28Trano bongo misy ronono, ka tsy fantatry ny olon-ko manana. [2.653 #3268]

Ohabolana 29Tsy misy lozain’ ny zava-tsy fantatra. [2.558 #305, 2.653 #3522]

Ohabolana 30Tsy misy tsy fantatr' Andriamanitra, saingy minia miondrika izy. [2.165 #17]
Tsy misy tsy fantatr' Andriananahary, fa saingy minia miondrika izy. [2.415 #59]
Tsy misy tsy fantatr' Andriananahary, fa saingy miondrika izy. [2.415 #59]
Tsy misy tsy fantatr' ilay Nanahary, fa minia miondrika izy. [2.558 #308]
Tsy misy tsy fantatr' Ilainanahary, saingy minia miondrika izy. [2.653]
Tsy misy tsy fantatr' Ilainanahary, sangy minia miondrika izy. [2.415 #692]
Dikanteny frantsayIl n' y a rien d' inconnu pour Dieu, mais il veut parfois baisser la tête et ignorer, pour ne pas punir. [2.415 #59]
Il n' y a rien qui soit ignoré de Lainanahary, mais il fait exprès de baisser la tête pour avoir l' air d' ignorer. [2.415 #692]
Rien n' est caché à Dieu, quoiqu' il veuille bien se pencher (comme pour voir ce que font les hommes). [2.165]
Fanazavana frantsayApplication, faite à Dieu, des paroles dites par le roi Andrianampoinimerina, de son fils. [2.415 #59]
Le roi Andrianampoinimerina disait ces paroles d'un de ses fils qui se taisait prudemment ; on les appliqua dans la suite aux personnes haut placées et sachant se taire. [2.415 #692]

Ohabolana 31Valala tongan-drivotra, ka mitety tany tsy fantatra. [2.974 #474]
Dikanteny frantsaySauterelles apportées par le vent et qui parcourent des terres inconnues (présomptueux ou indiscret ). [2.974 #474]

Fizahan-teny