Madagasikara : Kôntinantan'ny Malagasy

    Ny fifandraisana eo amin'ny anaran-tany MADAGASIKARA sy ny anaran'ny mponina ary ny teniny, MALAGASY, dia hazavaina toy izao.

Voalohany, ny Litera D sy ny litera L dia mifanova eo amin'ny endrika sasantsasany. Hitantsika matetika eo amin'ny fitenim-paritry ny Nosy izany : vady / valy, fady / faly, anjavidy / anjavily. Hitantsika any Amerika avaratra izany ao amin'ny Rakibolana Dakota sy Lakota, izay ny teny mitovy hevitra dia tsy miovaova afa-tsy ny litera D na L. Ampiharintsika àry izany fikisaham-peo izany : MADAGASIKARA lasa hoe MALAGASIKARA.

Faharoa, MALAGASIKARA, atao izany hoe, MALAGASY KARA ; tsaroana amin'izany ny teny Persanina na Arabo قارة izay midika ho Kôntinanta. Tsy mazava raha avy amin'ny Persa na ny Arabo ny anarana. Eo amin'ireo tranga roa ireo, ny nosy rehetra fantatry ny mpanamory azy ireo, Chypre hatrany Kômôro, Sri Lanka hatrany Baléares, dia vao miara-mandrakotra ny ampahenin'ny Nosy. Tsy mahagaga raha io Nosy farany io no heverina ho kôntinanta.

Araka izany, ny teny Madagasikara dia atao hoe Kôntinantan'ny Malagasy.


Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31