|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : akondro

Ohabolana 1Akondro ambanana antsy : mihatra raha ela. [2.558]
Akondro ambanan' antsy : mihatra raha ela. [2.415 #2581, 2.653 #69]
Dikanteny frantsayBananier menacé du couteau : il finit par être atteint. [2.415 #2581]
Fanazavana frantsayLe malheur finit par atteindre ceux qui le cherchent. [2.415 #2581]

Ohabolana 2Akondrobe tra-panala : na velona aza mihohoka. [2.558]
Akondrobe tra-panala: raha velona aza, mihohoka. [2.653 #77]
Hoatry ny akondrobe tra-panala : raha velona aza, mihohoka. [2.415 #2792]
Dikanteny frantsayBananier atteint par la gelée : alors même qu' il n' est pas mort, il s' incline. [2.415 #2792]
Fanazavana frantsaySe disait des malheurs auxquels on ne peut pas échapper complètement. [2.415 #2792]

Ohabolana 3Akondro efa namoa, ka ny sisa no atero zezika fa izy lasan-kiraika. [2.558]
Akondro efa namoa : ny sisa no atero zezika, fa izy lasan-kiraika. [2.415 #1796, 2.653 #70]
Dikanteny frantsayBananier qui a porté son fruit : fumez les autres, car pour lui, il va s' incliner et périr. [2.415 #1796]
Fanazavana frantsaySe disait des vieillards. [2.415 #1796]

Ohabolana 4Akondro ela botrelabotrela: izaho no tsy tia, ka hianao no manentsina. [2.165 #1827]
Dikanteny frantsay(Vous êtes) une banane rabougrie: c' est moi qui ne vous aime pas, et c' est vous qui faites semblant d' empêcher notre amitié. [2.165]

Ohabolana 5Akondro fohatra : miainga omban-janany. [1.147 #A33]

Ohabolana 6Akondro iray fototra ny ambanilanitra : ny mamololona ho raviny, akondro ihany ; ny manondro lanitra ho voany, akondro ihany ; ny miendaka ho raty, akondro ihany ; ny mitsontsorika ho lafiny, akondro ihany. [2.415 #271, 2.653]
Akondro iray fototra ny olombelona : ny mamololona ho raviny, akondro ihany; ny manondro lanitra, akondro ihany; ny miendaka ho raty akondro ihany; ny mitsontsorika ho lafiny, akondro ihany. [2.558]
Dikanteny frantsayLe peuple est comme un pied de bananier : ce qui se roule en spirale pour, devenir feuille, c' est du bananier ; ce qui se dresse vers le ciel pour devenir fruit, c' est du bananier ; ce qui se détache pour devenir écorce sèche, c' est du bananier ; ce qui s' incline pour devenir les grappes, c' est du bananier. [2.415 #271]
Fanazavana frantsayLe peuple tout entier forme une société bien harmonisée. [2.415 #271]

Ohabolana 7Akondro jinjaina hariva : raha tsy malazon' ny andro aza, mantsasaky ny alina. [2.415 #2582, 2.558 #15]
Akondro jinjana hariva: raha tsy malazon' ny andro aza, mantsasaky ny alina. [2.165 #141, 2.653 #72]
Ravina nalaina hariva, na tsy malazon' ny andro aza; mantsasaky ny alina. [2.558 #3733]
Dikanteny frantsayBananier coupé le soir : s' il n'est pas flétri par le soleil du jour, il est jauni et flétri par le froid de la nuit. [2.415 #2582]
Un bananier coupé le soir: s' il n' a pas été desséché par la chaleur du jour, il sera gâté par la fraîcheur de la nuit. [2.165]

Ohabolana 8Akondro, ka raha manondro lanitra iray ihany, fa nony mitsontsorika miditra ankolafiny. [2.415 #872]
Dikanteny frantsayRégime de bananes : quand il est droit et vise le ciel, il est encore une unité ; mais quand il s' incline vers la terre, il entre en division de ses sections ou grappes. [2.415 #872]
Fanazavana frantsayCe proverbe qui avait diverses autres applications, se disait de l' homme qui se mariait et faisait souche. [2.415 #872]

Ohabolana 9Akondro kely avara-tanàna, ka raha avana manan-tompo. [2.165]
Akondro kely avara-tanàna: raha ava-manan-tompo. [2.588, 2.653, 2.415]
Dikanteny frantsayPetit bananier au nord du village : si son pied est travaillé, c' est qu' il a un maître. [2.415 #1555]
Un petit bananier au nord du village, si quelqu' un veut l' arracher, il se trouve avoir un propriétaire. [2.165]
Fanazavana frantsayCe n' est rien, et pourtant quelqu' un le réclamera comme sien. [2.165]
Se disait de la jeune fille pauvre : si elle a des parures c' est quelle est courtisée ; au nord du village les arbres étaient chétifs parce que le parc à boeufs n'était pas de ce côté. [2.415]

Ohabolana 10Akondro mahia latsaka an-doha sola : ny mahia manangatra ny matoy. [1.147 #A32]
Akondro mahia latsaka an-doha sola: ñy tsy matoy mañangatra ñy matoy. [2.165]
Fanazavana malagasyAkondro (ny voany) mahia latsaka an-doha sola: ny tanora indray no mamoafady ny antitra. [2.165]

Ohabolana 11Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-kavana. [2.653, 2.165]
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-tompony. [2.653]
Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana. [1.1 #557, 2.558 #17]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra tsy dia tsaratsara loatra ka mahasanganehana ny milaza azy amin' ny havana na ny sakaiza. [1.1 #557]
Dikanteny frantsayBananes maigres dont quelques-unes sont mûres: on ne sait que dire à ses parents. [2.165]
Fanazavana frantsayOn n' ose pas leur en offrir. [2.165]

Ohabolana 12Akondro masaka ifotony aho : tsinjo maso fa tsy azo hanina, ka jerena ihany. [2.558 #90]
Akondro masaka ifotony aho : tsinjo maso, fa tsy azonao hohanina, fa jerena ihany. [2.415 #1556, 2.653]
Dikanteny frantsayJe suis comme une banane mûre sur pied : les yeux me voient, mais vous ne pouvez pas me manger, il faut vous contenter de me regarder. [2.415 #1556]
Fanazavana frantsayRefus d' une jeune fille aux sollicitations d' un jeune homme. [2.415 #1556]

Ohabolana 13Akondro masak’ am-bata : samy mamonjy izay laitry nifiny. [1.147 #A31]

Ohabolana 14Akondronay no ho mamoa, ka azonay anaranam-po. [2.415 #499, 2.653 #78]
Akondronay no mamoa ka azonay anaranam-po. [2.165 #1562, 2.558 #92]
Dikanteny frantsayCe bananier qui porte des fruits est à nous et nous en avons la libre disposition. [2.415 #499]
Ce sont nos bananiers qui ont porté des fruits, et nous sommes libres d' en faire ce que nous voulons. [2.165]
Fanazavana frantsayLe maître de l' esclave est maître de son enfant, comme de tous ses biens. [2.415 #499]
Proverbe souvent cité par des propriétaires qui s' emparaient de ce que leurs esclaves avaient pu amasser en propre. [2.165]

Ohabolana 15Akondro niadian' ombalahy : herinandro tsy mahafoha tena. [2.415 #745, 2.558 #91]
Akondro niadian’ ombilahy : herinandro tsy mahafoha tena. [2.653 #76]
Dikanteny frantsayBananier sur lequel se sont battus des taureaux : d' une semaine il ne peut pas se relever. [2.415 #745]
Fanazavana frantsaySe disait des petits qui souffraient des querelles des grands, et de tous ceux qui avaient de la peine à se relever après une épreuve. [2.415 #745]

Ohabolana 16Akondro takonan-draviny : manafina ny vitan-Janahary. [1.147 #A34]

Ohabolana 17Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena. [1.1 #62, 1.3]
Amboa niandry embok' akondro : ilaozan-toa hena, andrasan-tsy latsaka. [2.558 #19]
Toy ny alika miandry embok' akondro: andrasana, tsy latsaka: ilaozana, toa hena. [2.165 #948]
Toy ny amboa miandry embok' akondro : andrasan-tsy latsaka, ilaozana toa hena. [2.558 #4259]
Toy ny amboa miandry embok’ akondro : an-drasan-tsy latsaka, ilaozan-toa hena. [2.653 #3179]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona manantena na nampanantenaina zavatra betsaka, nefa diso fanantenana. [1.1 #62]
Dikanteny frantsayPareil à un chien qui attend un bouquet de bananier: ce qu' il espère avoir ne tombe pas, et s' il s' en va il lui semble perdre un morceau de viande. [2.165]
Quand un chien regarde le bouquet du bananier, il attend, mais en vain, qu’il tombe; s'il s'en va, c'est à regret pensant que c’est de la viande. [1.3]
Fanazavana frantsayLe bouquet du bananier, c. à. d. la grande fleur composée d' où sortiront les bananes, est rouge, et peut ressembler vaguement à un morceau de viande. [2.165]
Souvent celui à qui on fait de belles promesses est déçu dans ses espérancos. [1.3]

Ohabolana 18Aza manao saonjo miohatra akondro; aza manao sakeli-mihoa-joro. [2.653]
Aza manao saonjo miohatra akondro, na sakeli-mihoa-joro. [2.558]
Tsy anaovana saonjo miohatra akondro, tsy anaovana sakeli-mihoa-joro. [2.415]
Dikanteny frantsayOn ne fait pas avec lui comme le songe comestible qui veut dépasser le bananier ou comme le rejeton qui veut dépasser l' arbre qui le produit. [2.415 #261]
Fanazavana frantsayParoles d' Andrianampoinimerina aux chefs du peuple, sur Radama son fils et successeur ; passées en proverbe, elles signifient que les inférieurs ne doivent pas dépasser ni même atteindre les supérieurs. [2.415 #261]

Ohabolana 19Aza misavika ny tsy an-tena. [2.415 #3837]
Misavika ny tsy an' ny tena ka matin' ny mahamenatra. [2.558 #2407]
Misavika ny tsy an-tena. [2.415 #3274]
Misavika ny tsy ho an' ny tena, toy ny vahy misavika akondro. [2.165 #1684, 2.415 #3855]
Dikanteny frantsayNe vous exposez pas à de grands embarras en vous mêlant des affaires d' autrui. [2.415 #3837]
Saisir ce qui ne sera pas à vous, comme la liane qui s' enroule autour d' un bananier. [2.415 #3855]
Saisir ce qui ne sera pas à vous, comme une liane qui s' accroche à un bananier. [2.165]
Se mêler des affaires des autres, c' est s' exposer à de grands embarras. [2.415 #3274]
Fanazavana frantsaySe mêler des affaires des autres. [2.415 #3855]

Ohabolana 20Barabaha folaka, akondro mahia: manambady tsy tiana malak’ aretina. [1.147 #B3]

Ohabolana 21Ety amin' ny akondro ny lafiny fa ny hambana my mahery ety. [1.147 #E2]

Ohabolana 22Izaho misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entiko mamy avokoa. [2.653 #1160]
Izaho misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entiko tsy misy mangidy. [2.558]
Misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entina mamy avokoa. [2.974 #125]
Dikanteny frantsayPorter sous le bras des tiges de canne à sucre, sur le dos des bananes, sur la tête du miel : douceur sur douceur. [2.974 #125]

Ohabolana 23Karazan' ontsy (akondro ranjalia) aho, ka madini-boa fa maro mpitia. [2.558 #1599]

Ohabolana 24Lambolahy mandry anaty akondro, ka main' ny nahiny. [2.415 #6285]
Lambolahy mifono raty ka main' ny nataony. [2.165]
Lambolahy mifono raty : main' ny ataony. [2.415 #6000, 2.558 #118, 2.653 #1316]
Dikanteny frantsaySanglier qui dort sous les bananiers : c' est de sa faute s' il est brûlé avec les bananiers, lorsqu' on met le feu à la colline. [2.415 #6285]
Sanglier qui se cache sous l'écorce sèche de bananier : c'est de sa faute s' il est brûlé avec elle. [2.415 #6000]
Si un sanglier va se fourrer dans l' écorce sèche des bananiers, il sera brûlé par son fait (quand le feu s' y mettra). [2.165]
Fanazavana frantsayQui s'expose au danger y périra. [2.415 #6335]

Ohabolana 25Lambolahy nitevy akondro : raha nitivesina lavo, izy nilefa. [1.147 #L16]

Ohabolana 26Masaka teren' ny setroka toy ny akondro naotrika. [2.558 #2149]

Ohabolana 27Mibaby akondro, miloloha tantely, ka mamy roa mifanontona. [2.415 #5961, 2.653 #1738]
Mibaby akondro, miloloha tantely, mitehim-pary : intelo miantoana ny mamy. [2.558 #2273]
Dikanteny frantsayPorter sur le dos un régime de bananes, et sur la tête du miel. Deux choses bien douces se rapprochent. [2.415 #5961]
Fanazavana frantsaySe disait de deux bonheurs, deux amis, deux bons caractères. [2.415 #5961]

Ohabolana 28Mifady akondro, ka homana aman-dravina. [2.415 #85, 2.653]
Mifady akondro ka no homana aman-dravina! [2.558]
Mifady arina ka no mandray mainty, mifady hady ka no mandingan-tatatra. [2.558]
Mifady hady, ka mandika tatatra. [2.415 #86]
Mifady mainty, ka mandray arina. [2.415 #86]
Mifady mainty, ka mandray arina; mifady hady, ka mandika tatatra ; mifady vanga, ka mandray fitatra. [2.653]
Mifady ny ventiny, fa homana ny rony. [2.415 #84]
Mifady vanga, ka mandray fitatra. [2.415 #86]
Mifady ventiny fa misotro ny rony. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona manao ny atao hoe fady fotsy, izany hoe tsy mifady tanteraka, na manao alasafay ka mifady anarany fotsiny. [1.1]
Dikanteny frantsayS'abstenir de bananes par prohibition sacrée et cependant manger sur des feuilles de bananier. [2.415 #85]
S' abstenir de ce qui est noir, et cependant toucher du charbon ; s' interdire les fossés et enjamber les canaux des rizières ; s' interdire ce qui a deux couleurs et toucher le tarier à collier. [2.415 #86]
S'abstenir de viande par prohibition sacrée et cependant boire le bouillon. [2.415 #84]
Fanazavana frantsayC'est dire qu'une chose est défendue, et cependant la faire. Se disait en général des observances pharisaïques. [2.415 #86]

Ohabolana 29Miloloha mamy tsy ho any ny tena, toy ny vatan’ akondro afa-boa. [2.653 #1789]
Miloloha mamy tsy ho an' ny tena ohatra ny akondro afa-boa. [2.558]
Vatan’ akondro afa-boa: miloloha mamy tsy ho any ny tena. [2.653]
Vatan’ akondro afa-boa : miloloha mamy tsy ho an’ ny tena. [2.415 #3881, 2.974]
Vatan' akondro afa-boa : niloloha ny mamy tsy ho an' ny tena. [2.558 #4885]
Dikanteny frantsayBananier auquel on enlève le régime de bananes qu'il porte : il porte des douceurs mais ce n' est pas pour lui. [2.415 #3881]
Bananier dépouillé de ses fruits : il s’est chargé de douceurs, mais pas pour lui-même. [2.974 #238]
Fanazavana frantsayTravailler pour que d' autres en profitent. [2.415 #3881]

Ohabolana 30Mody tsy sompatra, kanefa mangalatra ny akondron' ny marary. [2.165 #430]
Mody tsy sompatra, kanjo mangalatra ny akondron’ ny marary. [2.653 #1944]
Mody tsy sompatra nefa mangalatra ny akondron' ny marary. [2.558 #2552]
Dikanteny frantsayFaire semblant de ne pas être méchant et pourtant voler les bananes d' un malade. [2.165]

Ohabolana 31Ny akondro no mivonkina dia toeran-kifandeferana. [2.558 #2843]

Ohabolana 32Ny olombelona tahaky ny akondro : hoa ny zanany manolotra an-drainy aman-dreniny, ary ny ray aman-dreny manaloka ny zanany. [2.415 #886]
Dikanteny frantsayLes hommes sont comme les bananiers : les rejetons se pressent à côté du père et de la mère, et ceux-ci les protègent. [2.415 #886]
Fanazavana frantsayL' union doit exister dans une famille ou une société. [2.415 #886]

Ohabolana 33Ny olombelona toy ny embok' akondro ka raha manondro lanitra, iray ihany fa raha mitsontsorika, samy manana ny holafiny. [1.1]
Ny olombelona toy ny embok' akondro: raha manondro lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny holafiny. [1.1]
Ny olombelona toy ny embok' akondro : raha manondro lanitra, iray ihany ; fa raha mitsontsorika, samy manana ho lafiny. [2.653, 2.415]
Ny olombelona toy ny embok' akondro : raha manondro lanitra iray ihany, fa raha mitsontsorika samy manana ny ho lafiny. [2.558]
Ny olombelona toy ny embok' akondro: raha manondro ny lanitra, iray ihany; fa raha miondrika, samy manana ny lafiny. [2.165 #12]
Toy ny akondro : raha manondro lanitra iray ihany, fa raha miondrika samy manana ny ho lafiny. [2.415 #861]
Toy ny embok' akondro : raha manondro lanitra iray ihany, fa raha miondrika, samy manan-ko ho lafiny. [2.558 #4272]
Toy ny embok’ akondro: raha manondro lanitra, iray ihany; fa raha miondrika, samy manan-ko lafiny. [2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny firaisam-piavian' ny olombelona na dia misampana ho karazany maro aza. [1.1]
Enti-milaza ny olombelona izay mitovy daholo ihany raha ny mahaolona azy no jerena, fa samy hafa kosa ara-karazana. [1.1]
Dikanteny frantsayLes hommes ressemblent aux fleurs du bananier: quand elles sont encore dirigées vers le ciel, elles paraissent ne former qu' un seul tout, mais quand elles s' inclinent, chacune occupe sa place propre. [2.165]
Les hommes sont comme les bananes : quand le bananier a la tête levée vers le ciel, il est un seul tout, mais quand il baisse la tête les bananes se séparent. [2.415 #861]
Les hommes sont comme les bouquets de bananiers : quand le bouquet est levé vers le ciel il est unique, mais lorsqu' il s' incline vers la terre, il se divise en rameaux. [2.415]
Fanazavana frantsayLes hommes sont tous des mortels, mais ils sont différents les uns des autres. [2.415 #1681]
Les hommes sont tous des mortels, mais quand on les examine on voit qu'ils viennent de tribus et de castes différentes. [2.415 #861]

Ohabolana 34Ny ombilahy fanoto no ampidirina, mba hanamafy ny akondro atao fototra. [2.558 #3189]

Ohabolana 35Sakely mihoa-joro ary saonjo miohatra akondro. [2.558]

Ohabolana 36Saonjo miohatra akondro. [2.415]
Dikanteny frantsayGouet qui cherche à dépasser le bananier. [2.415 #1164]
Fanazavana frantsaySe disait d' un cadet ou d'un inférieur dépassant l'ainé ou le supérieur. [2.415 #1164]

Ohabolana 37Solafaka amin' akondro, miarina amam-bahona : ny nianjerana mamy, fa ny niarenana mangidy. [2.558]

Ohabolana 38Tanantanana ambany akondro : sady tsy momba ny velona hatao soroka tsy momba ny maty hatao kitay. [1.147 #T26]

Ohabolana 39Toy ny kamo mihinana akondro : Mba maniry va re ny hodiny. [2.558 #4295]
Toy ny kamo nihinana akondro: "Mba maniry va re ny hodiny ?". [2.653 #3205, 2.974 #193]
Dikanteny frantsayComme le paresseux qui a mangé une banane : " Peut-on en planter la peau ? ". [2.974 #193]

Ohabolana 40Tsy avelan' ny anaran-kisaraka, toa raty, efa lasa ka mbola ratin' akondro. [2.558 #4481]

Ohabolana 41Voninahitra omena ny akondro, fa ny vomanga mba mamy ihany. [2.653]
Voninahitra omena ny akondro, fa ny vomanga mba mamy ihany koa. [2.558 #326]
Voninahitra omena ny tantely, fa ny vomanga mba mamy ihany. [2.165 #850]
Dikanteny frantsayOn honore le miel, mais la patate est douce aussi. [2.165 #850]

Fizahan-teny