|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : alina

Ohabolana 1Akoholahy maneno alina : lozain' ny vavany. [2.415 #4715]
Dikanteny frantsayCoq qui chante la nuit : son chant lui porte malheur. [2.415 #4715]
Fanazavana frantsayOn le tue parce que c' est de mauvaise augure. Se disait de ceux qui parlent trop et à tort et à travers. [2.415 #4715]

Ohabolana 2Akondro jinjaina hariva : raha tsy malazon' ny andro aza, mantsasaky ny alina. [2.415 #2582, 2.558 #15]
Akondro jinjana hariva: raha tsy malazon' ny andro aza, mantsasaky ny alina. [2.165 #141, 2.653 #72]
Ravina nalaina hariva, na tsy malazon' ny andro aza; mantsasaky ny alina. [2.558 #3733]
Dikanteny frantsayBananier coupé le soir : s' il n'est pas flétri par le soleil du jour, il est jauni et flétri par le froid de la nuit. [2.415 #2582]
Un bananier coupé le soir: s' il n' a pas été desséché par la chaleur du jour, il sera gâté par la fraîcheur de la nuit. [2.165]

Ohabolana 3Andevolahy mamono tompo mangina : voky hena indray alina, fa hiongo-belona herintaona. [2.415 #512, 2.653]
Andevolahy mamosavy tompo : voky hena indray alina, fa hiongo-belona herintaona. [2.653, 2.415]
Andevolahy namosavy tompo: hena indray manokona ka tapa-taona niongo-bolo ihany. [2.165 #2311]
Dikanteny frantsayEsclave qui jette un sort à son maître pour le faire mourir, ou bien le tue en cachette : il sera repu de viande une nuit, mais il lui faudra faire le deuil pendant toute une année. [2.415 #512]
Fanazavana frantsayPour une satisfaction d' un moment, il ne faut pas s'exposer à une longue peine. [2.415 #512]

Ohabolana 4Asaina andro, dia andro ; asaina alina, dia alina. [2.415 #368]
Dikanteny frantsayQu' on soit convoqué le jour ou la nuit, il faut venir. [2.415 #368]
Fanazavana frantsaySe disait des convocations royales et de la corvée : le peuple est toujours à la disposition du souverain ; se disait aussi de la fidélité avec laquelle on répondait à l'appel d' un chef ou d' un parent. [2.415 #368]

Ohabolana 5Atao vikina alina: aleo manana amby, toy izay tsy ampy. [1.1]
Fanazavana malagasyRaha misy zavatra mampatahotra na mampisalasala, aleo manao miohatra noho izay tokony hatao toy izay manao latsaka. [1.1]

Ohabolana 6Atao vikin’ alina : aleo miohatra toy izay ho latsaka. [2.653, 2.974]
Ataovy vikin' alina, ka aleo miohatra toy izay ho latsaka. [2.165]
Vikin' alina ka aleo miohatra toy izay latsaka. [2.558]
Dikanteny frantsayFaire comme celui qui saute de nuit un jossé : mieux vaut un saut trop long que trop court. [2.974 #214]
Faites comme lorsqu' on saute (un fossé) de nuit; il vaut mieux sauter trop loin que pas assez et tomber (dans le fossé). [2.165]

Ohabolana 7Aza manao tahaka any ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany; voky alina, entiko miasa aza izany. [2.653 #506]
Aza manao tahaka an' ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany ; voky alina, entiko miasa aza izany. [2.415 #3901]
Aza manao tahaka ilay kamo : voky antoandro, entiko matory aza izany, voky alina entiko miasa aza izany. [2.558 #579]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le paresseux quand il est bien repu le jour, il dit : si je pouvais aller au lit avec un tel repas ; et quand il est bien repu la nuit, il dit : si je pouvais aller au travail avec un tel repas. [2.415 #3901]

Ohabolana 8Aza manao tokin-tsabakaka : raha antoandro manidy trano, fa raha alina vao mandehandeha. [2.653 #519]
Aza manao tokin-tsaobakaka : raha antoandro manidy trano, fa raha alina mandehandeha. [2.558 #592]
Aza manao tokin-tsaobakaka : raha antoandro manidy trano, fa raha alina vao mandehandeha. [2.415 #6217]
Manao tokin-tsahobakaka : antoandro mihidy aman-trano, alina mandehandeha. [2.558 #2016]
Dikanteny frantsayN' ayez pas la confiance du crapaud : le jour il se barricade chez lui, et la nuit il va se promener. [2.415 #6217]
Fanazavana frantsayC' est le contraire qu'il faut faire. [2.415 #6217]

Ohabolana 9Aza mitotototo toy ny ondry terak' alina. [2.558 #804]

Ohabolana 10Dridran' Ingilo ka manonitra andro aman' alina. [2.558 #1015]

Ohabolana 11Efa lany rambo tahaka ny jono indray alina. [2.558 #1022]
Efa lany rambo toy ny jono indray alina. [2.165 #973, 2.415 #2490, 2.653 #866]
Dikanteny frantsayDéchiqueté et usé comme les appâts pour la pêche qui ont passé une nuit dans l' eau. [2.415 #2490]
Qui a fait tout son possible, comme celui qui a pêché toute une nuit. [2.165]
Fanazavana frantsayMais sans rien prendre! [2.165]

Ohabolana 12Entam-panjozoro : bataina, tsy zakan’ irery ; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.653 #871, 2.974]
Entam-panjozoro : batain-tsy zakan' ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana ; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.415]
Entam-ponjozoro : bataina tsy zakan' ny irery, aiditra tsy omby varavarana, fa nony ataina indray alina monja. [2.558 #70]
Mivongovongo foana hoatry ny entam-panjozoro : batain-tsy zakan' ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana ; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.415]
Mivongovongo foana toy ny anten-jozoro : entina tsy zakan' ny irery, aiditra tsy omby varavarana, ataina tsy mahaloaka alina. [2.558 #2528]
Mivongovongo foana, ohatra ohatra entam-panjozoro: entina, tsy zakan’ ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahiloaka alina. [2.653]
Toy ny entan-jozoro: bataina, tsy zakan' ny irery; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.165]
Dikanteny frantsayComme un paquet de zozoro : un seul homme ne peut le transporter ; la porte d’une maison est trop petite pour le laisser passer; mais quand on le fait flamber, il ne suffit même pas pour une nuit. [2.974 #338]
Paquet de moelles de joncs : quand on veut le soulever, une seule personne n' arrive pas à le faire ; quand on veut l' introduire dans la maison, il ne peut pas passer par la porte ; mais quand on le brûle pour la cuisine, il ne suffit pas pour une nuit. [2.415 #5897]
Pareil à une botte de souchets: on ne peut ni la porter seul, ni la faire entrer par la porte, et si on les brûle, il n' y en a pas assez pour durer toute la nuit. [2.165]
Fanazavana frantsayBeaucoup d' apparence, mais peu de réalité. [2.415 #5897]

Ohabolana 13entan-draty roa fehy : aiditra atosik' efa-dahy ; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.415 #5898, 2.653 #872]
entan-draty voafehy : aiditra atosik' efa-dahy, ataina tsy mahaloaka alina. [2.558 #1035]
Dikanteny frantsayPaquet d' écorces sèches de bananiers, gros paquet à deux liens : quand on le fait entrer dans la maison, il faut quatre hommes pour le pousser, mais quand on le brûle pour faire la cuisine, il ne suffit pas pour une seule nuit. [2.415 #5898]
Fanazavana frantsayBeaucoup d' apparence et peu de réalité. [2.415 #5898]

Ohabolana 14Faty entin' alina ka tsy manampidiny. [2.558 #1155]

Ohabolana 15Goaika maneno alina, tsy alaiko ho loza fa ny azy efa fanaony. [2.558 #1228]

Ohabolana 16Izay manao ratsy : raha tsy malazon' ny andro, mantsasaky ny alina. [2.165 #1717, 2.415 #5662]
Dikanteny frantsayCelui qui fait le mal sera puni : s' il n' est pas desséché par la chaleur du jour, il sera moisi par l' humidité de la nuit. [2.415 #5662]
Ceux qui font le mal: s' ils ne sont pas flétris (desséchés) par la chaleur du jour, ils seront moisis par la fraîcheur de la nuit. [2.165]
Fanazavana frantsayLe châtiment les atteindra, soit d' une façon soit d' une autre. [2.165]

Ohabolana 17Kifafa ka miongana andro, miongana alina. [2.558 #1648]

Ohabolana 18Lozai-manana anaka toa sorohitra, tenenina alina lanim-biby, fofoina halaina lasan' olona. [2.558 #1816]
Lozai-manana anaka, toa sorohitra : tenenina alina vao lanim-biby, fofoina halaina lasan' olona. [2.415 #918]
Lozai-manan-anaka, toa sorohitra : tenenin’ alina vao lanim-biby, fofoina halaina lasan’ olona. [2.653 #1386]
Dikanteny frantsayAtteinte par le malheur quand elle a des enfants, comme l' alouette : si on parle de l' alouette la nuit, les bêtes la mangent ; si on se promet de la prendre, d' autres la prennent. [2.415 #918]
Fanazavana frantsaySe disait des enfants qui portaient malheur à leur mère ; allusion à l' interdiction superstitieuse ou fady qui défendait quand on voyait un nid d' alouette d' en parler la nuit, ou de dire tout haut en l' apercevant : je le prendrai. [2.415 #918]

Ohabolana 19Manao azy ho akan' ny alina ka mitsipy sandry maizim-bolana. [2.558 #1986]
Manao azy ho akan’ ny dia, ka mitsipy sandry maizim-bolana. [2.653 #1529]
Manao ho akan' ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana. [2.165 #50]
Dikanteny frantsayPrétendre y avoir la nuit, puis aller danser dans les ténèbres (.... et se blesser). [2.165]

Ohabolana 20Manaram-po ohatra ny banga mihomehy alina. [2.558]
Manaram-po ohatra ny banga mihomehy maizina. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona ratsy toetra ka manararaotra izaitsizy ny toe-javatra sendra. [1.1]

Ohabolana 21Mandoaka ny alina. [2.415]
Miloaka alina. [2.415]
Dikanteny frantsayVoyage qui dure du soir au matin. [2.415 #6650]

Ohabolana 22Mangahazo anaty tenona: mitondra lefona an-kibo, miferin-aina andro aman-alina, velona fa manana aina. [2.415 #2618, 2.653 #1612]
Mangahazo anaty tenona : mitondra lefona an-kibo, miferin' aina andro aman' alina, velona fa manan' aina. [2.558 #2099]
Dikanteny frantsayManiocs au milieu de glaïeuls : ils portent des lances au coeur et sont affligés jour et nuit ; on dit qu' ils sont vivants parce qu' ils n' ont pas perdu la vie. [2.415]
Fanazavana frantsayLe glaïeul est une mauvaise herbe très vivace et dont les feuilles sont en forme de lance ; les pousses qui sortent de terre sont dures et piquantes ; ce proverbe se disait des affligés. [2.415 #2618]

Ohabolana 23Maty ny mpiambina, ka tsy misy mpitomany alina. [2.415 #2872]
Maty ny mpiambina ka tsy misy mpitomany ny alina. [2.558 #2207]
Maty ny mpiamhina, ka tsy misy mpitomany alina. [2.653 #1666]
Dikanteny frantsayLe veilleur de nuit est mort, et il n' y a pas de pleureuses de nuit. [2.415 #2872]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait quand il n' y avait pas réciprocité. [2.415]

Ohabolana 24Midrikina alina toa angelinkary. [2.558]

Ohabolana 25Mipapapapa ohatra ny ondry teraka alina. [2.558]

Ohabolana 26Misamonina andro aman' alina toa moka. [2.558 #2401]

Ohabolana 27Mitaitay ho any Ilafy, ka mody alina. [2.415 #3041]
Dikanteny frantsayÊtre pressé d' aller à Ilafy et n' être pas pressé de rentrer. [2.415 #3041]
Fanazavana frantsaySe disait des rendez-vous des libertins. [2.415 #3041]

Ohabolana 28Mitsotra alina fa mivonkina antoandro toa sokina. [2.558 #2509]
Mitsotra alina, mivonkina antoandro toa sokina. [2.415 #2041]
Mitsotra alina, mivonkona antoandro, toa sokina. [2.653 #1910]
Dikanteny frantsayOriginal et fantasque : il s' ouvre la nuit et se ferme le jour, comme le hérisson. [2.415 #2041]

Ohabolana 29Mpivoaka alina. [2.415 #166]
Dikanteny frantsayC' est un sorcier qui sort la nuit. [2.415 #166]
Fanazavana frantsayLes Malgaches donnaient ce surnom aux sorciers. [2.415 #166]

Ohabolana 30Ny aina toy ny tavim-bilany, ka tsy fantatra izay hahavakiany, na ho antoandro na ho alina. [2.165 #2092, 2.415 #2769]
Tavim-bilany ny aina ka tsy fantatra izay hahavakisany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa malia aoka izany ny aina ka tsy hitahita akory ny hahapotehany. [1.1]
Dikanteny frantsayLa vie est comme un têt de marmite : on ignore quand elle se brisera, le jour ou la nuit. [2.415 #2769]
La vie est comme un têt de marmite: on ne sait quand elle se brisera, pendant le jour ou pendant la nuit. [2.165 #2092]

Ohabolana 31Ny alina natao tsy ho lasa ve, sa misy fahoriana natao tsy hisava? [2.558]

Ohabolana 32Ny andraso andraso manariva ny mody. [1.1]
Ny takariva no mahatonga ny alina; ny sangy mahery no mahatonga ny ady ; ny "andraso kely" no mahariva ny andro; ny hadino no mahavery ny entana. [2.415 #6244, 2.653 #2422]
Ny takariva no mahatonga ny alina, ny sangy no miteraka ny ady, ny andraso kely no mahariva ny andro ary ny hadinodino no mahavery ny entana. [2.558]
Fanazavana malagasyNy hataka andro lava, ny fampiandrasana ary ny fiolakolahana dia mahatonga ho tratra hariva nony hody (tokony hotsorina izay fanapahankevitra raisina). [1.1]
Dikanteny frantsayLe crépuscule amène la nuit ; la plaisanterie trop forte engendre les disputes; le attendez un peu, retarde jusqu' au soir; l' oubli fait perdre les paquets. [2.415 #6244]
Le soir appelle la nuit ; les familiarités excessives engendrent les querelles ; les fréquents délais épuisent la journée ; les oublis causent la perte des bagages. [2.974 #274]
Fanazavana frantsayUne petite cause a de grands effets. [2.415 #6244]

Ohabolana 33Ny fanompoana ny manjaka : anio dia anio, maraina dia maraina, alina dia alina. [2.415 #386]
Dikanteny frantsayOn ne remet pas à plus tard le service du souverain, la corvée : si c'est aujourd' hui, il faut s' y mettre aujourd' hui ; si c' est le matin, le matin ; si c' est la nuit, la nuit. [2.415 #386]

Ohabolana 34Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy antoandro. [2.165]
Dikanteny frantsayOn voit même les sorciers sortant à minuit, et combien mieux ceux qui font du mal en plein jour. [2.165]

Ohabolana 35Ny trebitrebiky ny rano ka re fa ny aomby nihanana tsy hita. [1.147 #N14]
Ny trebitrebiky ñy rano ka reñiko, fa ñy aomby nihanañ' alina tsy hitako. [2.165]
Fanazavana malagasyNy fikobakobaky ny rano dia reko, fa raha ny omby nita tamin' ny alina, tsy hitako. [2.165]

Ohabolana 36Rafotsibe mivaro-boanatsindrana : ny antoandro ifandrombahana amin' ny ankizy, ny alina ifandrom-bahana amin' ny voalavo. [2.558 #3518]

Ohabolana 37Sakafom-borondolo ka ny alina no miantoka ny antoandro. [2.415 #4318, 2.558 #3791, 1.1]
Sakafom-borondolo: ny alina no miantoka ny andro. [2.653 #2828]
Dikanteny frantsayRepas de chouette; la nuit suffit pour la journée. [1.3]
Repas de hibou : la nuit suffit pour la journée. [2.415 #4318]
Fanazavana frantsayLe voleur se dédommage la nuit de ce qu'il n' a pas gagné par son travail dans la journée. [2.415]
Se dit d'un repas copieux fait le soir et dédommageant de ce que l'on n'a pas mangé le jour. [1.3]

Ohabolana 38Toha-bary tsindrian-tsovok' alina : miandro mialina ihany. [2.415 #3144, 2.558 #4146, 2.653]
Dikanteny frantsayRiz en production d' épis sur lequel tombe tout à coup, la nuit, une pluie abondante : le travail se fait de nuit et de jour. [2.415 #3144]
Fanazavana frantsaySe disait des bonnes occasions. [2.415 #3144]

Ohabolana 39Toha-bary tsindrian-tsovok' alina : voaka ampinga no tsy natao, fa ny fo dia miramirana. [2.415 #3145, 2.653 #3104]
Toha-bary tsindrian-tsovok' alina : voaka ampinga no tsy natao fa ny fo miramirana. [2.558 #4147]
Dikanteny frantsayRiz en production d' épis sur lequel tout à coup, la nuit, tombe une pluie abondante : on ne se réunit pas avec des boucliers pour se réjouir, mais le coeur est dans la joie. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des bonnes aubaines. [2.415 #3145]

Ohabolana 40Tolo-kena alina : vintana no andrasana. [2.415 #3217]
Tolo-kena maty alina : vintana no andrasana. [2.653 #3112]
Tolo-kena maty jiro, ka miandry izay anjara vintana. [2.415 #3218]
Tolo-kena maty jiro, ka vintana no andrasana. [2.165 #90, 2.558, 1.1]
Tolo-kena maty jiro : vintana no andrasana. [2.653 #3112]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny toe-javatra izay ny anjara tokana ihany no mety hahazoana na tsy hahazoana. [1.1]
Dikanteny frantsayDans une distribution de viande faite une fois que la lampe est éteinte, on attend la chance. [2.165]
Lorsque les portions de viande sont faites et distribuées dans la nuit, il faut s' en rapporter au hasard. [2.415 #3217]
Lorsque les portions de viande sont faites et distribuées dans l' obscurité, c' est le hasard qui sert. [2.415 #3218]
Fanazavana frantsaySe disait des partages faits sans aucun privilège. [2.415 #3218]
Se disait des partages faits sans privilège. [2.415 #3217]

Ohabolana 41Tsy zavon-kariva, ka hanafaingana ny aizin' ny alina. [2.558 #4811]

Ohabolana 42Voalavo mandositra andro : mahin' ny fanahy ratsy natao alina. [2.558 #4971]
Voalavo mandositra andro : mahin' ny fanahy ratsy natao halina. [2.653 #3691, 2.415]
Voalavo mihazakazaka andro ka mahina ny ataony. [2.415]
Dikanteny frantsayRat qui court le jour : c' est qu' il craint d' être appréhendé pour ses rapines de nuit. [2.415 #4334]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui n'ont pas la conscience tranquille. [2.415 #4334]

Ohabolana 43Voalavo mihazakazaka alina : tsy ny lalana no mahamaika, fa ny fanahy ratsy atao andro lava no mahamaody. [2.415 #4333, 2.653 #3692]
Voalavo mihazakazaka alina, tsy ny lalana no mahamaika, fa ny fanahy ratsy natao andro lava no mahamaodimaody. [2.558]
Dikanteny frantsayRat qui court la nuit : ce n' est pas qu' il soit pressé par le chemin à parcourir, mais il craint à cause des rapines qu' il fait tout le jour. [2.415 #4333]
Fanazavana frantsaySe dit de ceux qui ont des remords, alors même que leurs mauvaises actions ne sont pas découvertes. [2.415 #4333]

Ohabolana 44Voatamenaka nohanim-boalavo, ka ratsy vava indray alina ihany. [2.558 #5000]
Voatavomenaka nohanim-boalavo: ratsy vava indray alina ihany. [2.653]

Fizahan-teny