Fizahan-teny

Ohabolana : avokoa

Ohabolana 1Adaladala manam-benty, ka izay hita rehetra venty avokoa. [2.165 #1633]
Adaladala nanam-benty: izay hita rehetra venty avokoa. [2.415 #2049, 2.653 #4]
Randranobe nanam-benty, ka izay zavatr' olona mandalo : nday ho ahy venty avokoa. [2.415 #1928]
Dikanteny frantsayBête comme celui qui n' a que seize sous, et tout ce qu' il voit, il veut l' avoir pour seize sous. [2.415 #2049]
Un sot qui avait (un morceau d' argent de) quatre-vingts centimes, tout ce qu' il voyait, il croyait que le prix en était de quatre-vingts centimes. [2.165]
Vieille qui n' a que seize sous : tout ce qu' elle voit, elle le veut pour seize sous. [2.415 #1928]
Fanazavana frantsayAvant la conquête, la monnaie employée à Madagascar n' était autre chose que des morceaux d' argent de toutes grandeurs que l'on obtenait en coupant des piastres ou pièces de 5 francs. Pour savoir la valeur exacte de ces morceaux, il fallait les peser. [2.165]
Se disait des gens à idée fixe, des imbéciles ayant une marotte. [2.415 #1928]
Se disait des simples d' esprit. [2.415 #2049]

Ohabolana 2Aiza ny tany hadina no dia ho mby ao an-karona avokoa ? [2.653 #29, 2.974 #42]
Aiza no tany hadana no ho tonga ao an-karona daholo. [2.558]
Dikanteny frantsayImpossible de mettre dans la corbeille toute la terre que la bêche a fouillée. [2.974 #42]

Ohabolana 3Aiza no dia ho anao avokoa ny valala manatody sy fandria-maraina? [2.165 #671]
Aiza no dia ho anao avokoa ny valala manatody sy ny fandria-maraina? [1.1 #249, 2.653 #28]
Aiza re no dia ho anao avokoa ny valala manatody sy ny fandria-maraina. [2.558]
Ny valala manatody sy ny fandria-maraina ve ho anao daholo? [2.558 #3350]
Fanazavana malagasyTsy ho azonao atao ny hitetika hahazo zava-tsoa roa mifanipaka fa tsy maintsy iray afoinao (Raha tafandry antanàna ny valala, ny valala manatody dia miainga vao maraina, ka izay ta hahazo azy tsy maintsy mamoy ny fandriana maraina). [1.1 #249]
Dikanteny frantsayComment pourriez-vous attraper les sauterelles pondeuses et faire la grasse matinée en même temps? [2.165]
Fanazavana frantsayC' est le matin, alors que leurs ailes sont encore humides de rosée, que les sauterelles sont le plus facile à prendre. [2.165]

Ohabolana 4Akoholahy maneno an-drova, ka samy te-hoderain' ny tompony. [2.558]
Akoholahy maro an-drova : samy ta-haneno avokoa. [2.415 #181, 2.653 #64]
Toy ny akoholahy an-drova : ka tsy vitan' ny miedinedina fotsiny fa te-haneno koa. [2.558 #4249]
Toy ny akoholahy an-drova: samy ta-haneno avokoa. [2.165 #814]
Dikanteny frantsayCoqs nombreux dans un enclos : chacun veut chanter et faire taire les autres. [2.415 #181]
Pareils aux coqs habitant la même cour: ils veulent tous chanter en même temps. [2.165 #814]
Fanazavana frantsaySe disait de l' entourage du souverain, des courtisans qui veulent tous avoir la première place. [2.415 #181]

Ohabolana 5Ara manao famakiloha anaty katsaka: ka izay mitranga rangahy avokoa. [2.165]
Aza manao famakiloha anaty katsaka : izay mitranga rangahy daholo. [2.415 #840, 2.653 #428]
Dikanteny frantsayNe croyez pas qu' il en soit de vous comme des mantes religieuses au milieu des tiges de maïs: toutes celles qui se montrent paraissent également vénérables. [2.165]
Ne faites pas comme les mantes dans un champ de maïs : toutes celles qui paraissent sont grandes. [2.415 #840]
Fanazavana frantsayCe proverbe veut dire qu' il ne faut pas se croire soi-même riche ou instruit par le fait qu' on se trouve clans la compagnie de gens qui le sont. [2.165]
Il ne faut pas vouloir en imposer dans la société ; à chacun sa condition. [2.415 #840]

Ohabolana 6Ataovy toy ny tsimpon-tainomby ny filan-karena : na kely azo, na be azo, ataovy an-karona. [2.415 #2172, 2.653 #315]
Ataovy toy ny tsimpon-tain' omby ny filan-karena: na kely azo, na be azo, ataovy an-karona avokoa. [2.165 #765]
Ataovy toy ny tsimpon-tain' omby ny filan-karena : ny kely azo, atao an-karona, ny be indrindra indrindra. [2.558 #339]
Dikanteny frantsayFaites pour les richesses ce que l' on fait pour la bouse de vache : qu'il y en ait peu ou beaucoup, la corbeille reçoit ce qu' il y a. [2.415 #2172]
Pour vous enrichir, faites comme ceux qui ramassent de la bouse de vache (servant de combustible): que vous en trouviez (c.à.d. de l' argent) peu ou beaucoup, mettez tout dans la corbeille. [2.165]

Ohabolana 7Aza atao lamban’ ny matory: izay mahatsiaro manintona. [2.653 #357]
Aza atao lamban' ny matory, ka izay mahatsiaro misintona avokoa. [2.558 #406]
Aza atao lamban' ny matory, ka izay mahatsiaro mitondra. [2.165 #1091]
Aza atao lamban' ny matory, ka izay mahatsiaro mitondra avokoa. [2.558 #406]
Dikanteny frantsayN' agissez pas comme on fait avec le "lamba" de ceux qui dorment: c' est celui qui se réveille (le premier) qui l' emporte. [2.165]

Ohabolana 8Aza manao amboan-dRainingodona ka izay mitondra kitapo arahina daholo. [2.558 #487]
Aza manao amboan-dReningodona, ka izay mitondra kitapo arahina avokoa. [2.165]
Aza manao toy ny amboan-dReningadona: izay mitondra kitapo arahina daholo. [2.415 #4467, 2.653 #522]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le chien de Reningadona qui suit tous ceux qui portent un sac. [2.415]
Ne faites pas comme le chien de Reningodona qui court après tous ceux qui portent un panier (litt. besace ou sac). [2.165]
Fanazavana frantsayIl espère attraper quelque chose. [2.165]
Se disait des gens simples qu' on gagne facilement par un peu de nourriture. [2.415]

Ohabolana 9Aza manao masoandro avy atsinanana, ka ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana, ka izay mivoha tsidihina avokoa. [2.165 #2208, 2.415]
Aza manao toy ny masoandro avy atsinanana : ny avo ihany no itaingenana; fa manaova toy ny masoandro avy andrefana : izay mivoha (varavarana) tsidihina avokoa. [2.974 #84, 2.653]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le soleil levant qui s'arrête aux sommets élevés ; jailes plutôt comme le soleil couchant : quiconque a la porte ouverte est visité. [2.974 #84]
Ne faites pas comme le soleil venant de l' est qui n' éclaire que les hauteurs; mais faites comme le soleil de l' ouest qui entre par toutes les portes ouvertes. [2.165]
Ne faites pas comme le soleil venant de l' est qui n' éclaire que les lieux élevés, mais faites comme le soleil de l' ouest qui entre par toutes les portes ouvertes. [2.415 #626]
Fanazavana frantsayToutes les anciennes cases ont leur unique porte tournée vers l' ouest. [2.165]
Toutes les portes des maisons étaient tournées vers l' ouest. [2.415 #626]

Ohabolana 10Aza manao papango lahy anaty katsaka, ka tsy misy lahy afa-tsy izaho na izay mivoaka babany avokoa. [2.558 #556]
Papangolahy anaty katsaka, ka izay mivoaka babany avokoa. [2.558 #3478, 1.1]
Papangolahy anaty katsaka ka izay mivoaka rainy avokoa. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny samy mahakinga na mahay ny olona maro mifandimby manao zavatra imasom-bahoaka. [1.1]
Ilazana ny mpifaninana, ka izay miseho mahay daholo. [1.1]

Ohabolana 11Aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa. [2.165 #1805, 2.415 #1274]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas mépriser votre femme, car toutes celles qui sont bien habillées sont belles. [2.165]
Ne méprisez pas votre femme, car toutes celles qui se sont parées sont belles. [2.415 #1274]
Fanazavana frantsayNe vous laissez pas séduire. [2.415 #1274]
Restez fidèle et ne soyez pas séduit par la belle apparence d' autres femmes. [2.165]

Ohabolana 12Be ny goaika fa tsy fantatra izay lahy sy vavy, fa izay homana ny voanjo no tonafana mafy. [2.558 #879]
Be ny goaika, fa tsy fantatra izay lahy sy vavy, fa samy fotsy tenda avokoa izy rehetra ; nefa izay homana ny voanjo ihany no hotonafako mafy. [2.653]

Ohabolana 13Be resaka hoatry ny vavy antitra nisaoram-bady, ka izay hita rehetra dia anokonan-dresaka avokoa. [2.415 #1365]
Dikanteny frantsayBavard comme une vieille femme que son mari a répudiée : tout ce qu' elle voit lui sert à bavardage. [2.415 #1365]

Ohabolana 14Efa resy, ka mbola minaonaona ihany : izay hitany dia ilazany avokoa. [2.415 #3337]
Dikanteny frantsayIl a perdu son procès et cependant il ne fait que clabauder et en entretenir tous ceux qu' il rencontre. [2.415 #3337]
Fanazavana frantsayBattu et pas content. [2.415 #3337]

Ohabolana 15Ho anao avokoa va Ibabay sy Lohavohitra ? [2.415 #2287, 2.165]
Dikanteny frantsayEst-ce que Babay et Lohavohitra seraient à vous également ? [2.415]
Est-ce que Babay et Lohavohitra vous appartiendraient également? [2.165]
Fanazavana frantsayC' était deux montagnes. [2.415 #2287]

Ohabolana 16Hosahanana avokoa va Ibabay sy Lohavohitra ? [2.653]

Ohabolana 17Izaho misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entiko mamy avokoa. [2.653 #1160]
Izaho misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entiko tsy misy mangidy. [2.558]
Misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely : izay entina mamy avokoa. [2.974 #125]
Dikanteny frantsayPorter sous le bras des tiges de canne à sucre, sur le dos des bananes, sur la tête du miel : douceur sur douceur. [2.974 #125]

Ohabolana 18Izay aleha rehetra maneno sahona avokoa: Maromena hahatsiravina, Antsakalava hahatahotra. [2.165]
Izay aleha rehetra maneno sahona : Maromena hahatsiravina, Antsakalava hampihoron-koditra. [2.558]
Dikanteny frantsayPartout où l' on va on entend des grenouilles: à Maromena on en est effrayé, et chez les Sakalava on en est épouvanté. [2.165]
Fanazavana frantsayLes Malgaches n' aiment pas à rencontrer des grenouilles à cause de leurs coassements. Rencontrer des difficultés de tous côtés dans une affaire. [2.165]

Ohabolana 19Izay mahay manana dia manana indroa, fa izay tsy mahay manana, dia foan-tanana. [2.415]
Izay mahay manana dia manan-droa, fa izay tsy mahay manana, dia foana avokoa. [2.415]
Izay mahay manana dia manan-droa; fa raha tsy mahay manana dia foana avokoa. [2.653 #1185]
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny tanan-droa foana avokoa. [2.165 #754]
Izay mahay manana, manan-droa, fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [2.558 #1497]
Raha mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [1.1]
Raha mahay manan-droa, fa raha tsy mahay foan-tanan-droa. [2.558]
Fanazavana malagasyEnti-mampitandrina an' ireo be faniriana loatra ta hahazo betsaka amin' izay ataony nefa mety tsy hahazo na iray amin' iteo aza. [1.1]
Enti-milaza olona be famaritra loatra ka mety hahazo betsaka na tsy hahazo na inona na inona akory. [1.1]
Dikanteny frantsayCeux qui savent tirer parti de ce qu' ils ont le possèdent à double, mais ceux qui ne le savent pas perdent bientôt tout. [2.165]
Savoir garder ce qu' on a et en profiter, c' est le posséder deux fois ; ne pas savoir, c' est le posséder inutilement. [2.415 #2191]

Ohabolana 20Lakana tsy mifidy andriana, fa izay arendriny lena daholo. [2.558 #1685]
Lakana tsy mifidy andriana, fa izay rendrika lena avokoa. [2.415 #291]
Lakana tsy mifidy andriana, ka izay rendrika lena avokoa. [2.165]
Dikanteny frantsayLa pirogue ne connaît pas les princes : tous ceux qui coulent avec elle, sont mouillés sans exception. [2.415 #291]
Une pirogue ne connaît pas le souverain, et quand elle chavire, tous ceux qui y étaient sont mouillés. [2.165]
Fanazavana frantsayTous les transgresseurs de la loi, alors même qu'ils seraient princes, doivent être punis, car la loi est pour tous. [2.415 #291]

Ohabolana 21Malahelo miantsena: izay mangirana rehetra atao ho vola avokoa. [2.415 #2515, 2.653 #1448]
Malahelo miantsena : izay rehetra mangirana toa vola daholo. [2.558 #1916]
Dikanteny frantsayPauvre qui va au marché : tout ce qui brille dans la poussière, il croit que c' est de l' argent. [2.415 #2515]
Fanazavana frantsayIl est ébloui de tout. [2.415 #2515]

Ohabolana 22Manao filohan’ Idrako: ny mitranga, am-bavako avokoa. [2.558 #1992, 2.653 #1535]

Ohabolana 23Mitoto vary lena ka samy miady ho lohany. [2.558 #2484]
Mitoto vary lena : samy miady ho lohany avokoa. [2.653 #1891]

Ohabolana 24Ny anadahy toy ny vody fahitra : na soa na ratsy izay manjo lazaina azy avokoa. [2.415 #1158]
Ny anadahy toy ny vodi-fahitra: na soa na ratsy, izay nanjo lazaina avokoa. [2.165 #1899]
Ny ray aman-dreny toy ny vody fahitra : na soa na ratsy, izay manjo lazaina avokoa. [2.653 #2394]
Ny ray aman-dreny toy ny vody fahitra : na soa na ratsy, izay manjo lazaina azy avokoa. [2.415 #887]
Dikanteny frantsayLe frère est pour sa soeur comme le trou à décharge du parc à boeufs qui reçoit tout : elle lui fait part de tout ce qui lui arrive soit en bien, soit en mal. [2.415]
Le père et la mère c' est comme le fond du parc à boeufs où tout arrive bon ou mauvais : tout vient à eux, le bien et le mal, tout leur est dit. [2.415]
Un frère est (pour une sœur) comme un père et une mère (litt. le trou du parc à bœufs par où s' écoulent les eaux): bien ou mal, on lui dit tout ce qui vous arrive. [2.165]
Fanazavana frantsayBeaucoup de femmes malgaches trouvent qu' un frère est meilleur confident qu' un mari. [2.165]
Ce proverbe disait l' appui que la soeur trouvait chez son frère. [2.415]
Le père et la mère sont des conseillers et des protecteurs ; il ne faut rien leur cacher. [2.415 #887]

Ohabolana 25Ny fanambadiana tahaky ny harongana : izay tsongoina toa mena avokoa. [2.415 #1219]
Ny teny tahaka ny harongana: izay tsongoina mena avokoa. [2.653 #2493]
Ny teny toy ny harongana ka izay tsongoina mena avokoa. [2.558 #3287]
Dikanteny frantsayLe mariage c' est comme l' arbre harongana : partout où on l' entaille il y a du rouge. [2.415 #1219]
Fanazavana frantsayIl y a facilement des disputes dans les ménages. [2.415 #1219]

Ohabolana 26Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona: izay ametrahana azy mety avokoa. [2.653]
Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy mety avokoa. [2.558]
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa. [2.165]
Dikanteny frantsayLes gens honnêtes sont comme une pierre longue servant aux sacrifices: on peut la placer n' importe où, elle exerce toujours son influence. [2.165 #101]

Ohabolana 27Ny sandry be tsy ody aina, ary ny hatanorana tsy ody faty; fa samy ho faty avokoa. [2.653 #2414]
Ny sandry be tsy ody aina, ny hatanorana tsy ody faty, fa samy ho faty avokoa. [2.415 #2909]
Ny sandry be tsy ody aina, ny hatanorana tsy ody mahavelona, fa hetra itovizana ny ho faty. [2.558 #3241]
Dikanteny frantsayLa force n' est pas un talisman qui conserve la vie, la jeunesse n' est pas un talisman contre la mort, mais tout le monde mourra. [2.415 #2909]

Ohabolana 28Ny tetika tsy araka ny atao ary izay voakasa tsy ho vita avokoa. [2.558 #3297]

Ohabolana 29Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty. [2.165 #1928]
Sandry be tsy ody aina, fahatanorana tsy ody faty, tonon' andro, tsy voavidin-karena. [2.558 #250]
Sandry be tsy ody aina, ny hatanorana tsy ody faty ; fa samy ho faty avokoa. [2.653 #2859, 2.974 #167]
Dikanteny frantsayLa vigueur du bras ne retient pas la vie, la jeunesse n’est pas un remède contre la mort : tous doivent mourir. [2.974 #167]
Un grand bras n' est pas de la force; la jeunesse n' empêche pas la mort. [2.165 #1928]

Ohabolana 30Tahaka ny katsaka: izay iainana misy ta-hanimba avokoa: maitso, hanin’ ondry; mibaby, ian-tsampazan’ ny alika; main-dambana, itomanian’ ny ankizy. [2.653 #2959]
Tahaka ny katsaka ka izay iainana misy te-hanimba : maitso hanin' ny ondry, mibaby iantsapazan' ny alika, main-dambana itomanian' ny ankizy. [2.558 #3976]
Tahaky ny katsaka : izay iainana misy ta-hanimba avokoa ; maitso, hanin' ny ondry ; mibaby, iantsampazan' ny alika ; main-dambana, itomanian' ny ankizy. [2.415 #5726]
Dikanteny frantsayC' est comme le maïs : il y a toujours à craindre pour sa vie : encore vert, il est brouté par les moutons ; quand il porte des épis, les chiens sautent après lui ; lorsqu' il est mûr, il excite la convoitise des enfants. [2.415 #5726]
Fanazavana frantsaySe disait des pauvres gens qui sont toujours sur le qui-vive. [2.415 #5726]

Ohabolana 31Vary vokatra eo Ibetsimitatatra : na tompony na tsy tompony, samy mitazana. [2.558]
Vary vokatra eo Ibetsimitatatra : na tsy tompony, na tompony, samy mitsinjo ihany. [2.653]
Vary vokatr' Ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa. [2.165]
Dikanteny frantsayLe riz mûr du Betsimitatatra: propriétaires ou non, tout le monde peut le voir. [2.165]
Fanazavana frantsayParce que le Betsimitatatra est le nom d' une grande plaine couverte de rizières, située au nord ouest de Tananarive, et très visible du haut de cette ville. [2.165]

Ohabolana 32Vorondolo miseho andro, ka izay mahita mipaoka avokoa. [2.415 #179, 2.558 #5045, 2.653 #3748]
Dikanteny frantsayHibou qui se montre le jour : tous ceux qui le voient, fondent sur lui. [2.415 #179]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait par exemple des sorciers honnis de tout le monde, car le hibou était censé l' oiseau des sorciers parce qu' il sort la nuit ; on l' appliquait à tout ce qui faisait horreur. [2.415 #179]

Ohabolana 33Zaza niara-nilalao izahay, antitra niara-nitanina andro, ka izay nalehany hitako avokoa. [2.558 #5095]
Zaza niara-nilalao (izahay); antitra, niara-nitanin-andro, ka izay nalehany hitako avokoa. [2.653]

Fizahan-teny