Fizahan-teny

Ohabolana : voa

Ohabolana 1Aza manao bolokilahy homam-boan-tseva: fy ny atsy, fy ny aroa. [2.165 #517]
Aza manao bolokilahy homam-boan-tseva : fy ny atsy, mamy ny aroa. [2.653 #423]
Boloky homam-boan-fy ny atsy mamy ny aroa. [2.558 #64]
Bolokilahy homam-boan-tseva: fy ny atsy, mamy ny aroa. [1.1]
Bolokilahy homam-boan-tseva ka mamy ny atsy, fy ny aroa. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona sady mifankahazo amin' ny atsy no mifankahazo amin' ny aroa. [1.1]
Ilazana ny tia roa ka sady tia ny ventiny no tia ny rony, sady tsy mahafoy ny eo an-tanana no mankamamy ny any ivelany. [1.1]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le perroquet mangeant des baies de "seva" ci et là et qui trouve les unes bonnes, et les autres délicieuses. [2.165]
Fanazavana frantsayDésigne les gens au cœur partagé ou inconstants. [2.165]

Ohabolana 2Aza misambo-boa tsy latsaka. [2.558 #788, 2.653 #635]
Misambo-boa tsy latsaka. [2.415 #6176]
Dikanteny frantsayPrendre un fruit avant qu'il tombe. [2.415 #6176]
Fanazavana frantsaySe disait des gens trop pressés en affaires. [2.415 #6176]

Ohabolana : voa

Ohabolana 1Aja mivala am-panjea : voa ty babañe, voa ty reneñe. [1.68]
Dikanteny frantsayL'enfant qui fait ses besoins au lit : il touche le père ou la mère. [1.68]

Ohabolana 2Anarin-tsy zaka, ka voa vao manao hoe: Nankaiza ny tanteliko teto ? [2.974 #213, 2.653]
Dikanteny frantsayS’entêter malgré les remontrances et se plaindre ensuite : Où donc a disparu le miel que j’avais ici ? [2.974 #213]

Ohabolana 3Aza manakora voa. [2.415 #2692]
Dikanteny frantsayNe huez pas celui qui est atteint, car la même chose peut vous arriver. [2.415 #2692]

Ohabolana 4Aza manao fisoro-baton' ilay jamba : voa vao mihilana. [2.415 #6213]
Aza manao fisoro-baton' ilay jamba : voa vao taitra. [2.415 #6213]
Manao fisoro-baton' ilay jamba : voa vao mihilana. [2.558 #1993]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme l' aveugle qui veut esquiver une pierre : il est atteint avant de se baisser. [2.415 #6213]
Fanazavana frantsaySe disait du manque de prévoyance. [2.415 #6214]

Ohabolana 5Aza manao fisoro-totozy : voa vao mihilana. [2.415 #6214]
Aza manao fisoro-totozy : voa vao mitsipika. [2.165 #1138, 2.653 #442, 2.415]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme la souris qui veut s' esquiver, et qui est prise avant d' avoir sauté. [2.415 #6214]
Ne vous garez pas comme une souris: elle est frappée avant de se sauver. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait du manque de prévoyance. [2.415 #6214]

Ohabolana 6Aza mandoa lasiray raha voa famaky. [2.165 #1693, 2.415 #5981]
Aza mandoa lasiray raha voan' ny famaky. [2.558 #666]
Dikanteny frantsayNe payez pas encore trente centimes quand on vous a donné un coup de hache. [2.415 #5981, 2.165]
Fanazavana frantsayC' est vous qui devriez recevoir une compensation! [2.165]
Exigez un dédommagement. [2.415 #5981]

Ohabolana 7Aza misorom-bady an-trano, fa ny tena ihany no ho trany. [2.165 #1798, 2.653]
Aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany no trany. [2.558 #780]
Misorom-bady an-trano, ka ny tena ihany no ho trany. [2.415 #1301]
Misorom-bady an-trano ka ny tena ihany no tràny (voa). [2.558 #2414]
Misorom-bady an-trano ka ny tena ihany no voa. [1.1]
Misorom-bady an-trano: ny tena ihany no ho trany. [2.653]
Fanazavana malagasyRaha misy kilemam-bady nefa tsy lazaina azy mba hialany dia ny tena ihany no ho afa-baraka. [1.1]
Dikanteny frantsayAvoir trop de condescendance pour son conjoint, c' est s' attirer malheur à soi-même. [2.415 #1301]
Avoir trop de condescendance pour son époux ou épouse, c'est s'attirer du malheur sur soi-même. [1.3]
Ne soyez pas trop indulgent envers votre époux (ou épouse), sinon c' est vous-même qui en souffrirez. [2.165]
Fanazavana frantsayUn tel ménage finira mal ; sens plus général : on est victime du mal qu' on s' est attiré. [2.415 #1301]

Ohabolana 8Aza mitady izay tsy hihavanana, ka mila fary iray vany. [2.653 #647]
Aza mitady izay tsy hihavanana ka mitady voa tsy àry. [2.558 #786]

Ohabolana 9Aza mitsako tsy re ka kenda vao dony aho Ranaotra. [2.558 #805]
Mitsako tsy re ka kenda vao: "Dony aho ranaotra". [2.165 #1098, 2.558 #2496, 2.974 #221, 1.1]
Mitsako tsy re ka voa vao dony aho, ranaotra. [1.1]
Mitsako, tsy re, kenda vao hoe : " dony aho, ranaotra " . [2.415 #5392]
Fanazavana malagasyEnti-milaza irony olona mifaly irery raha misy soa azony, fa miantso ny hafa kosa rehefa nisy nahavoa azy. [1.1]
Enti-milaza olona nanana zavatra an-kinafinafina, kanjo nony nisy nahavoa azy, niantso vonjy amin' olona. [1.1]
Entina handatsana ireo olona nanao zavatra an-tsokosoko ka nony tojo ny mafy vao mibabababa mitady vonjy. [1.1]
Raha sendra zava-tsoa ny tena, mihinan-drery, fa raha misy mahavoa kosa, miantso vahoaka. [1.1]
Dikanteny frantsayMâcher en secret, et appeler au secours quand on s' étrangle, demandant qu' on frappe sur la nuque. [2.415 #5392]
Mâcher sans bruit, et appeler à son aide une fois qu’on a avalé de travers. [2.974 #221]
Manger (mâcher) sans bruit, mais quand on s' étrangle, s' écrier, "Eh! tapottez-moi, beau-frère" . Ceci est un reproche, car il est impoli pour les Malgaches de manger sans bruit chez les autres; il faut en faire, au contraire, pour montrer qu' on apprécie ce qu' on vous sert. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gourmands, des égoïstes qui ne pensent aux autres que lorsqu' ils en ont besoin. [2.415 #5392]

Ohabolana 10Dakan' Ambohimanarina ka ny mpitan-damba avy no voa. [2.558 #972]
Diamangan’ Ambohimanarina : ny mpitan-damba avy no voa. [2.653 #830]

Ohabolana 11Diamangan-dRainisima : ny lavo mitsilany, voa vao manala vava. [2.415 #6497, 2.653 #832]
Diamangan-dRainisima : ny lavo mitsilany, voa vao miala vava. [2.558 #977]
Dikanteny frantsayCoups de pied de Rainisima : celui qui tombe demande grâce, c' est une fois atteint qu' on a de bonnes paroles. [2.415 #6497]
Fanazavana frantsayLa lutte à coups de pied était un jeu très en usage. [2.415 #6497]

Ohabolana 12Fandrik' akanga mahavoa manditra, ka ny vandana tsy izy no aseho. [2.415]
Fandrik' akanga mahavoa manditra, ka ny vandana tsy izy no voa. [2.415]
Fandrik' akanga nahavoa manditra: ny vandan-tsy izy no voa. [2.165 #957, 2.653 #920]
Fandrik’ akanga nahavoa mandotra, vandan-tsy izy. [1.147 #F10, 2.165]
Fanazavana malagasyFandrik' akanga nahavoa mandotra: samy vandana ihany fa tsy izy. [2.165]
Dikanteny frantsayLe piège à pintades qui attrapa un serpent: c' est l' animal tacheté qui n' était pas le bon qui a été pris. [2.165]
Piège à pintade qui prend un gros serpent, et on montre la fausse couleur. [2.415 #4918]
Fanazavana frantsayDire que l' on a pris un serpent et le montrer, et garder pour soi la pintade. Se disait des trompeurs qui montre le faux et cache le vrai. [2.415 #4918]

Ohabolana 13"Fara fahitana izao" , hoy ilay voa bala amin' ny masony. [2.165 #2050]
Fara fahitana izao," hoy ilay voa basy amy ny masony. [2.653 #932]
"Fara fahitana izao" hoy ilay voa basy amin' ny masony. [2.415 #2787]
Dikanteny frantsayC' est pour la dernière fois que je vois, dit celui qui a reçu un coup de fusil dans l' oeil. [2.415]
"J' ai fini d' y voir" , dit celui qui vient de recevoir une balle dans l' œil. [2.165 #2050]
Fanazavana frantsayAnalogue au français : voir trente-six chandelles. [2.415 #2787]

Ohabolana 14Hady voangorin' Ifiadanamanga : zara fa tsy ny lohany no voa. [2.415 #2078, 2.653 #998]
Hady voangorin' Ifidianamanga : zara fa tsy ny lohany no voa. [2.558 #1236]
Dikanteny frantsayC'est un raisonnement de sot. [2.415 #2078]
Fanazavana frantsayIfiadanamanga piochant des hannetons : heureusement, dit-il, que ce n' est pas la tête qui a reçu un coup de bêche. [2.415 #2078]

Ohabolana 15Ilay jamba notorahana ka efa voa vao misikina. [2.415 #6226]
Dikanteny frantsayC' est comme cet aveugle à qui on a jeté une pierre : il est atteint avant de s' esquiver. [2.415 #6226]
Fanazavana frantsayIl faut prévoir. [2.415 #6226]

Ohabolana 16Kapila voahitsak' Ikala: voa vao mitefoka. [2.165]
Kapila voahitsak' ikala : voa vao mitofefika. [2.415 #6228]
Dikanteny frantsayTêt de calebasse foulé aux pieds : c' est quand il est pris qu' il commence à gémir. [2.415 #6228]
Un tesson sur lequel marche Ikala: c' est lorsqu' il se brise qu' il fait entendre un craquement (pas avant). [2.165]
Fanazavana frantsaySe dit des imprévoyants, qui gémissent, mais trop tard. Le têt de calebasse, en se brisant, fait du bruit. [2.415 #6228]

Ohabolana 17Kapoka alikan-dRainibelanonana : voa ny tongony, voa ny tanany. [2.558]

Ohabolana 18Lahiantitra kendam-bodiakoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso, tonga ny valim-pitia vao voan' ny totohondry any an-katony. [2.558 #1668]
Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry any an-katony. [2.653]

Ohabolana 19Lavanify latsaka an-kady, na voa mafy aza mbola mitsiky ihany. [2.558 #1762]

Ohabolana 20Mamandrika akoho atsimon-trano, ka ny any tena ihany no voa ka maty, ka maka alahelo ho any ny tena. [2.653]
Mamandrika akoho atsimon-trano, ka ny an' ny tena ihany no voa. [2.558 #1941]
Mamandrika akoho atsimon-trano, ka ny an' ny tena ihany no voa ka maty, ka maka alahelo ho an' ny tena. [2.415 #5002]
Dikanteny frantsayQuand on tend des pièges à poules au sud de la maison, on y prend ses propres poules ; elles meurent, et c' est pour soi qu' on rencontre le malheur. [2.415 #5002]
Fanazavana frantsaySe prendre à son propre piège. Les volailles étaient toujours à l' angle sud-est de la maison. [2.415 #5002]

Ohabolana 21Manao fisorok’ ilay jamba : voa vao mihilana. [2.653 #1536]

Ohabolana 22Maso voan' ny sakay, ka ny sisa no tandremana tsara. [2.558 #2162]
Maso voan-tsakay ka ny sisa no tandremana. [2.415, 1.1]
Maso voa sakay, ka ny sisa no tandremana. [2.165 #1133]
Maso voa sakay : ny sisa no tandremana. [2.974 #269]
Maso voa sakay : ny sisa no tandremo tsara. [2.653]
Fanazavana malagasyRaha indray mandeha no voan-javatra, mitandrina mafy tsy ho voa intsony amin' ny sisa. [1.1]
Dikanteny frantsayOeil atteint par le piment : faites attention à l'avenir. [2.415]
Quand le piment vous est entré dans les yeux, il ne reste qu’à s’en préserver à l’avenir. [2.974 #269]
Quand on a eu les yeux piqués par le piment (une fois), on est sur ses gardes à l' avenir. [2.165]
Fanazavana frantsayUne fois atteint il est trop tard, mais il faut être sur ses gardes pour l'avenir. [2.415 #2721]

Ohabolana 23Matin-kenamaso, ka homam-barim-boka. [2.415 #6306, 1.1]
Matin-kenamaso, ka homan-kanina voa mosavy. [2.415 #6305]
Matin-kenamaso ka mihinam-barim-boka. [2.165 #1118, 2.558 #2180, 2.653 #1678]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona apanaikinaiky foana noho ny henatra, na dia zava-dratsy aza no atolotra azy. [1.1]
Dikanteny frantsayPar fausse honte, il mange le riz d' un lépreux. [2.165]
Victime du respect humain, il mange des mets ensorcelés. [2.415 #6305]
Victime du respect humain, il mange les restes de riz d' un lépreux. [2.415 #6306]
Fanazavana frantsayRefuser de manger avec quelqu' un est très impoli; pour ne pas l'être, on mange avec un lépreux, ce qui est regardé avec horreur; de deux maux, choisir non le moindre, mais le pire. [2.165]
Se disait des gens qui s'exposent imprudemment par respect humain. [2.415 #6306]
Se disait du respect humain. [2.415 #6305]

Ohabolana 24Miaramila voatifitra amy ny sangany : voa amy ny nanaovana azy. [2.653 #1732]
Miaramila voatifitra amin' ny sangany : voa amin' ny nanaovana azy. [2.415 #441, 2.558 #2268]
Dikanteny frantsaySoldats visés au toupet : ils sont pris à ce qui a été fait pour cela. [2.415 #441]
Fanazavana frantsaySe disait pour se moquer du toupet de cheveux des soldats ; jusqu' à Radama I les soldats portaient les cheveux longs et tressés ; Radama leur ordonna de couper leurs cheveux et de ne porter qu' un petit toupet. [2.415 #441]

Ohabolana 25Mipapapapa ohatra ny maso voarehoka. [2.558]
Mipapapapa ohatra ny maso voa sakay. [2.165]
Mipapapapa toy ny maso voarehoka. [2.415 #5810, 2.653 #1803]
Dikanteny frantsayEmbarrassé comme un oeil qui a reçu un crachat. [2.415]
Marcher en tâtonnant comme quelqu' un qui a du piment dans les yeux. [2.165 #1048]

Ohabolana 26Nahoana no moramorai-miteny ka mikorapaka hamonjy ny voa ? [2.558 #183]

Ohabolana 27Ny fanompoana hoatry ny tsangan' akoho, ka izay be fitranga ihany no voa. [2.415 #384]
Ny fanompoana ohatra ny tsangan’ akoho, ka izay be fitranga ihany no voa. [2.653]
Ny fanompoana toy ny tsangan' akoho, ka izay be fitranga ihany no voa. [2.558 #191]
Dikanteny frantsayLa corvée est comme le jeu aux poules mises en terre : plus la partie de la poule qui sort de terre est grande et plus elle est exposée à être atteinte par les coups de pierre. [2.415 #384]
Fanazavana frantsayLes gens qui ne savent pas s' esquiver mais se montrent, sont pris pour la corvée. [2.415 #384]

Ohabolana 28Ny kely no manao, ka ny lehibe no voa. [2.415 #784]
Dikanteny frantsayCe sont les petits qui l' ont fait, et ce sont les grands qui en subissent les conséquences. [2.415 #784]
Fanazavana frantsayLes chefs sont responsables des actions de leurs subordonnés. [2.415 #784]

Ohabolana 29Ny voa famaky indray no mandoa efatra ambatry. [2.415 #3362]
Dikanteny frantsayCelui qui reçoit le coup de hache est condamné à payer cinq sous. [2.415 #3362]
Fanazavana frantsayDans un procès, le perdant est condamné à payer les frais. [2.415 #3362]

Ohabolana 30Ny voa tsy hendry, ny azony adala. [2.415 #2045, 2.653 #2482]
Dikanteny frantsayCelui qui est atteint par le malheur n' est pas sage, celui qui est saisi par l' adversité est un fou. [2.415 #2045]
Fanazavana frantsayAinsi jugeaient les Malgaches. [2.415 #2045]

Ohabolana 31Papelika an-kady, sorohitra an-tanety : topazako ny voa mahagaga, ka sady gaga no talanjona. [2.653 #2595, 2.415]
Papelika an-kady, sorohitra an-tanety : tsipazako ny voa mahagaga ka sady gaga no talanjona. [2.558]
Dikanteny frantsayCailles de fossés et alouettes de coteaux : je leur jette de la graine mirifique, et elles sont étonnées et elles tombent en admiration. [2.415 #5775]
Fanazavana frantsaySe disait des personnes qui se laissent duper, des femmes qui se laissent séduire. [2.415 #5775]

Ohabolana 32Rafotsibe no very sira, ka Rangahibe no voa tahamaina. [2.415 #1921, 2.165]
Rafotsibe no very sira ka Rangahibe no voa tehamaina. [2.558 #3534]
Dikanteny frantsayLa vieille a perdu son sel, et c' est son mari qui reçoit un soufflet (à cause de cela). [2.165]
La vieille a perdu son sel et c' est son mari qui reçoit un soufflet. [2.415 #1921]

Ohabolana 33"Raikitra terý izao!" hoy ilay voa bala tamin' ny feny, "fa afaka ho borozano aho raha tonga" . [2.165]
Raikitra tery izao hoy ilay voa bala tamin' ny feny, fa afaka ho borizano aho raha tonga. [2.415 #448]
Raikitra tery izao, hoy ilay voan' ny bala teo amin' ny feny, fa afaka ho borizano raha tonga. [2.558 #3689]
Dikanteny frantsay "Çà y est" , s' écrie le soldat atteint d' une balle à la cuisse, "je serai exempté du service une fois arrivé" . [2.165]
C' est fait, dit le soldat qui vient de recevoir une balle à la cuisse, à mon arrivée je serai exempté du service militaire. [2.415 #448]
Fanazavana frantsayBienheureuse balle qui, tout en lui laissant la vie, le fera dispenser du service forcé et non rétribué! [2.165]
Bonheur d' échapper à la corvée. [2.415 #448]

Ohabolana 34Saro-babay, ka izay voa aza tezitra. [2.165 #354, 2.415 #3365, 2.558 #3840, 2.653 #2863]
Dikanteny frantsayCe n' est pas ma faute : que celui qui est frappé ne se mette pas en colère. [2.415 #3365, 2.165]
Fanazavana frantsayExpression dont se servait celui qui venait désigner ceux qui devaient boire le tanguin. [2.165]
Paroles dites par celui qui venait désigner les personnes devant boire le tanguin. [2.415 #3365]

Ohabolana 35Setroky ny kitay nalainy. [1.1]
Fanazavana malagasyVoan' ny nataony ihany. [1.1]

Ohabolana 36Soro-baton’ ilay jamba: efa voa vao mihilana. [2.653 #2941, 2.974]
Soro-baton' ilay jamba, ka efa voa vao mihilana. [2.558 #258]
Soro-baton' ilay jamba, ka voa vao mihilana. [2.165 #1141]
Dikanteny frantsayAveugle qui charge une pierre sur son épaule : il n'écarte sa tête qu’une fois le choc senti. [2.974 #458]
Un aveugle cherchant à éviter une pierre (qu' on lui lance): il est atteint avant de se garer. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne peut savoir de quel côté viennent les pierres que quand il a été touché. [2.165]

Ohabolana 37Tandrok’ aombin-dRabehasina : ny voa 'ndraika saronan-doza. [1.147 #T34]

Ohabolana 38Tavin' angidina ka ny tratrany no voa aloha. [2.558 #4114]

Ohabolana 39Totohondry diavolana : izay mazava ray ihany no voa. [2.558 #280]
Totohondry diavolana : ny mazavaray ihany no voa. [2.165 #2038, 2.415 #3524, 2.653]
Dikanteny frantsayDes coups de poing au clair de lune: seuls ceux qui ont le front découvert en sont atteints. [2.165]
Pugilat au clair de lune : c' est celui qui a le front large et brillant qui est frappé. [2.415 #3524]
Fanazavana frantsayParce que, comme ils ont le front découvert et brillant, ce sont eux qu' on voit le mieux. [2.165]
Se disait des gens donnant prise à la dispute. [2.415 #3524]

Ohabolana 40Tsy mety raha ny voa famaky indray no mandoa lasiray. [2.415 #3374, 2.653 #3481]
Tsy mety raha ny voan' ny famaky kosa no handoa lasiray. [2.558 #4667]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas que celui qui reçoit le coup de hache et perd son procès, paie encore six sous pour les frais. [2.415]

Ohabolana 41Voa mirindra, voa miandalana, ka izay mahatsangy no zaza. [2.165 #1923, 2.415 #1011]
Voa mirindra, voa miantaha : ka izay mahatsangy no zaza. [2.558 #4986]
Dikanteny frantsayDes graines alignées, des graines arrangées, ce sont ceux qui font honneur à leurs parents qui sont les (vrais) enfants. Les enfants sont comparés à des graines, et de même que toutes les graines ne réussissent pas, tous les enfants ne font pas honneur à leur famille. [2.165]
Graines alignées, graines arrangées ; ce sont ceux qui font honneur aux parents qui sont les vrais enfants. [2.415 #1011]

Ohabolana 42Voa nahantona, voa naraviravy, izay ipetrahan’ ny aloha no ipetraban’ ny aoriana. [2.653 #3685]
Voa nahantona, voa naraviravy : izay ipetrahan' ny aloha no ipetrahan' ny aoriana. [2.415 #2263]
Voa nahantona, voa naraviravy : izay ipotrahan' ny aloha, no ipotrahan' ny aoriana. [2.558 #4987]
VoaVoa nahantona, voa naraviravy: ka izay ipotrahan' ny aloha no ipotrahan' ny aoriana. [2.165 #1032]
Dikanteny frantsayFruits accrochés, fruits suspendus : là où sont les premiers, sont aussi les autres. [2.415 #2263]
Fruits suspendus, fruits pendillants : où le premier tombe (en se détachant), les autres tombent aussi. [2.165]
Fanazavana frantsayCorrespond au proverbe français: "tel père tel fils" . [2.165]
Se disait des riches qui gagnent toujours davantage. [2.415 #2263]

Ohabolana 43Voan’ angivy ny olombelona : tsy miarak’ antitra. [1.147 #V71]

Ohabolana 44Zaza mivalana am-pandriana : voa rainy, voa reniny. [2.415 #1016, 2.653 #3777]
Dikanteny frantsayEnfant qui fait ses ordures au lit : son père et sa mère en sont atteints. [2.415 #1016]
Fanazavana frantsayLes fautes des enfants atteignent les parents. [2.415 #1016]

Fizahan-teny