|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : harena

Ohabolana 1Aleo mandao ny harena, toy izay ilaozany. [2.415 #2164]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux laisser les richesses que d' être abandonné par elles. [2.415 #2164]
Fanazavana frantsayLe sens est qu' il faut les conserver jusqu' à la mort. [2.415 #2164]

Ohabolana 2Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana. [2.415 #4103, 1.1]
Aleo very tsikalakalan-karena, toy izay very tsikalakalam-pihavanana. [2.165 #171, 2.653 #114]
Fanazavana malagasyAleo very vola toy izay tapaka fihavanana; nentin' ny Ntaolo hilazana fa ny fihavanana dia zavatra sarobidy miohatra noho ny vola. [1.1]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux perdre son argent que de perdre les usages et les détails qui maintiennent et fortifient l'union et l' amitié. [2.415 #4103]
Il vaut mieux que ce soit la bourse qui souffre un peu, plutôt que les amitiés. [2.165]

Ohabolana 3Andevolahy mamahy reniomby, ka mamindra fo, fa samy haren' olona : ny omby "aza mifidy vilona", ny andevo "aza maka ny ratsy". [2.415 #511]
Andevolahy mamahy reniomby, ka mifamindra fo, fa samy haren’ olona: ny omby aza mifidy vilona, ny andevolahy aza maka ny ratsy. [2.653 #180]
Dikanteny frantsayEsclave engraissant une vache : il faut qu' ils aient pitié l' un de l' autre, puisque tous deux sont des biens d' autrui ; que la vache ne choisisse pas l'herbe, que l'esclave ne ramasse pas d' herbe mauvaise. [2.415 #511]
Fanazavana frantsayLes malheureux doivent s' entendre et s' entraider. [2.415 #511]

Ohabolana 4Ao ihany ny andro mahory na be aza ny harena. [2.558 #316]

Ohabolana 5Aoka atao resaka, fa raha atao ady, mandany fananana. [2.415 #3328]
Aoka hatao resaka fa raha ady mandany harena. [2.558 #324]
Aoka hatao resaka, fa raha atao ady, mandany fananana. [2.165 #1084]
Dikanteny frantsayEssayons de causer, car si nous plaidons, nous y laisserons nos biens. [2.415 #3328]
Tâchons de nous entendre, car si nous nous mettons en procès, nous y perdrons notre bien. [2.165 #1084]

Ohabolana 6Ataonao ho haren' ny maty momba angaha no tabatabainao ? [2.415 #3192]
Dikanteny frantsayPensez-vous que ce soient là des richesses de quelqu' un qui est mort sans enfant, pour faire tant de tapage et de réclamations ? [2.415 #3192]
Fanazavana frantsaySe disait dans les partages ; à la mort des gens sans enfants, il y avait ordinairement beaucoup de difficultés. [2.415 #3192]

Ohabolana 7Ataovy toy ny tsimpon-tainomby ny filan-karena : na kely azo, na be azo, ataovy an-karona. [2.415 #2172, 2.653 #315]
Ataovy toy ny tsimpon-tain' omby ny filan-karena: na kely azo, na be azo, ataovy an-karona avokoa. [2.165 #765]
Ataovy toy ny tsimpon-tain' omby ny filan-karena : ny kely azo, atao an-karona, ny be indrindra indrindra. [2.558 #339]
Dikanteny frantsayFaites pour les richesses ce que l' on fait pour la bouse de vache : qu'il y en ait peu ou beaucoup, la corbeille reçoit ce qu' il y a. [2.415 #2172]
Pour vous enrichir, faites comme ceux qui ramassent de la bouse de vache (servant de combustible): que vous en trouviez (c.à.d. de l' argent) peu ou beaucoup, mettez tout dans la corbeille. [2.165]

Ohabolana 8Atodibe, ka raha tsy loza, harena. [2.415 #5747]
Dikanteny frantsayOeuf d' une grosseur extraordinaire : si ce n' est pas un signe de malheur, c' est un présage de bon augure et de richesses. [2.415]
Fanazavana frantsayTout phénomène attirait l' attention superstitieuse des Malgaches. Ce proverbe se disait aussi des grandes entreprises, où bénéfices et pertes pouvaient être importants. [2.415 #5747]

Ohabolana 9Aza atositosika ny ondry botry, fa tsy fantatra izay hanao kambana. [2.558 #433, 1.1]
Aza atositosika ny ondry botry, fa tsy hita izay ho fara harena. [2.415 #2689]
Fanazavana malagasyAoka tsy hanao tsinontsinona ny kely sy ny madinika fa mety ho izy ireny aza no hahitan-tsoa. [1.1]
Aoka tsy hatao tsinontsinona ny olona na zavatra heverina ho kely na madinika, fa mety ho ireny no hahitan-tsoa. [1.1]
Entimilaza fa tsy tokony hatao tsinontsinona ireo jerena toa kelikely na mavomavo fa mety ho izy ireny no hahavita zavatra. [1.1]
Dikanteny frantsayNe repoussez pas les brebis chétives, car vous ne savez pas en définitive quel sera votre dernier bien et ce que vous aurez pour dernière ressource. [2.415 #2689]
Fanazavana frantsaySe disait des vicissitudes de la vie et de l'inconstance de la fortune. [2.415 #2689]

Ohabolana 10Aza manao fo milafi-karena. [2.415 #2176, 2.558 #37]
Aza manao fo milafin-karena. [2.165 #791, 2.653 #447]
Dikanteny frantsayNe comptez pas sur vos richesses pour tout oser et vous croire tout permis, comme si votre coeur ne se reposait que sur les richesses. [2.415]
Que votre cœur ne se confie point dans les richesses. [2.165 #791]

Ohabolana 11Aza manao tovolahy tia daka : ny andro hiainana mbola ho lava, fa ny tovon-karena ho lany. [2.415 #1559]
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa ny tovon-kerena ho lany. [2.165 #1930]
Aza manao tovolahy tia daka : ny andro iainana mbola ho lava, ny tovon-karena ho.lany. [2.558 #599]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le jeune homme qui aime le jeu : il a encore de longs jours à vivre, mais ses biens seront vite épuis. [2.415 #1559]
Ne soyez pas comme un jeune homme qui aime le jeu: il a encore longtemps à vivre, mais sa fortune sera vite épuisée. [2.165]

Ohabolana 12Aza midera harena fa nitera-dahy. [2.165 #789, 2.415 #2352, 2.558 #736]
Dikanteny frantsayNe vous vantez pas de vos biens, car vous avez un fils, lequel, peut être, les gaspillera bientôt. [2.165 #789]
Ne vous vantez pas de vos richesses car vous avez un fils. [2.415 #2352]

Ohabolana 13Aza ny voro-damba latsaka no antenain-ko harena. [2.165 #744]
Tsy mety raha voro-damba latsaka no antenain-ko harena. [2.415 #2569, 2.558 #303, 2.653 #3499]
Dikanteny frantsayN' attendez pas la fortune d' un haillon tombé. [2.415 #2569]
N' espérez pas voir des chiffons tombés se transformer en richesse. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait de ceux qui se servaient de tout pour disputer et faire des procès ; il se disait aussi de ceux qui gardaient les objets trouvés et ne les rendaient pas aux propriétaires. [2.415 #2569]

Ohabolana 14Aza tsy tia olona, fa ny olona no harena. [2.165 #210, 2.653 #722]
Dikanteny frantsayQue les hommes ne vous soient pas indifférents, car c' est la richesse. [2.165]

Ohabolana 15Boka manankarena, ka ny hafaliana tsy mahatsindry ny alahelo. [2.415 #1954, 2.653 #780]
Boka manankarena, ka ny harena tsy mahaleo ny alahelo. [2.558 #911]
Dikanteny frantsayLe lépreux peut devenir riche, mais aucune joie ne saura tempérer sa tristesse. [2.415 #1954]
Fanazavana frantsayIl ne peut y avoir de joie pour le lépreux. [2.415 #1954]

Ohabolana 16Boka mikavina : tsy haingo fa fitahirizam-pananana. [2.415]
Boka mikavina : tsy haingo fa fitahirizan-karena. [2.558 #920, 2.415]
Boka mikavina : tsy haingo, fa fitehirizan-karena. [2.165 #2022, 2.653 #793]
Dikanteny frantsayFemme atteinte de la lèpre et qui porte des boucles d' oreille : ce n' est pas pour se parer, c' est pour conserver ce qu' elle a. [2.415 #1968]
Un lépreux portant des boucles d' oreilles: (pour lui) ce ne sont pas des ornements, mais une manière de conserver ses richesses. [2.165]
Fanazavana frantsayIl a peut-être hérité ces boucles, et si de les porter ne change rien à sa laideur, du moins elles ne seront pas perdues. [2.165]
Se disait des gens riches mais laids, qui ne trouvaient pas à se marier. [2.415 #1968]

Ohabolana 17Filan-karena madio, hoatry ny volan' ny mpampivelona. [2.415 #2180]
Filan-karena madio, ohatra ny volan’ ny mpampivelona. [2.653]
Filan-karena madio tahaka ny volan' ny mpampivelona. [2.558 #1160]
Dikanteny frantsayManière honnête de s' enrichir, comme la paie de la sage-femme. [2.415 #2180]

Ohabolana 18Hanafin-kanina amin-dray : fa iza indray no tokony hihinana? [2.558 #1262]
Hanafin-kanina amin-dray, iza indray no tokony hihinana? hanafin-karena amin-janaka, iza no tandrifiny handova? [2.415 #968, 2.653 #1018]
Hanafin-karena amin-janaka : fa iza indray no tandrifin' ny handova? [2.558 #1263]
Dikanteny frantsayOn cache des provisions à son père : qui donc est plus digne de les manger ? on cache des trésors à son fils : qui donc est plus digne d' hériter? [2.415 #968]
Fanazavana frantsayNécessité de la bonne entente dans les familles. [2.415 #968]

Ohabolana 19Hani-bary tsy harena. [2.415 #2182, 2.653 #1029]
Hani-bary tsy mba harena. [2.558 #1269]
Ny hani-bary tsy mba harena. [2.165 #739]
Dikanteny frantsayLe parfum du riz bien cuit n' enrichit pas. [2.415 #2182]
Le parfum du riz (cuit) n' est pas encore la richesse. [2.165 #739]
Fanazavana frantsayUne jouissance présente ne doit pas faire oublier un plus grand bien. [2.415 #2182]

Ohabolana 20Hanin-karena. [2.415 #2183]
Dikanteny frantsayCelui qui est dévoré du désir d' être riche, expose sa vie pour s' enrichir. [2.415 #2183]

Ohabolana 21Hanin-karena Itsiandrainazy : dobo telo ka atao indray manosika ihany. [2.415 #3798]
Hanin-karenan' Itsitiandrainazy : dobo telo ka atao indray manosika. [2.558 #1273]
Hanin-karen' Itsiandrainazy: dobo telo ka atao indray manosika ihany. [2.165 #766]
Dikanteny frantsayEnvie de s' enrichir d' Itsiandrainazy, l' homme résolu : il pêche dans trois étangs à la fois. [2.415 #3798]
Le désir de s' enrichir d' un homme résolu: il pêche dans trois étangs à la fois. [2.165]

Ohabolana 22Harena an-tsiraka. [2.415 #2184]
Dikanteny frantsayIncertains sont les biens qu' on possède au loin, au bord de la mer. [2.415 #2184]
Fanazavana frantsaySe disait des richesses faciles à perdre. [2.415 #2184]

Ohabolana 23Harena avalan-drano sahala amin' ny vola amidy savony. [2.558 #1278]
Harena mivalan-drano, tahaka ny vola amidy savony. [2.653 #1035, 2.974 #246]
Harena mivalan-drano, tahaky ny vola amidy savony. [2.415 #2364]
Dikanteny frantsayArgent jeté à l' eau, c' est comme l' argent qui sert à acheter le savon. [2.415 #2364]
Richesse jetée à l’eau, comme l’argent donné pour acheter du savon. [2.974 #246]

Ohabolana 24Harena azo tamin' ny anjombona, rava tamin' ny horakoraka. [2.558 #85]

Ohabolana 25Ingahibe mampirafy : tsy filan-karena fa fanitaran-kibo. [2.558 #1437]
Ingahibe nampirafy : tsy filan-karena, fa fanitaran-kibo. [2.415 #1422, 2.653 #1138]
Dikanteny frantsayPauvre vieux qui prend une seconde femme : ce n' est certes pas le désir des richesses qui le pousse, c' est son coeur qui s' élargit par la passion. [2.415]

Ohabolana 26Izay lany haren-dany haingo. [2.415]
Raha lany harena, lany haingo. [2.165 #783]
Raha lany haren-dany haingo. [2.558 #3593, 2.653 #2667]
Dikanteny frantsayQuand la fortune est perdue, la parure l' est aussi. [2.415]
Fanazavana frantsayQuand il n' y a plus d' argent, il n' y a plus d' ornements. [2.165 #783]
Se disait des gens ruinés qui ont perdu toute influence. [2.415 #2434]

Ohabolana 27Izay manana no anak' andriana, fa izay lany harena jiolahy. [2.165 #1426, 2.415 #2192]
Izay manana no anakandriana, fa izay lany harena, toa jiolahy. [2.558 #100]
Dikanteny frantsayLe riche est traité de noble, et celui qui est ruiné est traité de voleur. [2.415 #2192]
Qui est riche est traité de prince, mais qui n' a plus rien est un voleur. [2.165]

Ohabolana 28Izay maniry fotsiny, tsy mampanan-karena. [2.558]

Ohabolana 29Izay tia ady dia ho lany harena. [2.558 #1517]
Tia ady ka lany harena. [2.165 #1083, 2.558 #4127]
Dikanteny frantsayQui aime les procès se ruine. [2.165 #1083]

Ohabolana 30Izay tia ady no ho lany harena. [2.415 #3341, 2.653 #1201]
Dikanteny frantsayCeux qui aiment les procès y mangeront leur argent. [2.415 #3341]

Ohabolana 31Izay tsara loha endrehin-drandrana. [2.415 #2435]
Tsara loha, ka endrehin-drandrana. [2.165 #1286, 2.415 #2468, 2.653 #3281]
Tsara loha ka endrehin-drandrana, be harena ka endrehin-kaja. [2.558 #4401]
Dikanteny frantsayElle a une belle tête et c' est pourquoi ses tresses lui vont bien. [2.165 #1286]
Les jolies figures sont embellies par la parure et par les tresses de cheveux. [2.415 #2435]
Une jolie tête est encore embellie par les tresses de cheveux. [2.415 #2468]
Fanazavana frantsaySe disait des personnes qui en plus de belles qualités, avaient de la fortune. [2.415 #2468]

Ohabolana 32Kamboty be kibo : ny harena lany, ny kibo tsy misy mpananatra. [2.415 #1021]
Kamboty be kibo : ny haren-dany, ny kibo tsy misy mpananatra. [2.558 #1593]
Toy ny kamboty be kibo: ny haren-dany, ary ny kibo tsy misy mpananatra. [2.165 #1904]
Dikanteny frantsayComme un orphelin glouton: il a tout mangé et il n' a personne pour lui conseiller la modération. [2.165]
Orphelin gourmand : ses biens sont épuisés et il n' y a personne pour le modérer. [2.415 #1021]

Ohabolana 33Kambotim-bola aman-karena. [2.415 #2498]
Dikanteny frantsayLe pauvre est un orphelin abandonné par l' argent et les richesses. [2.415 #2498]

Ohabolana 34Kamboty tia toaka: ny haren-dany, ny tena tsy misy mpananatra. [2.415 #1032, 2.653 #1230]
Kamboty tia toaka : tsy ny haren-dany ihany no very, fa ny tenany koa. [2.558 #1591]
Dikanteny frantsayOrphelin qui aime à boire du rhum : ses richesses sont épuisées et il n' y a personne pour le gourmander. [2.415 #1032]
Fanazavana frantsaySe disait des ivrognes et débauchés. [2.415 #1032]

Ohabolana 35Kobay mila vola, tady mila harena. [1.147 #K26]

Ohabolana 36Lamba latsaka no antenaina ho harena. [2.415 #3922]
Dikanteny frantsayCompter sur un lamba perdu pour faire fortune. [2.415 #3922]
Fanazavana frantsayAnalogue au français : attendre que les cailles rôties tombent dans la bouche. [2.415 #3922]

Ohabolana 37Lava volon-tsomotra tsy aman-karena: raha mitsoka afo, dia may. [2.653 #1351]
Lava volon-tsomotra tsy arahin-karena : raha mitsoka afo dia may. [2.558]

Ohabolana 38Levenan’ ny malahelo: voahevi-bava, fa tsy lasan-karena. [2.415 #5854, 2.653 #1367]
Levenan' ny malahelo : voalevim-bava, fa tsy voa-levin-karena. [2.558]
Dikanteny frantsayFunérailles de pauvres : la bouche propose, mais l' argent ne suit pas. [2.415 #5854]
Fanazavana frantsaySe disait des désirs auxquels ne répond pas la réalité. [2.415 #5854]

Ohabolana 39Mahia maozatra ohatra ny herana. [2.558]
Makia-maozatra toa harena. [2.558 #1908]
Makia-maozatra toy ny herana. [2.415 #1645, 2.653 #1443, 2.165]
Dikanteny frantsayCassant et en même temps tenace, comme le "herana" . [2.165]
Sec mais solide comme le herana ou jonc à larges feuilles. [2.415 #1645]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des gens maigres mais musculeux ; il se disait aussi des petits qui s' opiniâtrent dans un procès contre les grands. [2.415 #1645]
Le "herana" est un jonc à larges feuilles dont on couvre les toits. [2.165]

Ohabolana 40Malahelo tia ady, mihaika fahaverezana, manan-karena tia ady, manely ny efa vory. [2.558 #1921]
Malahelo tia ady, mihaika fahaverezana; manan-karen-tia ady, manely ny efa vory. [2.415 #3343, 2.653 #1452]
Dikanteny frantsayPauvre qui aime les procès : il provoque sa perte et appelle l' esclavage ; riche qui aime les procès : il dissipe ce qui est amassé. [2.415 #3343]
Fanazavana frantsayLes procès ruinent. [2.415 #3343]

Ohabolana 41Mampifilafila ohatra ny vehivavy mitondra harena. [2.558]

Ohabolana 42Mampiolonolona ny harena. [2.415 #2202]
Dikanteny frantsayLes richesses causent l' isolement et font qu' on ne regarde même plus les proches. [2.415 #2202]

Ohabolana 43Manan-karena salasala, ka manao kitamby rongony. [2.165]
Manan-karen-tsalasala : manao kitamby rongony. [2.415 #2439, 2.653 #1515]
Dikanteny frantsayCelle qui a une fortune modeste met un pagne de chanvre. Parce qu' un vêtement en tissu de chanvre marquait la condition moyenne. [2.165 #1439]
Ni riche ni pauvre : on se revêt d' un pagne de chanvre. [2.415 #2439]

Ohabolana 44Manao ny ondry tsy mba ho harena, ka misoron' ondry velona. [2.558 #133]

Ohabolana 45Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka. [2.165 #82, 2.653 #1553]
Misorona ny ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina. [2.653 #1839]
Misorona ondry boka. [2.415 #5455]
Misorona ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina. [2.165 #83, 2.558 #2417, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa zava-dratsy, fihomboan' aretina no mety ho azo raha tsy mahay mivavaka, raha zavatra ratsy no atao sorona. [1.1]
Dikanteny frantsayConsidérer un mouton comme de peu de valeur et en offrir un qui est lépreux en sacrifice. [2.165]
Offrir en sacrifice un mouton lépreux pour remercier les Vazimba, de la guérison. [2.415]
Offrir en sacrifice un mouton qui ne vaut pas grand' chose, c' est aggraver la maladie. [2.165 #83]
Fanazavana frantsayC' est de l'ingratitude, et les Vazimba se vengeront. [2.415]

Ohabolana 46Miandry teza ho lavo. [2.415 #3354, 1.1]
Tsy mety raha dia miandry teza ho lavo. [2.558 #4589, 2.653 #3408]
Tsy mety raha miandry teza ho lavo, na mirary harena ho lovana. [2.558 #4639]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny fiandrasana ny tompon-javatra iray – na vavolombelona – ho faty vao manaraka an' io zavatra io. [1.1]
Dikanteny frantsayAttendre que ceux qui se tenaient debout, tombent. [2.415 #3354]
Fanazavana frantsayCette expression se disait de ceux qui laissent disparaître les témoins pour faire plus tard d'injustes réclamations. [2.415 #3354]

Ohabolana 47Mirediredy foana toy ny andriandahy lany harena. [2.415 #475, 2.653 #1811]
Mirediredy toy ny andrian-dany harena. [2.165 #780]
Dikanteny frantsayRadoter comme un noble qui est ruiné. [2.165]
Radoter comme un seigneur ruiné auquel les revers de fortune ont troublé la raison. [2.415 #475]
Fanazavana frantsayIl revient toujours sur le temps où il était encore riche. [2.165]
Se disait de ceux qui avaient éprouvé de grandes pertes, mais surtout de ceux qui parlaient beaucoup et sans aucune utilité. [2.415 #475]

Ohabolana 48Mitan-droa hoatry ny omby kambana : velona, ambin-karena ; maty, ambin-kanina. [2.415 #2213]
Mitan-droa ohatra ny omby kambana : velona ambin-karena, maty ambin-kanina. [2.653, 2.558]
Ondry manao kambana : velona ambin-karena, maty ambin-kanina. [2.558 #3462]
Dikanteny frantsayDouble bien comme une vache qui a mis bas deux veaux en même temps : s' ils vivent c' est un surcroît de fortune ; s' ils meurent c' est un surcroît de nourriture. [2.415 #2213]
Fanazavana frantsaySe disait d' une bonne aubaine. [2.415 #2213]

Ohabolana 49Mody an-tanindrazana, toy ny andevolahy lany harena. [2.415 #578, 2.653 #1936]
Dikanteny frantsayRevenir dans le domaine de ses ancêtres comme un esclave qui a fait faillite. [2.415 #578]
Fanazavana frantsayIl sera obligé de demeurer esclave ; le proverbe se disait de ceux qui retombaient dans leur malheureux état antérieur. [2.415 #578]

Ohabolana 50Mpanompo mamahy reniomby, mifamindrà fo fa samy haren' olona. [2.558 #2600]

Ohabolana 51Mpitrosa tsy manary harena : ny vava no enti-manilika. [2.558 #2631, 2.653]

Ohabolana 52Ny adrisa aza raha tsy andriana ilika tsy azo [1.3]
Ny adrisa aza, raha tsy andriana ilika tsy azo, ka mainka fa ny harena. [2.165 #748]
Dikanteny frantsayOn ne peut attraper des "adrisa" (espèce de sauterelle) sans peine (litt. sans se coucher sur le flanc) et combien moins des richesses. [2.165]
On ne peut prendre l'adrisa qu en se penchant sur le côté [1.3]
Fanazavana frantsayLes Malgaches mangent les sauterelles, soit grillées, soit séchées au soleil. [2.165]
On n a rien sans peine [1.3]

Ohabolana 53Ny be vola maro sakaiza ary ny harena mampitombo tarehy. [2.558 #2921]

Ohabolana 54Ny fahendrena no voninahitra sy harena. [2.415 #2958]
Dikanteny frantsayLa sagesse est tout à la fois gloire et richesse. [2.415 #2958]

Ohabolana 55Ny fasana tsy mahalala harena sy hatsaram-panahy ary voninahitra fa tsy mizaha tavan' olona. [2.558 #2973]

Ohabolana 56Ny hanitry ny vary eo an-tokoana tsy mba harena. [2.558 #3030]

Ohabolana 57Ny harena dia hoatry ny rano an-tami-bato : raha tazanina, toa be ; raha andraofana, tsy ahazoana hoatrinona. [2.415 #2222]
Ny harena dia ohatra ny rano an-tami-bato: raha tazanina toa be, raha andraofana tsy ahazoana ohatrinona. [1.1]
Ny harena rano an-tami-bato: tazanina, be; andraofana, tsy ahazoana. [1.3]
Dikanteny frantsayLa fortune est comme l' eau qui suinte des rochers : de loin cela semble abondant et quand on approche, c' est à peine si on peut en puiser pour boire. [2.415 #2222]
La fortune est comme l'eau suintant des roches: de loin elle semble abondante, quand on approche, on peut à peine en puiser pour boire. [1.3]

Ohabolana 58Ny harena no tian-kananana, ka ny aina no atao tsy ho zavatra. [2.558 #3033]
Ny harena no tian-ko azo, ka ny aina no atao tsy ho zavatra. [2.415 #6316, 2.653 #2250]
Dikanteny frantsayCe sont les richesses qu' on veut acquérir et on fait peu de cas de la vie. [2.415 #6316]

Ohabolana 59Ny harena no voninahitry ny olona. [2.415 #2224]
Dikanteny frantsayLes richesses font l' honneur et la gloire de l' homme. [2.415 #2224]

Ohabolana 60Ny harena rehetran' ny tany tsy mahasambatra ny olona. [2.415 #2225]
Dikanteny frantsayToutes les richesses de la terre ne suffisent pas à rendre l' homme heureux. [2.415 #2225]

Ohabolana 61Ny harena sahala amin' ny angely ka samy miritika amin' ny ananany. [2.558 #3034]
Ny harena tahaka ny angely ; samy miritika ny ananany. [2.653 #2251]
Ny harena tahaky ny angely : samy miritika ny ananany. [2.415]
Dikanteny frantsayLes richesses sont comme le grillon de combat : chacun a beaucoup d' estime pour le sien. [2.415]

Ohabolana 62Ny harena tahaka ny volon' orona : kely alana maharary, be alana maharary. [2.558 #3035]
Ny harena toy ny volon’ orona: be alana, maharary; kely alana, maharary. [2.415 #2227, 2.653 #2252]
Ny harena toy ny volon' orona, ka be alana maharary kely alana maharary. [2.165]
Volon’ orona ny harena : be alana, maharary; kely alana maharary. [1.147]
Dikanteny frantsayLa richesse est comme les poils du nez: on en arrache beaucoup, ça fait mal, on en arrache peu, ça fait mal encore. [2.165 #740]
Les richesses c' est comme les poils du nez : arrachez-en beaucoup, cela fait mal ; arrachez-en peu, cela fait mal. [2.415 #2227]
Fanazavana frantsaySe disait de l' attachement aux richesses. [2.415 #2227]

Ohabolana 63Ny harena tsy mahaleo ny tarehy sy ny fanahy. [2.415 #1221]
Dikanteny frantsayMieux vaut la beauté et les qualités morales que la fortune. [2.415 #1221]

Ohabolana 64Ny hazo avo halan-drivotra, ary ny manan-karena halan' olona. [2.165 #1430, 2.415 #2223]
Dikanteny frantsayLes arbres élevés sont battus (litt. haïs) par le vent, et les riches sont haïs par les autres. [2.165]
Les arbres élevés sont battus par le vent, et les riches sont mal vus des pauvres. [2.415 #2223]

Ohabolana 65Ny loka manindao ny harena. [2.415 #2396]
Dikanteny frantsayLe jeu emporte les biens et conduit à la ruine. [2.415 #2396]

Ohabolana 66Ny manan-karena, aza miavona ; ny malahelo, aza kivy : fa ny ta-hanana tsy mahaleo ny ambininy. [2.415 #847]
Dikanteny frantsayQue les riches ne s' enorgueillissent pas ; que les pauvres ne se découragent pas ; car les richesses ne dépendent pas du désir, mais de la chance. [2.415 #847]

Ohabolana 67Ny olona adalan-kanina mandany harena manaram-pon-tenda. [2.415 #2398]
Dikanteny frantsayLes gens adonnés à la bonne chère et qui mangent leur fortune font leur dieu de leur gosier. [2.415 #2398]

Ohabolana 68Ny olona Andrianotahina, fa ny vola Andriamitahy. [2.558 #3187]
Ny olona Andriantahina, fa ny vola aman-karena Andriamitahy. [2.165 #735, 2.415 #2548]
Dikanteny frantsayLes hommes reçoivent aide et protection, mais ce sont les richesses qui les aident et les protègent. [2.415 #2548]
Les hommes reçoivent les bénédictions, mais c' est l' argent et les richesses qui les donnent. [2.165]

Ohabolana 69Ny sampin-kavia nitopatopa no naharava fanambadiana. [2.558 #3238]
Ny sampin-kavia nitopatopa no naharava harena. [2.558 #3238]

Ohabolana 70Ny teny malemy mahamora harena. [2.165 #375, 2.653 #2440, 1.1]
Ny teny mora mahamora harena (tsy maha-sarotiny). [2.558 #3282]
Teny malemy mahamora harena. [2.974 #68]
Fanazavana malagasyNy resaka am-pilaminana sy an-kamorana mahatonga ny tompontrosa halefaka, na ny teny malemy mampitony ny hatezerana. [1.1]
Dikanteny frantsayLes paroles douces facilitent (l' acquisition de) la richesse. [2.165 #375]
Une parole douce rend suaves les relations. [2.974]

Ohabolana 71Ny tsikalakalan-karena manam-pahalaniana, fa ny tsikalakalam-pihavanana tsy manam-pahalaniana. [2.165 #172]
Dikanteny frantsayLes petits moyens d' augmenter son avoir ne réussissent pas toujours, tandis que ceux qui servent à fortifier (ou obtenir) l' amitié sont toujours efficaces. [2.165]

Ohabolana 72Ny volombava mifilofilo, tsy fambara harena. [2.558 #3370]

Ohabolana 73Ondry boka ka lazan-karena no sisa. [2.558 #3458]

Ohabolana 74Raha lany ny harena, mihatra amin' ny aina. [2.415 #2553]
Dikanteny frantsayQuand on a dépensé tout son bien, la vie même y passe. [2.415 #2553]
Fanazavana frantsayAllusion au vol qui était souvent puni de mort. [2.415]

Ohabolana 75Raha mpivady tsy mifandefitra, fandravana harena no farany. [2.558 #3631]

Ohabolana 76Raha ny hazakazaka no nahazoan-karena, dia nanam-be ny alika. [2.558 #236]

Ohabolana 77Raha revom-potaka, ny rano no manala ; raha revon-teny, ny vava no manala ; raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.415 #4814]
Raha revom-potaka, ny rano no manasa ; raha revom-bava, ny harena no manala. [2.415 #4815]
Raha revom-potaka, rano no manadio azy, raha revon-kabary, ny vava no manala azy, raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.558 #3649]
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, ny vava no manala ; raha revon’ alahelo, ny havana no itarainana. [2.653 #2709, 2.974 #379]
Raha revom-potaka, rano no manala; raha revon-teny, vava no manala; raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.165]
Raha revom-potaka, rano no manasa; raha revon-teny, vava no manala; raha revon' alahelo, havana no itarainana. [1.1]
Fanazavana malagasyFitenenana somary ohabolana enti-milaza fotokevitra iray, dia ny hoe: raha misy mahavoa ny tena dia any amin' ny havana no idodododoana. [1.1]
Dikanteny frantsayC’est l’eau qui vous lave de la boue; c’est la réplique qui nous venge des mauvaises langues ; ce sont les parents qui sont le refuge dans l’affliction. [2.974 #379]
Quand on est couvert de boue, on se lave avec de l' eau; quand on s' est attiré des difficultés par son langage, on s' en tire avec des paroles; et quand on est dans la peine (ou le chagrin), c' est à ses amis (ou parents) qu' on s' adresse. [2.165]
Quand on est plein de boue, on se lave avec de l' eau ; quand on s' est mis dans l' embarras par ses paroles, on s' en tire avec des excuses ; quand on est dans le chagrin on se console en racontant ses peines à ses parents. [2.415 #4814]
Si on s' est couvert de boue, on s' en débarrasse avec de l' eau ; si on s' est mis dans l' embarras par son langage, on s' en tire avec de l' argent. [2.415 #4815]

Ohabolana 78Raha tsara ny vadin-drahalahy, dia amosavina ny rahalahy hitondrana loloha ; raha be omby sy be andevo, isomparana hahazahoana harena. [2.415 #1163]
Dikanteny frantsayUne homme qui a une belle-soeur, belle et sage, jette un sort à son frère pour le faire mourir et épouser la veuve ; s' il convoite les boeufs et les esclaves de son frère, il lui cause du tort pour s' enrichir. [2.415]

Ohabolana 79Ranomason-Janahary ny harena : zay ilatsahany mahazo anazy. [1.147 #R37]

Ohabolana 80Ranonando ny harena : mora mihintsana. [1.147 #R36]

Ohabolana 81Sampin-kavia mahavery ny adala, saina tsy mionona mahalany harena. [2.558 #3825]

Ohabolana 82Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty. [2.165 #1928]
Sandry be tsy ody aina, fahatanorana tsy ody faty, tonon' andro, tsy voavidin-karena. [2.558 #250]
Sandry be tsy ody aina, ny hatanorana tsy ody faty ; fa samy ho faty avokoa. [2.653 #2859, 2.974 #167]
Dikanteny frantsayLa vigueur du bras ne retient pas la vie, la jeunesse n’est pas un remède contre la mort : tous doivent mourir. [2.974 #167]
Un grand bras n' est pas de la force; la jeunesse n' empêche pas la mort. [2.165 #1928]

Ohabolana 83Saro-po tsy amin-karena : mainka izany raha nanana kokoa ! [2.558 #3849]

Ohabolana 84Tain-tsin’ ny maty indaony milevina; haren’ ny maty lovan-janany. [1.147 #T11]

Ohabolana 85Taratra am-baha ny harena : ny avelany mahita. [1.147 #T44]

Ohabolana 86Tazon-karena. [2.415 #2561]
Dikanteny frantsayOn appelle fièvre des richesses la grande peine que fait éprouver une ruine complète. [2.415 #2561]

Ohabolana 87Terak’ omby fahavaratra : sady lalao no harena. [2.415 #2250, 2.974, 1.1]
Toy ny terak' omby fahavaratra, ka sady lalao no harena. [2.558 #4336, 2.165]
Toy ny terak’ omby fahavaratra : sady lalao no harena. [2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fifanontonan-javatra izay sady mahasoa no mahafinaritra. [1.1]
Dikanteny frantsayComme un veau qui naît en été (saison des pluies), c' est un plaisir et une richesse en même temps. [2.165]
Lorsqu' un veau naît à la saison des pluies c' est une joie et en même temps une fortune. [2.415 #2250]
Veau né en plein été : joie et richesse à la fois. [2.974 #126]
Fanazavana frantsaySe disait de ce qui arrive à un moment favorable. [2.415 #2250]
Se dit de tout ce qui arrive à propos. [2.165]

Ohabolana 88Toy ny rambon' osy : hanina mahavoafady, ariana rambon-karena. [2.558 #4315]

Ohabolana 89Toy ny rano ny harena, ka tsy izay mahery mantsaka no manam-be, fa izay tsara sinibe. [2.558 #4318]

Ohabolana 90Tokantrano tsy àry mitovy, toe-karena samy manana ny azy. [2.558 #4157]

Ohabolana 91Tratrarin' ny soa vao miendrika adala, ambinina vao manary harena. [2.558 #4391]

Ohabolana 92Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy. [2.415 #948]
Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy, naniry harena ka nahavita trano. [2.558 #4411]
Tsara raha naniry zaza ka tera-dahy. [2.653 #3289, 2.974 #128]
Dikanteny frantsayHeureuse la femme qui désirait un enfant et qui a mis au monde un fils. [2.415 #948]
Il est doux, quand on a désiré un enfant, d’avoir un garçon. [2.974 #128]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui voyaient leurs désirs se réaliser. [2.415 #948]

Ohabolana 93Tsy mety raha sady ho lany harena no ho very hitsiny. [2.558 #4670]

Ohabolana 94Tsy misy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga. [2.165 #81]
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany ; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga. [2.415 #862]
Dikanteny frantsayPersonne n' a prié tourné vers l' ouest, mais tous l' ont fait tournés vers le nord (comme il faut); mais la richesse vient du destin, et celui qui n' y est pas destiné ne l' obtient pas. [2.165]
Personne n' a prié tourné vers l' ouest, tous ont prié tournés vers le nord ; mais la fortune vient du destin et quand ce n' est pas le destin, la fortune ne vient pas. [2.415 #862]

Ohabolana 95Tsitsio ny harena, fa raha lany haren-dany haingo. [2.415 #2411]
Dikanteny frantsayÉconomisez votre argent, car une fois la fortune perdue le luxe et la parure sont finis. [2.415 #2411]

Ohabolana 96Tsitsio ny harena, fa tsy mifamotoana ny ainao sy ny faharetany. [2.415 #2412]
Dikanteny frantsayÉconomisez vos richesses, car leur durée et celle de votre vie ne se sont pas entendues d' avance pour concorder. [2.415 #2412]

Ohabolana 97Vanja may tsy harena. [1.147 #V19, 2.653 #3606]

Fizahan-teny