|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : homana

Ohabolana 1Adaladala fiandry trano, ka homam-barin-jaza. [2.165 #1628, 2.415 #2048, 2.653 #3]
Dikanteny frantsayBête comme celui auquel on a confié la garde de la maison et qui ne trouve rien de mieux que de manger le riz de l' enfant, au lieu de le soigner. [2.415 #2048]
Un coquin (litt. imbécile) qui garde la maison, il mange le riz des enfants (le riz cuit et froid laissé pour les petits restés à la maison). [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens d' une intelligence bornée. [2.415 #2048]

Ohabolana 2Akoho homana ny atodiny : lozan' ny tompony. [2.415 #62]
Akoho manatody kely : lozan' ny tompony. [2.415 #62]
Akoho mangery amin' ny atodiny : lozan' ny tompony. [2.415 #62]
Dikanteny frantsayPoule qui pond des oeufs trop petits, poule qui mange ses oeufs, poule qui mêle ses excréments à ses oeufs : elle porte malheur à son maître. [2.415]
Fanazavana frantsayC'était une croyance superstitieuse ; on tuait ou vendait cette poule. [2.415 #62]

Ohabolana 3Aleo homam-boatavo mahamay sa aleo adala havana? [2.415 #1050]
Dikanteny frantsayLequel est préférable : manger une citrouille brûlante ou avoir des parents insensés? [2.415 #1050]
Fanazavana frantsaySe disait des parents qui créaient des ennuis par leur conduite. [2.415 #1050]

Ohabolana 4Am-bava homana, am-po mieritra. [2.415 #4717]
Dikanteny frantsaySa bouche mange, mais tandis qu' il mange, il réfléchit. [2.415 #4717]
Fanazavana frantsayPar exemple, il pense que son boeuf est mort; le sens est qu'il faut réfléchir. [2.415]

Ohabolana 5Amboa homana ondry, ka ny aina no manefa. [2.415 #4268]
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa. [1.1 #62, 1.3]
Amboa homan' ondry, ka ny aina no manefa. [2.558 #161]
Amboa nangalatra ondry, ka ny fo no manefa. [2.165]
Amboa nangalatra ondry: ny fo no manefa. [2.415 #4268, 2.653 #126]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny mpangalatra izay tsy maintsy manonitra arakaraka ny zavatra nangalariny. [1.1 #62]
Dikanteny frantsayChien qui est pris, mangeant une brebis, la paie de sa vie. [2.415 #4268]
Un chien qui a volé un mouton, il le paiera de sa vie. [2.165]
Un chien qui est pris, mangeant une brebis, la paie de sa vie. [1.3]
Fanazavana frantsayQuand un voleur est pris sur le fait, il est mis à mort. [1.3]
S' appliquait à celui qui s' était rendu coupable d' un crime entraînant la peine de mort. [2.165]
Se disait des voleurs pris en flagrant délit de vol, entraînant la peine capitale ; ils étaient mis à mort sans autre forme de procès. [2.415 #4268]

Ohabolana 6Amboalambo tsy ampoka : homana ny sisan’ ny mpiasa. [2.653 #139]
Amboalambo tsy ampoka, ka mihinana ny sisan' ny mpiasa. [2.558 #168]

Ohabolana 7Aza homa-maizina raha misy fanilo. [2.165 #785]
Dikanteny frantsayNe mangez pas dans l' obscurité quand vous pouvez avoir une lumière. [2.165]

Ohabolana 8Aza manaiki-dany roa, toa dinta. [2.165 #355, 2.558 #480, 2.653 #406]
Homan-dany roa toa dinta. [2.558 #1373]
Manaiki-dany roa hoatry ny dinta. [2.415 #719]
Manaiki-dany roa ohatra ny dinta. [2.558]
Tsy mety raha manaiki-dany roa ohatra ny dinta. [2.558]
Tsy mety raha manaiki-dany roa, toa dinta. [2.653 #3428]
Dikanteny frantsayL'exacteur est comme la sangsue : il mord de deux côtés. [2.415 #719]
Ne mordez pas des deux côtés à la fois comme une sangsue. [2.165]
Fanazavana frantsayL' expression s'employait pour dire toute attaque impossible à repousser. [2.415 #719]

Ohabolana 9Aza manao bolokilahy homam-boan-tseva: fy ny atsy, fy ny aroa. [2.165 #517]
Aza manao bolokilahy homam-boan-tseva : fy ny atsy, mamy ny aroa. [2.653 #423]
Boloky homam-boan-fy ny atsy mamy ny aroa. [2.558 #64]
Bolokilahy homam-boan-tseva: fy ny atsy, mamy ny aroa. [1.1]
Bolokilahy homam-boan-tseva ka mamy ny atsy, fy ny aroa. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona sady mifankahazo amin' ny atsy no mifankahazo amin' ny aroa. [1.1]
Ilazana ny tia roa ka sady tia ny ventiny no tia ny rony, sady tsy mahafoy ny eo an-tanana no mankamamy ny any ivelany. [1.1]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le perroquet mangeant des baies de "seva" ci et là et qui trouve les unes bonnes, et les autres délicieuses. [2.165]
Fanazavana frantsayDésigne les gens au cœur partagé ou inconstants. [2.165]

Ohabolana 10Aza manao gisalahy homan-ketsa, ka ny homana ny an' olona indray no avo feo. [2.165 #843]
Aza manao gisalahy homan-ketsa: ny homana ny an’ olona indray no avo feo. [2.558 #506, 2.653 #453]
Gisalahy homan-ketsa ka izy mangalatra indray no avo feo. [2.558 #1227]
Gisalahy homan-ketsa ka izy mihinana indray no avo vava. [1.1]
Gisalahy homan-ketsa, ka ny homana ny an' olona indray no avo feo. [2.415]
Gisalahy homan-ketsa, ka ny maka ny an’ ny olona indray no avo feo. [2.974 #151]
Gisalahy homan-ketsa ka ny maka ny an' olona indray no avo feo. [2.653 #997, 2.415, 1.1]
Fanazavana malagasyEntimilaza ireo olona ratsy nefa be vava ka mova tsy ny mitolo-tena. [1.1]
Ilazana ny olona nanao ratsy na nangalatra ny an' ny hafa, nefa izy indray no be vava sy midrinkina. [1.1]
Dikanteny frantsayJars qui mange les semis de riz : lui qui mange le bien des autres, crie le plus fort. [2.415 #4289]
Ne faites pas comme un jars qui mange des jeunes plants de riz: il jette de grands cris tout en mangeant ce qui n' est pas à lui. [2.165]
Une oie dans un champ de ketsa : elle est à voler et c’est encore elle qui pousse les hauts cris. [2.974 #151]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des gens qui prennent le bien des autres ou leur font du tort, et aussi de ceux qui ont le verbe haut. Il fait allusion à un conte où une femme crie après un jars qui dévaste son semis de riz ; le jars fait tant de bruit et de fracas que la femme finit par l' abandonner. [2.415 #4289]
Et pourtant il n' a pas de quoi se vanter! [2.165]

Ohabolana 11Aza manao tahaky ny akohokely tomany homana. [2.415 #4664]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme les poussins qui se plaignent alors même qu' ils mangent. [2.415 #4664]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui se plaignent continuellement ou ne sont pas satisfaits de ce qu' on leur donne. [2.415 #4664]

Ohabolana 12Aza manao tsinay homan' aty. [2.415 #960, 2.165]
Dikanteny frantsayNe soyez pas l' intestin qui mange le foie. [2.415 #960]
Que les intestins ne dévorent pas le foie. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des enfants d' un même sein, qui se dénigraient et se faisaient du tort ; des membres d'une même famille ou d' un même village, qui se nuisaient ou se dénigraient. [2.415 #960]
Se dit de deux amis ou parents dont l'un ferait du mal à l'autre. [2.165]

Ohabolana 13Aza manary tena homan-katsa-maina, nefa tsy vazana tsinona. [2.415 #6272, 2.653 #560]
Aza manary tena : tsy am-bazana ka tia katsa-maina. [2.558 #650]
Aza manary tena: tsy vazan-tsinona, ka homan-katsa-maina! [2.165 #933]
Dikanteny frantsayNe vous exposez pas en mangeant des grains de maïs secs, lorsque vous n' avez pas de dents. [2.415 #6272]
Ne vous faites pas du mal à vous-même: n' ayant pas de molaires, comment voudriez-vous manger du maïs sec et dur! [2.165]
Fanazavana frantsayNe vous lancez pas dans une affaire que vous serez incapable de mener à bien. [2.415 #6272]

Ohabolana 14Aza mandidy miara-komana. [2.415 #4470, 2.653 #567]
Aza mandidy no sady homana. [2.558 #661]
Dikanteny frantsayNe découpez pas tout en mangeant avec les autres. [2.415 #4470]
Fanazavana frantsayA chaque chose son temps, à chacun son rôle. [2.415 #4470]

Ohabolana 15Aza mandraraka homana toa fody. [2.558]
Aza mandrara-komana, toa fody. [2.165 #450, 2.653 #569]
Dikanteny frantsayNe répandez pas en mangeant, comme le font les cardinaux. Au moment où le riz est mûr, les cardinaux viennent en grand nombre manger le grain sur pied. [2.165]

Ohabolana 16Aza mikapa sakaiza hoatry ny andevolahy homana-tain-jiro. [2.415 #546]
Aza mikapa sakaiza ohatra ny andevolahy homana-tain-jiro. [2.165]
Aza mikapa sakaiza, ohatra ny andevolahikely homana-tainjiro. [2.653]
Aza mikapa sakaiza ohatra ny ankizilahy homana-tain-jiro. [2.558 #771]
Dikanteny frantsayN' attaquez pas vos amis, comme l' esclave qui mange les restes de suif de la lumière qui sert à l' éclairer. [2.415 #546]
Ne frappez pas votre ami comme un esclave qui mange les restes de suif de la lampe (qui servait à l' éclairer). [2.165]
Fanazavana frantsayIl fallait qu' il eût faim! [2.165]
Il ne faut pas être ingrat, ni tromper ses amis et prendre leurs biens par ruse. [2.415 #546]

Ohabolana 17Aza mitaitay hihina-menaka fa ho lamoka ihany amin' ny farany. [2.558 #789]
Aza mitaitay homamenaka fa ho lamoka ihany amin' ny farany. [1.1]
Aza mitaitay homa-menaka, fa ho lamoka ihany no farany. [2.165 #1251]
Aza mitaitay homa-menaka, fa ho lamoka ihany no ho farany. [2.653]
Fanazavana malagasyAza maimaika ny hahazo izay tadiavina fa mety hanenenanao any aoriana. [1.1]
Dikanteny frantsayNe soyez pas trop avide de graisse, car à la fin vous en serez dégoûté. [2.165]
Fanazavana frantsayLa graisse était considérée par les Malgaches comme un aliment fortifiant. [2.165]

Ohabolana 18Aza mitomany homana toa akohokely. [2.558]
Aza mitomany homana, toy ny akohokely. [2.415 #4670, 2.653 #665]
Tsy mety raha tomany homana toa akohokely. [2.558 #4681, 2.653 #3491]
Dikanteny frantsayNe pleurez pas en mangeant comme les petits poussins. [2.415 #4670]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui sont mécontents de ce qu' on leur donne. [2.415 #4670]

Ohabolana 19Aza tomany homana, toy ny akohokely. [2.165 #579]
Dikanteny frantsayNe criez pas en mangeant, comme les poulets. [2.165 #579]

Ohabolana 20Be ny goaika fa tsy fantatra izay lahy sy vavy, fa izay homana ny voanjo no tonafana mafy. [2.558 #879]
Be ny goaika, fa tsy fantatra izay lahy sy vavy, fa samy fotsy tenda avokoa izy rehetra ; nefa izay homana ny voanjo ihany no hotonafako mafy. [2.653]

Ohabolana 21Boka homan-jabora ka ny tanany no mandina aloha. [2.558]
Boka homan-jabora : ny tanany no mihosina aloha. [2.415 #1947, 2.653 #773]
Dikanteny frantsayLépreux qui mange de la graisse : sa main est toute salie avant qu' il ait pu en manger un peu. [2.415 #1947]
Fanazavana frantsayAllusion à ce qu'il n' a plus de doigts. [2.415 #1947]

Ohabolana 22Bokan' Inamehana : tsy mividy tsy manakalo, koa homana ny anganon-kanina. [2.415 #1989, 2.653 #822]
Dikanteny frantsayLépreux de Namehana : ils n' achètent pas, ils ne font pas d' échanges et ils mangent une nourriture extraordinaire. [2.415 #1989]
Fanazavana frantsaySe disait des vivres extraordinaires. [2.415 #1989]

Ohabolana 23Bokobokoñi Besakoa : ty fa nihina tsy homa koa. [1.68]
Dikanteny frantsayGâteau de Besakoa : celui qui en a mangé ne mange plus. [1.68]

Ohabolana 24Botry homan-kerotra, vasoka homan-kitoza. [2.653 #827]
Botry homan-kerotra, vasoka homan-kitoza ka ao raha. [2.558 #964]

Ohabolana 25Didimaso homan-jabora, ka samy fotsifotay be ihany. [2.653]
Didimaso homan-jabora ka samy fotsifotsy ihany. [2.558 #988]

Ohabolana 26Dokotra homan-kabakabaka : homan-java-tsy mahavoky ny tena. [2.653 #855]

Ohabolana 27Faly sahirana hoatry ny mpisorona afo homan-koditra. [2.415 #5538]
Faly sahirana, ohatra ny mpisoron-afo homan-koditra. [2.653]
Faly sahirana toy ny mpisorona afo homan-koditra. [2.558 #74]
Dikanteny frantsayContent et embarrassé tout ensemble comme celui qui, en attisant le feu, mange de la peau. [2.415 #5538]
Fanazavana frantsaySe disait des honneurs ou des biens mélangés de tracas. [2.415 #5538]

Ohabolana 28Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona. [2.165 #1672]
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay mihinana olona. [2.558 #1152]
Dikanteny frantsayDésirer beaucoup trouver un pays où il n' y ait pas de tombeaux (où l' on ne meure pas), et arriver dans un pays de cannibales. [2.165]

Ohabolana 29Fisoitrafo nitonoan-kena : may loha tsy mba mihinana. [2.415 #4486, 2.653 #968]
Fisoitrafo nitonoan-kena : may loha tsy mba nihinana. [2.558 #78]
May loha tsy mba mihinana tahaka ny fisoitrafo. [1.1]
May tsy mba homana ohatra ny soitrafo. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo mpanao soa tsy mba heverin' ny olona akory. [1.1]
Enti-milaza ny olona maty misahirana mafy, nefa tsy mba mahita soa firy amin'izay isasarany. [1.1]
Dikanteny frantsayTisonnier en bois qui a servi de broche pour faire rôtir de la viande : il a la tête brûlée, et cependant il n' aura rien à manger. [2.415 #4486]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui travaillent, sans profit pour eux-mêmes. [2.415 #4486]

Ohabolana 30Homam-be tsy matavy, toa fanoron dratsy. [2.415 #4494, 2.558 #1370, 2.653 #1093]
Dikanteny frantsayQui mange beaucoup sans engraisser, comme un mauvais jeu au fanorona. [2.415]
Fanazavana frantsayBeaucoup de travail et peu de profits. [2.415]

Ohabolana 31Homam-bomanga an-tsena : tsy hisarom-bava menatra ny olona, hisarom-bava ampangain' ny foto-tsofiny. [2.558 #1370, 2.653 #1094]

Ohabolana 32Homam-paipaitra. [2.415 #4675]
Dikanteny frantsayManger ce qui est amer et porte malheur. [2.415 #4675]
Fanazavana frantsayManger un bien mal acquis. [2.415 #4675]

Ohabolana 33Homana ila hoatry ny rafi-dratsy. [2.415 #3678]
Homana ila toa rafi-dratsy. [2.558 #1372]
Homana lia ohatra ny rafi-dratsy. [2.165]
Dikanteny frantsayQui ne joint (litt. ne mange) que d' un côté, comme un assemblage de menuiserie mal fait. [2.165]
Qui ne joint que d' un côté, comme un travail de menuisier qui est mal fait. [2.415 #3678]

Ohabolana 34Homana ny fy tsy matavy toa tavin-jiro. [2.558 #1371]

Ohabolana 35Homan-tena hoatry ny tantely merik' andro. [2.415]
Mihinan-tena (homana ny azo) ohatra ny tantely merik' andro. [2.558]
Mihinan-tena, toy ny tantely merika andro. [2.165 #781, 2.653 #1774]
Mihinan-tena toy ny tantely merik' andro. [2.415]
Tantely merika andro : ny ao an-trano ihany no hanina. [2.653]
Tantely merik' andro : ny an-trano ihany no hanina. [2.415 #2408]
Tantely merik' andro : ny ao an-trano no hanina. [2.558 #4099]
Tantely merik' andro : ny ao an-trano no haniny. [2.415 #2408]
Dikanteny frantsayLe prodigue se consume lui-même comme les abeilles par un temps de bruine. [2.415]
Par les temps de bruine, le miel qui est à l' intérieur de la ruche est mangé par les abeilles. [2.415 #2408]
Se manger soi-même comme les abeilles quand le temps est à la pluie. [2.165]
Fanazavana frantsayElles ne peuvent sortir de la ruche et mangent du miel quelles ont déjà fait. [2.165]
Par les temps de bruine les abeilles ne sortent pas et elles mangent le miel qui est à l' intérieur de la ruche. [2.415 #2368]
Se disait de ceux qui mangent leurs biens. [2.415 #2408]

Ohabolana 36Homan-tsandrin' olona. [2.415 #711]
Dikanteny frantsayProfiter injustement du travail d' autrui c' est manger le bras des autres. [2.415 #711]

Ohabolana 37Jiolahy homana anana ka homan-tsy fidiny. [2.558 #1564]

Ohabolana 38Lahy antitra mampirafy : homan-droa trano vao ranga sofina. [2.653 #1292, 2.558]
Lahy antitra nampirafy : homan-droa trano vao ranga sofina. [2.415 #1423]
Dikanteny frantsayVieillard qui a deux femmes : depuis qu' il mange dans deux maisons il devient maigre à en avoir les oreilles dressées. [2.415 #1423]
Fanazavana frantsayChacune compte sur l'autre pour le bien nourrir. [2.415 #1423]

Ohabolana 39Lahiantitr' Imamo : manao tsy mahomby, mihinana atosika ihany. [2.558 #1678]
Lahy antitr' Imamo : manao tsy mahomby, nefa homana atosika ihany. [2.415 #1827, 2.653]
Dikanteny frantsayVieillard de l' Imamo : il ne peut pas travailler, mais quand il mange il faut l' arrêter. Il n'est bon à rien excepté à manger. [2.415 #1827]

Ohabolana 40Lalan-tsarotra tsy mahavery mpandalo ; ary mamba tsy homana an-tanety ; kanefa raha tia vilivily, voatsilo ; ary raha tia raviravy tongotra, haniny ihany. [2.415 #6284, 2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayUn chemin difficile ne perd pas les passants ; le caïman ne dévore pas sur la terre ferme ; cependant si on aime les détours, on se blesse aux épines ; et si on aime à laisser pendre ses pieds dans l' eau, on est dévoré par le caïman. [2.415 #6284]
Fanazavana frantsayQui s'expose au danger y périra. [2.415 #6335]

Ohabolana 41Mahagaga, hoy Ambohitriraisana, fa ny kisoa kely avy no homam-paraky. [2.653 #1401]
Mahagaga, hoy Ambohitriraisina, fa ny kisoa kely avy no homam-paraky. [2.558 #1840]

Ohabolana 42Mahantra indrindra aho, hoy ilay rombina : homan-tsosoa, raraka ivy ; homa-maina, latsaka hota ; homam-bary, misasaka amin' ny akoho ; misotro rano, very sasaka. [2.415 #2609]
Mahantra indrindra aho, hoy ilay rombina: homan-tsosoa, raraka ivy; homa-maina, latsaka ota; homam-bary, misasaka amy ny akoho; misotro rano, very sasaka. [2.653 #1407]
Mahantra indrindra ilay rombina, fa homan-tsosoa, rarak' ivy, homa-maina, latsak' ota. [2.558]
Dikanteny frantsayJe suis le plus malheureux des hommes, dit l' homme qui a un bec-de-lièvre : quand je mange du riz cuit avec beaucoup d' eau, ma salive coule ; quand je mange de la nourriture solide sans bouillon, je laisse tomber des parcelles déjà mastiquées ; quand je bois de l' eau, j' en perds la moitié. [2.415 #2609]
Fanazavana frantsayPlaintes de l' homme au bec-de-lièvre : on les appliquait à la perte des biens. [2.415 #2609]

Ohabolana 43Maka kitay manana ankizy ; misorona afo manan-jiro ; homa-maizina ao am-pototry ny mazava. [2.415 #2296, 2.165]
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo am-pototry ny mazava. [1.1]
Maka kitay manana ankizy, misoron' afo manan-jiro, ka mihina-maizina am-pototry ny mazava. [2.558]
Fanazavana malagasyMampijaly tena noho ny fahihirana. [1.1]
Dikanteny frantsayAller chercher (soi-même) son bois quand on a un esclave; attiser le feu (pour s' éclairer) quand on a une lampe, et manger dans l' obscurité quand on pourrait avoir de la lumière. [2.165]
L' avare a un esclave et il va chercher son bois ; il a une lampe et il attise son feu pour lui servir de lumière ; il peut avoir de la lumière et il mange dans l' obscurité. [2.415 #2296]
Fanazavana frantsayC' est souffrir par avarice. [2.165]

Ohabolana 44Mamy ny homana, fy ny mitsako, fa ny maimbo rezatra no tsy laitra. [2.415 #2717]
Dikanteny frantsayIl est doux de manger, il est agréable de mâcher, mais avoir une mauvaise haleine parce qu' on a trop mangé n' est pas supportable. [2.415 #2717]
Fanazavana frantsayOn aime à faire ce qu' on veut, mais le déshonneur qui vient à la suite est amer. [2.415 #2717]

Ohabolana 45Manafaingana tena toy ny marary be tsy homan-kanina. [2.415 #2800]
Manafaingan-tena ohatra ny marary tsy homan-kanina. [2.558]
Manafaingan-tena ohatra ny marary tsy mahatelin-kanina. [2.558]
Manafaingan-tena toy ny marary be tsy homan-kanina. [2.165 #2110, 2.653 #1488]
Marary be tsy mahatelin-kanina, ka manafaingana ny ainy. [2.165 #2003, 2.415 #2804]
Dikanteny frantsayCelui qui est gravement malade et ne peut plus rien avaler accélère sa fin. [2.165]
Hâter sa fin comme un malade qui ne mange plus rien. [2.165 #2110]
Hâter sa perte comme un malade qui ne mange même plus les choses qu' il aimait. [2.415 #2800]
L' homme gravement malade qui ne peut plus prendre de nourriture hâte sa fin. [2.415 #2804]
Fanazavana frantsayCelui qui ne pouvait plus manger allait mourir. [2.415 #2804]
Les malgaches pensent que quand quelqu' un ne peut plus manger, il doit être près de sa mort. [2.165]
On faisait manger beaucoup les malades ; quand un malade refusait de manger, son entourage disait qu'il hâtait sa mort ; ce proverbe se disait de ceux qui ne font pas leur possible pour se tirer d' embarras. [2.415 #2800]

Ohabolana 46Mandany ny azo taon' itsy, tahaka ny mpandranto tapa-pe. [2.558 #2052]
Mpandranto tapa-pe : homana ny azo taon' itsy. [2.558 #2590]

Ohabolana 47Mandrara homana ohatra ny goaika. [1.1]
Fanazavana malagasyNy feon' ny goaika dia tsy miato na efa mihinina ny voanjon' olona aza ka mova tsy ny mpiandry miseho ho mikarakara iny izy, kanjo izy no tena mihinana ny zavatra andrasany. [1.1]

Ohabolana 48Mandrara homana toy ny fodilahimena hianao. [2.415 #4517]
Dikanteny frantsayVous êtes comme le moineau cardinal, qui tandis qu' il mange, interdit aux autres de manger. [2.415 #4517]
Fanazavana frantsayAllusion au cri du cardinal qui semble dire cela. Se disait de ceux qui défendent de faire ce qu' ils font eux-mêmes. [2.415 #4517]

Ohabolana 49Mangere homa ka valala. [1.68]
Dikanteny frantsayFaire ses besoins en mangeant comme les sauterelles. [1.68]

Ohabolana 50Matin-kenamaso, ka homam-barim-boka. [2.415 #6306, 1.1]
Matin-kenamaso, ka homan-kanina voa mosavy. [2.415 #6305]
Matin-kenamaso ka mihinam-barim-boka. [2.165 #1118, 2.558 #2180, 2.653 #1678]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona apanaikinaiky foana noho ny henatra, na dia zava-dratsy aza no atolotra azy. [1.1]
Dikanteny frantsayPar fausse honte, il mange le riz d' un lépreux. [2.165]
Victime du respect humain, il mange des mets ensorcelés. [2.415 #6305]
Victime du respect humain, il mange les restes de riz d' un lépreux. [2.415 #6306]
Fanazavana frantsayRefuser de manger avec quelqu' un est très impoli; pour ne pas l'être, on mange avec un lépreux, ce qui est regardé avec horreur; de deux maux, choisir non le moindre, mais le pire. [2.165]
Se disait des gens qui s'exposent imprudemment par respect humain. [2.415 #6306]
Se disait du respect humain. [2.415 #6305]

Ohabolana 51Matoa manandrana, dia homana, matoa manohatra, dia miakatra. [2.558 #2183, 2.653 #1680]

Ohabolana 52Miadana ory tahaka ny ankizilahy homan-kerotra. [2.558 #2230]
Miadana ory, toy ny andevolahy homan-kerotra. [2.415 #567, 2.653 #1705]
Dikanteny frantsaySe réjouir dans le malheur comme un esclave qui mange de la crème. [2.415 #567]
Fanazavana frantsayLes malheureux eux-mêmes ont parfois de bonnes choses ; il ne faut pas se décourager dans le malheur. [2.415 #567]

Ohabolana 53Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa mihinana ny masiso be herinandro. [2.165 #490]
Miangolangola tsy tia vary mohaka, ka homana ny masiso be herinandro. [2.415 #4694, 2.653 #1725]
Miangolangola tsy tia vary mohaka nefa mahalany masiso iray vilany. [2.558 #2259]
Dikanteny frantsayFaire semblant de ne pas aimer le riz à moitié cuit, et en manger qui est vieux d' une semaine. [2.165]
C' est un capricieux qui prétend ne pas aimer le riz cuit trop mou, et qui mange du riz rance cuit depuis une semaine. [2.415 #4694]
Fanazavana frantsaySe disait des fanfarons, des boudeurs, des gourmands. [2.415 #4694]

Ohabolana 54Mifady akondro, ka homana aman-dravina. [2.415 #85, 2.653]
Mifady akondro ka no homana aman-dravina! [2.558]
Mifady arina ka no mandray mainty, mifady hady ka no mandingan-tatatra. [2.558]
Mifady hady, ka mandika tatatra. [2.415 #86]
Mifady mainty, ka mandray arina. [2.415 #86]
Mifady mainty, ka mandray arina; mifady hady, ka mandika tatatra ; mifady vanga, ka mandray fitatra. [2.653]
Mifady ny ventiny, fa homana ny rony. [2.415 #84]
Mifady vanga, ka mandray fitatra. [2.415 #86]
Mifady ventiny fa misotro ny rony. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona manao ny atao hoe fady fotsy, izany hoe tsy mifady tanteraka, na manao alasafay ka mifady anarany fotsiny. [1.1]
Dikanteny frantsayS'abstenir de bananes par prohibition sacrée et cependant manger sur des feuilles de bananier. [2.415 #85]
S' abstenir de ce qui est noir, et cependant toucher du charbon ; s' interdire les fossés et enjamber les canaux des rizières ; s' interdire ce qui a deux couleurs et toucher le tarier à collier. [2.415 #86]
S'abstenir de viande par prohibition sacrée et cependant boire le bouillon. [2.415 #84]
Fanazavana frantsayC'est dire qu'une chose est défendue, et cependant la faire. Se disait en général des observances pharisaïques. [2.415 #86]

Ohabolana 55Mihambo tsy tia vary mohaka, kanjo nony homana atosika fotsiny. [2.558 #2310]

Ohabolana 56Mihambo tsy tia vary mohaka; kanjo nony homana, zary varatra. [2.653 #1762]

Ohabolana 57Misorona afo homana. [2.415 #2537]
Dikanteny frantsayLe pauvre n' a pas de lumière et mange à la clarté du feu. [2.415 #2537]

Ohabolana 58Misorona afo homana ka malahelo ny jabora lasam-boalavo. [2.558 #2415]
Misorona afo homana : malahelo ny jabora lasam-boalavo. [2.415 #575, 2.653 #1840]
Dikanteny frantsayEsclave qui attise le feu tout en mangeant : elle regrette le lard emporté par les rats. [2.415 #575]
Fanazavana frantsayAllusion au lard dont on se servait pour entretenir la lampe et que les rats avaient emporté. [2.415 #575]

Ohabolana 59Mitsikitsiky foana toy ny zaza feno lovia : homam-be vao mivanika. [2.415 #1526]
Mitsikitsiky ohatra ny zaza feno vilia : homana be vao mivanika. [2.558]
Mitsikitsiky, toy ny zaza feno lovia : homana be vao mivanika. [2.653]
Dikanteny frantsaySourire comme l' enfant qui a son assiette pleine : c' est quand il mange beaucoup qu' il montre ses dents. [2.415 #1526]
Fanazavana frantsaySe disait des gourmands et aussi de ceux qui ne savaient pas profiter de l' aisance. [2.415 #1526]

Ohabolana 60Mody adala, ohatra ny jiolahy homana anana. [2.653]
Mody adala ohatra ny jiolahy homan' anana. [2.558]

Ohabolana 61Nahoana re hianao no mandady hajaina, mitsindroka andrianina, mandoa homan-tsira ? [2.415 #652, 2.558 #176, 2.653]
Ny haja maha-andriana, ka aza mitsindroka andrianina, na mandoa homan-tsira. [2.558 #3023]
Dikanteny frantsayPourquoi rampez-vous bassement lorsqu' on vous donne des marques d' honneur? Pourquoi cherchez-vous votre vie comme les poules, alors qu' on vous traite en noble? Pourquoi vomissez-vous lorsque vous goûtez la saveur du sel? [2.415 #652]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui se refusent aux honneurs qu' on leur fait. [2.415 #652]

Ohabolana 62Ny handry mody voky, fa ny adala homana ihany. [2.165]
Dikanteny frantsayLes intelligents font semblant d' avoir assez, mais les nigauds continuent à manger. [2.165]

Ohabolana 63Ny homana aza misy diso. [2.653, 2.165]
Ny homana aza misy raraka. [2.653, 2.165]
Dikanteny frantsayOn peut faire des fautes (se tromper) même en mangeant. [2.165 #134]

Ohabolana 64Ny manam-panahy mody voky, fa ny adala homana ny anjaran’ ny sasany. [2.653]
Ny manam-panahy mody voky, fa ny adala mandrapaka ihany. [2.974 #386, 2.653]
Dikanteny frantsayL’homme sensé sait s’arrêter à temps ; l’insensé engouffre sans retenue. [2.974 #386]

Ohabolana 65Ny tana-manao tsy mahaleo ny vava homana. [2.653 #2426, 2.558]

Ohabolana 66Ny vitsika no keliray, ny fanompoana no mafy : mivoaka, mitondra tany ; miditra, mitondra hanina ; kanefa nony tonga, ny tsy naka no homana. [2.415 #731, 2.653 #2481]
Dikanteny frantsaySi les fourmis sont chétives, c' est que leur corvée est rude : en sortant elles portent de la terre ; en rentrant elles apportent des provisions ; mais quand elles arrivent, c' est celui qui n' a pas amassé qui mange tout. [2.415 #731]
Fanazavana frantsayCe proverbe qui s'appliquait aux exacteurs, fait allusion au serpent renimandotra ; les Malgaches disaient que ce serpent habitait les fourmilières et était nourri par les fourmis qui à leur tour mangeaient son cadavre. [2.415 #731]

Ohabolana 67Ny voalavo no mahazo homana entana, ny jiro no maty takariva. [2.415 #4312, 2.653 #2483]
Dikanteny frantsaySi les rats peuvent ronger les paquets, c' est que la chandelle est éteinte dès la tombée de la nuit. [2.415 #4312]
Fanazavana frantsayIl faut prendre ses précautions contre les voleurs. [2.415 #4312]

Ohabolana 68Ondry homan-ketsa : maty homana ny meva. [2.653]
Ondry homan-ketsa : maty homana ny soa. [2.415 #2233, 2.653]
Ondrilahy homan-ketsa : maty homana ny soa. [2.558 #3452]
Dikanteny frantsayBrebis qui mange des plants de riz : elle meurt de manger ce qui est bon. [2.415 #2233]
Fanazavana frantsayLe maître des plants de riz l' assomme sur place ; sens : bien mal acquis ne profite pas, on est puni par où on a péché. [2.415 #2233]

Ohabolana 69Rafotsibe maty ondry, ka mitento homana ny atiny. [2.165]
Rafotsibe maty ondry kely, ka misento homana ny atiny. [2.415]
Rafotsibe maty ondry kely, ka mitsetra homana ny atiny. [2.415]
Rafotsibe maty ondry kely : mitsetsetra homana ny atiny. [2.558]
Rafotsibe maty ondry : misento homana ny atiny. [2.653 #2608]
Rafotsibe maty ondry : mitsetra homana ny atiny. [2.653 #2608]
Rangahibe maty omby: sady mitsetra no homana ny atiny; sady mangoraka no manontona ny tsoka. [2.415 #1846, 2.653 #2748]
Dikanteny frantsayLa vieille femme qui a perdu un mouton: elle pousse des soupirs tout en mangeant le foie. [2.165 #1968]
Vieille dont le mouton est mort : elle gémit de compassion tout en mangeant le foie. [2.415 #1902]
Vieux dont le boeuf est mort : il gémit en mangeant le foie, il est ému de pitié tout en se préparant à manger la moelle. [2.415]
Fanazavana frantsayLa pitié ne l' empêche pas de chercher plaisir et intérêt. [2.415 #1902]
Se disait des chagrins et des consolations des vieux ; et aussi des profits retirés des pertes. [2.415 #1846]

Ohabolana 70Raha te-hihinam-boasary hianao, mankanesa any amin-dRainibako any Namehana; fa ny mangataka, omeny malazo ; ny mividy, ivarotany ny manta ; izy tom-pony homana ny masaka. [2.415 #5407, 2.653 #2715]
Raha te-hihinam-boasary hianao, mankanesa any amin-dRainibako eny Namehana, fa ny mpangataka omeny malazo, ny mividy ivarotany ny manta, fa izy tompony homana ny masaka. [2.558 #3661]
Dikanteny frantsaySi vous voulez manger des oranges allez chez Rainibako à Namehana : à ceux qui demandent, il donne des oranges passées ; à ceux qui achètent, il donne des oranges vertes ; et lui le propriétaire, il mange des oranges mûres. [2.415 #5407]
Fanazavana frantsayPrendre pour soi ce qu'il y a de meilleur. [2.415 #5407]

Ohabolana 71Roibe fefim-pary : ihintsanan' ny lay, fa tsy mba homana ny mamy. [2.653, 2.415]
Dikanteny frantsayArbustes épineux qui servent de haie pour les cannes à sucre : ils en reçoivent les poils qui tombent, mais ils n' ont jamais part à leur douceur. [2.415 #790]
Fanazavana frantsayLes petits travaillent pour les grands, sans avoir part à leur bonheur. [2.415 #790]

Ohabolana 72Rom-boay: izay mahasahy homana. [2.165]
Fanazavana malagasyRom-boay (mamba), izay sahy no homana. [2.165]

Ohabolana 73Sola homan-trafon-kena, ka any an-kibo no manao fito an-kila. [2.165 #2040, 2.415 #2136]
Sola mihina-menaka, ka tsy mihevitra izay hirandranana fa any an-kibo no manao fito an' ila. [2.558 #3937]
Sola misotro menaka: ao an-kibo ny ahy no mirandrana. [2.415 #2141, 2.653]
Sola misotro menaka: ao an-kibo no manao fito an-ila. [2.415 #2140, 2.653]
Dikanteny frantsayChauve qui mange de la bosse de boeuf : c' est dans son ventre qu' il croit avoir sept tresses de cheveux. [2.415]
Personne chauve qui boit de la graisse : c' est dans le ventre, dit-elle, que mes cheveux sont tressés. [2.415 #2141]
Personne chauve qui boit de la graisse : c' est dans le ventre qu' elle porte sept tresses de chaque côté de la tête. [2.415 #2140]
Un chauve qui mange de la bosse de bœuf: c' est en son fort intérieur qu' il se figure avoir sept tresses (d' un côté de la tête). [2.165]
Fanazavana frantsayAllusion à la graisse qui sert pour les cheveux et à une certaine manière de se coiffer. [2.415 #2140]
Allusion à la graisse qu'on employait pour faire les tresses. [2.415 #2136]
Les Malgaches emploient de la graisse pour se faire les cheveux: un chauve qui mange de la bosse de bœuf, qui est graisseuse, n' a pas besoin d' en réserver une partie pour se faire des tresses, puisqu' il n' a pas de cheveux; alors c' est en imagination qu' il se fait des tresses, sept de chaque côte de la tête, un des genres de coiffure préférés autrefois. [2.165]

Ohabolana 74Toy ilay mihinana ontsy, ka am-bava homana, am-po mieritreritra. [2.165 #1159]
Toy ilay nihinana ontsy, ka am-bava homana am-po mieritreritra. [2.558 #4243]
Dikanteny frantsaySemblable à celui qui mange une banane (volée?): la bouche l' avale, mais le cœur a des doutes. [2.165]

Ohabolana 75Trafon-kena ome-mahery : am-bava homana, am-po mieritra. [2.653 #3263, 2.974 #333]
Dikanteny frantsayBosse de bœuf offerte à un homme puissant : sa bouche en mange, mais son cœur réfléchit. [2.974 #333]

Ohabolana 76Tsy kivy tsy ketraka, fa homan-kena tsy lasam-bidy. [2.415 #3077]
Tsy kivy tsy ketraka, ka homan-kena tsy lasam-bidy. [2.165 #116, 2.558 #4503]
Tsy kivy, tsy ketraka, ka homan-kena tsy lasam-bidiny. [2.653 #3358]
Dikanteny frantsayQui ne se soucie de rien comme celui qui mange de la viande qui n' a pas été payée. [2.165]
Rien ne l' arrête : il mange de la viande sans en avoir payé le prix. [2.415 #3077]
Fanazavana frantsaySe disait des mauvais sujets et de ceux qui n' accomplissaient pas les formalités légales du mariage. [2.415 #3077]

Ohabolana 77Tsy mety raha manan-jiro homa-maizina, na manan-kitay maina, mitaina ny lena. [2.558 #4607]
Tsy mety raha manan-jiro, ka homa-maizina. [2.415 #4630, 2.653 #3431]
Dikanteny frantsayPourquoi posséder une bougie, et manger dans l’obscurité. [2.974 #4]
Quand on a des chandelles il ne faut pas manger dans l' obscurité. [2.415 #4630]
Fanazavana frantsayC'est de l'avarice. Au figuré le proverbe signifie qu' il ne faut pas agir à l' aveuglette quand on peut consulter de bons conseillers. [2.415 #4630]

Ohabolana 78Tsy mety raha sady mandidy no homana. [2.165 #642, 2.653 #3484]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas découper et manger en même temps. [2.165]

Ohabolana 79Tsy misy hihaingoana hoatry ny maka kitay homan-daingo. [2.415 #2473]
Tsy misy hihaingoana ohatra ny maka kitay homan-daingo. [2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayIl n' y a pas de temps pour faire toilette : c' est comme celui qui se nettoie les dents avec l' herbe laingo tout en ramassant la provision de paille à brûler. [2.415 #2473]

Ohabolana 80Tsy mitsaha-komana. [2.415 #3824]
Dikanteny frantsayIl ne cesse pas de manger. [2.415 #3824]
Fanazavana frantsaySe disait pour un travail continuel. [2.415 #3824]

Ohabolana 81Tsy nisy nanana hatrany an-kibo, fa oron-dambo, ka hitrongy vao homana. [2.653 #3558, 2.974 #397]
Tsy nisy nanana hatrany an-kibon-dreniny, fa oron-dambo ka mitrongy vao manana. [2.558 #4761]
Dikanteny frantsayPersonne n’est riche dès le sein de sa mère ; c’est comme le boutoir du sanglier: il faut fouiller la terre avant de pouvoir subsister. [2.974 #397]

Ohabolana 82Tsy tia horirika, ka homan-dravin-tsaonjo. [2.415 #4638, 2.653 #3581]
Dikanteny frantsayIl n' aime pas l' arum, dit-il, et pourtant il mange des feuilles de gouet. [2.415 #4638]
Fanazavana frantsaySe disait des gens capricieux et qui font des manières. [2.415 #4638]

Ohabolana 83Tsy tia sira, ka homam-panasina. [2.415 #4639, 2.653 #3583]
Tsy tia sira ka no homam-panasina! [2.558 #4801]
Dikanteny frantsayIl dit qu' il n' aime pas le sel, et pourtant il mange cette chose qui sert à relever le goût. [2.415 #4639]
Fanazavana frantsayLe sel se dit sira ou fanasina ; la nuance du proverbe est intraduisible en français ; le sens est : faire des manières. [2.415]

Ohabolana 84Valabalaka hoatry ny andevolahy homan-goaika. [2.415 #602]
Valabalaka, ohatra ny andevolahy homan-goaika. [2.653]
Valabalaka sahala amin' ny ankizilahy homan-goaika. [2.558]
Dikanteny frantsayLas comme un esclave qui mange du corbeau. [2.415 #602]
Fanazavana frantsaySe disait d' une grande fatigue. [2.415 #602]

Ohabolana 85Vantotr' omby minono : tsy homan-doza fa mahatsiahy ny ela. [2.558 #4856]
Vantotr' omby minono tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela. [2.653 #3611, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fanaovan-javatra tsy fahita, izay tsy milaza loza akory fa fahatsiarovana ny fanao fahiny mahamanimanina fotsiny. [1.1]
Indraindray misy zavatra heverina ho toa hafahafa, mandoza, sns..., nefa tsy inona fa fihetsehampo misendaotra. [1.1]

Ohabolana 86Vatan' oron-dambo, mitrongy vao homana. [2.165 #718, 2.415 #3778]
Dikanteny frantsayGroin de sanglier : il fouille la terre avant de manger. [2.415 #3778]
Un marcassin: il fouille la terre avant de manger. [2.165 #718]

Ohabolana 87Vava diso tsy mba kabary, fa ny homana aza misy latsaka. [2.558 #4900]

Fizahan-teny