|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : tiana

Ohabolana 1Afa-baraka lahy, fa voakaikitry ny amboa kely tiana. [2.415 #5428]
Afa-baraka lahy, fa voakaikitry ny amboakely tiana no avy mihehy. [2.653 #18]
Afa-baraka lahy fa voakaikitry ny amboa kely tiany. [2.165 #584]
Dikanteny frantsayDéshonneur ! il a été mordu par son petit chien chéri. [2.415 #5428]
Déshonoré, comme quelqu' un qui a été mordu par son petit chien chéri. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui essuyaient de l' ingratitude de la part de personnes chéries. [2.415 #5428]

Ohabolana 2Akoholahy maty raibe : samy manano izay tiany. [1.147 #A28]

Ohabolana 3Aleo mpanjato anilan' ny havana, toy izay mpanarivo tsy atrehin' olon-tiana. [2.558 #18]

Ohabolana 4Aleo ny iray tampo tsy tiana, toy izay ny fati-dra. [2.415 #143]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux un frère issu du même sein qu'un frère de sang, alors même qu' on ne l'aimerait pas. [2.415 #143]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait la force du lien entre parents ; l' alliance par le serment du sang était sacrée, cependant elle n'était rien à côté du lien de parenté. [2.415 #143]

Ohabolana 5Ambarivatry an-tani-mena : mavomavo ihany, fa tian’ ny landy. [2.653]
Ambarivatry an-tani-mena : raha tsy tianao aho, tian’ ny landy. [2.653 #120]
Amberivatry an-tanimena : mavomavo ihany, fa tian-dandy. [2.415 #1258]
Amberivatry an-tanimena : mavomavo ihany, fa tian' ny landy. [2.415 #1258]
Amberivatry an-tanimena, na tsy tianao aza tian' ny landy. [2.558 #153]
Amberivatry an-tanimena : raha tsy tianao, tian' ny landy. [2.415 #1259, 2.165]
Dikanteny frantsayAmbrevade qui pousse en terre rouge : il n' a pas bel extérieur, mais les vers à soie l' aiment et en font leur nourriture. [2.415 #1258]
Je suis comme l'ambrevade qui pousse en terre rouge : si vous ne m' aimez pas, les vers à soie m' aiment. [2.415 #1259]
L' amitié est comme la soie: elle sert à envelopper les morts, à habiller les vivants, et quand un fil est trop mince, le doigt le suit. En filant, pour l' épaissir; il faut fortifier l' amitié. De l' ambrevade sur un sol rouge: quand même vous n' en voulez pas, le ver à soie s' en contente. [2.165]
Fanazavana frantsayL' ambrevade est un petit arbuste dont on mange les grains dans certaines parties de Madagascar; on le cultive aussi pour ses feuilles qui servent à la nourriture du ver à soie. [2.165]
Les personnes d' un extérieur moins agréable peuvent trouver à se marier si elles ont des qualités. [2.415 #1259]
Se disait des personnes laides qui trouvaient à se marier à cause de leurs autres qualités. [2.415 #1258]

Ohabolana 6Antsaim-potaka, antsaim-parihy, antsain’ olon-tsy tiana tsy mampanino. [1.147 #A90]

Ohabolana 7Ao ny be fanahy maty foana, ao kosa ny kely fanahy sitrak' olona. [2.558 #331]
Ao ny be fanahy maty foana; ao ny kely fanahy sitrak’ olona ; ao ny tsy tiana, fa manana ; ao ny hala, fa malahelo. [2.653 #270]

Ohabolana 8Ao ny tsy tiana fa manana, ao kosa ny hala fa malahelo. [2.558 #333]

Ohabolana 9Aza atao fitia mangahazo : tiana ihany ka akapokapoka. [2.415 #5069, 2.558 #386, 2.653]
Dikanteny frantsayQue votre amour ne ressemble pas à celui qu' on a pour le manioc : on aime le manioc, mais on le frappe et on le jette contre la pierre du foyer. [2.415 #5069]
Fanazavana frantsayOn frappe ainsi le manioc grillé sous la cendre pour enlever la cendre. Ne croyez pas aimer si vous traitez mal. [2.415 #5069]

Ohabolana 10Aza atao fitia savony : tiana ihany fa navalana rano. [2.558 #390]
Aza atao fitia savony : tiana ihany ka avalan-drano. [2.415 #5326]
Aza atao fitia savony: tiana ihany, ka avalan-drano; fa ataovy fitia foza kely, ka lany mbamy ny tongony. [2.653]
Dikanteny frantsayNe faites pas de l'amitié ainsi qu' on fait du savon, qu' on aime, mais qu' on laisse partir au courant de l' eau ; faites de l' amitié ce qu'on fait pour les jeunes crabes, dont on mange jusqu' aux pattes. [2.415 #5326]
Fanazavana frantsaySoyez constant dans vos affections et prouvez-le. [2.415 #5326]

Ohabolana 11Aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika. [2.165 #217]
Aza atao fitia varavarana : tiana ihany fa natositosika. [2.558 #388]
Aza atao fitia varavarana: tiana ihany, ka atosilosika. [2.974 #8]
Aza atao fitia varavarana : tiana ihany ka atositosika. [2.415 #5071, 2.653]
Fitia varavarana : tiana ihany fa atositosika. [2.558 #1183]
Dikanteny frantsayN' aimez pas comme on aime une porte: on l' aime et pourtant on la pousse tantôt d' un côté tantôt de l' autre. [2.165]
Ne pas aimer comme on aime la porte : on la repousse sans cesse. [2.974 #8]
Que vos affections ne ressemblent pas à la porte : on aime bien la porte, mais on la pousse et repousse à chaque instant. [2.415 #5071]
Fanazavana frantsaySe disait des liaisons rompues et reprises. [2.415 #5071]

Ohabolana 12Aza atao fitia vonindraozy : izy tiana indray no manindrona. [2.558 #389]

Ohabolana 13Aza manadidy an-dRasoa tia ratsy ; fa ny fitia tsy mila tarehy. [2.653]
Aza manadidy an-dRasoa tia ratsy ; fa raha tiana, mitombo tarehy. [2.415 #1268, 2.653]
Aza manadidy an-dRasoa tia ratsy : ny tia tsy mila tarehy. [2.415 #1268]
Aza manadidy ny soa tia ratsy fa izay tiana mitombo tarehy. [2.558 #477]
Dikanteny frantsayNe reprochez pas à Rasoa d' aimer quelqu' un de laid, car celui qui est aimé devient beau. [2.415 #1268]
Ne reprochez pas à Rasoa d' aimer quelqu' un de laid : l' amour n' a pas besoin de beauté. [2.415 #1268]
Fanazavana frantsayL' amour est aveugle. [2.415 #1268]

Ohabolana 14Aza manao hoe : Ny tiako no ahy. [2.558 #523]
Aza manao: "Ny tiako no ahy". [2.165]
Aza manao ny "tiako no hatao." [2.653 #517, 2.165]
Dikanteny frantsayNe dites pas: "J' aurai tout ce que je veux" . [2.165]
Ne dites pas : je ferai ce que je veux. [2.415 #625]
Fanazavana frantsayLes chefs doivent agir avec justice et sagesse, et non pas avec despotisme. [2.415 #625]

Ohabolana 15Aza manao sakaiza manody, ka ny olon-tiana no mahavoa ratsy. [2.558 #564, 2.653 #493]
Sakaiza manody, ka ny olon-tiana no mahavoa ratsy. [2.415 #5343]
Dikanteny frantsayAmi perfide, ami traître : c' est une personne chère qui frappe. [2.415 #5343]

Ohabolana 16Aza manao sora-damba tsy tian' ny manjaka. [2.558 #577]
Manao sora-damba tsy tian' ny mpanjaka. [1.1]
Sora-damba tsy tian' ny manjaka. [2.415 #257]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo tsy manao araka ny sitrapon' ny mpanjaka (taloha ireny, fony fahampanjaka tsy refesi-mandidy, dia nofaizina mafy). [1.1]
Dikanteny frantsayCe sont des dessins d' étoffe que le souverain n' aime pas. [2.415 #257]
Fanazavana frantsayOn appelait ainsi les actes qui étaient contre la volonté du souverain. [2.415 #257]

Ohabolana 17Aza manao : " tsy tiako tarehy, halako bika " . [2.415 #5499]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme celui qui dit : je n' aime pas sa figure, je déteste son air. [2.415 #5499]
Fanazavana frantsaySe disait de la partialité. [2.415 #5499]

Ohabolana 18Aza manao voli-vary an-kitram-bero : ny tian' ny tany tsy atao, fa ny tian' ny olona no atao. [2.415 #2280, 2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme une plantation de riz au milieu d’une brousse d’herbe Vero : on ne fait pas ce que la terre aime et demande, mais on fait ce que veut le propriétaire. [2.415 #2280]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui cherchent leurs intérêts propres sans s’occuper des intérêts généraux. [2.415 #2280]

Ohabolana 19Aza mikafara olon-tiana, sao mba hantany ny azy. [2.558 #753]

Ohabolana 20Barabaha folaka, akondro mahia: manambady tsy tiana malak’ aretina. [1.147 #B3]

Ohabolana 21Basy jala fito : tsy azoñi ty latsa, tsy ahoañi ty pañarivo. [1.68]
Basi-na ariary fito: tsy takatry ny ory, tsy tian' ny mpanana. [1.1]
Basin' ariary fito : sady tsy tian' ny mpanana no tsy takatry ny ory. [2.558 #850]
Basin' ariary fito: tsy tian' ny mpanana ary tsy takatry ny malahelo. [1.1]
Basin’ ariary fito: tsy tian’ ny mpanana, tsy takatry ny malahelo. [2.653]
Salasala ohatra ny basin' ariary fito: tsy takatry ny malahelo, tsy tian' ny mpanana. [2.165]
Dikanteny frantsayDouteux comme un fusil de sept piastres: les pauvres ne peuvent l' acheter, les riches ne l' aiment pas. [2.165]
Un fusil à trente-cinq FMG : ceux qui sont pauvres ne peuvent l'acquérir, les riches le dédaignent. [1.68]

Ohabolana 22Dovidovy endrika ka tian' ny olona haratsiana ary amboalambo tarehy ka tian' ny kabary hodiavina. [2.558]
Dovidovy endrika, ka tian' ny olona hoharatsina ; ary amboalambo tarehy, ka tian' ny kabary hodiavina. [2.415 #4862, 2.653 #863]
Dikanteny frantsayIl a l' air chétif, aussi aime-t-on à se moquer de lui ; il a l' air d' un aventurier, aussi s' attire-t-il fréquemment des discussions. [2.415 #4862]

Ohabolana 23Drakidraky mamàna, gisy mangatody : raha tsy tiana tsy anaran-trena-maso. [1.147 #D16]

Ohabolana 24Fanambadiana nataon' ny vaventy : sady tiako no eran-dry rainy. [2.415 #189, 2.653]
Dikanteny frantsayMariage de grands : non seulement je le veux, mais il y a accord des parents. [2.415 #189]
Fanazavana frantsaySe disait des mariages conclus selon toutes les formalités et tous les usages, et bien vus de tout le monde. [2.415 #189]

Ohabolana 25Fy ny toho, fy ny amalona fa ny lelako tsy ataoko jono. [2.165 #1147, 2.653 #975, 2.558, 1.1]
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lela tsy ataoko jono. [2.415 #2181]
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lela tsy azo atao jono. [2.415 #2181]
Na fy aza ny amalona, ny lelako tsy ataoko jono. [1.1 #57]
Na mamy aza ny amalona, ny lelako tsy ataoko jono? [2.558 #2725]
Na tiako aza hianao, ny lelako tsy hataoko jono. [2.415 #1111]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fahamalinana: na toy inona na toy inona hasoan' ny zavatra iray, tsy tokony hatakalo an' io na oviana ny aina. [1.1 #57]
Dikanteny frantsayJ' ai beau vous aimer, je ne sacrifierai pas ma langue à servir d' appât pour vous. [2.415 #1111]
Les poissons nommés toho sont bons, les anguilles sont délicieuses, cependant la langue n' est pas un appât qu' on puisse sacrifier pour les prendre. [2.415 #2181]
Le "toho" est excellent, l' anguille est délicieuse, mais je n' employerai quand même pas ma langue comme appât (pour les prendre). [2.165]
Fanazavana frantsayIl y a une limite à tout, même aux sacrifices à faire pour les parents ; comparaison tirée de la pêche des poissons. [2.415 #1111]
Les richesses sont agréables mais il ne faut pas sacrifier sa vie pour les obtenir. [2.415 #2181]

Ohabolana 26Fitia tokonana : tiana ihany fa hitsakitsahina. [2.558 #1181]

Ohabolana 27Hangidy, lavitry ny faty; ho mamy, tian’ ny vola. [2.415 #4130, 2.558 #1268, 2.653 #1025, 2.165]
Dikanteny frantsayPuisse la mort vous épargner et l' argent vous aimer! [2.165]
Puissiez-vous être amer pour éloigner la mort et doux pour attirer l' argent. [2.415 #4130]
Fanazavana frantsaySouhait de longue vie et de prospérité qu' on faisait aux bienfaiteurs. [2.415 #4130]
Souhait exprimé quelquefois par des mendiants à celui dont ils ont reçu des largesses. [2.165]

Ohabolana 28Hena lasan' amboa : ny hena lasany leoko ihany, fa ny fidingin' ny rambony no tsy tanty. [2.558 #1305]
Hena lasan' amboa : ny hena moa dia hanao ahoana, fa ny fidingin' ny rambony no tsy tiako. [2.415 #4490, 2.653 #1046]
Dikanteny frantsayMorceau de viande emporté par un chien : passe pour la viande, mais ce qui m' est insupportable, c' est la manière dont il dresse sa queue. [2.415 #4490]
Fanazavana frantsayLe procédé est souvent plus pénible que la chose elle-même. [2.415 #4490]

Ohabolana 29Hoatry ny maso : tezitra vao mibaliaka ; mijery ny tiana vao manjary mikombomkombona. [2.415]
Dikanteny frantsayC' est comme les yeux : quand ils sont en colère ils s' ouvrent tout grands ; et quand ils voient une chose qu' ils aiment, ils se ferment de contentement. [2.415 #5604]
Fanazavana frantsaySe disait des gens singuliers. [2.415 #5604]

Ohabolana 30Isavasavana ny raviny hahitana ny fotony. [2.415 #3251, 2.558 #98, 1.3]
Isavasavana ny tahony, tiana hahitana ny fotony. [2.165 #1160, 2.415 #3252, 2.653 #1149, 2.974 #322]
Ny isavasavana ny raviny hahitana ny fotony. [1.1]
Savasavana ny tahony, fa tiana ho hita ny fotony. [2.415 #3252]
Savasavao ny raviny hahitana ny fotony. [2.558 #3865]
Fanazavana malagasyEnti-milazany famakafakana izay tsy maintsy hatao raha te hahafantatra zavatra iray. [1.1]
Dikanteny frantsaySi l' on écarte les feuilles c' est pour trouver la racine. [2.415 #3251, 1.3]
Si l' on examine la tige et si on fouille la terre autour d' elle, c' est pour trouver la racine. [2.415 #3252]
Si l' on examine le tronc, c' est qu' on veut voir les racines. [2.165]
Si l’on fouille à travers les branches, c’est pour atteindre jusqu’à la racine. [2.974 #322]
Fanazavana frantsayDans une enquête, beaucoup de gens et même des innocents, sont interrogés, mais ce ne sont que les coupables qu' on recherche. [2.165]
Se disait de l' examen approfondi d'une affaire pour trouver la vérité. [2.415 #3252]
Si l' on examine bien, c' est pour aller jusqu' au fond et trouver la vérité. [2.415 #3251]
Si l' on examine bien, c' est pour bien savoir la vérité. [1.3]

Ohabolana 31Izaho anie lany fototra amam-pondrana, vao nahazo olon-tiana. [2.415 #203]
Dikanteny frantsayIl m' a fallu dépenser jusqu'au dernier tronc et la dernière souche pour me faire de véritables amis. [2.415]
Fanazavana frantsayUne des comparaisons proverbiales du roi Andrianampoinimerina exprimant ce qu' il a souffert pour fonder son royaume ; les pères de famille l' employait vis-à-vis de leurs enfants. [2.415]

Ohabolana 32Izay tiana mitombo tarehy. [2.415 #1283]
Dikanteny frantsayA la personne aimée, on trouve beau visage. [2.415 #1283]

Ohabolana 33Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana. [2.165 #606]
Izay tsy mahafoy kely tsy manan-tiana. [2.415 #2291, 2.558 #1523, 2.653 #1204]
Dikanteny frantsayCelui qui ne donne jamais le moindre objet n' a pas de bien-aimée, celui qui ne se désiste jamais de rien n' a pas d'ami. [2.415 #2291]
Ceux qui ne veulent pas dépenser un peu ne peuvent pas avoir ce qu' ils veulent. [2.165]

Ohabolana 34Kalalao matin-dronono : matin-draha tiany. [1.147 #K11]

Ohabolana 35Lany fatotra amam-pondrana. [2.558 #117, 2.653 #1324]
Lany fatotra amam-pondrana vao nahazo olon-tiana. [2.415 #5274]
Tsy mety raha lany fatotra amam-pondrana. [2.165 #784]
Tsy mety raha lany fatotra amam-pondrana vao alavitin-kavana. [2.558 #4596]
Dikanteny frantsayIl m' a fallu dépenser jusqu' à la dernière corde et la dernière souche pour me faire de véritables amis. [2.415 #5274]
Il ne faut pas tout dépenser, jusqu' à ses dernières économies (ou réserves). [2.165]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à son fils. [2.415 #5274]

Ohabolana 36Mahay mandefitra ka tsy ory olon-tiana. [2.558 #1869]

Ohabolana 37Main' ny afo natsangana. [2.558 #1900]
Main' ny afo natsangany. [2.415 #6071]
Main' ny afo natsangany izy, ary voakaikitry ny amboakely tiany. [2.415 #5448]
Dikanteny frantsayBrûlé par le feu qu' on a soi-même allumé, mordu par le chien qu' on aime. [2.415 #5448]
Brûlé par le feu qu' on a soi-même allumé. [2.415 #6071]
Fanazavana frantsayOn a affaire à des ingrats. [2.415 #5448]

Ohabolana 38Malala, tiana, nandaozan-dray aman-dreny. [2.415 #1291]
Dikanteny frantsayÉpouse chérie, tendrement aimée, pour laquelle on a quitté père et mère. [2.415 #1291]

Ohabolana 39Masa-bary maito kitoza ka ny tiako no tiany. [2.558 #2147]
Masa-bary, maito kitoza, ka " ny tianao no tiako " : mahafinaritra ahy izany. [2.415 #5101]
Masa-bary maito kitoza: "Ny tiako no atandriny ahy. [2.653]
Masa-bary maito kitoza; ny tiako no tiany. [1.1 #560, 2.653]
Fanazavana malagasyRehefa sendra izay fifanojoan-javatra mahasoa, dia samy faly, samy tretrika. [1.1 #560]
Dikanteny frantsayLe riz est cuit, la viande est coupée ; ce que vous aimez je l' aime : cela me réjouit. [2.415 #5101]
Fanazavana frantsayAmour, amitié, ou simple accord. [2.415 #5101]

Ohabolana 40Miakara raha tiana, masaka ny lohomby, voaloatra ny sakafo. [2.415 #436]
Dikanteny frantsayMontez si vous voulez, la tête de boeuf est cuite, le repas est servi. [2.415]
Fanazavana frantsayFormule de déclaration de guerre. [2.415 #436]

Ohabolana 41Miangolangola mitendan’ akoho fararano: ny akotry tsy tiana, ka ny bibikely no tadiavina. [2.415 #4693, 2.653 #1723]
Miangolangola toa tendan' akoho fararano : ny vary tsy lany, ka ny bibikely indray no zahana. [2.558]
Dikanteny frantsayGourmet comme un gosier de poule en automne : elle dédaigne le riz non décortiqué et elle va chercher des insectes. [2.415 #4693]
Fanazavana frantsaySe disait aussi des gens qui délaissent ce qu'ils ont désiré, une fois qu' ils l' ont obtenu. [2.415 #4693]

Ohabolana 42Misorona aman-kavana, ka misento tsy atrehin' olon-tiana. [2.558 #2416]

Ohabolana 43Mitolona amin' olon-tiana ka aleo lavony toy izay mahalavo azy. [2.558 #2460]
Tolona amin' ny sakaiza tiana; aleo lavony toy izay mahalavo azy. [1.1]
Tolona amin' olon-tiana, ka aleo lavony toy izay mahalavo azy. [2.558 #4165]
Tolona amin-tsakaiza tiana : aleo lavony toy izay handavo azy. [2.415 #3520, 2.653 #3111, 2.974]
Dikanteny frantsayLutte avec une personne aimée : il vaut mieux se laisser vaincre que de vaincre soi-même. [2.415 #3520]
Quand on lutte avec un ami très cher, on préfère être renversé par lui que de le renverser. [2.974 #22]

Ohabolana 44Mpamintana nalaim-boay : samy malaka ny tiany. [1.147 #M138]

Ohabolana 45Mpanjono lasa-mamba, ka samy maka ny tiany. [2.165 #1719, 2.653 #1968]
Mpanjono lasan' ny mamba ka samy maka ny tiany. [2.558 #2596]
Dikanteny frantsayUn pêcheur à la ligne pris par un crocodile, chacun prend ce qu' il lui faut. [2.165]
Fanazavana frantsayLe pêcheur prend (ou prenait) des poissons, et le crocodile prend l' homme! [2.165]

Ohabolana 46Ny alahelo raki-malala, ka tsy ambara raha tsy amin' olon-tiana. [1.1 #49]
Ny alahelo toy ny raki-malala: ka raha tsy ny olon-tiana tsy amerahana azy. [2.165 #1016]
Ny alahelo toy ny raki-malala, ka raha tsy ny tiana tsy amborahana azy. [2.558 #2847]
Ny alahelo toy ny raki-malala: raha tsy ny olon-tiana tsy amerahana. [2.653 #2137]
Ny alahelo toy ny raki-malala: raha tsy olon-tiana tsy amosahana. [2.974 #374]
Dikanteny frantsayLa douleur est un trésor précieux : on ne la découvre qu’à ceux qu’on aime. [2.974]
Le chagrin est comme un grand trésor: on ne s' en ouvre qu' à ses intimes. [2.165]

Ohabolana 47Ny anankiray tambatambazan-kambakaina, fa ny iray hodian-tsy hita nefa lalaina. [2.558 #2866]
Ny anankiray tambatambazan-ko ambakaina; ary ny anankiray hodian-tsy tiana, nefa lalaina. [2.653 #2150]
Ny iray tambatambazan-kambakaina, ny iray mody tsy tian-kolalaina. [2.165 #504, 2.415 #4935]
Dikanteny frantsayOn cajole l' un pour pouvoir mieux le tromper, et l' on fait semblant de ne pas aimer l' autre pour provoquer une affection plus grande. [2.165 #504]
On caresse l' un pour mieux le tromper, et l' autre fait semblant de ne pas être aimé pour l' être davantage. [2.415 #4935]

Ohabolana 48Ny anarana tanim-boanjo : samy mamangitra izay tiany atao. [2.415 #1674]
Dikanteny frantsayLe choix d' un nom c' est comme le choix d' une terre à planter des arachides : chacun prend où il veut et comme il veut. [2.415 #1674]
Fanazavana frantsayC' est une sottise de prendre trop peu de terrain lorsqu' on peut en prendre beaucoup ; c'est également une sottise de prendre un nom petit ou vilain quand on est libre d' en choisir un qui sonne bien. [2.415 #1674]

Ohabolana 49Ny anatra, vahiny : tiana, mody mandry ; tsy tiana, mitampody. [2.165 #1588, 2.415 #6521, 2.653 #2157]
Dikanteny frantsayLes conseils sont comme des hôtes : quand ils se voient bien accueillis, ils couchent ; sinon ils s' en retournent. [2.415 #6521]
Les conseils sont comme des voyageurs (ou des étrangers): si on les accepte, ils logent chez vous; si on ne les aimes pas, il s' en vont chez eux. [2.165]
Fanazavana frantsayOn n' est pas obligé de suivre les conseils et les avis. [2.415 #6521]
On peut les accepter ou les rejeter. [2.165]

Ohabolana 50Ny fitia sora-damba ka samy mifidy izay tiany. [2.558 #3004]

Ohabolana 51Ny fo ratsy tsy ananan-kavana (amoizan' olon-tiana). [2.558 #3013]

Ohabolana 52Ny harena no tian-kananana, ka ny aina no atao tsy ho zavatra. [2.558 #3033]
Ny harena no tian-ko azo, ka ny aina no atao tsy ho zavatra. [2.415 #6316, 2.653 #2250]
Dikanteny frantsayCe sont les richesses qu' on veut acquérir et on fait peu de cas de la vie. [2.415 #6316]

Ohabolana 53Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana. [2.165 #177]
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza vanona. [2.653 #2257]
Dikanteny frantsayMieux vaut un ami chéri qu' un mauvais parent. [2.165]

Ohabolana 54Ny kibo adala, ka ny mavesatra ihany no tiany. [2.974 #385, 2.653]
Dikanteny frantsayLe ventre est un insensé : il cherche toujours ce qu’il y a de plus lourd. [2.974 #385]

Ohabolana 55Ny manary ny tia azy dia mbola harian' izay tiany kosa. [2.558 #3108]

Ohabolana 56Ny sakaiza tiana no mahatoky. [2.415 #5126]
Dikanteny frantsayLes amis chers, on a confiance en eux. [2.415 #5126]

Ohabolana 57Ny vady fanaraka ary ny tiana maharesy an-daharana. [2.558]

Ohabolana 58Ny vady hariam-be tsiny. [2.415 #1394, 2.653 #2459]
Ny vady hariana maro tsiny. [2.558]
Vady nariana maro tsiny, ary izay tsy tiana toa be molotra. [2.558 #316]
Vady tsy hariam-be tsiny. [2.653]
Vady tsy hovadim-be tsiny. [2.415 #1246, 2.653]
Vady tsy tiana be tsiny. [2.415 #1353]
Dikanteny frantsayA femme qu' on veut répudier on trouve beaucoup de défauts. [2.415 #1394]
A l' époux ou l' épouse qu'on n' aime plus on trouve bien des défauts. [2.415 #1353]
A une personne qu' on ne veut pas épouser on trouve beaucoup de défauts. [2.415 #1246]
Fanazavana frantsaySe disait aussi de ceux qui critiquent les affaires des autres. [2.415 #1246]
Se disait aussi des autres personnes que les époux, et même de toutes les choses qu' on n'aimait pas. [2.415 #1353]

Ohabolana 59Ny vady no tiana, ka ny rafozana no malala. [2.165 #1843, 2.415 #1463, 2.653 #2460]
Ny vady no tiana, ka ny rafozana no ramalala. [2.415 #1463]
Dikanteny frantsayLes épouses sont chéries, mais ce sont les beaux-parents qu' on soigne avec amour. [2.415 #1463]
On aime sa femme, et par le fait on chérit les beaux-parents. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des soins à donner aux beaux-parents par reconnaissance et intérêt. [2.415 #1463]

Ohabolana 60Ny vady no tiana, ka ny rafozana no tazani-mandeha. [2.415 #1464]
Ny vady no tiana ka ny rafozana no tsinjovi-mandeha. [2.415 #1464, 2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayLe mari aime son épouse et il surveille la marche de ses beaux-parents pour les aider. [2.415 #1464]

Ohabolana 61Ny vady tiana nitera-dahy, ary ny rano nantsakaina nisy ventiny. [2.415 #1318]
Dikanteny frantsayL' épouse chérie a mis au monde un fils, l' eau qu' on a puisée est devenue un bien solide. [2.415 #1318]
Fanazavana frantsayEn buvant superstitieusement de l'eau indiquée par le devin, les femmes croyaient obtenir des enfants. [2.415 #1318]

Ohabolana 62Ny voamena zaton' i dada, ny sotro rano tsy tian' i neny. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo fisahiranan' ny ray aman-dreny amin' ny zanany, ka ny an' ny reny, dia ny mikasika indrindra ny niterahany azy; ny an' ny ray kosa, ny mikasika ny fitadiavam-bola hamelomana azy. [1.1]
Enti-milaza ny fahasahiranana mafy nentin' ny ray sy ny reny amin' ny famelomana, fikarakarana ny zanaka eo amin' ny taona mbola maha-kely azy indrindra. [1.1]

Ohabolana 63Nokekerin' ny amboa kely tiana. [1.1 #61]
Nokekerin' ny amboa kely tiana izy. [2.415]
Nokinaikitry ny amboakely tiana. [2.558 #2807]
Voakaikitry ny amboa kely tiana. [2.974 #388]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona navadik' ilay olon-tiany fatratra. [1.1 #61]
Dikanteny frantsayIl a été mordu par son petit chien chéri. [2.415]
Il a été payé d’ingratitude. [2.415]
Mordu par son petit chien favori. [2.974 #388]

Ohabolana 64Odian-tsy tiana ohatra ny varin' amboa mahamay. [2.558]
Odian-tsy tiana, tahaka ny varin’ amboa mahamay. [2.653]
Odian-tsy tiana tahaky ny varin' amboa mahamay. [2.415 #5127]
Dikanteny frantsayQu' on fait semblant de ne pas aimer, comme le chien a l' air de ne pas aimer son riz trop chaud. [2.415 #5127]
Fanazavana frantsaySe disait du jeu de l'amour ; se disait aussi de ceux qui feignaient de ne pas vouloir acheter, ou faire un contrat. [2.415 #5127]

Ohabolana 65Olon-tiana tsy miohatra ny zanaka. [2.558]

Ohabolana 66Raha hianao no miteny : hetsika Andriananahary, fa raha olona kosa no miteny : tangena ambony varavarana. [2.558 #3570]
Raha hianao no miteny: Hetsika Andriananahary; fa raha olona: Tangena ambony varavarana. [2.653]
Raha ny tianao no hatao, hetsika Andriamanitra ; fa raha ho an' olona, tangena ambonin' ny varavarana. [2.415 #856]
Raha ny tianao no hatao, hetsika Andriananahary; fa raha ho an' olona, tangena ambonin' ny varavarana. [2.165 #78]
Dikanteny frantsayPour accomplir vos désirs Dieu se remue ; mais quand il s' agit d'un autre, le tanguin est au-dessus de la porte. [2.415]
Pour accomplir votre désir à vous, vous pensez que Dieu se remuera; mais pour un autre, le tanguin (poison) est au-dessus de la porte. [2.165]

Ohabolana 67Raha mahare teny tsy tiana : ny marary tonga finaritra ary ny malemy tonga matanjaka. [2.558 #3599]
Raha mahare teny tsy tiana : ny marary tonga manaritra, ny malemy tonga matanjaka. [2.415 #2820, 2.653 #2674]
Dikanteny frantsayEn entendant des mots désagréables, les malades sont guéris et les faibles deviennent forts. [2.415 #2820]
Fanazavana frantsayOn se trouve excité par les mots désagréables. [2.415 #2820]

Ohabolana 68Raha ny tianao no hatao : avia rey ambanilanitra, fa raha ny an' olona kosa : tsy afaka aho fa be lohalika! [2.558]

Ohabolana 69Randranobe voky hoditra: "Tsy tiako mbamy ny ao am-pahitra". [2.653 #2741]
Randranobe voky hoditra : tsy tiako mbamin' ny ao am-pahitra. [2.415 #1931, 2.558 #241]
Dikanteny frantsayVieille qui s'est rassasiée de peaux : je n' en veux plus, dit-elle, même celles qui sont encore sur les boeufs dans le parc. [2.415]

Ohabolana 70Sakaiza tiana namadi-belirano ; vady renianaka niholy ho an’ olona ; reniomby nompiana nandaka; nampaka-drano tsy nahatafakatra; nahandro vary namolavola sosoa : koa izany no kanto maizina indrindra. [2.653]
Sakaiza tiana namadi-belirano, vady renianaka niholy ho an' olona, reniomby nompiana nandaka, nampaka-drano tsy nahatafakatra, nahandro vary namolavola sosoa : koa izany no maizina indrindra. [2.558]

Ohabolana 71Sangy miohatra ny loha, tsy mba an' olon-tiana. [2.558]

Ohabolana 72Saro-tiana toa landy mohaka. [2.558 #3851]
Saro-tiana toa landy mohaka; ka tiana vao misaritaka. [2.165 #414]
Saro-tiana, toa landy mohaka: tiana vao misaritaka. [2.653 #2872]
Dikanteny frantsayDifficile à contenter comme un mauvais cocon de soie; quand on veut le dévider (litt. l' aimer) il s' embrouille. [2.165]

Ohabolana 73Tambako mahadala, jia mahafoka ; raha tiana mahavery fanahy. [1.147 #T23]

Ohabolana 74Tanin' andriana tian-konenana, ary satan' andriana tsy harahina. [2.415 #258]
Tanin' andriana tian-konenana, ary satan' andriana tsy tiankarahina. [2.415 #258]
Tanin' andriana tian-konenana, ka satan' andriana tsy harahina. [2.165 #1411]
Tanin' Andriana tian-konenana, ka satan' Andriana tsy tian-ko arahina. [2.558 #4047]
Tanin’ Andriana tian konenana; satan’ Andriana tsy harahina. [2.653]
Dikanteny frantsayOn aime la terre d' un souverain pour y résider, mais on n' aime pas à se soumettre à ses lois. [2.415 #258]
Vouloir demeurer sur les terres du souverain, mais ne pas vouloir suivre ses lois. [2.165 #1411]
Fanazavana frantsayIl en coûte de se soumettre à toutes les volontés du souverain ; on voudrait avoir les avantages sans les inconvénients. [2.415]

Ohabolana 75Tavy tsy may be rokaroka : vady tsy tiana be fanantsana. [1.147 #T48]

Ohabolana 76Tety am-bava: na tsy tiana aza lelafina ihany. [2.653]

Ohabolana 77Tiako tahaky ny varavarana hianao, tiana ihany ka atosika. [2.415 #5140]
Dikanteny frantsayJe vous aime comme la porte : on aime la porte, et pourtant on la pousse sans cesse. [2.415 #5140]
Fanazavana frantsayRéponse de l'homme à la femme qui lui reproche de ne pas l' aimer. [2.415 #5140]

Ohabolana 78Tiako tahaky ny voatavo hianao : lena hianao haniko ; maina hianao ataoko zinga ; vaky hianao, ataoko toham-baliha hotendreko eroa amoron-dalana. [2.415 #5142]
Dikanteny frantsayJe vous aime comme la citrouille : fraîche je vous mange, sèche je fais de vous une tasse à puiser l' eau, cassée je fais de vous un chevalet de guitare pour jouer doucement au bord des routes. [2.415 #5142]
Fanazavana frantsayParoles d' amoureux. [2.415 #5142]

Ohabolana 79Tiako tahaky ny vola hianao. [2.415 #5141]
Dikanteny frantsayJe vous aime comme l' argent. [2.415 #5141]

Ohabolana 80Tiana, ka tany lavitra natao folo hafatra, fa nony tonga tsy tian-kojerena. [2.558 #266]

Ohabolana 81Tiana ny terak' ombin' Ikaky, fa raha mandaka kapohina. [2.558 #267, 2.653 #3094, 2.415]
Dikanteny frantsayJ' aime les veaux de mon père ; mais s' ils donnent des ruades, je les frappe. [2.415 #6489]
Fanazavana frantsayOn a beau aimer quelqu'un, on ne peut pas tout lui passer. [2.415 #6489]

Ohabolana 82Tiana ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika. [2.558 #4135]
Tiana ny zanaka ; nefa raha manaikitra ny nono, akifika. [2.415 #942]
Tsy misy mamy hoatry ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika. [2.165 #1891]
Tsy misy mamy ohatra ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika. [2.558, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa na dia izay tiana indrindra aza, raha tafaohatra ny toetra asehony dia akipaka. [1.1]
Dikanteny frantsayLa mère aime son enfant, mais lorsqu' il lui mord le sein en tétant, elle l' écarte. [2.415 #942]
Rien n' est plus précieux (litt. doux) qu' un enfant, mais quand il mord le sein on le repousse. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens ingrats envers leurs bienfaiteurs ; se disait surtout pour montrer que l' affection ne doit pas empêcher les corrections et les réprimandes. [2.415 #942]

Ohabolana 83Tian’ ny vadiny, ka isan-jaton-dry rainy, isam-polon-dry rainy. [2.653 #3095]
Tian' ny vadiny, ka isan-jaton-dry rainy, isam-polon-dry reniny. [2.415 #1333]
Tian' ny vadiny ka isan-jaton-dry rainy, sady isani-polon-dry reniny. [2.558 #4136]
Dikanteny frantsayUn homme aimé de son épouse est au nombre des nombreux amis du père et de la mère. [2.415 #1333]
Fanazavana frantsaySe disait de la bonne entente du mari avec sa femme et les parents de sa femme. [2.415 #1333]

Ohabolana 84Tohiloha landy : sady tsy takatry ny malahelo no tsy tian' ny mpanana. [2.558 #4149]

Ohabolana 85Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra. [2.165 #775]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely : ampoky ny mamy, ampoky ny soa. [2.558 #4872]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely ka tian-ko lalina indrindra. [1.1]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely : tian-ko lalin ko fy indrindra. [2.974 #129, 2.653]
Vary niliña tantele. [1.68]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra tiana ho amin' izay hahatsara azy indrindra. [1.1]
Enti-milaza zava-tsoa mitontohitra ka tiana sy ankasitrahana fatratra. [1.1]
Dikanteny frantsayDu riz au lait qu'on arrose de miel. [1.68]
Pareil à du riz au lait arrosé de miel, on aime qu' il soit aussi profond que possible. [2.165]
Riz au lait aspergé de miel : le summum de l’exquis. [2.974]
Fanazavana frantsaySouligne la perfection. [1.68]

Ohabolana 86Tokoam-barin’ ny tiana : mantamanta, matàna am-bohoka; maditsadi-tsaka, manahy manelina. [1.147 #T83]

Ohabolana 87Tombotay am-bava, botsy an’ orona : izay tiana lilafina. [1.147 #T99]

Ohabolana 88Tratry ny tiana ka miarahaba tena, fa ny tratry ny hala be eritreritra. [2.558 #4392]

Ohabolana 89Tsy hofitahin' olon-tiana, tsy holaingain' olo-mahatoky ; fa ny ataon' izany no saro-pantarina. [2.415 #4962, 2.653 #3355]
Tsy ho fitahin' olon-tiana, tsy ho laingan' olo-mahatoky, fa ny ataon' izany no saro-pantarina. [2.558]
Dikanteny frantsayPuissiez-vous n' être pas trompé par quelqu' un que vous aimez, ni devenir victime des paroles mensongères de quelqu'un en qui vous avez confiance ; car la conduite de ces personnes est difficile à discerner. [2.415 #4962]

Ohabolana 90Tsikin' olon-tiana, ka sady toky no vahatry ny aina. [2.558]

Ohabolana 91Tsy mety raha dia manao hoe : ny tiako no ahy. [2.558 #4588]
Tsy mety raha dia manao ny tiako no ahy. [2.415 #5417, 2.653 #3407]
Tsy mety raha manao hoe : ny tiako no ahy, ka sady hifidy aho no hizara. [2.558 #4617]
Dikanteny frantsayIl n' est pas permis de dire : ce qui me plaît sera pour moi. [2.415 #5417]

Ohabolana 92Tsy mety raha manao : "tiako fa manana, ary halako fa malahelo". [2.558 #4622]
Tsy mety raha manao: Tiako, fa manana; halako, fa malahelo. [2.415 #5514, 2.653 #3442]
Tsy mety raha manao : tiako fa manana ; lialako fa malahelo. [2.974]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas de dire : je l' aime parce qu' il est riche ; je le déteste parce qu' il est pauvre et malheureux. [2.415 #5514]
Il n’est pas bien de dire : je l’aime parce qu’il possède ; je n’en veux pas parce qu’il est dans la détresse. [2.974]

Ohabolana 93Tsy misy mahalà izay tiany hatao. [1.10]
Fanazavana malagasyTononkira protestanta milaza ny fahefan' Andriamanitra sy ny heriny io, nefa ovan' ny olona sasany tsy mihevitra hoe "tsy misy mahalala". [1.10]

Ohabolana 94Tsy misy ratsy natao valan' ondry, fa izay tiana mitombo tarehy. [2.558 #4742]

Ohabolana 95Tsy misy tiana homen-dambamena, ary tsy misy hala homen-jiafotsy. [2.415 #5515, 2.653 #3544]
Tsy misy tiana homen-dambamena, ary tsy nisy hala homen-jiafotsy. [2.558 #4744]
Dikanteny frantsayIl n' y a pas d' un côté quelqu' un de cher à qui on donnera un lamba de soie rouge, et de l' autre quelqu' un qu' on n' aime pas et à qui on donnera un lamba fait avec du raphia. [2.415]

Ohabolana 96Tsy satry ny mitafy lambamena miantsena fa tiana mba ho hitan' ny mana-marary. [2.558 #310]
Tsy satry no mitafy lambamena miantsena, fa tiana mba ho hitan' ny mana-marary. [2.415 #4411, 2.653 #3576]
Dikanteny frantsayCe n' est pas de gaîté de coeur qu' on va au marché drapé dans un lamba de soie rouge, mais c' est pour être vu de ceux qui ont des malades. [2.415]
Fanazavana frantsayLe lamba de soie rouge est le linceul malgache ; le sens est qu'il faut montrer ce qui est mis en vente. [2.415 #4411]

Ohabolana 97Tsy tiana ka mahavery isany, hoatry ny hatina. [2.415 #2833]
Tsy tiana ka mahavery isany, ohatra ny hatina. [2.653]
Dikanteny frantsayC' est comme la gale qui est détestée et qui pourtant occupe toute l' attention. [2.415 #2833]

Ohabolana 98Vady misintaka naterin-drafozana : aza miamboho saotra fa tian' olona. [2.558 #314]

Ohabolana 99Varifotsy nihilana an-dalambe : zovy mahita ny tiany tsy ho ravo ? [1.147 #V26]

Ohabolana 100Vato nohonkonam-by, tian-ko mafy indrindra. [2.653 #3638]

Ohabolana 101Vava tsy ambina : amoizan' olon-tiana. [2.558 #4906]

Ohabolana 102Velona tsy tiana, ka maty vao Ratompokolahy. [2.415 #2937]
Dikanteny frantsayDe son vivant on ne l' aimait pas, et une fois mort on l' appelle monsieur. [2.415 #2937]
Fanazavana frantsaySe disait des gens que l'on méprise de leur vivant et qu'on honore ou qu' on fait semblant de chérir après leur mort. [2.415 #2937]

Ohabolana 103Vody varin’ Andriamanitra ny olona : izay tiany halaina no alainy, ary izay tiany havela no avelany. [2.653 #3718, 2.415]
Vodi-varin' Andriamanitra ny olona, ka izay tiany halaina no alainy, ary izay tiany avela no avelany. [2.558 #5005]
Voly varin’ Andriamanitra ny olona : izay tiany halaina no alainy, ary izay tiany havela no avelany. [2.974 #57]
Dikanteny frantsayLes hommes sont les plants de riz de Dieu : il prend ceux qu’il veut prendre ; il laisse ceux qu’il veut laisser. [2.974 #57]
Les hommes sont l' éteule de riz de Dieu : ce qu' il veut prendre, il le prend ; ce qu' il veut laisser, il le laisse. [2.415 #60]
Fanazavana frantsaySouverain domaine de Dieu sur les personnes et sur les choses. [2.415 #60]

Fizahan-teny